Tahirim-pitaovana
Lesona 104: 1 Korintiana 3–4


Lesona 104

1 Korintiana 3–4

Fampidirana

Nanazava ny anjara asan’ny mpitory ny filazantsara amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra tamin’ireo Olomasina Korintiana i Paoly. Nampianatra izy fa ny fiangonan’izy ireo dia napetraka amin’ny toerana izay azon’ny Fanahy hitoerana ary namporisika azy ireo izy tsy hieritreritra fa ny olona sasany dia tsara kokoa noho ny hafa. (Fanamarihana: Ilay fotopampianarana hoe tahaka ny tempoly ny vatantsika dia horesahina ao amin’ny lesona momba ny 1 Korintiana 6.)

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Korintiana 3

Nanazava ny anjara asan’ny mpitory ny filazantsara sy ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra i Paoly

Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina fa ny namana iray dia nisoratra anarana hanaraka fianarana matematika, toy ny kajy, saingy tsy nianatra ireo lesona fanomanana toy ny alzebra fototra izy.

  • Ho toy ny ahoana ny fahombiazan’ilay namanao ao amin’ilay kilasy fianarana matematika sarotra kokoa? Nahoana?

  • Nahoana no ilaina ny mahatakatra ny hevitra fototry ny taranja iray alohan’ny hahafehezanao an’ilay hevitra sarotra kokoa?

Asao hamaky mafy ny 1 Korintiana 3:1–3 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fifanahafana nampiasain’i Paoly mba hanehoana tamin’ny Olomasina tao Korinto fa tsy mbola vonona handray fahamarinana sarotsarotra kokoa tao amin’ny filazantsara izy ireo. Hazavao fa ilay andian-teny hoe “fa tahaka ny amin’izay mbola nofo” ao amin’ny andininy 1 dia entina ilazana ny olona araka ny nofo, na “olona mifidy ny hotarihin’ny firehetampo, ny faniriana, ny filana ary ny fahatsapan’ny nofo noho izay ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny olona toy izany dia afaka mahatakatra ny zavatra ara-nofo fa tsy ny zavatra ara-panahy” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Olona araka ny nofo,” scriptures.lds.org).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe ronono sy ventin-kanina.

  • Iza amin’ireo sakafo ireo no homenareo ny zazakely iray? Nahoana?

  • Inona no tian’ilay andian-teny hoe “zaza … ao amin’i Kristy” ao amin’ny andininy 1 holazaina momba ny fahamatorana ara-panahin’ireo Olomasina Korintiana?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa tsy mbola vonona handray fahamarinana lehibe kokoa ireo Olomasina dia ampahatsiahivo azy ireo fa ny Olomasina tao Korinto dia tsy niray saina ary ny sasany tamin’izy ireo dia nampiditra ny finoana sy ny fomba fanao tsy araka an’ Andriamanitra tamin’ny fanarahan’izy ireo ny filazantsara. Hazavao fa i Paoly dia nampiasa sarin-teny maro mba hampianarana an’ireo Olomasina ireo ny maha-zava-dehibe ny firaisankina sy hanitsy ny finoana sy ny fomba fanao diso ary hanamafy orina ny finoan’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

handout iconZarao ho vondrona ahitana olona telo ireo mpianatra. Omeo ny olona tsirairay ao amin’ilay vondrona ny iray amin’ireto ambangovangon-kevitra hoenti-mampianatra ireto. Omeo taratasy misy ny ambangovangon-kevitra hoenti-mampianatra nampandraiketina azy ny mpianatra tsirairay, dia omeo minitra vitsy ny mpianatra hamakina izany. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra tsirairay hampiasa ilay ambangovangon-kevitra mba hampianarana ireo mpianatra roa hafa ao amin’ny vondrona misy azy. (Raha tsy azo heverina ny hananganana vondrona misy olona telo dia azonao zaraina tsiroaroa ny mpianatra ka omena ambangovangon-kevitra hoenti-mampianatra miisa roa ny iray amin’ireo mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay.)

