Tahirim-pitaovana
Lesona 17: Matio 14


Lesona 17

Matio 14

Fampidirana

Rehefa nandre ny nahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa dia naniry ny ho irery, nefa narahin’ny vahoaka betsaka Izy. Nanana fangorahana tamin’izy ireo Izy, sy nanasitrana ny marary ary namahana tamim-pahagagana ny olona maherin’ny dimy arivo tamin’izy ireo. Io alina io dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina ho any amin’ireo mpianany izay sahirana teo amin’ny Ranomasin’i Galilia noho ny tafio-drivotra nahery vaika i Jesoa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 14:1–21

Naniry ny ho irery i Jesoa ary nanome sakafo ny olona mihoatra ny dimy arivo

Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nahatsapany alahelo lehibe. Asao izy ireo hisaintsaina ny nataon’izy ireo mba nahafahany naharitra sy nandresy izany alahelony izany.

  • Inona avy ireo fomba isan-karazany ampiasan’ny olona rehefa miezaka maharitra sy mandresy alahelo?

Rehefa mandalina ny Matio 14 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fomba izay hahafahan’izy ireo maharitra sy mandresy ny alahelo, sy ny fizahan-toetra ary ny ahiahy.

Fintino ny Matio 14:1-11 amin’ny fanazavana fa noho ny famporisihan’i Herodiasy, vadin’ny Mpanjaka Heroda vaovao, dia nampidiriny tsy ara-drariny am-ponja i Jaona Mpanao Batisa. Taorian’ny nandihizan’ny zanakavavin’ny vadiny (Salome) teo anoloany, dia nampanantena ampahibemaso i Heroda fa afaka mahazo “izay hangatahany na inona na inona” izy (Matio 14:7). Nila hevitra tamin-dreniny ilay zanakavavy ary nangataka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa, ka dia notapahin-doha i Jaona vokatr’izany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Jaona Mpanao Batisa dia namana sy havan’i Jesoa Kristy ary nofidian’ Andriamanitra mba ho ilay mpaminany hanomana ny lalana ho an’ny Mesia.

  • Alaivo sary an-tsaina anie hoe namana akaikin’i Jaona Mpanao Batisa ianao. Ahona no mety ho fihetsikao rehefa naheno ianao hoe novonoina tsy ara-drariny izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 14:12–13 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nataon’i Jesoa rehefa nandre ny fahafatesan’i Jaona Izy.

  • Inona no nataon’ i Jesoa rehefa nandre ny fahafatesan’i Jaona? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe “hitokana any an-tany foana” dia manambara fisitahana amina toerana mba ho irery [jereo ny Marka 6:31, ].)

  • Inona no nitranga rehefa niezaka ny ho irery i Jesoa?

  • Inona no mety ho tsapanao raha toa ka malahelo sy maniry ny ho irery ianao nefa mitady anao ny olona hafa?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 14:14 . Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hitady ny fihetsik’i Jesoa rehefa nahita ny vahoaka maro nanaraka Azy Izy.

  • Inona no ohatra napetraky ny Mpamonjy ho antsika mba harahina rehefa miaina alahelo isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana ho an’ny hafa na dia miaina alahelo aza isika.)

  • Nahoana no mety ho sarotra ny fanehoana fangorahana ho an’ny hafa rehefa mijaly isika?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanehoantsika fangorahana ho an’ny hafa antsika rehefa ny tenantsika aza no mijaly?

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no niaina alahelo lehibe nefa mbola naneho fangorahana ho an’ny hafa? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanompoana olon-kafa?

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Matio 14:15–21. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba nanohizan’i Jesoa ny fanehoany fangorahana ho an’ny vahoaka. (Fanamarihana: Ny fahagagana voarakitra ao amin’ny Matio 14:15–21 dia hampianarina lalindalina kokoa mandritra ny lesona mahakasika ny Marka 6:35–44.)

  • Ahoana no nanohizan’i Jesoa ny fanehoany fangorahana ho an’ny vahoaka izay nanaraka Azy?

