Tahirim-pitaovana
Lesona 158: Apokalypsy 17–19


Lesona 158

Apokalypsy 17–19

Fampidirana

I Jaona dia nahita fa ilay Babylona ara-panahy, na izao tontolo izao feno faharatsiana, dia hiady amin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra ary handresy ny ratsy ilay Zanakondry. Nantsoina hivoaka an’i Babylona ara-panahy ireo Olomasina ary ireo madio sy marina dia ho antsoina amin’ny fanasana fampakaram-badin’ilay Zanakondry. Nahita an’i Jesoa Kristy tonga tamin’ny hery lehibe i Jaona mba handringana ireo izay miady Aminy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Apokalypsy 17–18

Nahita mialoha ny faharavan’i Babylona ara-panahy i Jaona

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy, dia asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy . (Io teny nambara io dia hita ao amin’ny “Avoid It” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young , 17 sept. 2013], 1, speeches.byu.edu.)

“Mora kokoa ny miala amin’ny fakam-panahy toy izay ny manohitra ny fakam-panahy” (Loholona Lynn G. Robbins).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mora kokoa ny miala amin’ny fakam-panahy toy izay manohitra izany?

  • Inona no mety hitranga raha mametraka ny tenantsika ao anatin’ny toe-javatra izay tsy maintsy hanoherantsika mandrakariva ny fakam-panahy isika?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Apokalypsy 17–18 mba hitady fahamarinana iray izay hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba hialana amin’ireo fakam-panahy sy fahotana maron’izao tontolo izao.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nahita anjely fito tamin’ny fahitana i Jaona, izay handrotsaka ireo loza eo amin’ireo ratsy fanahy amin’ny andro farany (jereo ny Apokalypsy 16). Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 17:1. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra izay nolazain’ny iray tamin’ireo anjely fito fa hasehony an’i Jaona.

  • Inona no nolazain’ilay anjely fa hasehony an’i Jaona?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Apokalypsy 17:15 ka hitady ny zavatra asehon’ireo rano maro.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 15, dia maneho inona ireo rano maro izay nipetrahan’ilay vehivavy? (Vahoaka sy firenena maro izay hananany fahefana [jereo koa ny 1 Nefia 14:11].)

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 17:2–6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ilay vehivavy sy ny fahefana ananany eto an-tany.

  • Inona ireo teny sy andian-teny mamaritra ilay vehivavy?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2, dia nofaritana tamin’ny fomba ahoana ny fahefana nananan’ilay vehivavy tamin’ireo mpanapaka sy ireo vahoaka eto an-tany?

  • Araka ny hevitrareo dia maneho inona ilay vehivavy leon’ny ran’ny Olomasina sy ireo maritiora ao amin’ny andininy 6 ? (Nandritra ny taonjato maro dia olo-marina maro no novonoin’ireo ratsy fanahy ary ny fomba fiteny araka ny soratra masina dia milaza fa ny famonoana ny olo-marina dia misy fiantraikany manapoizina ireo izay nanatanteraka izany fanaovana sorona olona izany.)

Hazavao fa ilay bibidia resahina ao amin’ny andininy 3 dia mety maneho an’i Roma tamin’ny andron’i Jaona sy ireo fanjakana sy firenena maloto amin’ny andro farany (jereo ny Apokalypsy 17:8–13).

Asao ny mpianatra hieritreritra hoe maneho an’iza na inona ilay vehivavy resahina ao amin’ny andininy 1–6. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Apokalypsy 17:18 ka hitady hoe maneho inona ilay vehivavy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 18, dia maneho inona ilay vehivavy?

Hazavao fa ilay “tanàna lehibe” (andininy 18) dia entina ilazana ilay Babylona ara-panahy (jereo ny F&F 133:14). Noho ny maha-araka izao tontolo izao sy maha-maloto an’i Babylona fahiny, ary noho ny maha-toerana nambaboana ny zanak’ Isiraely azy, dia matetika i Babylona no ampiasaina amin’ny endrika sarin-teny ao amin’ny soratra masina mba hanehoana ny fahotana, ny maha-araka izao tontolo izao, ny fitaoman’ny devoly eto an-tany, ary ny fahababoana ara-panahy (jereo koa ny 1 Nefia 13:1–9; 14:9–10).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe: Ilay Vehivavy = Babylona, na ny faharatsian’izao tontolo izao

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Apokalypsy 17:14 ka hitady izay hiadian’i Babylona. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

  • Inona no ho vokatra azo avy amin’io ady io? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny andro farany dia handresy ny faharatsian’izao tontolo izao i Jesoa Kristy.)