taratasy zaraina

Mpianatra 1:

Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera—Lesona 104

Asao ny vondrona misy anao haka sary an-tsaina fa nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo izy ireo ka nisy misiônera avy nanao asa fitoriana nanao lahateny momba ny asa fitoriany tao anatin’izany. Nandritra ny lahateniny dia nitantara izy fa nanao batisa olona maro. Herinandro taorian’izay dia nanao lahateny tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo momba ny asa fitoriana nataony ny misiônera iray avy nanao asa fitoriana dia nitantara fa nampianatra olona maro izy, izay vita batisa taty aoriana taorian’ny namindrana toerana azy tany amin’ny faritra hafa.

  • Inona no havalinao raha misy olona milaza fa ilay misiônera nahavita batisa olona maro nandritra ny asa fitoriana nataony no nahomby kokoa noho ilay misiônera izay tsy vita batisa ny naman’ny Fiangonana nampianariny raha tsy taorian’ny nialany tao amin’ilay faritra?

Soraty amin’ny taratasy kely ny teny hoe mamboly sy mandena dia asehoy ny mpianatra ao amin’ny vondrona misy anao. Hazavao fa nampitaha ireo mpitory ny filazantsara tamin’ny olona mamboly voa sy manondraka voly i Paoly. Ampahatsiahivo amin’ny vondrona misy anao fa ny Olomasina tao Korinto dia nanomboka nizarazara ho vondrona maromaro nifototra tamin’ny hoe iza no nanao batisa azy ireo. Nino izy ireo fa ny lanjan’ilay olona nanao batisa azy ireo no namaritra ny voninahitr’izy ireo tao amin’ny Fiangonana. (Jereo ny 1 Korintiana 1:10–16.)

Mifandimbiasa ianao sy ireo olona ao amin’ny vondrona misy anao mamaky mafy ny 1 Korintiana 3:4–9. Asao hanaraka ny vakiteny ilay vondrona dia hitady izay nolazain’i Paoly momba ireo mpitory ny filazantsara izay nampianatra sy nanao batisa ny olona tao Korinto.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 5 dia nolazain’i Paoly fa inona izy sy i Apolosy ?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6–7 dia inona no nolazain’i Paoly momba ireo mpitory ny filazantsara izay mamboly ny voan’ny filazantsara sy ireo mpitory ny filazantsara izay manampy ireo voa ireo haniry?

Raha ilaina dia resaho ilay andian-teny hoe “Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena” ao amin’ny andininy 7, dia hazavao fa nampiasa ireo andian-teny ireo i Paoly mba hampianarana fa tsy misy manan-danja noho ny anjara asan’ Andriamanitra ireo anjara asa roa ireo.

  • Inona no hevitr’ilay andian-teny hoe “Andriamanitra Izay mampitombo” (andininy 7)? (Andriamanitra no mahatonga ny fiovana ao am-pon’ny olona, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay mitondra ho amin’ny fiovampo, fa tsy ireo izay mampianatra sy manao batisa.)

  • Inona ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintiana 3:6–7 mikasika ny anjara asantsika sy ny anjara asan’ Andriamanitra amin’ny fanampiana ny hafa ho lasa miova fo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (Rehefa avy mamaly ny vondrona misy anao dia asao izy ireo hanoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny 1 Korintiana 3:6–7: Raha afaka manampy ny hafa hianatra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina kosa no hiovan’ny olona fo.)

Hazavao fa mba handraisan’ny olona ny Fanahy Masina ka hiova fo dia tsy maintsy manao ny anjarany izy ireo amin’ny alalan’ny fampiharana finoana sy ny fanarahana ny didin’ Andriamanitra.

  • Ahoana araka ny hevitrareo no mety nanampian’ny fahafantarana io fahamarinana io an’ireo Olomasina Korintiana hiray hina bebe kokoa?

