Lesona 142
Jakoba 3
Fampidirana
Nampianatra ny Olomasina ny maha-zava-dehibe ny fifehezana ny teny i Jakoba. Dia nampitahainy avy eo ny fahendren’izao tontolo sy ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra.
Sosokevitra enti-mampianatra
Jakoba 3:1–12
Nampianatra ny Olomasina ny maha-zava-dehibe ny fifehezana ny teny i Jakoba
Mitondrà dentifrice iray any am-pianarana. Manasà mpianatra iray hanapotsitra ilay dentifrice rehetra avy ao anatin’ilay fitoerany (na asaivo maka sary an-tsaina izany ireo mpianatra). Mangataha mpianatra iray hafa hanandrana hamerina indray ilay dentifrice rehetra ao anatin’ilay fitoerany. Rehefa sahirana ilay mpianatra faharoa manao izany dia apetraho ny fanontaniana hoe:
-
Inona no mampitovy ny dentifrice ao amin’io fampiharana io amin’ny teny lazaintsika?
Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina raha toa efa nilaza zavatra izay nanenenany taty aoriana. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Jakoba 3:1–12 mba hitady ireo fahamarinana izay hanampy azy ireo hisafidy amim-pahendrena ny teny holazainy.
Manasà mpianatra iray mba hamaky mafy ny Jakoba 3:2–4 sy ny fehezanteny voalohany ao amin’ny Jakoba 3:5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny famaritan’i Jakoba ireo olona izay tsy manafintohina ny hafa amin’ny alalan’ny teniny. Hazavao fa ilay andian-teny hoe “tafintohina amin’ny zavatra rehetra” ao amin’ny andininy 2 dia midika fa manao hadisoana daholo isika rehetra ary hazavao fa nampiasain’i Jakoba ilay teny hoe lela mba hilazana ny teny lazaintsika.
-
Ahoana no namaritan’i Jakoba an’ireo izay mahafehy ny teniny?
Hevero ny hampiseho na hanao eny amin’ny solaitrabe sarina vin-damboridin-tsoavaly sy familian-tsambo. Mety ilainao ny manazava fa ny vin-damboridin-tsoavaly (andininy 3) dia tapa-by kely mifandray amin’ny lamboridy izay manome fahafahana ilay mpitondra soavaly hitarika ilay soavaly. Ao amin’ity andininy ity ny teny hoe familiana (andininy 4) dia ilazana ny familian-tsambo izay manampy ny olona iray hamily na hanodina sambo.
-
Arak’i Jakoba dia inona no ifandraisan’ny lamboridin-tsoavaly sy ny familian-tsambo? (Samy tena kely izy ireo ary samy mitondra sy mifehy zavatra lehibe kokoa izay hamatorana azy ireo.)
-
Manampy antsika mba hahatakatra ny herin’ny tenintsika amin’ny fomba ahoana ny fampitahan’i Jakoba an’ireo zavatra ireo amin’ny lela na ny teny lazaintsika?
-
Inona no fitsipika azontsika fantarina avy amin’ireo andininy ireo momba ny zavatra hitranga rehefa mahay mifehy ny teny lazaintsika isika? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Rehefa mahay mifehy ny teny lazaintsika isika dia mahay mifehy ireo zavatra hafa rehetra ataontsika.
-
Nahoana no afaka manampy antsika hifehy ireo zavatra hafa rehetra ataontsika ny fifehezana ny teny lazaintsika?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 3:5 ary koa ny Jakoba 3:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra hafa nampitahain’i Jakoba tamin’ny teny lazaintsika .
-
Inona koa ny zavatra hafa nampitahain’i Jakoba tamin’ny teny lazaintsika?
-
Inona avy ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainantsika izay mety “[hirehitra]” (andininy 6), na ho tandindomin-doza, noho ny fampiasantsika tsy amim-pahendrena ny tenintsika?
Hazavao fa ny andian-teny hoe “izao zavatra ary rehetra izao” ( andininy 6 ) dia azo ilazana ny lalam-piainan’ny olona iray.
-
Miantraika amin’ny lalam-piainantsika amin’ny fomba ahoana ireo teny lazaintsika?
-
Ahoana no ahafahan’ny fanovana kely ataontsika eo amin’ny teny lazaintsika hisy fiantraikany tsara eo amin’ny lalam-piainantsika? sy eo amin’ny fiainan’ny hafa?
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Jakoba 3:7–12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra hafa nampitahain’i Jakoba tamin’ny teny lazaintsika.
