Tahirim-pitaovana
Lesona 117: 2 Korintiana 10–13


Lesona 117

2 Korintiana 10–13

Fampidirana

Ny Apôstôly Paoly dia nampianatra mikasika ny ady ara-panahy izay handraisan’ireo zanak’ Andriamanitra anjara. Niaro tena tamin’ireo izay nanohitra azy izy. Notantarainy ny fomba nampakarana azy tany amin’ny lanitra fahatelo ary nofariparitany ny fomba nanaporofoana fa fitahiana ny fahalemeny. Talohan’ny namaranany ny epistiliny dia namporisika ny Olomasina tao Korinto i Paoly mba handini-tena sy hanaporofo ny fahatokian’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2°Korintiana 10–11

Nanoratra mikasika ny ady ara-panahy sy ny famitahan’i Satana ary ny fahorian’ny tenany manokana i Paoly

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe ady.

  • Amin’ny fomba ahoana no handraisantsika anjara amin’ny ady atao amin’i Satana?

  • Inona avy ireo ady sarotra indrindra hatrehantsika ao anatin’io ady ara-panahy io?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Korintiana 10:3–6. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly fa tsy maintsy ataontsika mba hahomby amin’ny ady atao amin’i Satana.

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahomby amin’io ady atao amin’i Satana io?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy”? (andininy 5).

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 5 mikasika ny fomba hahombiazantsika amin’ny ady atao amin’i Satana? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Rehefa mifehy ny eritreritsika isika mba hankatò an’i Jesoa Kristy dia hahomby kokoa amin’ny ady atao amin’i Satana.)

  • Inona no azontsika atao mba hifehezana ny eritreritsika? (Isan’ny zavatra azontsika atao ny mivavaka, mifehy soratra masina, ary mihira na manao tsianjery ireo hira ao amin’ny fihirana.)

Azonao atao ny mizara zavatra niainana izay maneho ny fomba nanampiana anao handresy ny fitaoman’i Satana tamin’ny alalan’ny fifehezana ny eritreritrao mba ho fankatoavana ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana. Asao ny mpianatra hametraka tanjona mba hifehezany tsara kokoa ny eritreriny ho fakatoavana ny Mpamonjy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy izao famintinana manaraka izao:

Ao amin’ny 2 Korintiana 10:7–18 isika dia mianatra fa nirehareha ny amin’ny Tompo i Paoly ary nampianatra fa ny fahalemeny manokana dia tsy tokony hampiasaina mba hanamarinana ny tsy fihainoana azy. Vakintsika ao amin’ny 2 Korintiana 11 fa i Paoly dia nilaza fomba fanampiny hikatsahan’i Satana handotoana ny eritreritsika sy hitarihana antsika hiala amin’i Jesoa Kristy, ka anisan’izany ny fampiasana Kristy sandoka sy apôstôly sandoka. Nitantara ny fijaliana niaretany tamin’ny naha-tena Apôstôlin’ny Mpamonjy azy i Paoly.

2°Korintiana°12

Nitantara i Paoly fa nakarina tany an-danitra izy ary nampianatra ny fomba hitondran’ny fanekena ny fahalementsika tombontsoa ho antsika izy

Mitondrà tsilo ao an-dakilasy, na manaova sarina tsilo iray mitovy amin’ilay iray haseho eto eo amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana izay namparatra azy ireo tamin’ny tsilo.

taho misy tsilo
  • Amin’ny fomba ahoana no hanasarotan’ny tsilo ny fiainana?

Hazavao fa i Paoly dia nampiasa ny hevitra momba ny tsilo ho tandindon’ny fitsapana na ny fahalemena izay niainany.

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo mihaino ny iray kilasy dia hieritreritra ireo karazana fitsapana na fahalemena izay niainan’izy ireo na ny olon-tian’izy ireo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ny sasany dia namoy olona tiana iray noho ny fahafatesana na mikarakara olona iray misy fahasembanana. Ny sasany dia voaratran’ny fisaraham-panambadiana. … Ny hafa indray dia manana kilema ara-batana na fahasimbana ara-tsaina. Ny sasany dia mitolona amin’ny olan’ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Ny sasany dia manana fahatsapana fahakiviana na tsy fahampian’ny fahaiza-manao lehibe dia lehibe. Na ahoana na ahoana dia maro ireo izay mavesatr’entana” (“He Heals the Heavy Laden,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 6).

