Lesona 61
Jaona 2
Fampidirana
Tao Kana no nanatanterahan’ny Mpamonjy ny fahagagana voalohany nataony am-pahibemaso tao anatin’ny asa fanompoany teto an-tany rehefa nanova ny rano ho divay Izy. Nandeha tany Jerosalema i Jesoa Kristy mba hamonjy ny Paska. Nanadio ny tempoly Izy tamin’ny alalan’ny fandroahana ireo mpanakalo vola izay nandoto ny tranon’ny Rainy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Jaona 2:1–11
Nanova ny rano ho divay i Jesoa
Asao ny mpianatra hieritreritra ireto zavatra “voalohany” manaraka izay mety nitranga teo amin’ny fiainany ireto: ny andro voalohany nankanesany tany an-tsekoly, ny asany voalohany, ny fotoana voalohany izay tsaroan’izy ireo fa nahatsapany ny Fanahy Masina.
-
Nahoana isika indraindray no manome lanja ireo zavatra ireo sy ireo zavatra “voalohany” hafa eo amin’ny fiainantsika?
Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Jaona 2:1–11 izy ireo dia hianatra mikasika ny fahagagana voalohany voarakitra an-tsoratra izay notanterahin’i Jesoa nandritra ny fanompoany teto an-tany. Asao ny mpianatra hitady ny antony mety maha-manan-danja io fahagagana voalohany voarakitra an-tsoratra io.
Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesoa dia namonjy lanonana fampakaram-bady tao Kana, tanàna kely iray akaikin’i Nazareta izay tanàna niavian’i Jesoa, Izy sy ireo mpianany. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Jaona 2:1–3 ary angataho ireo mpianatra hitady ny olana niseho nandritra ilay fampakaram-bady.
-
Inona no olana niseho nandritra ilay fampakaram-bady?
Hazavao fa ny divay tamin’izany dia zava-pisotro fampiasan’ny olona tamin’ny lanonana fampakaram-bady. Indraindray dia nitohy nandritra ny andro maro ilay fampakaram-bady. Ho fahafaham-baraka ho an’ny mpikarakara ilay lanonana ny fahalanian’ny divay. Toa nahatsapa ho nanana andraikitra kely tamin’ilay lanonana i Maria, ka rehefa lany ny divay dia nanatona ny Zanany lahy izy ka nangataka ny fanampiany mba hamonjena ilay fianakaviana mpanasa tsy ho afa-baraka. Naneho fanajana sy fangorahana tamin’ny fanirian’ny reniny hanampy tao amin’ilay fampakaram-bady ny valinteny nomen’i Jesoa.
Vakio ity Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jaona 2:4 ity, ka asao ny mpianatra hihaino ny valinteny nomen’i Jesoa ny reniny: “Hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, inona no tianao hataoko ho anao? fa hataoko izany; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
-
Inona no navalin’ i Jesoa ny reniny?
-
Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny valintenin’i Jesoa ny fanajany ny reniny? (Tsy nanontany ny reniny ny zavatra tian’ny reniny hataony fotsiny izy fa naneho fahavononana ihany koa hanao izany. Azonao atao ny manazava fa tamin’ny andron’i Jesoa dia fomba iray feno fanajana hiresahana amin’ny renin’ny tena ny filazana hoe “ravehivavy.”
-
Inona no tian’i Jesoa holazaina rehefa nilaza Izy hoe “tsy mbola tonga ny fotoako”?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 2:5 ary angataho ireo mpianatra hitady ny zavatra nolazain’i Maria tamin’ireo mpanompo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
-
Mampianatra inona amintsika mikasika ny finoan’i Maria an’i Jesoa ny torolalana nomeny an’ireo mpanompo?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 2:6–7 ary angataho ny mpianatra hitady ny zavatra nasain’i Jesoa nataon’ireo mpanompo.
-
Inona no nasain’i Jesoa nataon’ireo mpanompo?
Hazavao fa tamin’ny andron’i Jesoa, ny siny vita tamin’ny vato dia noraisina ho toy ny madio araka ny fomba mba ho ampiasaina tamin’ireo fombafomba ara-pivavahana. Fanaon’ny Jiosy ny nanao fombafomba hanadiovana ny tenany mialoha ny hihinanana sakafo tamin’ny alalan’ny fanasana tanana tamin’ny fampiasana ny rano avy amin’ireo siny ireo.
