Tahirim-pitaovana
Lesona 119: Galatiana 5–6


Lesona 119

Galatiana 5–6

Fampidirana

Nankahery ny Olomasina Galatiana i Paoly mba hamerina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hahatoky fa amin’ny alalany ihany no azo tratrarina ny famonjena fa tsy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’i Mosesy. Nofaranan’i Paoly ny taratasiny tamin’ny fanasana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba ho tonga olom-baovao amin’ny alalan’i Kristy sy hanampy ny hafa hanao toy izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Galatiana 5

Namporisika ny Olomasina Galatiana i Paoly mba hamerina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy

sary, fifaninanana misintona tady

Manaova sarina fifaninanana misintona tady eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona izany hoe fifaninanana misintona tady izany? Ahoana no hahazoanao mandresy amin’izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fiainantsika amin’ny fifaninanana misintona tady?

Raha toa tsy nolazain’ny mpianatra izany dia mariho fa ny lafiny iray eo amin’ny fiainantsika izay mitovy amin’ny fifaninanana misintona tady dia ny ady ataontsika amin’ny fakam-panahy. Asao ny mpianatra mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahafantatra ny fomba handresena ny ady amin’ny fakam-panahy rehefa mandalina ny Galatiana 5.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Jiosy Kristiana sasany dia nandrebireby ireo Olomasina tao Galatia tamin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo fa nila niaina ny lalàn’i Mosesy sy noforaina izy ireo mba ho voavonjy. Nofariparitan’i Paoly hoe “zioga fanandevozana” ireo fampianaran-diso momba ny lalàn’i Mosesy ireo (Galatiana 5:1).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 5:1. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady hoe iza no nolazain’i Paoly fa mitondra fanafahana amin’izany zioga fanandevozana izany.

  • Iza no mitondra fanafahana amin’izany zioga fanandevozana izany?

Fintino ny Galatiana 5:2-15 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nibedy ireo Olomasina Galatiana i Paoly noho izy ireo voataona mora foana hiala ny fahafahana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka niverina kosa tamin’ny fanandevozan’ny lalàn’i Mosesy. Dia nohazavainy avy eo fa na dia nafahana tamin’ny fanandevozan’ny lalàn’i Mosesy aza ireo mpanaradia an’i Kristy dia tsy midika izany fa nanana fahafahana hanome vahana malalaka ny fahotana izy ireo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 5:16–17. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo hery mifanandrina roa izay nofariparitan’i Paoly.

  • Inona ireo hery mifanandrina roa izay nofariparitan’i Paoly?

Manaova tabilao iray eny amin’ny solaitrabe amin’ny fanoritana tsipika mitsangana iray eo afovoan’ilay sarina fifaninanana misintona tady. Soraty hoe Mandeha araka ny Fanahy eo ambonin’ny ilan’ilay fifaninanana misintona tady, ary soraty hoe Manantanteraka ny filan’ny nofo eo ambonin’ilay ilany iray hafa.

  • Inona no dikan’ny hoe “mandeha araka ny Fanahy”? (andininy 16). (Mendrika sy manaraka ny Fanahy Masina.)

  • Inona no tian’ny hoe “manantanteraka ny filan’ny nofo” (andininy 16) lazaina? (Fakam-panahy hanota.)

  • Nahoana no heverina ho hery mifanandrina ireo?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy ao amin’ny andininy 16 mikasika ny fomba hahafahantsika mandresy ireo fakam-panahin’ny nofo? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Rehefa mandeha araka ny Fanahy isika dia handresy ireo fakam-panahin’ny nofo. Soraty eo amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe amin’ny ilany aiza amin’ilay fifaninanana misintona tady no misy azy ireo ary hery inona no mandresy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Zarao ho vondrona ahitana olona roa na telo ireo mpianatra. Angataho ny antsasak’ireo vondrona mba hiara-hamaky mafy ny Galatiana 5:19–21 ary hitady ny vokatry ny “[fanatanterahana] ny filan’ny nofo.” Asao ilay antsasany hafa mba hiara-hamaky mafy nyGalatiana 5:22–23 ary hitady ireo vokatry ny fandehanana ao amin’ny Fanahy. Rehefa avy mamaky ny mpianatra, dia manasà olona iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay mba hitanisa ireo valinteny hitan’izy ireo ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo mba hanohy hitanisa ny valintenin’izy ireo mandrapitovian’izay voasoratra ao amin’ilay tabilao amin’izay notanisain’i Paoly. Azonao atao ny mitondra rakibokana ao am-pianarana sy manasa mpianatra iray mba hitady izay teny mety ho saro-takarina.

