Lesona 153
Apokalypsy 4–5
Fampidirana
Ny Apôstôly Jaona dia nahita zava-manan’aina nohamasinina nitsaoka ny Ray any An-danitra raha nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany Izy. Nahita boky iray ihany koa i Jaona izay voahidy mafy tamin’ny tombo-kase fito ary nahita ny Zanakondry, na i Jesoa Kristy, izay mendrika ny hanokatra ilay boky.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Apokalypsy 4
Nahita zava-manan’aina nohamasinina nitsaoka ny Ray any An-danitra i Jaona
Hirao ny “Gloire au Dieu tout puissant!” (Cantiques, lah. 32) mba ho hira fanokafana, na mihirà fihirana hafa izay midera sy manome voninahitra an’ Andriamanitra.
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe any amin’ny fanjakana selestialy izy ireo. Manasà mpianatra maromaro hamariparitra hoe mety ho toy ny ahoana izany fanjakana selestialy izany araka ny eritreriny.
Hazavao fa araka izay voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 4–5, dia nahita ny ampahany amin’ny fanjakana selestialy tamin’ny alalan’ny fahitana ny Apostoly Jaona. Mangataha ankizy iray manolo-tena mba hanao sary eny amin’ny solaitrabe. Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 4:1–8ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hitan’i Jaona. Omeo torolalana ilay mpianatra nanolo-tena mba hanao sary ny zavatra hitan’i Jaona eo am-pamakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo. Ireo izay mamaky dia mety mila miato tsindraindray mba hanome fotoana an’ilay mpianatra manao sary hamita ny ampahany tsirairay amin’ilay sary. (Angataho ilay mpianatra nanolo-tena mba tsy hampiditra ilay “Anankiray nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana” [andininy 2], na ny Ray any An-danitra ao anatin’ilay sary mba ho fanajana Azy. Mba hanampiana ny fandraisana anjara dia azonao atao ny manasa mpianatra maromaro hifandimby hanao sary.)
Hazavao fa ny hoe “voatsindrin’ny Fanahy” (andininy 2) dia midika hoe eo ambanin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ao anatin’ny toetran’ny fahazoana fanambarana na fahitana, ary hazavao fa ny hoe vato “jaspy” ao amin’ny andininy 3 dia mety milaza vato miloko na diamondra ary ny hoe “vato … karneola” (andininy 3) dia vato sarobidy izay mazàna no mena na mena manopy volom-boasary.
Hazavao fa ny fanambarana maoderina dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny zavatra hitan’i Jaona. Ohatra, ny Tompo dia nanome ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 taorian’ny nangatahan’ny Mpaminany Joseph Smith Azy hanazava ny sasany amin’ireo tandindona sy zava-mitranga voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 1–11.
Zarao ho vondrona ahitana olona roa na telo ny mpianatra dia omeo ny tahadikan’ity taratasy zaraina ity ny vondrona tsirairay. Asao ny mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay hiara-hamaky mafy ireo andinin-tsoratra masina mifandray ka hanoratra ao amin’ilay tabilao ny fanazavana fanampiny hitan’izy ireo mikasika ny zavatra hitan’i Jaona.
Apokalypsy 4
Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera—Lesona 153
|
Ny zavatra hitan’i Jaona |
Soratra Masina mifandray |
Fanampim-panazavana |
|---|---|---|
|
Seza fiandrianana (Apokalypsy 4:2–3) | ||
|
Loholona efatra amby roa-polo nanao satroboninahitra (Apokalypsy 4:4) | ||
|
Fanahy fiton’Andriamanitra (Apokalypsy 4:5) |
Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ity andininy ity dia manova ny hoe “Fanahy fito” ho “mpanompo fito . | |
|
Ranomasina fitaratra (Apokalypsy 4:6) | ||
|
Zava-manan’aina efatra (Apokalypsy 4:6-7) | ||
|
Maso marobe sy elatra enina tamin’ireo zava-manan’aina (Apokalypsy 4:8) |
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ny mpianatra hanao tatitra ny fanazavana fanampiny hitan’izy ireo. Ampiasao araka izay ilaina ireto valinteny manaraka ireto mba hanazavana na hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra: mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana iray ao amin’ny fanjakana selestialy Andriamanitra. Ireo loholona 24 manao satroboninahitra dia ireo loholona mahatoky tao amin’ireo Fiangonana fito. Mpanompo fiton’ Andriamanitra no voalaza fa tsy fanahy fito. Ilay ranomasina fitaratra dia ny tany ao anatin’ny toetrany nohamasinina sy selestialy. Ireo biby efatra dia tena biby maneho sokajy (na karazana) zava-manan’aina nasandratra. Ny mason’ireo biby dia maneho fahazavana sy fahalalana lehibe ary ny elatr’ireo biby dia maneho ny hery hihetsehana sy hanaovana asa.