  • Manampy anareo amin’ny fomba ahoana ny fahalalana io fahamarinana io amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy anareo?

Fintino ny Apokalypsy 18:1–3 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nisy anjely iray hafa nanambara ny fianjeran’ilay Babylona ratsy fanahy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 18:4. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nasain’ny Mpamonjy nataon’ny vahoakany.

  • Inona no nasain’ny Tompo nataon’ny vahoakany?

  • Inona no antony nomen’ny Tompo ny vahoakany mba hialan’izy ireo ao Babylona? (Mba hiala amin’ny fahotan’izao tontolo izao sy ireo loza na fitsarana izay ho tonga eo amin’ny ratsy fanahy.)

  • Inona no fahamarinana afaka ho hitantsika avy amin’ny torolalana nomen’ny Tompo ny olony mba hanasaraka ny tenan’izy ireo amin’ny faharatsian’izao tontolo izao? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia ataovy izay ahitan’izy ireo fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao: Ny fanasarahantsika ny tenantsika amin’ny faharatsian’izao tontolo izao dia afaka manampy antsika hiala amin’ny fahotana sy ny fitsarana izay ho tonga amin’ny ratsy fanahy amin’ny andro farany. Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny ao amin’ny andininy 4 izay mampianatra io fahamarinana io.)

handout iconZarazarao ho vondrona ahitana olona roa na efatra ny mpianatra. Omeo ny vondrona tsirairay amin’ny taratasy zaraina ireto fanontaniana manaraka ireto dia omeo toromarika ny mpianatra mba hiresaka ireo fanontaniana ireo amin’ny vondrona misy azy ireo:

taratasy zaraina, Manasaraka ny tenantsika amin’i Babylona ara-panahy

Manasaraka ny tenantsika amin’i Babylona ara-panahy

Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera—Lesona 158

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny antsika hanasaraka ny tenantsika amin’ny faharatsian’izao tontolo izao?

  • Inona no azontsika atao mba hanasarahana ny tenantsika amin’ny faharatsian’izao tontolo izao eo am-panohizantsika miaina miaraka sy mitia ary mifanerasera amin’ireo izay tsy manaraka fenitra tahaka ny antsika?

  • Nanampy anao na ny hafa hahafantatra ny fomba hialana amin’ireo fakam-panahy sy fahotan’izao tontolo izao tamin’ny fomba ahoana ny fialana tamin’ireo fitaomana sy fomba fanao tsy marina?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra maromaro hizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra izay noresahan’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy. Asao ny mpianatra hanoratra amin’ny taratasy iray (1) ireo fitaomana sy fomba fanao tsy marina tokony hialan’izy ireo sy (2) ny fomba hanaovany izany. Asao izy ireo hampirina ilay taratasy amin’ny toerana izay azon’izy ireo hijerena izany matetika ary amporisiho izy ireo hanao ny zavatra izay nosoratany.

Fintino ny Apokalypsy 18:5–24 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nahita ny fianjeran’ilay Babylona ratsy fanahy sy ny alahelon’ireo mpanohana azy i Jaona.

Apokalypsy 19

Nahita an’i Jesoa Kristy tonga tamin’ny hery lehibe i Jaona mba handringana ireo izay miady Aminy

Manehoa sarina mpanambady amin’ny mpianatra. Anontanio ny mpianatra izay heveriny fa fanomezana tsara indrindra azony omena izay ho vadiny amin’ny andron’ny mariazin’izy ireo. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny fanomezana tsara indrindra azonao omena ilay vadinao mandrakizay amin’ny mariazinao dia ny tsara indrindra avy aminao—madio ary mendrika ny hahazo ny fahadiovana tahaka izany koa” (“Personal Purity,” Ensign, nôv. 1998, 77).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no fanomezana tsara indrindra azonareo omena ny vadinareo amin’ny mariazinareo ny fahadiovana?

Hazavao fa ny Apokalypsy 19 dia ahitana fifanahafana momba ny fampakaram-bady izay ampiasaina mba hanehoana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Fintino ny Apokalypsy 19:1–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jaona dia nahita fa hidera an’ Andriamanitra noho ny fitsarany ny ratsy fanahy ny olo-marina.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 19:7 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady hoe fampakaram-badin’iza no nambaran’ilay anjely tamin’i Jaona.

