Tahirim-pitaovana
Lesona 160: Apokalypsy 21–22


Lesona 160

Apokalypsy 21–22

Fampidirana

Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao ary ilay Jerosalema vaovao nidina avy any an-danitra i Jaona. Nahita ihany koa izy fa hitoetra miaraka amin’ny olony sy hampionona azy ireo Andriamanitra ary ny tanàna masin’ Andriamanitra dia haorina eto ambonin’ny tany. Hitan’i Jaona fa ireo izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany dia hiditra ilay tanàna masina ka hiara-hiaina amin’ Andriamanitra amim-boninahitra. Nofaranan’i Jaona tamin’ny fiangaviany ny Tompo hiverina eto ambonin’ny tany ny fitantarany ny fahitany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Apokalypsy 21

Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao ary ilay tanàna masin’ Andriamanitra i Jaona

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana teo amin’ny fiainany izay nahatsapan’izy ireo alahelo na fanaintainana lehibe.

  • Inona avy ireo zava-misy eo amin’ny fiainana izay mety mahatonga alahelo na fanaintainana lehibe eo amintsika? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.)

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Apokalypsy 21 mba hitady fahamarinana iray izay afaka mitondra fampiononana ho azy ireo mandritra ireo fotoan-tsarotra.

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Apokalypsy 21–22 dia fitohizan’ny fahitan’i Jaona ireo trangan-javatra izay hiseho aorian’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 21:1–2 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hitan’i Jaona fa hitranga.

  • Inona no hitan’ i Jaona fa hitranga?

Manasà mpianatra roa hamaky mafy ireto fehezanteny manaraka ireto:

Fehezanteny 1

Rehefa miverina indray i Jesoa ka manomboka ny Arivotaona dia hovana amin’ny toetrany talohan’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ny tany. Talohan’ny Fahalavoana dia nisy tamin’ny toetrany terestrialy na tamin’ny toetran’ny paradisa ny tany. Aorian’ny Arivotaona dia hiova amin’ny toetra selestialy indray ny tany izay nomanina ho amin’ny fanatrehan’ Andriamanitra. Mety ireo fiovana ireo no hitan’i Jaona nitranga rehefa “nahita lanitra vaovao sy tany vaovao” izy (Apokalypsy 21:2).

Fehezanteny 2

Ilay Jerosalema Vaovao hitan’i Jaona nidina avy any an-danitra dia ny tanàna selestialin’ Andriamanitra. Io tanàna io angamba dia ahitana ny tanànan’i Enoka izay novana ka nakarina tany an-danitra. Io “tanàna masina” io dia hidina ka hikambana amin’i Jerosalema Vaovao, na Ziona, izay haorin’ireo Olomasina eto an-tany (jereo ny Mosesy 7:62–64).

  • Mety ho toy ny ahoana araka ny eritreritrareo ny zavatra tsapan’i Jaona rehefa nahita ireo zavatra ireo izy raha natao sesitany noho ny finoany an’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 21:3–4 . Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra hataon’ Andriamanitra ho an’ny olony.

  • Inona no hataon’ Andriamanitra ho an’ny olony? (Mety hahita fahamarinana tahaka izao manaraka izao ny mpianatra: Hiara-hitoetra amin’ny olony sy hampionona azy ireo Andriamanitra ka tsy hiaritra fahafatesana, na alahelo, na fanaintainana intsony izy ireo. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Jereo indray ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe izay ahitana ireo zavatra mety mitondra alahelo na fanaintainana eo amintsika.

  • Hanampy antsika amin’ny fotoana hiainantsika olana amin’izao fotoana izao amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa hampionona ny olony Andriamanitra ary hanaisotra ny alahelo sy ny fanaintainan’izy ireo?

(Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fahafahan’ Andriamanitra mampionona antsika.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 21:7. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra ampanantenain’i Tompo an’ireo izay mandresy amim-pahatokiana.

  • Inona no ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandresy?

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranareo mikasika ireo olana misy sy hisy mialoha ny Fiaviana Fanindroany dia karazan-javatra toy ny inona no ho resin’ireo olona ireo?

Asao indray ilay mpianatra teo mba hamaky mafy ny Apokalypsy 21:8. Azonao atao ny manazava fa ny mpanao ody ratsy dia olona izay mandray anjara amin’ireo zavatra atao izay hitondra eo amin’izy ireo ny fitaoman’ny fanahy ratsy.

  • Hiaina inona ireo olona noresahina ao amin’ny andininy 8? (Ny fahafatesana faharoa.)

Hazavao fa ny fahafatesana faharoa dia fahafatesana ara-panahy, na fisarahana amin’ Andriamanitra, izay hiainan’ireo izay mikomy amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana an-tsitrapo aorian’ny Fitsarana Farany (jereo ny Helamàna 14:16–19).

