Lesona 18
Matio 15
Fampidirana
Raha mbola tany Galilia i Jesoa dia nanazava ny antony tsy tokony hanarahan’ny mpianany ny fanaon-drazana mikasika ny fidiovana mialohan’ny fisakafoana Izy. Nandeha tany amin’ny moron-dranomasina Mediteraneana Izy avy eo, izay toerana nanasitranany ny zanakavavin’ny vehivavy Jentilisa iray. Niverina tany Galilia i Jesoa avy eo, ka nanasitra olona maro sy nanome sakafo olona mihoatra ny efatra arivo Izy tany.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 15:1–20
Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia nanontany hoe nahoana ireo mpianatr’i Jesoa no tsy manasa tanana mialohan’ny hinanan’izy ireo hanina
Manasà mpianatra telo hamaky mafy ireto tranga mety hiseho manaraka ireto. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ny zavatra hitovizan’ireo tranga.
-
Ny zatovovavy iray dia amporisihin’ny namany hanao akanjo tsy manara-penitra mandritra ny fotoam-pandihizana nokarakarahin’ny sekoliny. Ilay zatovovavy dia mahafantatra fa ilay akanjo dia tsy manaraka ny fenitra ara-pitondrantena napetraky ny Tompo, na dia eken’ny maro ao amin’ny kolontsaina misy azy aza ny fanaovana akanjo toy ilay izy.
-
Ny zatovolahy iray dia ao amin’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany mpankafỳ hetsika ara-panatanjahatena. Rehefa mandeha amin’ny fahitalavitra ny hetsika ara-panatanjahatena malaza dia mahazatra ny fianakaviana ny manilika ny fiarahan’ny mpianakavy mivavaka, ny fandalinana soratra masina miaraka, ny takarivan’ny mpianakavy ary ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana amin’ny andro Alahady mba hahafahana mijery ireo hetsika.
-
Ny tanora mpifankatỳ roa dia miomana amin’ny fanambadiana. Monina amina toerana izay haneken’ny maro ny fanaovana firaisana ara-nofo mialohan’ny fanambadiana izy ireo. Ny olona sasany dia efa nilaza tamin’izy ireo fa nilaozan’ny toetrandro izany ary hafahafa satria miandry ny ho mpivady izy ireo vao hanao firaisana ara-nofo.
-
Inona no hitovizan’ireo tranga ireo? (Ny tranga tsirairay dia manolotra fifanoherana eo amin’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra sy ny fanarahana ireo fomban-drazana na ireo fomba fanao.)
Hazavao fa tafiditra ao amin’ireo fomban-drazana na fomba fanao ny zavatra hinoana ary zavatra fanao ao amin’ny kolontsaina, fiaraha-monina, fianakaviana na vondrona mpinamana iray.
Asaivo milaza fomban-drazana na fomba fanao anankiray na mihoatra izay mety hanakana ny fankatoavan’izy ireo ny didin’ Andriamanitra ny mpianatra. Asao ny mpianatra hikaroka fahamarinana ao amin’ny Matio 15 izay afaka manampy azy ireo rehefa voatery tsy maintsy misafidy ny hankatoa ny didin’ Andriamanitra na ny handray anjara amin’ny fomban-drazana sy ny fomba fanao izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio15:1–2 . Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hikaroka ny fomban-drazana izay nanadiadian’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo an’i Jesoa.
-
Inona no fomban-drazana tsy narahan’ireo mpianatr’i Jesoa?
Hazavao fa ny fanasana tanana voalazan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia milaza fisasana ara-pomba araka ny fomban-drazana fa tsy fisasana araka ny fahadiovana.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 15:3 ary asao ny iray kilasy hitady ny fihetsik’i Jesoa nanoloana ny fanontanian’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo.
-
Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa nataon’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo amin’ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fomban-drazana?
Fintino ny Matio 15:4-6 amin’ny fanazavana fa i Jesoa dia namantatra ohatra iray momba ny fandikan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny didin’ Andriamanitra iray amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomban-drazan’izy ireo. Nampianatra izy ireo fa ny olona dia “tsy mba hanaja akory” (andininy 6) ny adidin’izy ireo amin’ny fikarakarana ireo ray aman-dreny efa nahazo taona amin’ny fanambarana fa ny volan’izy ireo dia natokana ho fanatitra ho an’ Andriamanitra, na korbana (jereo ny Marka 7:10–12). I Jesoa anefa dia nampianatra fa rehefa manao izany izy ireo dia mandika ny didy mikasika ny fanajana ny ray sy ny reny.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 15:7-9 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nitaoman’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny olona mba ho atao amin’ny fampiasana ny fomban-drazana ho fialan-tsiny amin’ny tsy fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra.
