Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Epistily Voalohan’i Jaona amin’ny ankapobeny


Fampahafantarana ny Epistily Voalohan’i Jaona amin’ny ankapobeny

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ao amin’io epistily io i Jaona dia miresaka ny fiparitahan’ny fitaomana feno apôstazia izay natahorana tokoa tao amin’ny Fiangonana. Nampitandrina ny Olomasina izy mba tsy hanana firaisana amin’ny haizina ary hijanona ao amin’ny fiarovan’ny fahazavan’ny filazantsara. Ny fandalinana ny 1 Jaona dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra mora kokoa ireo fampianarana sandoka momba an’i Jesoa Kristy, ary ny fanarahana ny torohevitr’i Jaona dia afaka manampy azy ireo hihazona fifandraisana akaiky amin’ny Tompo rehefa mitoetra ao amin’ny fahamarinana izy ireo. Ankoatra izay, ny fandalinana ity boky ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ilay fitiavana tsapan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay, izay nasehony tamin’ny alalan’ny fanolorany an’i Jesoa Kristy Zanany ho sorona ho an’ny olona rehetra.

Iza no nanoratra ity boky ity?

“Na tsy mitonona anarana aza ny mpanoratra an’ireo epistily telo ireo, dia mitovy fatratra tokoa amin’ny an’i Jaona ny fomba fiteny hany ka heverina fa izy no nanoratra azy telo,” iray amin’ireo Apôstôly Roambinifolo tany am-piandohana (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ireo epistilin’i Jaona”).

Ny mpanoratra ny Epistilin’i Jaona dia nahita mivantana ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty, izay azo antoka fa tena zavatra niainan’ny Apôstôly Jaona (jereo ny 1 Jaona 1:1–4; 4:14).

Oviana ary taiza no nanoratana azy io?

Tsy fantatra mazava hoe oviana ary taiza no nanoratana ny 1 Jaona. Izy io angamba dia nosoratana tany ho any amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany taorian’i J.K.

Na dia nandany ny ankabeazan’ny fotoana naha-kely azy tany Palestina aza i Jaona dia nankahala ny Kristianina sy ny Jiosy ilay faritra taorian’ny faharavan’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taona 70 taorian’i J.K.. Hatrizay dia ninoan’ny olona fa niala tao Palestina i Jaona mba hipetraka tany Efesosy nandritra ny fahalehibeazany. Raha izay no izy dia mety nanoratra ilay taratasy avy any Efesosy teo anelanelan’ny taona 70 sy 100 taorian’i J.K. i Jaona.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Ny mpamaky ny 1 Jaona dia tsy nolazaina mazava tsara, saingy hita taratra amin’ny asa sorany fa nanoratra ho an’ireo mpino i Jaona (jereo ny 1 Jaona 1:3–4; 2:12–14), angamba ireo tao Asie Mineur (Torkia amin’izao fotoana izao), izay hilazan’ny firaketana ara-tantara sasany fa mety ho niaina sy nanompo tamin’ny fiafaran’ny taonjato voalohany taorian’i J.K. i Jaona.

Tamin’izany fotoana izany dia niteraka fizarazarana teo anivon’ny Olomasina tao amin’ilay faritra ireo mpampianatra sandoka (jereo ny 1 Jaona 2:18–19, 22, 26; 4:1), ary niparitaka tao amin’ny Fiangonana ny apôstazia. Ny Dôsetisma no filôzôfia manokana nahazo vahana tamin’izany. Ny Dôsetisma dia tao anatin’ny hetsika lehibe kokoa izay fantatra amin’ny hoe Gnôstisisma. Ny fampianarana fototra tamin’ny endrika Gnôstisisma maro dia nilaza fa ny fanahy dia tsara tanteraka ary ny zavatra azo tsapain-tanana, anisan’izany ny vatana, dia ratsy tanteraka.

Ireo mpanaraka ny Gnôstisisma dia nino fa ny famonjena dia tsy azo amin’ny alalan’ny fanafahana amin’ny fahotana fa amin’ny fanafahana ny fanahy amin’ny zavatra azo tsapain-tanana kosa, izany hoe ny vatana. Izy ireo ihany koa dia nino fa ny famonjena dia azo amin’ny alalan’ny fahalalana manokana (gnosis) fa tsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Ireo mpanaraka ny Dôsetisma dia nanantitrantitra mafy ny maha-fanahy an’i Jesoa Kristy ka nahatonga azy ireo hitsipaka ny hoe tonga teto an-tany tamin’ny endrika vatana nofo sy taolana marina tokoa Izy. Nino izy ireo fa tsy hita maso Andriamanitra, tsy mety maty, mahalala ny zavatra rehetra, ary tsy azo tsapain-tanana, ary noraisin’izy ireo ho maloto sy ratsy ny tontolo azo tsapain-tanana sy ny vatana nofo sy taolana. Noho izany dia nino izy ireo fa noho i Jesoa Kristy Zanakalahy masin’Andriamanitra dia tsy afaka niaina ny fiainana voafetra amin’ny maha-olombelona Izy. I Jesoa Kristy eo imason’izy ireo dia tsy teraka ara-bakiteny tao amin’ny nofo, ary tsy nonina tao anaty vatana azo tsapain-tanana Izy, nijaly, maty, na nitsangana niaraka tamin’ny vatana nofo sy taolana efa nitsangana tamin’ny maty—mody nanao ireo zavatra ireo fotsiny Izy. NyDôsetisma dia nalaina avy amin’ny teny Grika hoe dokeō, izay midika hoe “mody manao zavatra iray” na “toy ny manao zavatra iray.”

Na dia mandà ireo fampianaran-diso ireo aza ny 1 Jaona dia tavela naharitra teo izy ireo ary nanaiky izany ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ireo sy ny fotopampianarana diso hafa no anisan’ny antony nitarika ho amin’ny Apôstazia Lehibe.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Amin’ny maha-iray azy amin’ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy tany am-piandohana dia vavolombelona manokan’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty i Jaona. I Jaona dia nanomboka io taratasy io tamin’ny fanambarana fa nahita mivantana, nahare, ary nikasika an’i Jesoa Kristy izy. Raha niresaka bebe kokoa momba io fahitana mivantana io i Jaona dia nanasa ireo mpamaky ny asa sorany mba hanana “[firaisana] … amin’ny Ray, sy amin’i Jesosy Kristy Zanany” (1 Jaona 1:3). Ny fitiavana no lohahevitra fototra ao amin’ny Epistily Voalohany nosoratan’i Jaona. Noantitranterin’i Jaona fa ireo izay milaza fa tia an’ Andriamanitra kanefa tsy tia ireo manodidina azy ireo dia mpandainga (jereo ny 1 Jaona 4:20–21).

Topimaso

1 Jaona 1–3 I Jaona dia mampianatra fa afaka mahafantatra an’Andriamanitra sy manana firaisana Aminy ary lasa toa Azy isika amin’ny alalan’ny fankatoavana. Hisy antikristy amin’ny andro farany. Ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika dia miseho amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony.

1 Jaona 4–5 Mamporisika ny Olomasina hamantatra i Jaona raha toa ka avy amin’ Andriamanitra ny mpampianatra iray. Andriamanitra dia fitiavana, ary noho ny fitiavany lehibe ho antsika dia nandefa ny Zanany Lahy Izy mba hijaly ho antsika. Ireo izay tia an’ Andriamanitra dia hitandrina ny didiny. Ireo izay mino an’ i Jesoa Kristy sy naterak’ Andriamanitra dia handresy izao tontolo izao.