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 2 Korintiana 12 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo rehefa miaina fitsapana sy fahalemena izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2°Korintiana 12:1–4. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra mba hitady ny fahitana iray hitan’i Paoly. (Hazavao fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia miresaka an’i Paoly amin’ny fomba tsy mivantana.)

  • Araka ny eritreritrareo dia inona no dikan’ny hoe “nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo” i Paoly? (andininy 2). (Nahita ny fanjakana selestialy izy.)

Hazavao fa ilay andian-teny hoe “na tao amin’ny tena, na tsy tao amin’ny tena, tsy fantatro” (andininy 2) dia midika hoe tsy fantatr’i Paoly na nentina tany an-danitra izy na nahita izany tamin’ny fahitana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Korintiana 12:5–6. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fihetsika nasehon’i Paoly rehefa nahita io fahitana io.

  • Inona no fihetsika nasehon’i Paoly rehefa nahita io fahitana io?

  • Inona no natahoran’i Paoly fa hitranga raha nirehereha ny amin’ny tenany izy? (Nanahy i Paoly sao hihevitra azy mihoatra noho izay ahitan’izy ireo azy ny olona sasany kanefa mbola manana ady horesena eto an-tany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Korintiana 12:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Paoly hijanona ho manetry tena .

  • Ahoana no fomba nanampian’ny Tompo an’i Paoly hanetry tena hatrany?

  • Nivavaka im-piry i Paoly mba hanaisorana io “tsilo tamin’ny nofo” io?

Hazavao fa na dia teo aza ny vavaka nataon’i Paoly dia toa nisafidy ny tsy hanaisotra ny “tsilo tamin’ny nofo[n’]”i Paoly ny Tompo.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny antony mety hamelan’ny Tompo antsika hiaina fahalemena sy fitsapana? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Mety hamela antsika hiaina fahalemena sy fitsapana ny Tompo mba hianarantsika manetry tena. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Korintiana 12:9–10 ka hitady ireo fahamarinana nianaran’i Paoly, izay nanampy azy hiaritra ny fahalemeny. Asao ny mpianatra hanoratra ireo fahamarinana hitany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.

  • Inona ny fahamarinana nianaran’i Paoly ka nanampy azy niaritra ny fahalemeny? (Mety hahita fahamarinana maromaro toy izao manaraka izao ireo mpianatra: Ampy hampatanjahana antsika ao amin’ny fahalementsika ny fahasoavan’i Jesoa Kristy. Tsy manaisotra mandrakariva ny olantsika ny Tompo, kanefa hampahery antsika izy rehefa miaritra azy ireo amim-pahatokiana isika.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fahasoavana dia ny “fanampiana na ny tanjaka avy amin’ Andriamanitra” izay nanjary azo nomena tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahasoavana”).

  • Midika inona ny hoe ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ampy hampatanjahana antsika ao amin’ny fahalementsika? (Afaka manao izay rehetra asain’ny Mpamonjy ataontsika isika amin’ny alalan’ny tanjaka izay azontsika avy Aminy.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ity:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ilay hery manasitran’i Jesoa Kristy Tompo—na manala ireo enta-mavesatsika izany na mampahatanjaka antsika mba hiaritra izany sy hiaina izany tahaka ny Apôstôly Paoly—dia azo ampiasaina ho an’ny fahoriana rehetra eo amin’ny fiainana an-tany” (“He Heals the Heavy Laden,” 8).

  • Amin’ ny fomba ahoana no hanampian’ireo fahamarinana hitantsika tao amin’ny andininy 9–10 manampy antsika rehefa miaina fahalemena sy fitsapana isika?

  • Oviana ianareo na ny olona fantatrareo no nampatanjahan’ny Mpamonjy? (Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra izay mahakasika loatra ny tena manokana izy ireo.) Tamin’ny fomba ahoana no naha–fitahiana ho anareo na ho azy ireo ilay zavatra niainana?

2°Korintiana°13

Namporisika ny Olomasina handini-tena sy hanaporofo ny fahatokian’izy ireo i Paoly

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nisy mpampianatra sandoka teo anivon’ireo Olomasina Korintiana izay nihantsy an’i Paoly sy ny fahefany amin’ny maha-apôstôly azy.