-
Inona koa ny zavatra hafa nampitahain’i Jakoba tamin’ny teny lazaintsika? (Biby iray izay tsy maintsy voafolaka [jereo ny andininy 7–8], “ody mahafaty” [andininy 8], loharano izay “mamoaka rano masirasira [sy] rano mamy” “eo amin’ny vavany iray ihany” [andininy 11–12], aviavy mamoa voan’oliva fa tsy voan’aviavy, ary voaloboka mamoa voan’aviavy [jereo ny andininy 12].)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny votoatin’ireo andininy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Mazava ho azy fa tsy nilaza akory i Jakoba fa hoe ratsy foana ny lelantsika, na ny zavatra rehetra lazaintsika dia ‘feno ody mahafaty.’ Saingy nilaza mazava izy fa misy zavatra lazaintsika sasantsasany farafaharatsiny izay mety hanimba, na ho poizina mihitsy aza—ary fanambarana mampitahotra ihany izany ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany iray! Ilay feo izay mijoro ho vavolombelona lalina, sy manolotra vavaka amin-kafanam-po ary mihira ny hiran’ny Ziona dia mety ho ilay feo izay manakiana, mitsikera, manala baraka sy manompa ary mandratra sy manimba ny fanahin’ny tena sy ny an’ny hafa rehefa manao izany. …
“… Enga anie isika mba hiezaka ny ho lehilahy sy vehivavy ‘lavorary,’ farafaharatsiny amin’ity fomba iray ity amin’izao fotoana izao—mba tsy hanafintohina amin’ny teny, na raha lazaina amin’ny fomba tsaratsara kokoa, dia mba hiteny amin’ny fiteny vaovao, ny fitenin’ny anjely. Ny teny lazaintsika toa ireo asa ataontsika dia tokony ho feno finoana sy fanantenana ary fiantrana, andraikitra telo manan-danja iantsorohan’ny Kristianina izay tena ilaina mafy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ny fampiasana teny toy izany eo ambany fitarihan’ny Fanahy dia afaka mamafa ny ranomaso, manasitrana ny fo, mampivoatra ny fiainana, mampiverina ny fanantenana ary mampibahana ny fahatokian-tena” (“The Tongue of Angels,” Ensign na Liahona, mey 2007, 16, 18).
-
Inona no fitsipika azontsika fantarina avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny tokony ho firesaky ny mpanaradia an’ Andriamanitra? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra na dia mampiasa ny teniny manokana aza: Ny mpanaradia an’ Andriamanitra dia miezaka ny mampiasa ny fiteniny amin’ny tanjona tsara ary tsy mampiely ny ratsy.)
-
Nahoana no tena olana lehibe raha toa ireo Olomasin’ny Andro Farany ka mampiasa ny fiteniny amin’ny tanjona ratsy na mba handratrana na hanafintohinana ny hafa?
-
Inona ireo zavatra sasany izay azontsika atao mba ho “tanteraka” kely kokoa (Jakoba 3:2) eo amin’ny fisafidianana ny tenintsika?
Asao ny mpianatra hanazava hoe amin’ny fomba ahoana ny fiainana ny fahamarinana hitan’izy ireo tao amin’ny Jakoba 3:9–10 no mitarika ny asa ataon’izy ireo ao anatin’ireto toe-javatra manaraka ireto:
-
Mandefa hafatra ianao na mampiasa ny tambazotra ifaneraserana.
-
Mpisorona iray ianao izay manamasina ny fanasan’ny Tompo rehefa Alahady. Manomboka manaraby mpianatra iray hafa ireo namanao any am-pianarana.
-
Zatovovavy ianao izay nisy fotoana taloha niresaka tamin-karatsiam-panahy momba ny zatovovavy iray hafa tao amin’ny paroasy na ny sampana misy anao.
-
Mampiasa teny ratsy ireo iray ekipa aminao.
Manasà mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka notsoahina avy tamin’ny Jeunes Soyez Forts:ity.
“Ny fomba fifandraisanao amin’ny hafa dia tokony hahitana taratra ny maha-ianao anao amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Ny fiteny madio sy mifono faharanitan-tsaina dia porofon’ny fananana saina mahiratra sy tsara. Ny fiteny izay mampitraka sy mankahery ary mandoka ny hafa dia manasa ny Fanahy hiaraka aminao. Ny tenintsika, tahaka ny asantsika dia tokony ho feno finoana sy fanantenana ary fiantrana.(Jeunes Soyez Forts [kiboky, 2011], 20).