  • Fampakaram-badin’iza no nambaran’ilay anjely tamin’i Jaona?

  • Inona no fantatr’i Jaona mikasika ny vadin’ilay Zanakondry?

Hazavao fa ny “fampakaram-badin’ny Zanakondry” (Apokalypsy 19:7) dia entina ilazana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra rehetra hihaino hoe iza no ho vadin’ilay Zanakondry.

Loholona Bruce R. McConkie

“Ato anatin’ity fotoampitantanana ity ny Mpampakatra, izay ny Zanakondrin’ Andriamanitra, dia ho avy hangataka ny vadiny, dia ny Fiangonana izay ahitana ireo olomasina mahatoky niandry fatratra ny fiverenany” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 469).

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-tandindona mety tsara hanehoana ny fihavanana amin’ny fanekempihavanana ataontsika amin’i Jesoa Kristy ny fihavanana amin’ny fanambadiana? (Azonao atao ny manazava fa ny fanambadiana dia fihavanana izay mitaky fahatokiana, fahafoizantena, fitiavana, fanolorantena, ary fitokiana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 19:8–9. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra azon’ny Olomasina atao mba hanomanany ny tenany amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Azonao atao ny manazava fa ny rongony fotsy madio dia afaka maneho ny fahamasinana sy ny fahadiovana ary ny fahamarinana.

  • Araka izay asehon’ilay fitafian’ny vadin’ilay Zanakondry amin’ny alalan’ny ohatra dia inona no tsy maintsy ataontsika mba hahavonona ny tenantsika amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompo? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha madio sy marina isika dia ho vonona amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompo.)

“ ” Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny fanadiovana amin’ny fahotana sy ny fanamarinana.

  • Inona no nataon’ Andriamanitra mba hanomezana antsika fomba hahadiovana amin’ny fahotana sy hahatongavana ho marina?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no iray amin’ireo fanomezana tsara indrindra azontsika omena ny Mpamonjy ny fahadiovana sy ny fahamarinana rehefa miverina indray Izy?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Apokalypsy 19:10 , ka hitady ny fihetsika nasehon’i Jaona rehefa nandre ny zavatra nambaran’ilay anjely taminy. Asao ireo mpianatra hizarany zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no nambaran’ilay anjely tamin’i Jaona fa ananany (ilay anjely) sy ireo mpanompon’ Andriamanitra hafa? (Ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, dia ny fanahin’ny faminaniana izany.)

Hazavao fa ny “fanahin’ny faminaniana” (andininy 10) dia entina ilazana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana sy ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra, izay mamela ny olona iray handray sy hanambara ny teniny (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faminaniana, Faminaniana,” scriptures.lds.org).

  • Mety ho amin’ny fomba ahoana no hiomanan’ny olona iray manana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa amin’ny Fiaviana Fanindroany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 19:11–16, anisan’izany ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Fanambarana 19:15 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Asao ireo mpianatra hizarany zavatra hitan’izy ireo.

Hazavao fa ilay soavaly fotsy voalaza ao amin’ny andininy 11 dia tandindon’ny fandresena. Ho avy handresy ny fahotana sy ny faharatsiana ny Mpamonjy.

  • Araka ny voalazan’ny Andininy 13, dia toy ny ahoana ny akanjon’ny Mpamonjy? (Hazavao fa ny andian-teny hoe “akanjo voafafy ra” dia midika fa hitovy amin’ny lokon’ny ra ny akanjony. Io loko io dia tandindon’ny faharinganan’ireo ratsy fanahy amin’ny fiaviany [jereo ny F&F 133:46–51] ary afaka mampahatsiahy antsika ihany koa ny fijaliana izay niaretany nandritra ny Sorompanavotany.)

Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 19:15 dia manazava fa i Jaona dia nahita fa rehefa tonga amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Tompon’ny Tompo Azy i Jesoa Kristy dia hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tenin’ Andriamanitra Izy. Fintino ny Apokalypsy 19:17–21 amin’ny fanazavana fa nahita ny fandringanana ireo izay niady tamin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra i Jaona (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 19:18 .