-
Inona no nitaoman’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny olona mba ho atao?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny zavatra tsy maintsy ataontsika raha maniry ny hanakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fitsipika mitovy amin’izao manaraka ity: Raha maniry ny hanakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra isika, dia tsy maintsy mametraka ireo didiny eo ambonin’ny fomban-drazana sy ny fomba fanao rehetra mety hananantsika.)
Asao ireo mpianatra hamerina hamaky mafy ireo tranga noresahina tamin’ny fiandohan’ny lesona. Rehefa avy novakiana ny tranga tsirairay dia anontanio hoe:
-
Inona no azon’ilay olona na ireo olona tao amin’ity tranga ity atao mba hankatoavana ny didin’ Andriamanitra?
-
Ahoana no hanampian’ny fanaovana izany an’ilay olona na ireo olona mba ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra?
Rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ny tranga tsirairay ianareo dia anontanio ny mpianatra hoe:
-
Oviana ianao no nisafidy ny hankatò ny didin’ Andriamanitra fa tsy nandray anjara tamin’ny fomban-drazana na fomba fanao eken’ny maro? Ahoana no fomba nanampian’izany anao mba hanakaiky bebe kokoa ny Ray any An-danitra? (Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana.)
Asao ny mpianatra mba handinika ireo fomban-drazana na fomba fanao nolazainy teo aloha. Entano izy ireo hisafidy ny hankatò ny didin’ Andriamanitra fa tsy hanaraka ireo fomban-drazana na fomba fanao ireo mba hahafahany manakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia nino fa ny fihinanan-kanina tsy nisasan-tanana dia handoto ny olona iray, na hahatonga ny olona iray ho maloto ara-panahy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 15:10–11 ary asaivo mikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy fa tena mahaloto antsika ny mpianatra rehetra.
-
Inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tena mahaloto antsika?
Mariho fa ny Mpamonjy dia nilaza hoe: “Izay mivoaka avy amin’ny vava … no mahaloto ny olona” (andininy 11). Rehefa avy niteny tamin’ny mpianany Izy mba tsy hisahirana amin’ireo Fariseo izay tohina noho ny teniny (jereo ny Matio 15:12–16)dia nanazava misimisy kokoa momba ny tena mahaloto antsika.
Manasà ankizy vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Matio 15:17–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra, ka hikaroka ny hevitry ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy rehefa nilaza Izy hoe “Izay mivoaka avy amin’ny vavan’ny olona … no mahaloto ny olona” (andininy 11).
-
Inona no hevitry ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy rehefa nilaza Izy hoe “Izay mivoaka avy amin’ny vavan’ny olona … no mahaloto ny olona”?
Mariho fa matetika ao amin’ny soratra masina ny fo dia maneho ny eritreritra sy ny faniriantsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity: Raha misafidy ny hanolokolo eritreritra sy faniriana maloto isika dia …
-
Ahoana no hamenoanao an’io fitsipika io avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 19–20? (Ampiasao ny tenin’ny mpianatra mba hamenoana io fitsipika io mba hahafahan’izany mampita izao fahamarinana manaraka izao: Raha misafidy ny hanolokolo eritreritra sy faniriana diso toerana na maloto isika dia hahaloto antsika ireo eritreritra sy faniriana ireo avy eo.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hahatonga antsika ho maloto na voaloto ara-panahy raha toa misafidy ny hanolokolo eritreritra sy faniriana diso toerana na maloto?
-
Amin’ny fomba ahoana ny teny izay haloakan’ny vavantsika, sy ny zavatra ataontsika koa no maneho ny eritreritra sy fanirian’ny fontsika?
Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba an’ity fitsipika ity ary manasa ireo mpianatra hisafidy ny hanana eritreritra sy faniriana madio hatrany.
Matio 15:21–28
Ny Mpamonjy dia nanasitrana ny zanakavavin’ny vehivavy Jentilisa iray
Asao ireo mpianatra handroso ho eny amin’ny solaitrabe ka hanao lisitra ny faniriana tsara ananan’izy ireo miisa iray na mihoatra ny iray.
