Tahirim-pitaovana
Lesona 130: 1 Timoty


Lesona 130

1 Timoty

Fampidirana

Nanoratra tamin’i Timoty, izay mpitarika tao amin’ny fisoronana tany Efesosy i Paoly, ary nanoro hevitra azy ny amin’ny fahazoana antoka fa fotopampianarana marina no ampianarina. Nametraka ireo fepetra takina amin’ny eveka sy diakona izy ary nanoro hevitra an’i Timoty mba ho fianarana ho an’ny mpino. Nanainga ireo Olomasina mba hikarakara ny mahantra sy ny mpitondrantena i Paoly. Namarana ny epistiliny izy tamin’ny fampianarana fa “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Timoty 6:10).

Sosokevitra enti-mampianatra

1 Timoty 1–3

Nanome torolalana an’i Timoty mikasika ny andraikiny amin’ny fiahiana ny Fiangonana i Paoly

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity tantara manaraka notantarain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Filoha Thomas S. Monson

“Tsaroko ny fotoana iray, taona maro lasa izay, nandritra ny fotoana naha-eveka ahy. Nandritra ny fotoam-panokafana fivorian’ny fisoronana indray alahady maraina, dia niomana handroso ny zatovolahy iray amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona izahay. Namangy ny paroasinay io andro io ny mpikamban’ny filankevitra avo izay efa niasa tao amin’ny tempoly ihany koa. Rehefa nampiomana ilay zatovolahy mba hipetraka hiatrika ny daholobe mba hahafahana manatontosa ny fandrosoana amin’ny fisoronana ny tenako dia hoy ilay mpikamban’ny filankevitra avo tamiko hoe, ‘Ry Eveka, rehefa manatanteraka ny fandrosoana ny olona iray dia asaiko mitodika mankany amin’ny tempoly foana io olona io.’ Novainy ny fitodik’ilay seza mba hahafahan’ilay zatovolahy mitodika mankany amin’ny tempoly. Tonga dia nahatsikaritra fomba fanao tsy nahazoana lalana aho” (“Opening Remarks” [fivoriana maneran-tany fampiofanana ireo mpitarika, nôv. 2010], lds.org/broadcasts).

Hazavao fa tamin’ny maha-eveka azy dia nahazo lalana hiahy ny asan’ny Tompo tao amin’ny paroasiny ny Filoha Monson, fa tsy ilay mpikamban’ny filankevitra avo.

  • Inona ny loza mety hiseho raha toa ka mamela ny fanaovana fombafomba tsy nahazoana lalana toy izany ny eveka na ny filohan’ny sampana?

Hazavao fa nanoratra epistily iray ho an’i Timoty, izay tanora mpitarika tao amin’ny fisoronana tany Efesosy ny Apôstôly Paoly. Tao amin’ilay sampan’ny Fiangonana niahiany dia niatrika olana mitovy amin’izay nianjady tamin’ny Filoha Monson i Timoty.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 1 Timoty 1:3-7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny andraikitra nomen’i Paoly an’i Timoty. Hazavao fa ilay teny hoe anganongano (andininy 4) dia milaza fampianarana diso; ny fihainoana “tantaram-pirazanana tsy hita lany” (andininy 4) dia manambara ilay finoana nenti-paharazana diso fa ny famonjena dia natokana ho an’ireo taranak’i Abrahama voafidy ihany, izay fantatra matetika tamin’ny fananany tetiarana lavabe na tsy hita lany; ary ny “taria foana” (andininy 6) dia milaza resadresaka tsy misy tanjona (jereo ny 1 Timoty 1:6).

  • Araka ny andininy 3-4, inona no andraikitra nomen’i Paoly an’i Timoty?

  • Araka ny andininy 6–7, dia nahoana no zava-dehibe tamin’i Timoty ny nanatanteraka izany andraikitra izany?