Fintino ny Apokalypsy 21:9–21 amin’ny alalan’ny fanazavana fa namariparitra ny tanàna selestialin’ Andriamanitra i Jaona. Hitany fa ilay tanàna dia nisy manda lehibe izay nisy vavahady 12 nambenan’ny anjely 12.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 21:22–27. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nianaran’i Jaona mikasika ilay tanàna selestialy.

  • Inona no nianaran’i Jaona mikasika io tanàna io?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 27, dia iza no avela hiditra ao? (Ireo izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanakondry ihany ny anarany.)

Apokalypsy 22

Nofaranan’i Jaona ny fitantarany ny fahitany

Asao ny mpiantra rehefa mandalina ny Apokalypsy 22 mba hitady fahamarinana iray izay afaka manampy azy ireo hahafantatra ny fomba hahatonga ny anarany ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanakondry sy hahazo lalana hiditra ao amin’io tanàna selestialy io.

sary, seza fiandrianana

Manehoa sarina seza fiandrianana iray na manaova sarin’izany anankiray eny amin’ny solaitrabe.

Mangataha mpianatra iray ho eny amin’ny solaitrabe ka hanao sary ny zavatra hafa hitan’i Jaona ankoatra ny seza fiandrianana eo am-pamakian’ny mpianatra iray hafa amin’ny feo mafy ny Apokalypsy 22:1–2.

  • Inona koa no hitan’i Jaona tao amin’ny tanàna selestialin’ Andriamanitra?

Asao ilay mpianatra hiverina eny amin’ny toerany.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2, dia tamin’ny fomba ahoana no namariparitan’i Jaona ny hazon’aina? (Namoa be foana ilay hazo ary afaka nanasitrana firenena maro ny raviny.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia milaza fa samy nahita tamin’ny fahitana ny hazon’aina i Lehia sy i Nefia. I Nefia dia nianatra fa samy maneho ny fitiavan’ Andriamanitra ilay hazo sy ilay loharanon’ny rano velona (jereo ny 1 Nefia 11:25). Manorata hoe Ny fitiavan’ Andriamanitra eo akaikin’ilay hazo sy ilay rano eo amin’ny sary nataon’ilay mpianatra.

  • Inona no fomba lehibe indrindra nisehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra? (Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy [jereo ny Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9]. Ny voan’ilay hazo dia mety maneho ihany koa ireo fitahian’ny Sorompanavotana.)

Fintino ny Apokalypsy 22:3–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ankoatra ny fahitana io tanàna selestialy io dia nahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ilay anjely izay niresaka taminy koa i Jaona fa ireo zavatra nampahafantarina azy dia marina.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 22:11–13. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hataon’ny Tompo rehefa miverina indray Izy.

  • Inona no hataon’ny Tompo rehefa miverina indray Izy?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 22:14. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoantsika lalana hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba hidirana ao amin’ny fanjakana selestialy?

Hazavao fa ny hoe “[manana] fahefana amin’ny hazon’aina” dia midika hoe mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny Sorompanavotana rehetra, ka anisan’izany ny fiainana mandrakizay.

  • Inona no fitsipika afaka ny ho hitantsika avy amin’ny andininy 14? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao: Raha mitandrina ny didin’ny Tompo isika dia afaka ny hahazo ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy rehetra ka hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy. Hazavao fa ny fitandremana ny didiny dia ahitana ny fandraisana ireo ôrdônansy rehetra ilaina mba hidirana ny fanjakana selestialy.)

Hazavao fa na dia omena maimaim-poana ny zanak’ Andriamanitra rehetra aza ny sasany amin’ireo fitahian’ny Sorompanavotana toy ny fanomezana ny fitsanganana amin’ny maty, ireo fitahiana sasany—toy ny fiainana mandrakizay—dia natao ho an’ireo izay mikatsaka amim-pahazotoana ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka ary manaraka ny didiny ihany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

Inona ireo didy sy fampianarana nianaranareo tao anatin’ny fandalinanareo ny Testamenta Vaovao ka nezahinareo nampiharina teo amin’ny fiainanareo?

Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo ezaka nataonareo hampihatra ireo didy ireo anareo handray ireo fitahian’ny Tompo sy nanomanan’izany anareo hiverina ho eo anatrehan’ny Rainareo any An-danitra?

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba hamaliany ireo fanontaniana roa ireo amin’ny alalan’ny fijerena indray ny zavatra nosoratany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina, ny zavatra nosoratany na nasiany marika tao amin’ny soratra masiny, ary ireo andinin-tsoratra masina fehezina izay nohalalininy tamin’ity taona ity. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny valinteniny amin’ireo fanontaniana roa ireo.