Asao ny mpianatra hikaroka fahamarinana ao amin’ny Matio 15 izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra mila ataon’izy ireo mba hahatanteraka ny faniriana tsara ananan’izy ireo.
Asaivo mijery ny Sarintany ao amin’ny Baiboly lah. 11, “Ny Tany Masina tamin’ny Andron’ny Testamenta Taloha” ireo mpianatra. Asaivo mamaritra ny tanànan’i Tiro sy Sidona eo amin’ny sarintany izy ireo. Hazavao fa raha nandeha avy tany Galilia ho any amin’ny moron’i Tiro sy Sidona i Jesoa, dia nifanena tamin’ny vehivavy Kananita iray. Tahaka ny olona maro tao amin’io faritra io dia Jentilisa ilay vehivavy—izay midika fa tsy Jiosy izy. Hatreto dia mbola nitory ny filazantsara tamin’ny Jiosy ihany fa tsy tamin’ny Jentilisa koa i Jesoa sy ny mpianany (jereo ny Matio 10:5–6). Hisokatra any aoriana any ny varavarana ho an’ny Jentilisa mba handraisany ny hafatry ny famonjena (jereo ny Asan’ny Apostoly 10).
Asao ireo mpianatra hifandimby hamaky mafy ny Matio 15:21–27 miaraka amin’ny namana iray. Asao izy ireo mba hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny manoratra ireto fanontaniana ireto eny amin’ny solaitrabe):
-
Inona no faniriana tsara nananan’ilay vehivavy Kananita?
-
Inona ny zavatra nolazain’ilay vehivavy sy nataony izay mampiseho ny finoany an’i Jesoa Kristy?
Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Amin’ny fomba ahoana ny fihetsik’ilay vehivavy nanoloana ity fifanahafana ity no mampiseho misimisy kokoa ny finoany an’i Jesoa Kristy?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 15:28 ary asaivo mikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho an’ity vehivavy ity ny iray kilasy.
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy ho an’ity vehivavy ity? Nahoana?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity momba ny zavatra mety hitranga rehefa mampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fitsipika mitovy amin’izao manaraka ity: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mandray fitahiana araka ireo faniriana tsara ananantsika.)
-
Ankoatra ny fangatahana amim-pahatokiana ny hitahian’ny Tompo antsika araka ny faniriana tsara ananantsika, inona koa no azontsika atao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny zavatra azon’izy ireo atao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Rehefa manam-pinoana an’ny Tompo Jesoa Kristy isika dia tsy maintsy matoky Azy. Tsy maintsy ampy ny fahatokisantsika Azy hany ka mionona amin’ny fanekena ny sitrapony isika, eo am-pahafantarana fa fantany izay zavatra tsara indrindra ho antsika. …
“… Ny finoana, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny tanjany, dia tsy afaka mitondra vokatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Ilay tompon’io hery io. … Tsy afaka manana finoana tena marina an’ny Tompo isika raha tsy matoky tanteraka ihany koa ny sitrapo sy ny fotoan’ny Tompo” (“Faith in the Lord Jesus Christ,” Ensign, mey 1994, 99, 100).
-
Amin’ny fomba ahoana ny fanazavan’ny Loholona Oaks momba ny dikan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy no manampy antsika rehefa tsy mitahy antsika avy hatrany araka ny faniriana tsara ananantsika ny Tompo?
Asao ny mpianatra hijery indray ilay lisitry ny faniriana tsara eny amin’ny solaitrabe ary hanazava ny zavatra azony atao mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny fahatanterahan’ireo faniriana ireo.
-
Oviana ny faniriana tsara nanananao (na nananan’ny olona iray fantatrao) no tanteraka (araka ny sitrapo sy fotoan’ny Tompo) rehefa nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ianao?
Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra ho ataony mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy eo am-pikatsahana ny hahatanterahany ny faniriana tsara. Amporisiho izy ireo hampihatra ny zavatra nosoratany.