  • Araka ny andininy 21, dia inona no nampianarin’i Paoly fa hitranga amin’ireo olona izay manaiky ireo “asan’ny nofo”?

  • Araka ny andininy 22–23 dia inona ireo voa, na vokatra izay manambara fa mandeha araka ny Fanahy ny olona iray? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ireo vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, ary fahononam-po. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny.)

Resaho ilay ilan’ilay tabilao izay nitanisana ireo vokatry ny Fanahy.

  • Nahoana no manan-danja ny hananantsika ireo fitahiana ireo?

Manaova sarina tsipìka iray eo ambanin’ilay tabilao ka manondro mankany amin’ilay ilany izay nitanisana ireo filan’ny nofo. Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra fa mamela ny tenantsika handroso hankany amin’ireo filan’ny nofo isika ato anatin’ity sarintsarina fifaninanana misintona tady ity.

  • Inona no mitranga amin’ireo vokatry ny Fanahy rehefa manaiky ireo filan’ny nofo isika? (Manary ireo vokatry ny Fanahy isika.)

Fafao ilay tsìpika dia manaova sarina tsìpika iray hafa izay manondro mankany amin’ireo vokatry ny Fanahy. Asaivo alain’ny mpianatra sary an-tsaina fa izao isika dia hamela ny tenantsika handroso mankany amin’izany ilany izany.

  • Inona no mitranga amin’ireo asan’ny nofo rehefa mandeha araka ny Fanahy isika? (Mitsahatra tsy ho ampahan’ny fiainantsika intsony izany.)

Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina momba ny fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo na niainany ny iray amin’ireo vokatry ny Fanahy ireo. Angataho izy ireo mba hampiditra ao anatin’izany ny zavatra nataon’izy ireo mba handehanana araka ny Fanahy tamin’izany fotoana izany. Rehefa vitan’izy ireo izany dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra izay nosoratany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 5:24–25. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady izay nezahan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy hatao tamin’ireo filan’ny nofo.

  • Inona no nezahan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy hatao tamin’ireo filan’ny nofo? (Nanombo izany, na nanaisotra izany teo amin’ny fiainan’izy ireo.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra hataony mba handehanana bebe kokoa araka ny Fanahy. Entano izy ireo hanaraka ireo bitsiky izay azony mba hahafahany mankamamy ireo vokatry ny Fanahy.

Galatiana 6

Nanasa ny Olomasina Galatiana mba hiova amin’ny alalan’i Jesoa Kristy i Paoly

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra olona iray izay fantatr’izy ireo fa tsy mandray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara amin’izao fotoana izao, na dia mpikamban’ny Fiangonana aza io olona io. Asao ny iray kilasy mba hitady fitsipika iray rehefa mandalina ny Galatiana 6 izy ireo, fitsipika iray izay afaka mitarika azy ireo ao amin’ny ezaka ataony mba hanampiana ilay olona neritreretin’izy ireo fa tokony handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 6:1–2. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny, ary hitady ny zavatra izay nampianarin’i Paoly momba ny fomba fihetsika tokony hasehon’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny olona iray izay nanota. (Azonao atao ny manazava fa ny hoe “azon’ny ota tsy nahy” [andininy 1] dia midika hoe manota.)

  • Araka ny voalazan’i Paoly, dia ahoana no tokony hasetrin’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny olona iray izay nanota? (Manangana ilay olona, na manampy azy hiverina ao amin’ny lalan’ny filazantsara.)

  • Nahoana no manan-danja ny manana “ny fanahy amin’ny fahamorana” (andininy 1) rehefa manampy olona iray hiverina amin’ny lalan’ny filazantsara isika?

  • Inona ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika “mifampitondra izay mahavesatra”? (andininy 2).