Anontanio ny vondrona misy anao ny fomba ahafahan’io fahamarinana io manampy azy ireo hanome valinteny ao anatin’ilay tantara momba ireo misiônera roa avy nitory filazantsara.

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahatakatra fa ny Fanahy Masina, fa tsy ny herin’ny tenantsika, no manova fo?

taratasy zaraina

Mpianatra 2:

Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera—Lesona 104

Soraty amin’ny taratasy kely ny teny hoe fanorenana (fototra) dia asehoy ny mpianatra ao amin’ny vondrona misy anao.

  • Nahoana ny fototra no ampahany manan-danja amin’ny trano iray?

  • Inona no mety hitranga raha misy olana ilay fototra?

Manasà mpianatra iray ao amin’ny vondrona misy anao hamaky mafy ny 1 Korintiana 3:10 dia asao ny mpianatra sisa ao amin’ny vondrona misy anao hitady izay nolazain’i Paoly momba ny asa fitoriana nataony teo anivon’ireo Korintiana.

  • Inona no nolazain’i Paoly fa nataony rehefa nanao asa fitoriana tao Korinto izy?

  • Inona araka ny eritreritreo no tian’i Paoly nolazaina rehefa nilaza izy hoe “ary ny hafa mandrafitra eo amboniny”?

Manasà mpianatra iray hafa ao amin’ny vondrona misy anao hamaky mafy ny 1 Korintiana 3:11 dia asao ny mpianatra sisa ao amin’ny vondrona misy anao hitady ny fanorenana napetrak’i Paoly ho an’ireo Olomasina tao Korinto.

  • Inona ny fanorenana napetrak’i Paoly rehefa nampianatra tao Korinto izy?

  • Araka ny andininy 11 dia iza no tokony ho fanorenana ny fiainantsika? (Ataovy izay hahazoana antoka fa mahita ity fahamarinana manaraka ity ny vondrona misy anao: I Jesoa Kristy no fototra izay tokony hiorenantsika. Asao ny vondrona misy anao hanisy marika io fahamarinana io ao amin’ny andininy 11.

  • Manampy antsika hiaritra fakam-panahy sy fitsapana amin’ny fomba ahoana ny fiorenana eo amin’ny fototra dia i Jesoa Kristy? (Jereo koa ny Helamàna 5:12.)

  • Ahoana no hakantsika antoka fa miorina eo amin’ny fototra dia i Jesoa Kristy ny fiainantsika?

Asao ny olona iray ao amin’ny vondrona misy anao hizara ny momba ny olona iray fantany fa hita taratra hoe miorina eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy ny fiainany. Angataho io mpianatra io hanazava hoe tamin’ny fomba ahoana no nitahiana io olona io noho ny fiorenany teo amin’i Kristy.

Asao ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona hametraka tanjona izay hanampy azy hiorina eo amin’ny fototra dia i Jesoa Kristy.

taratasy zaraina

Mpianatra 3:

Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera—Lesona 104

Soraty amin’ny taratasy kely ny teny hoe tempoly dia asehoy ny mpianatra ao amin’ny vondrona misy anao. Hazavao fa matetika i Paoly no niresaka ny tempoly tamin’ny alalan’ny sarin-teny. Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 3:16–17 dia nampiasa ny teny hoe tempoly izy mba hilazana ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonana.

Asao ny olona iray ao amin’ny vondrona misy anao hamaky mafy ny 1 Korintiana 3:16–17. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Paoly fa tokony ho takatr’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto. Hazavao fa ny hoe hianareo (andininy 16) dia manondro ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonana ary ilay andian-teny hoe “raha misy manimba ny tempolin’ Andriamanitra” (andininy 17) dia manondro izay olona miezaka manimba ireo vahoakan’ Andriamanitra.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 16 dia inona no tian’i Paoly ho takatr’ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny rantsana nisy azy ireo?

Na dia hita fa miresaka an’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana toy ny vondron’ny mpivavaka aza ny 1 Korintiana 3:16–17 dia azo ampiharina amin’ny vatatenantsika ihany koa ireo andininy ireo.