Siny vita tamin’ny vatosokay tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao tany Isiraely
-
Hatraiza no namenoan’ireo mpanompo ireo siny?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny habetsaky ny rano tao anatin’ireo siny dia manehoa fitoeran-drano iray izay azo asiana rano iray litatra. Hazavao amin’ny mpianatra fa ny “siny” iray dia teo ho eo amin’ny 34 litatra teo, ka ireo siny enina izany dia azo nasiana rano teo amin’ny 380 ka hatramin’ny 600 litatra teo. Fenoy rano ilay fitoeran-drano.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 2:8 ary angataho ny mpianatra hitady ny zavatra nasain’i Jesoa nataon’ireo mpanompo taorian’izay. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany. Rehefa manao tatitra ny mpianatra dia aleteho ao anatin’ilay fitoeran-drano ny kaopy iray dia tazony ambony amin’ny tanana.
-
Raha iray tamin’ireo mpanompo ianao, inona no mety ho neritreretinao na tsapanao rehefa nitondra kaopy iray nankeny amin’ny mpandahatra, na mpitarika ilay fanasana?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 2:9-10 ary angataho ny mpianatra hitady ny zavatra nolazain’ilay mpandahatra ny fanasana rehefa avy nanandrana ilay zava-pisotro nentina teny aminy.
-
Nataon’i Jesoa inona ilay rano?
-
Inona no nolazain’ilay mpandahatra ny fanasana mikasika ilay divay vaovao? (Hazavao fa matetika ny divay tsara indrindra no nampiasaina tany amin’ny fiatombohan’ny lanonana ary nampiasaina taty aoriana tao anatin’ilay lanonana ny divay ratsiratsy kokoa.)
Hazavao fa tsy nanome fanazavana manokana mikasika ny dikany na ny tandindona fonosin’io fahagagana voarakitra an-tsoratra voalohany teo amin’ny asa fanompoana nataony teto an-tany io mihitsy i Jesoa. Maro anefa ireo fahamarinana manan-danja azontsika ianarana avy amin’io tantara mikasika ny fahagagana voalohany voarakitra an-tsoratra nataon’i Jesoa io.
Zarazarao ho vondrona kely ahitana olona roa na telo ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay hitanisa amin’ny taratasy fahamarinana marobe araka izay azony atao izay azo ianarana avy amin’ny Jaona 2:1–11. Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay hizara ny zavatra hitan’ny vondrona misy azy amin’ny mpianatra rehetra. Angataho ho mpanoratra ny mpianatra iray. Asaivo soratan’ilay mpanoratra eo amin’ny solaitrabe ny fahamarinana miavaka tsirairay izay zarain’ireo mpianatra. Ireto manaraka ireto dia isan’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra: Manana fahefana amin’ireo zavatra ara-batana i Jesoa Kristy. Fantatry ny Mpamonjy fa nanana iraka masina hotanterahina Izy. Nasehon’ny Mesia tamin’ny alalan’ny fahagagana ny herin’ Andriamanitra izay nananany. Tia sy nanaja ny reniny ilay Zanak’ Andriamanitra.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 2:11 ary angataho ny mpianatra hitady ny fiantraikan’io fahagagana io teo amin’ireo mpianatr’i Jesoa.
-
Inona no fiantraikan’io fahagagana io teo amin’ireo mpianatr’i Jesoa?
Asio faribolana eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka avy amin’ny lisitr’ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra ity: Manana fahefana amin’ireo zavatra ara-batana i Jesoa Kristy. (Fanamarihana: Raha tsy ao anatin’ny lisitra nataon’ny mpianatra io fahamarinana io dia ampidiro ao.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hampatanjahana ny finoanareo an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fahatakarana fa manana fahefana amin’ny zavatra ara-batana i Jesoa?
-
Inona koa ireo tantara hafa nianarantsika tao amin’ny Testamenta Vaovao izay maneho fa manana fahefana amin’ny zavatra ara-batana i Jesoa Kristy? (Mety ho isan’ny valinteny ity manaraka ity: ireo fahagagana roa momba ireo mofo sy trondro [dimy arivo: Marka 6:33–44; efatra arivo: Marka 8:1–9], nampitony ny tafio-drivotra [Marka 4:35–41], na nandeha teo ambony rano [Matio 14:22–33].)
Jaona 2:12–25
Manadio ny tempoly i Jesoa
Asao ny mpianatra hitanisa ireo kilalao fanao any an-tokotany izay nataon’izy ireo tamin’ny mbola kely. Rehefa avy mitanisa kilalao maro izy ireo dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:
-
Na dia tsy manan-tsiny sy mahafinaritra aza ireo kilalao ireo dia moa ve ianareo hahazo aina raha manao izany eo an-tokotanin’ny tempoly?
Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay hamaky ny Jaona 2:12–17. Rehefa mamaky izy ireo dia asao ireo vondrona hitady sy hiresaka ireo valin’ireto fanontaniana manaraka ireto (soraty eo amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo):
-
Iza no hitan’ i Jesoa tao amin’ny tempoly?
-
Araka ny eritreritrareo dia nahoana i Jesoa no nanjary tezitra?
-
Inona no nataon’i Jesoa mba hamahana ilay olana?
Rehefa ampy ny fotoana nomena mba hamalian’ny mpianatra dia asehoy ilay sary Mandroaka ny mpivarotra teo amin’ny kianjan’ny tempoly i Jesoa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 51; jereo koa ny LDS.org), dia manasà vondrona vitsivitsy hilaza ny valinteniny. Azonao atao ny manazava fa ireo mpitsidika an’arivony izay tonga tao Jerosalema mba hankalaza ny Paska dia nila nividy biby hatao sorona tao amin’ny tempoly, izay zavatra natao tao anatin’ny fivavahan’izy ireo. Nanakalo vola Rômana sy vola hafa mba ho vola fampiasa ao amin’ny tempoly ireo mpanakalo vola mba hahafahana mividy ireo biby atao sorona, ary ireo mpivarotra hafa dia nivarotra ireo biby nilaina. Na dia nilaina aza ny nanaovana izany varotra izany dia tsy naneho fanajana mihitsy ny fanaovana raharaham-barotra toy izany tao amin’ny tempoly.
-
Inona no fahamarinana mikasika ny tempoly izay azontsika ianarana avy amin’ny famaritan’i Jesoa ny tempoly ao amin’ny andininy 16? (Tokony hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Ny tempoly dia tranon’ Andriamanitra.)
-
Amin’ny fomba ahoana no maha-tranon’ Andriamanitra ny tempoly? (Mety ho samihafa ny valintenin’ireo mpianatra kanefa mety ahitana ireto hevitra manaraka ireto: Ny tempoly dia toerana mety hahatongavan’ Andriamanitra, izay mety hahatsapana ny fisiany na ny Fanahiny, ary toerana hanatanterahana ireo ôrdônansy mifandray amin’ny asa famonjeny. Ny tempoly no toerana masina indrindra hiderana an’ Andriamanitra eto an-tany.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Howard W. Hunter ity: Angataho ny mpianatra hihaino ny fomba nandrisihan’ny fahatakaran’i Jesoa ny fahamasinan’ny tempoly Azy handray fanapahan-kevitra handroaka ireo mpanakalo vola sy mpivarotra hiala tao amin’ny tempoly.
“Teny telo monja no anton’ilay fahatezerany: ‘Ny Tranon’ny Raiko.’ Tsy trano tsotra fotsiny izany fa tranon’ Andriamanitra. Natsangana mba hiderana an’ Andriamanitra izany. Trano natao ho an’ny fo heniky ny fanajana izany. Natao mba ho toerana hanamaivanana ireo loza sy olan’ny olona izany, ilay vavahadin’ny lanitra mihitsy. …Nandrisika mafy an’i [Jesoa] ka nanome hery ireo teny nampiasainy izay nanatrobaka ireo mpanota toy ny antsy ny fanolorantenany ho an’ilay Avo Indrindra” (“Hallowed Be Thy Name,” Ensign, nôv. 1977, 53).
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny zavatra nataon’i Jesoa ny fanajany ny tranon’ny Rainy?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Maneho fanajana ho an’ny tempoly isika amin’ny alalan’ny …
Zarazarao ho vondrona ahitana olona roa na telo ny mpianatra. Asao ireo vondrona mba hanoratra fomba maro araka izay vitany amin’ny taratasy mba hamenoana ilay fehezanteny. Rehefa afaka iray na roa minitra dia angataho ny vondrona iray hizara ny lisitra nataony amin’ireo mpianatra. Raha mbola mizara izay ao anatin’ny lisitra nataony ny vondrona voalohany dia angataho ireo vondrona hafa hanisy marika eo akaikin’ny andian-teny tsirairay izay voatonona ao amin’ny lisitr’izy ireo. Aorian’izay dia angataho ny vondrona iray hafa hizara ireo andian-teny ao amin’ny lisitra nataony ka tsy mbola voatonon’ilay vondrona voalohany. Avereno hatrany izany mandra-pizaran’ny vondrona rehetra izay ao anatin’ny lisitra nataony.
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika maneho fanajana ho an’ny tempoly na dia tsy ao anatin’ny tempoly aza isika?
Asao ny mpianatra tsirairay mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny antony hahatsapany fa zava-dehibe ny hanaovany izay rehetra azony atao mba hanehoany fanajana ho an’ny tempoly. Asao ihany koa ny mpianatra hanoratra tanjona hanao zavatra iray mba hanehoana fanajana ho an’ny tempoly. Amporisiho izy ireo hanatratra io tanjona io.