Fintino ny Galatiana 6:3–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra fa tsy tokony hieboebo na hanamarin-tena isika ary ny olona rehetra dia “samy hitondra ny entany avy” (andininy 4), na ho tompon’andraikitra amin’ireo safidy nataony.

Mampisehoa voa vitsivitsy ka ho mora fantatry ny mpianatra ilay voankazo na ilay legioma. Angataho izy ireo mba hamantatra hoe kazarana voa inona ireo.

  • Inona no azonao antenaina raha toa ka mamboly ireo voa ireo ianao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 6:7–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Paoly momba izay azontsika antenaina rehefa mamboly voa isika.

  • Inona no nampianarin’i Paoly momba ny zavatra mitranga rehefa novolena ireo voa? (Izay afafinao, na volenao, no hotazanao na hojinjainao.) Antsoina hoe ny lalàn’ny fijinjana izany.)

  • Ahoana no hifandraisan’ireo fanapahan-kevitra raisintsika amin’ny lalàn’ny fijinjina?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Galatiana 6:9–10. Angataho izy ireo mba hitady ny antony nampianaran’i Paoly ny lalàn’ny fijinjana.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampianatra ny lalàn’ny fijinjana i Paoly rehefa avy nanasa ny Galatiana mba hifanampy hijanona na hiverina eo amin’ny lalan’ny filazantsara?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fanampiana ny hafa hankamamy ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Raha toa ka mazoto amin’ny fanaovana ny tsara isika dia hijinja ireo fitahiana vokatry ny asantsika.)

  • Ahoana no ahafahan’ilay fampanantenana fa isika dia hijinja “amin’ny fotoan’andro” manampy antsika mba tsy “ho reraka” (andininy 9), na hilavo lefona amin’ireo ezaka ataontsika mba hanompoana ny hafa sy hiainana ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika manokana?

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no nazoto tamin’ny fanaovan-tsoa na dia tsy tonga teo no ho eo aza ireo fitahiana? (Azonao atao koa ny mizara traikefa iray.)

Fintino ny Galatiana 6:11–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia namarana ny epistiliny ho an’ny Olomasina Galatiana tamin’ny fanamafisana fa ny fiadanana sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy dia eo amin’ireo rehetra izay tonga olom-baovao amin’ny alalan’ny finoana ny anarany.

Amporisiho ireo mpianatra mba “tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (andininy 9) ary mba hieritreritra ombam-bavaka ny olona izay azon’izy ireo ampiana mba hiverina eo amin’ny lalan’ny Tompo. Asao izy ireo mba hanaraka amim-pahazotoana ireo fahatsapana azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina.

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Galatiana 5:22–23

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy tsianjery ny Galatiana 5:22–23, dia asao ny iray kilasy mba hitanisa izany ka hifandimby hilaza teny irayny mpianatra tsirairay. Ohatra, ny mpianatra voalohany dia hiteny hoe “fa,” ny mpianatra faharoa dia hiteny hoe “ny,” ny mpianatra fahatelo dia hiteny hoe “vokatry,” dia toy izany hatrany mandrapahavitan’ireo andininy roa. Refeso ny fotoana lanin’ny kilasy, ary asaivo manandrana im-betsaka izy ireo mba hanatratrarana fe-potoana iray voafaritra. Rehefa mamerimberina ity asa atao ity ianao, dia ampifamadibadiho ny filaharan’ireo mpianatra ka hiteny teny hafa izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manome soso-kevitra mba hanaovan’ny mpianatra fampiharana amin’ny fanombohan’ny fianarana mandritra ny andro maromaro misesy mba hanatsaran’izy ireo ny fotoana laniny. Rehefa henon’ny mpianatra niverimberina im-betsaka ilay soratra masina dia asao izy ireo mba hanandrana hitanisa izany tsianjery amin’ny olona izay mipetraka eo akaikiny.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Galatiana 5:24. “Nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny”

Ny fampianaran’i Paoly fa “izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny” dia tsy midika fa ireo izay manaraka an’i Kristy dia hitsahatra tsy hiaina fakam-panahy. Midika kosa izany fa hianatra ny fomba handresena ny fakam-panahy mahazo azy izy ireo.