Matio 14:22–36

Nandeha teny ambonin’ny ranomasina i Jesoa nandritra ny tafiotra iray

Mba hanampiana ireo mpianatra handinika ireo toe-javatra izay mety hahatonga azy ireo hiaina ahiahy na tahotra rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy dia asaivo vakian’ny mpianatra roa mafy ireto tranga mety hiseho ireto:

  1. Mahatsapa ho tsy afaka manao na inona na inona ny zatovovavy iray rehefa mijery ny reniny izay mijaly mafy noho ny aretina tsy misy fanafany. Manomboka manontany tena izy raha toa ka fantatry ny Ray any An-danitra ny fanaintainan’ny fianakaviany. Te hino an’ Andriamanitra mafy dia mafy izy, kanefa manomboka manafotra azy ny ahiahy.

  2. Vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tsy ela ny zatovolahy iray. Betsaka amin’ireo namany taloha no efa nitsikera tsotra izao ny fanapahan-keviny mba hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Manomboka manontany tena izy raha toa tokony hanohy ny ho mpikambana mazoto sy mahatoky ao amin’ny Fiangonana.

  • Inona avy ireo fomba hafa mety hahatsapan’ny olona ahiahy na tahotra rehefa miezaka manaraka an’i Jesoa Kristy?

Asao ireo mpianatra, rehefa mandalina ny Matio 14 mba hikaroka ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo handresy ny tahotra, ny ahiahy ary ny fahakiviana.

Fintino ny Matio 14:22 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanome toromarika an’ireo mpianany mba handeha sambo ho any am-pitan’ny Ranomasina Galilia mandritra ny fandravany ny vahoaka. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 14:23 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny toerana nalehan’i Jesoa vantany vao nandrava ny vahoaka Izy. Asao hizara ny zavatra hitany izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 14:24–25 , ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zava-nitranga raha niampita ny Ranomasina Galilia ny mpianatry ny Tompo.

  • Inona no nitranga tamin’ny mpianatra raha niampita ny Ranomasina Galilia izy ireo?

  • Inona no dikan’ny hoe “notohain’ny rivotra”? (andininy 24). (Nitsoka nifanohitra tamin’ny toeran-kalehan’izy ireo izany.)

Araka ny andininy 23, dia tamin’ny hariva no naha irery an’i Jesoa tany an-tendrombohitra ary niampitan’ny mpianatra ny Ranomasina Galilia. Ny halavirana nilaina hiampitana ny ranomasina dia teo amin’ny valo kilaometatra teo ho eo ary raha tsara ny toetr’andro dia tokony teo anelanelan’ny ora roa na telo teo ho eo no niampitana izany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 25, dia tamin’ny fotoana ahoana ny Mpamonjy no nanatona ny mpianany teo ambonin’ny rano? (Ny fiambenana fahefatra dia teo anelanelan’ny 3:00 sy 6:00 maraina)

  • Hafiriana teo ho eo ny mpianatra no toa nitolona tamin’ny rivotra mba hiampitana ny ranomasina? (Azo inoana fa teo anelanelan’ny 9 sy 12 ora.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Marka 6:47–48 ary hikaroka ny antsipirihany fanampiny izay nomen’i Marka momba io zava-nitranga io. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Mety azon’i Jesoa natao ve ny nanavotra ireo mpianany tamin’ny fahasahiranana nianjady azy ireo talohaloha kokoa? Inona no mety ho tanjon’ny famelana ireo mpianatra ho sahirana alohan’ny fanavotana azy ireo?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana momba ny fahasahiranantsika manokana, avy amin’ny tantaran’ireo mpianatry ny Tompo izay niezaka niampita ny ranomasina? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Na dia mety tsy manala antsika ao anatin’ny fahasahiranana hatrany aza Andriamanitra dia fantany ny zavatra iainantsika ary ho avy hanampy antsika Izy amin’ny fotoana maha-mety azy.)

  • Inona no mety ho zavatra tsara avy amin’ny famelana antsika hianjady fahasahiranana toa izay havotan’ny Tompo amin’ny fitsapana avy hatrany?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa ny Tompo dia mahalala ny fahasahiranantsika no mampahatanjaka ny finoantsika Aminy na dia tsy manavotra antsika amin’izany fahasahiranana izany avy hatrany aza Izy?

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo dia mitaingina sambo fanjonoana amin’ny alina, sy sahirana amin’ny fiatrehana tafio-drivotra sy onjan-dranomasina mahery mandritra ny ora maro, ka mahita olona mandeha eo ambonin’ny rano avy eo.

  • Toy ny ahoana no eritreritrao na fahatsapanao raha niaina izany toe-javatra izany ianao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 14:26–27 , ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra ka hikaroka ny fihetsiky ny mpianatran’ny Tompo rehefa nahita an’i Jesoa.