  • Inona no fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty mikasika ny andraikitr’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia manana ny andraikitra mba haka antoka fa fotopampianarana marina sy fomba fanao ara-dalana no ampianarina. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ny toe-javatra niseho tamin’ny Filoha Monson fony izy eveka. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny tohin’ny tantarany: Angataho ireo mpianatra mba hihaino ny fomba namalian’ny Filoha Monson an’ilay mpikambana tao amin’ny filankevitra avo:

Filoha Thomas S. Monson

“Hitako fa izany zavatra izany dia mety ho lasa fomba fanao ataon’ny maro. Na dia tanora lavitra noho ilay mpikamban’ny filankevitra avo aza ny tenako dia fantatro izay tokony natao. Navadiko mba hitodika any amin’ny daholobe indray ny seza ary nilaza taminy aho hoe, ‘Ato amin’ny paroasinay dia miatrika ny daholobe ny olona haroso’” (“Opening Remarks,” lds.org/broadcasts).

  • Mitahy antsika amin’ny fomba ahoana ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay maka antoka fa fotopampianarana marina sy fomba fanao ara-dalana no ampianarina ato amin’ny Fiangonana?

Fintino ny 1 Timoty 1:8–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nampitandrina ny amin’ireo izay naniry ho mpampianatra ny lalàn’ Andriamanitra nefa tsy nahatakatra tsara izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Timoty 1:12–16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitady ny antony nanehoan’i Paoly fankasitrahana ho an’i Jesoa Kristy.

  • Nahoana no naneho fankasitrahana ho an’i Jesoa Kristy i Paoly?

  • Araka ireo andininy 15–16 dia “fianarana” ho an’ireo rehetra izay mino an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana i Paoly?

Fintino ny 1 Timoty 1:17–1 Timoty 3 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanoro hevitra an’i Timoty mba hifikitra amin’ny finoany i Paoly. Nampianatra i Paoly fa i Jesoa Kristy no mpanelanelana antsika, ary nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana izy mikasika ny fomba hitondran’izy ireo ny tenan’izy ireo. Napetrany ihany koa ireo fepetra takina ho an’ireo eveka sy diakona.

1 Timoty 4–5

Nofariparitan’i Paoly ireo toetoetry ny mpanompo mahatoky an’i Jesoa Kristy

Mitondrà vy kely mifaraingoka hampikambanana taratasy (trombone) iray, tapa-kofehy, fitaovana fametahan-javatra (ruban adhésif), ary andriamby iray ao am-pianarana. Afatory amin’ilay vy kely ny lohan’ilay kofehy, dia ataovy miraikitra amin’ny latabatra iray ny faran’izany. Tazony eo akaikin’ilay vy kely ilay andriamby ary aza atao mifampikasoka izany. Tokony hampihetsika ilay vy kely handroso mankany aminy ilay andriamby. Ahetsiketseho ilay andriamby mba hampiseho ny fomba fitaoman’izany ny fihetsiehan’ilay vy kely.

  • Raha maneho ny olona iray ilay vy kely, mety haneho inona ilay andriamby?

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba mety nitovian’izy ireo tamin’ny andriamby ary nitaomany ny hafa. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Timoty 4 mba hitady fahamarinana iray izay mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika ho tonga fitaomana tsara eo amin’ny fiainan’ny hafa.

Fintino ny 1 Timoty 4:1–11 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia naminany fa amin’ny “andro aoriana” (andininy 1) dia hisy mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany hiala amin’ny finoana ary hanaraka ireo fampianarana sy fombafomba diso, toy ny “mandrara tsy hanam-bady” (andininy 3). Namporisika an’i Timoty mba hamahana ny Olomasina amin’ny fotopampianarana marina i Paoly.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 1 Timoty 4:12 ary hitady izay torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty momba ny hoe tokony ho olona manao ahoana izy . Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “fianarana ho an’ny mino”? (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ity andian-teny ity ao amin’ny soratra masiny.)

  • Tamin’ny fomba ahoana avy no nanoroan’i Paoly hevitra an’i Timoty mba ho lasa ohatra ho an’ny mino? (Ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Timoty 4:13–16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny torohevitra fanampiny nomen’i Paoly izay hanampy an’i Timoty mba ho lasa fianarana ho an’ny mino.

  • Inona ny torohevitra fanampiny nomen’i Paoly izay hanampy an’i Timoty mba ho lasa ohatra ho an’ny mino?