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany maneho ny fomba mety hiantsian’ny olona ireo izay voantso hitana andraikitra mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Korintiana 13:3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitadiavan’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tao Korinto porofo.

  • Inona ny zavatra nitadiavan’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tao Korinto porofo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2°Korintiana 13:5–6. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nasain’i Paoly nataon’ireo Olomasina Korintiana natao toy izay hiahiahy ny amin’ny hoe miteny amin’ny alalany ve ny Tompo amin’ny maha-Apôstôly azy sa tsia. Hazavao fa ny olona nolavina dia olona tsy madio na ratsy fitondrantena.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 5 dia namporisihin’i Paoly hanao inona ireo Olomasina Korintiana? (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanisy marika ireo matoanteny hoe mandinika, mizaha toetra, ary mahafantatra ao amin’ireo andininy ireo.)

  • Inona no nolazain’i Paoly fa nilan’ireo Olomasina ireo fandinihan-tena? (Hazavao fa ny hoe “mitoetra amin’ny finoana” [andininy 5] dia midika hoe mahatoky ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.)

  • Inona ny fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny zavatra tokony hataontsika toy izay mitsikera ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Tokony handinika ny fahatokiany manokana ireo mpikamban’ny Fiangonana toy izay hitsikera ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.)

Asao hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ity ny mpianatra iray:

Mpaminany Joseph Smith

“[Raha misy olona iray] mijoro mba hanameloka ny hafa, mahita zavatra hanomezan-tsiny ny Fiangonana, ka milaza fa mivaona izy ireo, fa izy kosa dia marina, dia fantaro mazava tsara fa izany lehilahy izany dia ao anatin’ny apôstazia tanteraka. Ary raha tsy mibebaka izy dia hihemotra raha mbola velona koa Andriamanitra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 318).

  • Inona no hitranga raha mitsikera ireo mpitarika antsika isika toy izay mandinika ny fahatokiantsika?

handout iconMba hanampiana ny mpianatra handinika ny fahatokian’izy ireo sy ny toe-tsaina ananany manoloana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia omeo ny tahadikan’ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo. Omeo fotoana ampy ny mpianatra hamakina sy hamaliana mangina ireo fanontaniana.

taratasy zaraina

Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera—Lesona 117

  1. Raha refesina amin’ny mari-drefy 1–10 (ny 10 dia manaraka tanteraka), manao ahoana ny fanarahanao ny torohevitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

  2. Inona ny fenitra iray ampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly ka azonao arahana amim-pahatokiana kokoa?

  3. Raha refesina amin’ny mari-drefy 1–10 (ny 10 dia ny fahafahana rehetra anananao), dia im-piry ianao no manolotra fankasitrahana ho an’ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana, na mivantana na am-bavaka?

  4. Inona no azonao atao mba hanehoana fankasitrahana bebe kokoa noho ny fahafoizan-tena sy ny ezaka ataon’ny mpitarika anao ho anao?

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Inona avy ireo fitahiana afaka ny ho tonga avy amin’ny fanaovana fandinihan-tena ara-panahy matetika tahaka ity?

Fintino ny 2 Korintiana 13:7–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa namporisika ny Olomasina i Paoly mba hiala amin’ny ratsy sy hiezaka ny ho tanteraka.

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra tao anatin’ity lesona ity. Asao ny mpianatra hanoratra tanjona iray manokana mikasika ny fomba hampiharan’izy ireo ny iray amin’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany.

scripture mastery icon
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Hitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ireo andinin-tsoratra masina rehefa mamorona ny fanontaniany manokana mikasika ireo andinin-tsoratra masina izy ireo. Zarao ho ekipa roa (na mihoatra izany) ny mpianatra. Asao ireo ekipa hanoratra teny famantarana izay manondro andinin-tsoratra masina fehezina manokana. (Azonao atao ny mifidy andian’andinin-tsoratra masina izay tianao ianaran’ireo mpianatra na averiny.) Amporisiho ny mpianatra tsy hitady teny famantarana sarotra loatra. Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ireo ekipa hifandimby hamaky mafy ny teny famantarana hitan’izy ireo mba hijerena raha afaka mamantatra ny andinin-tsoratra masina marina ilay ekipa iray hafa.