Matio 15:29–39
I Jesoa dia nanome hanina mpanara-dia mihoatra ny efatra arivo avy tamin’ny mofo fito sy hazandrano madinika vitsy
Fintino ny Matio 3:15:29–39 amin’ny fanazavana fa nanontany i Jesoa dia niverina tany Galilia. Raha mbola tany Izy dia niangona teo Aminy ny vahoaka mihoatra ny efatra arivo ka nitondra teo Aminy ireo izay nijaly noho ny aretina sy kilema ara-batana izan-karazany. Nanasitrana azy ireo ny Mpamonjy ary rehefa niaraka Taminy nandritra ny telo andro ny olona dia nanatanteraka fahagagana hafa Izy tamin’ny fanomezana sakafo ho azy ireo tamin’ny alalan’ny mofo fito sy hazandrano madinika vitsy fotsiny. (Fanamarihana: Ny fahagagana mikasika ny nanomezana sakafo ny vahoaka efatra arivo dia horesadresahana amin’ny antsipiriany bebe kokoa ao amin’ny lesona momba ny Marka 8.)
Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika hitan’ny mpianatra tao amin’ny Matio 15.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 15:1–9. “Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?”
Nanome izao torohevitra manaraka izao ho an’ireo izay mikasa tsy hanaraka intsony ny fomban-drazana na fomba fanao izay manakana ny fanarahana tanteraka ny Tompo ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ny manova fomba fiaina izay efa raiki-tapisaka lalina dia mety ho sarotra be. Ny namana taloha dia mety haneso, hanakiana ary hanenjika mihitsy aza. Ny finoana an’ny Mpamonjy amim-pikirizana ary ny fankatoavana dia hahatonga ny fianjadianao izany fotoan-tsarotra mafy izany ho tonga any amin’ny fitahiana lehibe kokoa. Ny soratra masina dia maneho ny fomba handresen’ny faharesen-dahatra sy ny finoana an’ireo fomban-drazana mifanohitra amin’ny drafitr’ Andriamanitra, ka hitondrana fitahiana ho an’ny olon-tokana sy ho an’ny taranaka maro mihitsy aza. Ny fahavononan’i Abrahama tsy azo nozongozonina ny mba tsy hivadika amin’ny fahamarinana ary hanilika ny fomban-drazana diso dia nitahy azy betsaka tokoa. Ny tsy nivadihany dia hitahy izay mpankatò rehetra ao amin’ny fianakaviamben’i Isiraely amin’ny valisoa feno harena. Ny ohatra miavaka iray hafa ny amin’ny fialana amin’ny fomban-drazana nitoetra efa ela dia ny fiovana teo amin’ny Lamanita tia ady ho mpanara-dia an’i Kristy mpanetry tena izay vonona ny ho faty toy izay mandika ireo fanekempihavanana natao Taminy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny fanjakany” (“Removing Barriers to Happiness,” Ensign, mey 1998, 86).
Matio 15:21–28. “Ny amboakely dia mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony”
Ny fifanahafana nataon’ny Tompo izay nampifandray ny Jentilisa amin’ny amboakely dia natao mba hampianarana fa ny filazantsara dia notoriana tamin’ny fianakaviamben’i Isiraely ihany tamin’izany fotoana. Ireo Jentilisa dia handray ny hafatry ny famonjena aty aoriana, araka ny fotoan’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apostoly10).
Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny nanasitranan’i Jesoa ny zanakavavin’ilay vehivavy Kananita dia fitsapana ny finoan’io vehivavy io ary ohatra mifono fampianarana ho an’ireo mpianany:
“Ny filazantsara (miaraka amin’ny hery sy fanomezam-pahasoavana manasitrana rehetra ao aminy) dia tokony natolotra tamin’ny Jiosy alohan’ny handraisan’ny Jentilisa izany. Ny asa fanompoan’i Jesoa teto an-tany dia teo anivon’i Isiraely fa tsy teo anivon’ny firenena hafa. Ny nanasitranany an’ity olona Jentilisa ity na ny olona Jentilisa hafa dia fitrangana manokana noho ny finoana lehibe. Tany aloha tany dia nandidy ny apôstôly Izy mba handeha any amin’ny ondry verin’ny fianakaviamben’i Isiraely ihany fa tsy hitory ny hafatry ny famonjena ho an’ny Jentilisa. (Mat. 10:5–6.) Marina tokoa fa ny zavatra nataony tamin’ity indray mitoraka ity dia fampianarana ho an’ny mpianany, sy nitsapa ny finoany, ary nampianatra fa ny fikirizana sy ny fangatahana am-bavaka dia hitondra valisoa ary nampiseho fa matetika ny finoana lehibe kokoa dia hita eo anivon’ny firenena hafa fa tsy ao amin’ireo finidy, taranak’i Isiraely” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:371).