  • Araka ny andininy 15 dia nahoana no nilaza tamin’i Timoty i Paoly mba hisaintsaina momba ireo fotopampianarana izay nampianarin’i Paoly sy hikely aina fatratra amin’izany? (Mba hahafahan’ny hafa mahita ny tombontsoa azon’i Timoty tamin’ny fanaovana izany.)

  • Araka ireo fampianaran’i Paoly ao amin’ny andininy 16, inona no mety hitranga rehefa miezaka ny ho fianarana ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy isika? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ny fitsipika iray mitovitovy amin’izao manaraka izao amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Raha toa ka fianarana ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy hitondra ny famonjena ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa.)

  • Mitondra famonjena ho an’ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fanehoan’ny olona iray fa mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy izy?

Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ary hisaintsaina ireo fomba izay nahafahan’i Timoty ho tonga “fianarana ho an’ny mino” (1 Timoty 4:12). Angataho ny iray kilasy mba hamariparitra ireo fomba sasany ahafahan’ny olona iray ho tonga ohatra amin’ny tsirairay amin’ireo lafin-javatra ireo.

  • Oviana ny olona iray no naneho taminao tamin’ny iray amin’ireo fomba nolazain’i Paoly fa fianarana ho an’ny mino izy? (Azonao atao ihany koa ny mizara traikefa teo amin’ny fiainanao manokana.)

Asao ny mpianatra mba hanoratra tanjona iray ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba ahafahany ho tonga fianarana ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy ka hanampy hitondra famonjena ho an’ny tenan’izy ireo sy ho an’ny hafa amin’izany.

Fintino ny 1 Timoty 5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nanoro hevitra an’i Timoty ny amin’ny tokony hikarakaran’ireo Olomasina ny sahirana, tafiditra amin’izany ireo vehivavy mpitondratena.

1 Timoty 6

Nanainga an’i Timoty mba hanampy ny hafa hikatsaka harena mandrakizay i Paoly

Mampisehoa vola madinika iray amin’ny iray kilasy.

  • Araka ny eritreritrareo dia mitondra amin’ny faharatsiana kokoa ve ny vola sa amin’ny tsara kokoa? Nahoana?

Hazavao fa ny 1 Timoty 6 dia mirakitra fa nanome torohevitra an’i Timoty momba ny vola i Paoly. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Timoty 6:6–10. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly sy nampitandremany mikasika ny harem-be.

  • Inona no fampianarana na fampitandremana avy tamin’i Paoly izay nanaitra anareo? Nahoana?

  • Inona araka ny hevitrareo no tiana holazaina amin’ilay andian-teny hoe “ny fitiavam-bola no fototry ny faharatsiana rehetra”? (1 Timoty 6:10).

  • Araka ny andininy 9–10, dia mitarika amin’ny inona ny fitiavam-bola? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny fitiavam-bola dia mitondra amin’ny tsy fahamarinana sy ny apôstazia.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitarika amin’ny tsy fahamarinan-toetra sy apôstazia ny fitiavam-bola?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny “fitiavam-”bola fa tsy ny vola no mitarika amin’ny tsy fahamarinana dia asaivo vakin’ny mpianatra iray ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Dallin H. Oaks

“Tsy hoe ratsy akory ny vola. Ilay Samaritana Tsara fanahy dia nampiasa ilay karazana vola nitovy tamin’ilay nampiasain’i Jodasy mba hamadihana ny Mpamonjy. Fa ‘ny fitiavam-bola [no] fototry ny faharatsiana rehetra.’(1 Tim. 6:10; nampiana soramandry.) Ny fahasamihafana tena manan-danja dia ny halehiben’ny aim-panahy ampiasaintsika rehefa mijery, mandanjalanja, ary mitantana ireo zavatr’izao tontolo izao isika” (“Spirituality,” Ensign, nôv. 1985, 63).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andalan-tsoratra masina sy fanontaniana manaraka ireto na omano ao amin’ny taratasy hozaraina izany:

1 Timoty 6:11–12, 17–19

Inona no torohevitra nomen’i Paoly ho an’i Timoty sy ho an’ireo mpanan-karena?