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Apokalypsy 4:8–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ireo izay tafavory manodidina ny Ray any An-danitra sy izay nataon’izy ireo.
-
Inona no nolazain’ireo izay tafavory manodidina ny Ray any An-danitra momba Azy? Inona no nataon’ izy ireo?
-
Mety ho naneho inona ny fanipazan’ireo loholona ny satroboninahiny teo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra? (Anisan’ny valinteny mety ho azo ny faneken’izy ireo ny halehibeazan’ny Ray any An-danitra; ny faneken’izy ireo fa noho Izy no nahazoan’izy ireo ny fisandratany; ary tokony hanolotra ny fanajany sy ny fiderany ary ny fanolorantenany feno fanetrentena ho Azy izy ireo.)
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity mikasika ny mety ho fiatraikan’ny fanekentsika ny halehibeazan’ny Ray any An-danitra eo amintsika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manaiky ny halehibeazan’ny Ray any An-danitra isika dia maniry ny hitsaoka sy hidera Azy.)
-
Inona no afaka manampy antsika hanaiky ny halehibeazan’ Andriamanitra?
Apokalypsy 5
Nahita boky iray voahidy mafy tamin’ny tombokase fito i Jaona ary nahita ny Zanakondry izay mendrika ny hanokatra izany
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Apokalypsy 5:1–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra hitan’i Jaona teo an-tanan’ny Ray any An-danitra.
-
Inona no hitan’i Jaona teo an-tanan’ny Ray any An-danitra? (Boky iray na horonana nisy tombokase fito.)
Hazavao fa tamin’ny andro fahiny dia nasiana tombokase tamin’ny tanimanga na savoka ireo tahirin-kevitra manan-danja. Ny tompon’ilay tahirin-kevitra sy ireo izay nomen’ilay tompony lalana ihany no afaka namaky ireo tombokase sy namaky ilay lahatsoratra.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 2, inona no zavatra tokony ananan’ilay olona izay afaka mamaha ilay boky?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7 mba hitady ny dikan’ilay boky sy ireo tombokase.
-
Mirakitra inona ilay boky?
Hazavao fa ilay vanim-potoana 7000 taona dia manondro ny fotoana hatramin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Tsy entina hilazana ny tena taona marin’ny tany izay ahitana ny vanim-potoan’ny fahariana izany.
-
Araka ny voalazain’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:7, maneho inona ireo tombokase fito? (Vanim-potoana fito arivo taona nisian’ny tany mandritra ny fiainana an-tany, izay manomboka amin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ka hatramin’ny fiafaran’ny Arivotaona.)
Hazavao fa rehefa dinihina ny dikan’ilay boky sy ireo tombokase fito, raha hita fa toa tsy nisy olona mendrika ny hanokatra ilay boky, dia mety nieritreritra i Jaona fa ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny asany dia tsy ho ampahafantarina na hotontosaina.
-
Inona no hitranga amin’ireo zanak’ Andriamanitra raha tsy azo notanterahina ny drafitry ny famonjena nataony ho azy ireo?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 5:5–7. Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 6 dia manova ny isa fito rehetra izay resahina ho roa ambin’ny folo. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ny antony nitenenana an’i Jaona mba tsy hitomany. Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny soratra masina, ny tandroka matetika dia tandindon’ny hery na ny fahefana; ny maso dia afaka maneho ny fahazavana sy ny fahalalana; ary ny isa roa ambin’ny folo dia afaka maneho ny fitondrana sy ny fandaminan’ Andriamanitra, na ny fisoronana.
-
Nahoana i Jaona no tsy navela nitomany?