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitsipika izay hita tao amin’ny lesona androany.
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina
Ity asa atao ity dia azo ampiasaina mba hampahafantarana na hamerenana andinin-tsoratra masina fehezina maromaro. Misafidiana karatra maromaro amin’ireo karatra misy soratra masina fehezina, ary miomana hizara izany amin’ireo mpianatrao. (Ataovy izay hananana maromaro amin’ny karatra tsirairay mba hisy mpianatra mihoatra ny iray no maharay andinin-tsoratra masina fehezina mitovy. Tokony hanana karatra ampy ianao mba hahafahan’ireo mpianatra tsirairay hanana andinin-tsoratra masina roa na telo samihafa.) Zarao amin’ny mpianatra ireo karatra. Omeo fotoana ireo mpianatra handalinana ilay andinin-tsoratra masina fehezina, ny toko sy andininy, ireo teny manan-danja, ny filazana ny sahan-kevitra, ny fotopampianarana na fitsipika, ary ny hevitra enti-mampihatra ao amin’ny karatra tsirairay. Manonona zavatra vitsivitsy avy ao amin’ilay karatra (ohatra, teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fehezina na ireo teny manan-danja, na ny sahan-kevitra, na fotopampianarana na fitsipika, na fampiharana). Ireo mpianatra izay manana ilay karatra misy an’izany dia tokony hitsangana ary hiteny mafy ny toko sy andinin’ilay soratra masina fehezina.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Jaona 2:1–11. “Divay tsara”
“Maro ireo firesahana mikasika ny faharatsian’ny fahamamoana sy ny zava-pisotro mahery ao amin’ny Baiboly (ohatra, jereo ny Ohabolana 23:20–21; Isaia 5:11–12; Efesiana 5:18). Tsy tena milaza ireo andininy ireo hoe mandrara ny fisotroana toaka, kanefa manameloka ny fihinanan-kanina be loatra sy ny fimamoana. Amin’izao androntsika izao dia nampahafantatra ny Tenin’ny Fahendrena ny Tompo, izay mandrara ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola (jereo ny F&F 89:4–7). Tsy tokony hitsara ny olona tany amin’ny fotoampitantanana teo aloha amin’ireo didy nomen’ny Tompo amin’izao androntsika izao isika” (Testamenta Vaovao Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra [Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 208).
Jaona 2:4 “Ravehivavy, moa mifaninona akory izaho sy hianao?”
“Mety ho toy ny mafy ny teny navalin’ny Mpamonjy ny reniny raha vakina ilay ao amin’ny dikanteny King James, kanefa na ny Dikantenin’i Joseph Smith na ny dikanteny Grika dia samy maneho fa niteny tamim-panajana Izy. Nanazava ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: ‘Ilay anarana fiantsoana hoe “ravehivavy”, raha ampiasain’ny zanakalahy iray amin’ny reniny dia mety ho toy ny mafy amintsika ny mihaino azy, na koa tsy manaja. Saingy hafa mihitsy ny hevitra nofonosin’izany tamin’izany fotoana izany. … Tamin’ilay zava-nitranga mampihoron-koditra farany izay niseho tao anatin’ny fiainany teto an-tany, raha nihantona teo amin’ny hazofijaliana tao anatin’ny fijaliana teo am-pialana aina i Kristy, dia niondrika nijery an’i Maria reniny izay nitomany Izy, ary nandidy azy ny hikarakarany an’i Jaona ilay apôstôly malalany tamin’ireto teny ireto: “Ravehivavy, indro ny zanakao!” [Jaona 19:26]. Azo heverina ve hoe tamin’io fotoana farany io dia niaraka tamin’ny fihentseham-po hafa ankoatra ny fanajana sy ny hatsaram-panahy ary ny fitiavana ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy ho an’ilay reniny izay efa hisaraka taminy noho ny fahafatesana?’ (Jesus the Christ, ed. faha 3 [1916], 144–45).
“Manampy antsika hahatakatra ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith fa tsy nanontany ny reniny ny zavatra izay tian’ny reniny hataony fotsiny i Jesoa fa naneho fahavononana hanao izany koa Izy: ‘Ravehivavy, inona no tianao hataoko ho anao? fa hataoko izany’ (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 2:4). Ilay fanontaniana hoe ‘moa mifaninona akory izaho sy hianao?’ dia manana heviny manan-danja hoe ‘Inona no tianao hataoko?’ (Jaona 2:4),” (Testamenta Vaovao : Boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 208).