Ahoana no fomba hahafahan’izany torohevitra izany manampy antsika hanana ny toe-tsaina tsara mikasika ny fikatsahana harena sy ny fampiasana ny harena?

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo sy hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo miaraka amin’ny namany miara-miasa aminy: Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra nifanakalozany hevitra.

  • Raha mahatoky an’ Andriamanitra sy manan-karena amin’ny asa tsara ireo Olomasina dia inona no azon’izy ireo hazonina, raha ny nambaran’i Paoly ao amin’ny andininy 19?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Paoly momba ny zavatra azontsika atao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia ataovy izay hahitan’izy ireo fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity: Raha toa ka mahatoky an’ Andriamanitra velona isika ary heniky ny asa tsara dia afaka hanantena ny fiainana mandrakizay.)

  • Raha ny fahatokisana an’ Andriamanitra sy ny fanarahana ny fahamarinana no laharam-pahamehantsika voalohany indrindra dia ahoana no mety ho fiantraikan’izany amin’ny fomba fijerintsika sy ny fikatsahantsika ary ny fampiasantsika ny harena?

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa mahatonga ny olona iray ho tena manan-karena ny fahazoana ny fiainana mandrakizay. Amporisiho ny mpianatra mba hanao ho laharam-pahamehana indrindra ny fanarahana ny fahamarinana mba hahafahany mahazo ireo harena tena izy any amin’ny fiainana mandrakizay tena izy.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1 Timoty 1:1–7. “Mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa”

Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fampianarana fotopampianarana marina ato amin’ny Fiangonana ny Filoha Gordon B. Hinckley:

“Efa noresahako teo aloha ny momba ny lanjan’ny fitandremana ny fotopampianaran’ny Fiangonana ho madio, sy ny hampianarana izany ao anatin’ireo fivoriantsika rehetra. … Ireo fahadisoana kely amin’ny fampianarana fotopampianarana dia afaka mitarika amin’ny tsy fahamarinana lehibe sy ratsy” (Teachings of Gordon B. Hinckley [1997], 620).

1 Timoty 1:4. “Anganongano”

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ireo “anganongano” voalaza ao amin’ny 1 Timoty 1:4 sy Titosy 3:9 dia entina ilazana “ny fomba amam-panao Jiosy fa ny famonjena dia natao ho an’ireo taranaka voafidy araka izay fantatra avy amin’ny famakiana ny tetiarana. Ato amin’ity fotoampitantanana ity dia nandidy ny fikarohana ny razambe ny Tompo ho zava-manan-danja tokoa amin’ny fanolorana ny famonjena ho an’ireo izay tsy nanana ny fahafahana handray ny filazantsara teto amin’ity fiainana ity” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:127).

1 Timoty 2:9–10. Fitafiana maotina

“I Paoly dia namporisika ireo vehivavy mba ‘hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena’ (1 Timoty 2:9), izay midika hoe fanetrentena sy fanajana lalina; nampianatra ihany koa izy fa ny vehivavy dia tsy tokony hanao akanjo sy ny firavaka ary haingo lafo vidy. Ny fampianarana mitovitovy amin’izany dia hita ao amin’ny 1 Nefia 13:7–8; 4 Nefia 1:24; Môrmôna 8:36–39; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:40. Nilaza i Paoly fa ny vehivavy dia tokony hitafy tahaka ireo izay ‘manaiky ny fivavahana amin’ Andriamanitra.’ Ny fitsipiky ny fanaovana akanjo tsotra dia mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny na lahy na vavy.

“‘Afaka mampiseho ianao amin’ny alalan’ny fitafy sy ny endrikao ety ivelany … fa mpianatr’i Jesoa Kristy ary tianao Izy.”

“‘Ireo mpaminanin’ Andriamanitra dia nanoro hevitra hatrany ny zanany mba hanao fitafiana maotina. Rehefa maotina ny fihaingo sy fiakanjonao dia manasa ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina ianao ary afaka ny ho fitaomana tsara ho an’ny hafa’ (Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011], 6)” (New Testament Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 458).