-
Inona no ampahafantarin’ilay anarana hiantsoana an’i Jesoa Kristy araka izay voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 5:6 momba Azy? (Izy ilay fanatitra natao sorona izay nomena mba hanavotra ireo zanak’ Andriamanitra [jereo koa ny Isaia 53:7; 1 Korintiana 5:7; 1 Petera 1:18–19]. Mety ilainao ny manazava fa ilay “Zanakondry … tahaka ny efa voavono” [Apokalypsy 5:6] dia entina ilazana ny Zanakondry izay maneho ireo marika tamin’ny namonoana Azy. Hazavao fa i Jaona Mpanao Batisa dia niantso ny Mpamonjy hoe “Zanakondrin’ Andriamanitra” [Jaona 1:29, 36].)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 5:8–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba nideran’ireo zava-manan’aina nanodidina ny Ray any An-danitra an’lay Zanakondry. Azonao atao ny manazava fa ireo “lovia … feno ditin-kazo manitra” (andininy 8) dia entina ilazana kaopy na lovia baolina lehibe feno zava-manitra.
-
Ahoana no nideran’ireo zava-manan’aina ireo ny Zanakondry na i Jesoa Kristy?
-
Raha miainga avy amin’ny zavatra hitan’i Jaona sy reny mikasika ny Zanakondry dia inona no fahamarinana azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa hitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: I Jesoa Kristy no ilay hany mendrika sy afaka manavotra antsika.)
-
Nahoana no i Jesoa Kristy no ilay hany mendrika sy afaka manavotra antsika?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 10, dia ho tonga inona ireo izay voavotr’i Jesoa Kristy? (Mpanjaka sy mpisorona, ka tafiditra ao anatin’izany ny vehivavy mba ho mpanjaka sy mpisorona [jereo ny Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, ed. faha 2 (1966), 613].)
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny dikan’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra sy ny anjara asan’ny Mpamonjy ao anatin’izany drafitra izany ho azy ireo manokana. Asao ny mpianatra hanoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina. Ampahafantaro azy ireo fa ho asaina hizara ny zavatra nosoratany izy ireo rehefa afaka kelikely eo mandritra ny lesona.
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 5:11–14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba niarahan’ny hafa tamin’ny teo aloha tamin’ny fitsaohana sy ny fiderana an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.
-
Rehefa avy nandray ilay boky avy teny an-tanan’ny Ray any An-danitra ny Zanakondry dia nahoana ireo zava-manan’aina nasandratra sy ireo zavatra ary rehetra no nitsaoka sy nidera Azy ireo? (Nahita ny hatsaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo zava-manan’aina ka nahatsapa fankasitrahana tamin’ny anjara asan’ny Zanakondry tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.)
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana mikasika ny zavatra afaka mitarika antsika hitsaoka sy hidera ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tahaka izay nataon’ireo zava-manan’aina sy ireo zavatra rehetra hitan’i Jaona? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mahita sy mahatsapa fankasitrahana noho ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho antsika isika dia maniry ny hitsaoka sy hidera Azy ireo.)
Hazavao fa ireo zava-manan’aina nasandratra sy ireo zavatra ary rehetra dia nitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy an-kira. Isika ihany koa dia mihira ireo hira ao amin’ny fihirana mba hitsaohana sy hiderana Azy Ireo. Asao ny iray kilasy hihira ny “Vous, créations de notre Dieu” (Cantiques, laharana. 31) na hira hafa izay midera na manome voninahitra an’ Andriamanitra, ary asao izy ireo hieritreritra ny fomba hifandraisan’ilay hira amin’ny Apokalypsy 5:9–14.
-
Ankoatra ny fitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny hira dia inona koa no azontsika atao mba hitsaohana Azy Ireo?
Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra hihaino izay nampianariny mikasika ny fitsaohana:
“Ny fiderana marina sy lavorary dia ny fanarahana ny dian’ilay Zanak’ Andriamanitra. Izany dia ny fitandremana ny didy sy ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray araka izay ilaina mba hahafahantsika mandroso avy amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana mandra-pahatonga antsika hasandratra ao amin’i Kristy tahaka Azy ao amin’ny Ray. Mihoatra lavitra noho ny vavaka sy ny lahateny ary ny hira izany. Miaina sy manao ary mankatò izany. Fakana tahaka ny fiainan’ilay Ohatra lehibe izany” (“How to Worship,” Ensign, Des. 1971, 130).
-
Manampy ny fahatakaranareo ny fomba azontsika hiderana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fampianaran’ny Loholona McConckie?