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hanomanany ny tenany amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hanao zavatra amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Apokalypsy 17:5. “Babylona lehibe”

Ny fahitana hitan’i Jaona momba an’i Babylona dia misy ampahany lehibe hitovizany amin’ny fahitana hitan’i Nefia momba ilay fiangonana mankadiry sy maharikoriko, na ny fiangonan’ny devoly (jereo ny 1 Nefia 13–14). Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“I Babylona lehibe dia ny fiangonan’ny devoly. Izany dia izao tontolo izao miaraka amin’ny faharatsiany sy ny maha-nofo azy rehetra. Izany dia ireo fikambanana rehetra isan-karazany, amin’ny endriny rehetra—na ara-pivavahana, ara-piarahamonina, ara-pôlitika, ara-pirahalahiana, na amin’ny endriny hafa—izay manaiky filôzôfia iray ho toy ny azy manokana na manindraindra hevitra iray iandaniana izay mitarika ny olona hiala amin’ny famonjena sy ho any amin’ireo fanjakana manana voninahitra ambany kokoa any amin’ny tontolo mandrakizay” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1966–73], 3:558).

Apokalypsy 18:4. “Mialà [ao Babylona], … mba tsy hiombonanareo ota aminy”

Ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny zavatra azon’ny mpikamban’ny Fiangonana atao mba hiaina eto amin’izao tontolo izao kanefa tsy voaloton’ny faharatsiany:

“Ny ampahany lehibe amin’izao tontolo izao dia rotidrotiky ny fahalotoam-pitondrantena tsy mitsaha-mitombo miaraka amin’ny fialana amin’ny hatsaran-toetra, ny fahamarinana, ny fahamarinan’ny tena manokana, ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy iray, ary ny fiainam-pianakaviana. …

“… Na dia eo aza ireo toerana feno faharatsiana dia kanto dia kanto izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, ary feno olona tsara sy mahitsy fo. Nanome fomba iray mba hiainana eto amin’ity izao tontolo izao ity Andriamanitra sy fomba tsy hifindran’ilay fanerena mirefarefa amin’ny tany izay aelin’ireo iraka ratsy fanahy ao anatin’izany eny aminao. Afaka miaina fiainana madio, mamokatra sy marina ianao amin’ny alalan’ny fanarahana ny drafitry ny fiarovana izay nataon’ny Rainao any An-danitra: ny drafitry ny fahasambarana” (“How to Live Well amid Increasing Evil,” Ensign na Liahona, mey 2004, 100).

Apokalypsy 18:4. “Mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy”

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa ny olo-marina dia tsy ho afaka amin’ny fitsapana sy ny fijaliana rehetra miaraka amin’ny fitsarana izay ho tonga amin’ireo ratsy fanahy:

“Hevi-diso ny hoe afaka hiala amin’ny fitsarana rehetra ny Olomasina, fa hijaly kosa ny ratsy fanahy; satria iharan’ny fijaliana avokoa ny nofo rehetra, ary ‘zara raha afa-miala ny olomasina;’ … maro ny marina izay ho voan’ny aretina sy ny areti-mandringana, sns., noho ny fahalemen’ny nofo, kanefa hovonjena ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (ao amin’ny History of the Church, 4:11).

Apokalypsy 19:9. “Ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanakondry”

Ny “fanasana fampakaram-badin’ny Zanakondry” (Apokalypsy 19:9) dia teny an’ohatra fiantsoana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Ireo izay mitandrina ny didin’ny Tompo sy mandeha araka ny lalàny hatramin’ny farany no hany olona mahazo lalana hanatrika io fanasana feno voninahitra io. …

“Eritrereto vetivety ry rahalahy [sy anabavy], ary manontania tena, raha toa ka mieritreritra ny tenanareo ho mendrika ny hahazo toerana ao amin’ilay fanasana fampakaram-bady ianareo” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 165–66).

Apokalypsy 19:13. “Miakanjo akanjo voafafy ra”

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny akanjo menan’ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany:

“Noho Izy nivoa-dra tamin’ny mason-koditra rehetra dia tsy maintsy hoe mena tokoa ny akanjony tao Getsemane, ary mena toy ny jaky izany kapaoty izany!

“Tsy mahagaga raha toa ka hanao akanjo mena mba ho fampahatsiahivana i Kristy rehefa ho tonga amin’ny hery sy ny voninahitra (jereo ny F&F 133:48), tsy midika fotsiny ihany hoe ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezerana fa mba hampahatsiahivana antsika ihany koa ny hamafin’ny fijaliany ho an’ny tsirairay amintsika tao Getsemane sy tao Kalvary!” (“Overcome … Even As I Also Overcame,” Ensign, mey 1987, 72).