  • Inona no fihetsik’ ireo mpianatran’ny Tompo rehefa nahita an’ i Jesoa?

  • Ahoana no fihetsik’i Jesoa nanoloana ny tahotr’izy ireo?

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Matio 14:28 , ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nirian’i Petera atao rehefa nahare ny feon’ny Tompo izy.

  • Inona no zavatra nirian’i Petera atao rehefa nahare ny feon’ny Tompo izy?

Hazony eny aloha ny sarin’i Jesoa, ary asaivo alain’ny mpianatra rehetra sary an-tsaina fa ao anatin’ny sambon’i Petera izy ireo. Manasà mpianatra roa hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Matio 14:29–30. Rehefa voavaky ny andininy tsirairay dia anontanio amin’ny mpianatra ny mety noeritreretin’izy ireo na tsapan’izy ireo raha teo amin’ny toeran’i Petera izy ireo.

  • Nahoana no nanomboka nilentika i Petera?

  • Inona no mety hambaran’ny tafio-drivotra sy ny onjan-dranomasina tao amin’io tantara io eo amin’ny fiainantsika ka mety hahatonga antsika iaina tahotra na ahiahy?

  • Inona no azontsika hianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Petera mikasika ny fomba fisorohana ny hoe resin’ny tahotra sy ny ahiahintsika? (Afaka mampiasa teny samihafa ny mpianatra saingy tokony hazava tsara amin’izy ireo fa rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika ary mihazona ny finoantsika Aminy dia tsy ho resin’ny tahotra sy ny ahiahintsika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity ary asao ny iray kilasy hihaino ny maha mampidi-doza ny tsy fihazonana ny finoantsika an’ny Tompo:

Filoha Howard W. Hunter

“Inoako mafy tokoa fa raha toa ka hibanjina an’i Jesoa tahaka an’i Petera isika, amin’ny maha-olon-tokana sy fianakaviana ary firenena antsika, dia ho afaka handresy ny ‘onjan’ny fisalasalana mandetika’ ka hijanona ‘tsy ho raiki-tahotra ao anatin’ny tafio-drivotry ny ahiahy manambana’ isika. Raha tsy mijery azy izay tsy maintsy inoantsika anefa isika, araka ny maha-tena mora ny manao izany ary halaim-panahy hanao izany tokoa izao tontolo izao, raha toa ka mijery ny hery sy ny siakan’ireny singa mahatsiravina sy mandringana manodidina antsika ireny isika fa tsy mijery azy izay afaka manampy sy manavotra antsika kosa, dia tsy ho azo ihodivirana ny hilentehantsika ao amin’ny ranomasin’ny disadisa sy ny alahelo ary ny fahakiviana” (“The Beacon in the Harbor of Peace,” Ensign, nôv. 1992, 19).

  • Ahoana araka ny hevitrao no ahafahantsika “mibanjina” an’i Jesoa Kristy tahaka ny nataon’i Petera tamin’ny voalohany?

  • Oviana ianao no nahita olona iray nisoroka ny faharesen’ny tahotra na ny fisalasalana noho ny finoany an’i Jesoa Kristy?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa “mibanjina” an’i Jesoa Kristy sy mihazona ny finoantsika Aminy isika dia hahita fanantenana sy herimpo hiatrehana ireo olana. Asao ireo mpianatra mba handinika ireo fiovana azony atao amin’ny fiainana mba hifantohany bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy sy hihazonany bebe ny finoana Aminy ary mba hametraka tanjona ho fanatanterahana ireo fiovana ireo.

Hazavao fa tsy afaka hihazona ny finoantsika an’i Jesoa Kristy tahaka an’i Petera isika indraindray ary mety ho tafarotsaka ao anatin’ny tahotra sy ny fisalasalana ary fahakiviana.

I Jesoa mandeha teo ambony rano

Asehoy ny sarin’ i Jesoa Kristy mandeha teo ambony rano (Jereo ny Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 43; jereo koa ny LDS.org). Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 14:30–32 .

  • Araka ny andininy 30, inona no nataon’i Petera rehefa hitany fa nilentika izy?