-
Ahoana no hitahiana antsika amin’ny fitsaohana sy ny fiderana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Nahoana ianareo no maniry ny hitsaoka sy hidera ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Asao ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo eritreritra sy fahatsapana nosoratan’izy ireo teo aloha teo.)
Zarao ny fahatsapana anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, tafiditra ao anatin’izany ny antony hideranao Azy Ireo an-tsitrapo.
Asao ny mpianatra hisaintsaina sy hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:
-
Inona koa no azonareo atao mba hitsaohana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Rehefa nomena fotoana ampy hanoratana ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hampihatra ny zavatra nianarany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Apokalypsy 4–5. Sary an’ohatra hasehon’ny zavatra hitan’i Jaona
Jereo ny pejy 541 ao amin’ny New Testament Student Manual (Testamneta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra) (boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014) mba hahitana fanamarihana mikasika ireo zava-manan’aina efatra (Apokalypsy 4:6–9), ireo anarana fiantsoana hoe “Liona avy amin’ny firenen’ i Joda” sy “Solofon’i Davida” (Apokalypsy 5:5), ary ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Zanakondrin’ Andriamanitra Azy (Apokalypsy 5:6–14)
Apokalypsy 4:3. “Ny tarehin’Ilay nipetraka [teo amin’ny seza fiandrianana] dia tahaka ny vato jaspy sy karneola”
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony mety nilazan’i Jaona ny vato jaspy sy ny karneola (jereo ny Apokalypsy 4:3):
“Rehefa niezaka ny hirakitra an-tsoratra mba hahatakaran’ny olombelona ny halehibeazana sy ny voninahitra ary ny hatsaran’ Ilay Tsitoha amin’ny tsitoha rehetra i Jaona dia nampitoviany tamin’ny vatosoa ny endriny. Ilay vato jaspy voalaza eto dia inoan’ireo mpanadihady fa diamondra …
“… Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo mpaminany mety maty mahita teny afaka milaza tsara amin’ireo mpiara-belona aminy mety maty ny halehibe sy ny hatsarana lehiben’izany tontolo mandrakizain’ny hery sy voninahitra selestialy izany? Miresaka mikasika ny havana sy ny firavaka izy ireo, ny lelafo mihodinkodina, ny afo nisy mandrambondrambona sady nisy namirapiratra manodidina azy. Niresaka kotro-baratra sy feo izy ireo, ny firohondrohon’ny ranobe, ary ny fanehoana ny fahalehibeazana sy ny hatsarana amin’ny fomba feno fahamboniana—izany rehetra izany dia natao mba hiezahana hirakitra an-tsoratra amin’ny tenin’olombelona ny zavatra izay tsy hita sy tsy fantatra raha tsy amin’ny herin’ny Fanahy ihany. (Ezek. 1 sy 10; Isa. 6.) Fa deraintsika ny Tompo noho izy ireo nanao ezaka toy izany mba hahazoan’ireo izay tsy nahita sy nandre fahalalana voafetra momba ireo zavatra miafina ao ambadiky ny varavaran’ny lanitra ireo” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:464–66).
Apokalypsy 4:6. “Ranomasina fitaratra”
Ny mpaminany Joseph Smith dia nilaza izao manaraka izao mikasika ny “ranomasina fitaratra” (Apokalypsy 4:6):
“Raha mbola teo am-pisakafoana dia nilaza tamin’ny fianakaviako sy ny namako teo aho fa rehefa nohamasinina ary lasa toy ny ranomasina fitaratra ny tany dia ho lasa toy ny orima sy tomima lehibe izany, ary ny Olomasina dia afaka ny hahita izany tahaka ny ahitany azy ireo” (ao amin’ny History of the Church, 5:279).
Ny Filoha Brigham Young dia nanome ity hevi-baovao manaraka ity:
“Ho lasa planeta selestialy ity tany ity—ho toy ny ranomasina fitaratra, na toy ny orima sy tomima. Ka rehefa maniry ny hahalala zavatra ianao na inona izany na inona dia afaka mijery ao anatin’ity tany ity ka hahita ireo fahamarinana mandrakizain’ Andriamanitra” (ao amin’ny Journal of Discourses, 8:200; jereo koa ny F&F 88:17–20, 25–26; 130:6–9).