-
Oviana no nampitraka na nampahery anao ny tenin’ny olona iray hafa?
-
Inona no fitahiana azonao rehefa niezaka nampitraka na nampahery ny hafa tamin’ny alalan’ny teninao ianao?
Asao ny mpianatra hanoratra tanjona ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina momba ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hifehezana tsara kokoa izay teny lazainy ary mba hampiasana ny fiteny amin’ny tanjona tsara. Asao izy ireo mba hanao asa mifandray amin’ny zavatra nosoratany mandritra ny herinandro manaraka.
Jakoba 3:13–18
Nampitahain’i Jakoba ny fahendren’izao tontolo sy ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra
Fintino ny Jakoba 3:13–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampitahain’i Jakoba ny fahendren’izao tontolo sy ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra. Ny fahendren’izao tontolo izao dia mitondra any amin’ny “fikorontanana” (andininy 16) sy “fifampiandaniana” (andininy 14), ary ny fahendrena “avy any ambony” dia “madio” sy “be famindrampo” (andininy 17).
Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay nampianarina tao amin’ny lesona androany.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Jakoba 3:2. “Aza manafintohina amin’ny teny”
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina mikasika ireo loza avy amin’ny fitenenana zavatra ratsy sy niresaka mikasika ny tokony hilazana zavatra tsara kokoa rehefa miresaka isika:
“Mihevitra aho fa tsy mila milaza intsony hoe ny fitenenana zavatra ratsy dia matetika vokatry ny fieritreretana zavatra ratsy ka tafiditra ao anatin’izany ny fieritreretana zavatra ratsy mikasika ny tenantsika. Mahita ireo fahadisoana ataon’ny tenantsika manokana isika. Miresaka—na farafaharatsiny mieritreritra—amin’ny fomba feno fanakianana ny tenantsika isika ary efa tany aloha be tany no izay no fomba fahitantsika ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra. Tsy misy taramasoandro, tsy misy raozy, tsy misy fampanantenana hoe hisy fanantenana na fifaliana. Efa tany aloha be tany isika sy ny olona rehetra manodidina antsika no fadiranovana.
“… Tokony hanaja ny fanambaran’ny Mpamonjy mba ‘[tsy hatahotra]’ isika [Matio 14:27; Marka 6:50; Jaona 16:33]. (Ny tena marina raha ho ahy dia toa mety ho meloka kokoa isika amin’ny fandikana izany didy izany noho ny fandikana izay mety ho didy hafa!) Miresaha amin’ny fomba maneho fanantenana. Miresaha amin’ny fomba maneho fampaherezana ka tafiditra ao anatin’izany ny tenanao. Miezaha mba tsy hitaraina sy himonomonona lava” (“The Tongue of Angels,” Ensign na Liahona, mey 2007, 17–18).
Jakoba 3:10. “Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana”
Ny Loholona Robert S. Wood ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra mikasika ny herin’ny tenintsika mba hitahiana ny hafa sy ny tenantsika:
“Tsy nofidina manokana ny teny lazaintsika sy ny fihetsika asehontsika ety ivelany, satria izy ireny no maneho ny maha-izy azy antsika ary misy fiantraikany eo amin’ny toetrantsika. …
“Ny zavatra lazaintsika sy ny fomba fanehoantsika ny tenantsika dia tsy hoe mamitaka fotsiny ilay olona ao anatintsika ao fa mamolavola ihany koa izany olona izany sy ireo olona manodidina antsika ary ny fiarahamonina iray manontolo amin’ny farany. Mandray anjara amin’ny fanamaizinana ny hazavana na ny fandroahana ny haizina isika tsirairay isan’andro. Nantsoina mba hanasa ilay hazavana sy mba ho fahazavana isika ary mba hanamasina ny tenantsika sy hanazava ny saina amam-panahin’ny hafa. …
“Rehefa miresaka sy manao zavatra isika dia tokony hanontany tena raha toa ny tenintsika sy ny fihetsika asehontsika ka natao mba hanasana ny herin’ny lanitra ho tonga eo amin’ny fiainantsika sy hanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy. Tsy maintsy hajaintsika ireo zavatra masina. Ilaintsika esorina ao amin’ireo resaka ataontsika ny resaka vetaveta, mamoa fady, mifono herisetra sy fampitahorana sy fanompana ary lainga. Araka ny nosoratan’ny Apôstôly Petera hoe: ‘Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra’ (1 Petera 1:15) .” (“The Tongue of Angels,” Ensign, nôv. 1999, 83, 84).