  • Inona no azontsika ianarana avy ao amin’io tantara io momba ny zavatra hataon’ny Tompo raha mikatsaka ny fanampiany isika rehefa mihafarofy ny finoantsika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra isika rehefa mihafarofy ny finoantsika dia afaka manandratra antsika avy amin’ny tahotra sy ny fisalasalana Izy .)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanandratan’ Andriamanitra antsika avy amin’ny tahotra sy ny fisalasalana?

Asao hamaky mafy ny Matio 14:33 ny mpianatra iray, ary asaivo karohin’ny mpianatra rehetra ny fihetsik’ireo mpianatry ny Tompo tao amin’ny sambo taorian’ny nidiran’i Jesoa sy Petera tao.

Fintino ny Matio 14:33–36 amin’ny fanazavana fa taorian’io zava-nitranga io dia nanohy ny dian’izy ireo ary tody tany amin’ilay moron-dranon’i Galilia ilany hafa i Jesoa sy ny mpianany. Rehefa nandre ireo olona tany fa tao i Jesoa dia nitondra teo anatrehany ireo narary izy ireo. Maro no sitrana tamin’ny fikasihana ny somotraviavin-dambany ihany fotsiny.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo nandritra ity lesona ity amin’ny fanarahana ny fanentanam-panahy noraisiny.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 14:25. “Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny amin’ny mpianany Jesosy”

Rehefa heverintsika fa hanome vahaolana aingana amin’ny olana hatrehantsika ny Tompo dia tsy afaka hahita ny tanjona lehibe kokoa an’ny fihemoran’ny fanampiany isika. Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny fizahan-toetra manokana nianjady taminy izay tsy nitrangan’ny vahaolana aingana avy amin’ny Tompo:

“Na dia nijaly aza aho tamin’izay fotoana izay, dia mankasitraka aho, rehefa mijery todika, fa tsy nisy ny vahaolana haingana tamin’ny olako. Ny tsy maintsy nitodihako tamin’ Andriamanitra saika isan’andro nandritra ny fotoana naharitra aman-taonany mba hahazoana fanampiana dia nampianatra ahy marina ny fomba tokony hivavahana sy handraisana valim-bavaka ary nampianatra ahy tamin’ny fomba mahomby ny hanana finoana an’ Andriamanitra. Lasa nahafantatra ny Mpamonjiko sy ny Raiko any an-danitra tamin’ny fomba sy tamin’ny lafiny izay mety tsy nisy raha tamin’ny alalan’ny fomba hafa aho na tsy nitranga raha tsy taorian’ny fotoana elaela kokoa. … Nianatra ny mahatoky ny Tompo amin’ny foko manontolo aho. Nianatra ny miaraka Aminy isan’andro aho” (“Give Us This Day Our Daily Bread” [Takariva amorom-patana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, jan. 9, 2011], LDS.org).

Nanome izao fanambarana manaraka izao ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fahafantaran’ny Mpamonjy ny fahorian’ny mpianany raha niampita ny Ranomasin’i Galilia tao anatin’ny tafio-drivotra:

“Avy tao an-tampon’ilay tendrombohitra izay nivavahany … no nahitan’i Jesoa ny fahoriana sy ny fahasahiranan’ireo namany malala izay nikasa hamonjy ny moron’ny farihy Galileana andrefana mba ho lavitry ny voina. … Ny nahafantarany an’ity toe-javatra mampalahelo ity dia tsy maintsy avy tamin’ny alalan’ny Fanahy fa tsy avy tamin’ny alalan’ny maso amin’ny maha-olombelona, satria izy ireo dia lavitra teo amin’ny enina kilaometatra sy tapany—na teo amin’ny valo na folo kilaometatra—teo hoe eo. …

“… Nandritra ny ora valo na folo teo ho eo dia nahavita latsaky ny enina kilaometatra sy tapany niala ny moron-dranomasina izy ireo.

“Lehibe ny voina nahazo azy ireo. Na ny lehilahy matanjaka aza dia tsy afaka hanohitra mandrakizay ny onja mamelively sy ny herin’ny tafio-drivotra mampikodiadian’ny ranomasina. Tamin’ny fiambenana fahefatra an’io alina io, tokony teo anelanelan’ny telo sy enina maraina teo ho eo i Jesoa no nanafaka azy ireo tamin’ny fahasahiranana sy ny fahoriana, rehefa tsy nanan-kery intsony izy ireo. Dia tonga nanavotra azy ireo Izy” (The Mortal Messiah, boky 4 [1979–81], 2:358–59).