Rehefa ampy ny fotoana nanaovany izany dia manasà mpianatra maromaro hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo amin’ny mpianatra rehetra. (Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy tokony hizara zavatra izay mahakasika loatra ny tena manokana izy ireo.)

Fintino ny Apokalypsy 22:15–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo izay tsy mitandrina ny didin’ny Tompo dia tsy ho afaka hiditra ao amin’ilay tanàna selestialy. I Jesoa Kristy dia nijoro ho vavolombelona fa nanome io fanambarana io an’i Jaona Izy ary i Jaona dia nanasa ny olona rehetra mba hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina. Nampitandrina ireo mpamaky ny asa sorany tsy hanova ny hafatra ao amin’ny boky nosoratany i Jaona.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 22:20. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fiangaviana nataon’i Jaona.

  • Inona no nangatahan’i Jaona?

  • Raha miainga amin’ny zavatra nianaranareo tao amin’ny bokin’ny Apokalypsy dia nahoana i Jaona no dodona ny amin’ny hiavian’ny Tompo araka ny eritreritrareo?

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra tao amin’ny Apokalypsy 21–22 ny lesona.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Apokalypsy 21:4. “[Hamafa] ny ranomaso rehetra [Andriamanitra]”

Nampianatra ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa amin’ny fotoan’ny Tompo dia hosoloina fifaliana ny alahelon’ny mahatoky:

“Ny Tompo dia manonitra ny zavatra very rehetra ho an’izay mahatoky. Ireo izay nalaina tamin’ireo nitia ny Tompo dia homeny azy ireo araka ny fombany. Mety tsy ho tonga amin’ny fotoana iriantsika izany, fa ireo mahatoky dia hahafantatra fa ny ranomaso latsaka androany dia hiverina ho ranomasom-pifaliana sy fankasitrahana avo zato heny” (“Avelao ho avy izay ho avy, dia tiavo izany,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 28).

Apokalypsy 22:18 “Raha misy manampy ireo”

Ny olona sasany dia mandà ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina hafa satria mino izy ireo fa efa tapitra ny fanambaran’ny Tompo ny soratra masina tamin’ireo zanany. Maro ireo olona mampiasa amin’ny fomba diso ny Apokalypsy 22:18 mba hanambarana fa tsy hanome soratra masina fanampiny ankoatra ny Baiboly mihitsy ny Tompo ka ny olona izay milaza fa nandray soratra masina fanampiny dia hiharan’ireo sazy izay nampitandreman’i Jaona. Niresaka mikasika ity fandikana amin’ny fomba diso ity ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Misy marimaritra iraisana ankehitriny manjaka eo amin’ireo manampahaizana rehetra momba ny Baiboly fa io andalana io dia mihatra amin’ny bokin’ny Apokalypsy fotsiny ihany, fa tsy amin’ny Baiboly manontolo. Ireo olona manampahaizana amin’izao androntsika izao dia samy manaiky fa misy ‘boky’ sasany ao amin’ny Testamenta Vaovao izay azo antoka fa nosoratana taorian’ny nandraisan’i Jaona ireo fanambarana tany amin’ny nosy Patmo. Anisan’izany boky izany, farafahakeliny, ireto manaraka ireto dia ny bokin’i Joda, ireo Epistily telo nosoratan’i Jaona, ary angamba aza ny filazantsaran’i Jaona iray manontolo mihitsy. Mety misy maro hafa mihoatra ireo koa angamba.

“Fa misy valiny tsotra kokoa amin’ny fanontaniana hoe nahoana io andalana amin’ny boky farany amin’ny Testamenta Vaovao io no tsy afaka ny hihatra amin’ny Baiboly manontolo. Izany no izy satria ny Baiboly, araka ny fahafantarantsika azy—izay fitambaran’ny raki-tsoratra natambatra ho boky lehibe iray—dia tsy mbola nisy tamin’ny fotoana nanoratana io andininy io. Nandritra ny taonjato maro taorian’ny nanoratan’i Jaona ny asa-sorany, dia nivoaka tsirairay mitokana ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao na angamba niaraka tamin’ny lahatsoratra vitsivitsy hafa fa tsy izy boky natambatra ho feno velively. Amin’ireo taratasy fototra fantatra mandrafitra ny Testamenta Vaovao voasoratra amin’ny teny Grika izay miisa 5.366 dia 35 fotsiny ihany no mandrafitra ny Testamenta Vaovao araka ny fahafantarantsika azy amin’izao fotoana izao, ary ny 34 amin’ireo dia natambatra taorian’ny taona 1000 taorian’i J.K.” (“Ny teniko … tsy hitsahatra,” Ensign na Liahona, mey 2008, 91–92).