Fanamarihana: Raha tsy manana fotoana hanaovana ity asa atao ity ianao mandritra ity lesona ity dia azonao ampiasaina amin’ny andro hafa izany. (Ny lesona manaraka dia azo lazaina hoe fohy ihany. Mety hanana fotoana hanaovana ity asa ity ianao izany.) Raha te hanao asa famerenana hafa, dia jereo ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Fanazavana sy Fampahalalana ny Zava-miseho

2 Korintiana 12:4. “Tsy tokony holazain’olona”

Tahaka an’i Paoly, izay “nandre ‘teny tsy azo tenenina’ izay ‘tsy tokony holazain’olona’ rehefa nakarina tany amin’ny lanitra fahatelo izy (2 Korintiana 12:2, 4), isika ihany koa dia mety hanana traikefa ara-panahy izay tsy tokony hozaraintsika raha tsy rehefa tarihin’ny Fanahy hanao izany. Ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Nanjary inoako … fa tsy fahendrena ny miresaka tsy tapaka momba ireo zavatra ara-panahy niainantsika. Tokony hotazonina amim-pitandremana izy ireny ary tsy zaraina raha tsy ny Fanahy mihitsy no mibitsika aminao mba hampiasa izany ho fitahiana ho an’ny hafa” [‘The Candle of the Lord,’ Ensign, jan. 1983, 53]” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 407).

2 Korintiana 12:7 Inona ilay “tsilo” nanahirana ny Apôstôly Paoly?

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nandroso hevitra fa ilay tsilon’i Paoly dia mety ho “rofy ara-batana tsy fantatra anarana, izay tena nampijaly tokoa ka nijaly foana foana na tsindraindray noho izany ilay Apôstôly” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:448).

2 Korintiana 12:9. “Ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena”

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nisintona lesona avy amin’ny zavatra niainany manokana tamin’ireo olana ara-batana mba hanazava ny fomba ahafahan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy mampatanjaka antsika ao anatin’ny fahalemena:

“Tao anatin’ireo roa taona lasa dia niandrandra lesona momba ny fiainana an-tany avy tamin’ny Tompo aho mba ho ampianarina ahy nandritra ny fotoana niainako fanaintainana ara-batana, tebitebin-tsaina, ary fisaintsainana. Nianatra aho fa ny fanaintainana maharitra sy mafy dia mpanadio manamasina izay mampietry antsika sy mitondra antsika hanakaiky kokoa ny Fanahin’ Andriamanitra. Raha mihaino sy mankatò isika dia hotarihin’ny Fanahiny sy hanao ny sitrapony ao anatin’ny ezaka ataontsika isan’andro.

“Nisy fotoana izay nametrahako fanontaniana vitsy mivantana tao anatin’ny vavaka nataoko, toy ny hoe ‘Inona no lesona tianao hianarako avy amin’ireo zavatra niainana ireo?’

“Rehefa nandalina ny soratra masina nandritra io fotoana tena sarotra teo amin’ny fiainako io aho dia tsapako ho tena mafy ny fifandraisako tamin’ Andriamanitra ary nomena valim-bavaka aho noho izy ireo voarakitra tao anatin’ny fiainan’ny olona hafa izay nandalo fitsapana mbola mafy lavitra noho izany. …

“Tamin’ny fotoana sasantsasany dia niteny tamin’ny Tompo aho fa azo antoka fa efa nianatra ireo lesona tokony nianarana aho ary tsy ho nilaina intsony ny handalovako fijaliana amboniny kokoa. Ny fangatahana tahaka izany dia toa tsy nisy fiantraikany, fa niseho mazava tamiko fa ilay làlan’ny fanadiovana avy amin’ny fitsapana dia nila niaretana tao amin’ny fotoan’ny Tompo sy tamin’ny fomban’ny Tompo manokana. Zavatra iray ny mampianatra ny hoe ‘Atao anie ny sitraponao’ (Mat. 26:42). Fa tena sarotra ny miaina izany. Izaho ihany koa dia nianatra fa tsy ho avela irery hiatrika ireo fisedrana sy fahoriana ireo aho fa ireo anjely mpiambina dia hiaraka amiko. …

“Ireo zavatra niainana nadritra ireo roa taona farany dia nahatonga ahy hatanjaka kokoa ara-panahy ary nanome ahy herim-po hijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana kokoa amin’izao tontolo izao momba ny fahatsapana lalina avy ao am-poko” (“The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Ensign, nôv. 2000, 6).