  • Mety ho amin’ny fomba ahoana ihany koa no azo hampiharana ny 1 Korintiana 3:16–17 amin’ny vatantsika? Inona avy no vokatry ny fanimbana ny vatantsika?

Fintino ny 1 Korintiana 3:18–23 amin’ny alalan’ny fanazavana amin’ny vondrona misy anao fa i Paoly dia nampianatra an’ireo Olomasina fa ny tena fahendrena dia hita ao amin’i Jesoa Kristy ary ny fahendren’izao tontolo izao dia “fahadalana eo anatrehan’ Andriamanitra” (andininy 19).

Rehefa ampy ny fotoana niasana dia manasà mpianatra vitsivitsy hilaza izay zavatra nianarany tao amin’ny vondrona nisy azy sy ny zavatra hataony vokatry ny zavatra izay nianarany.

1 Korintiana 4

Niteny ny Olomasina tao Korinto i Paoly mba tsy hieritreritra fa tsara kokoa noho ny hafa ny olona sasany

Hazavao fa raha miainga avy amin’ny torohevitr’i Paoly voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 4:1–3 dia hita fa toa nitsara ny zava-bitan’i Paoly tamin’ny naha-mpitory ny filazantsara sy tamin’ny naha-mpitarika azy tao amin’ny Fiangonana ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tao Korinto. Mety tsy nahatoky ny fitsarany izy ireo na nieritreritra fa mety nisy olona nahavita zavatra tsara kokoa noho izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 4:3–5. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady ny fomba namalian’i Paoly ny fitsaran’izy ireo.

  • Inona no navalin’i Paoly ny fitsaran’izy ireo?

  • Nahoana i Paoly no tsy taitra tamin’ny fitsaran’ny hafa?

  • Inona ny fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 5 mikasika ny fomba hitsaran’ny Tompo antsika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fahamarinana mitovy amin’izao manaraka ity: Hitsara antsika araka ny rariny ny Tompo satria mahafantatra ny zavatra rehetra Izy, ka anisan’izany ny fisaintsainana sy ny fikasan’ny fontsika.)

  • Afaka manampy ny olona iray tsaraina tsy ara-drariny amin’ny fomba ahoana ny finoana io fahamarinana io?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 4:6–7 dia asao ny mpianatra hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina momba ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana, ka anisan’izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 6 dia tsy navelan’i Paoly hanao inona ireo Olomasina rehefa nahatsikaritra fahasamihafana teo amin’ireo mpitory ny filazantsara sy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana izy ireo? (Tsy tokony “hirehareha” izy ireo ka hieritreritra fa tsara kokoa noho ny hafa ny olona sasany.)

  • Raha miainga avy amin’ny fanontaniana napetrak’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny andininy 7 dia iza no nanome talenta sy fahaiza-manao samihafa ho an’ny olona?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny torohevitr’i Paoly manampy antsika rehefa mieritreritra ireo mpitarika sy mpampianatra antsika ao amin’ny Fiangonana isika?

Fintino ny 1 Korintiana 4:8–21 amin’ny fanazavana fa nilaza tamin’ireo Olomasina tao Korinto i Paoly fa ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy dia nantsoina mba hijaly noho ny faharatsian’izao tontolo izao. Izao tontolo izao dia mitsara ireo apôstôly sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho “adala” (andininy 10) noho izy ireo mikatsaka ny hanaraka an’i Kristy.

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nampianarina tato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1 Korintiana 3:16–17. “Tempolin’ Andriamanitra hianareo”

“Nampianatra i Paoly hoe ‘Tsy fantatrareo va fa tempolin’ Andriamanitra hianareo?’ (1 Korintiana 3:16). Ao amin’ity andininy ity i Paoly dia nampiasa ny hoe hianareo, izay mpisolo anarana mahafaoka olona maro mba hiantsoana ireo Olomasina Korintiana miaraka ho tempolin’ Andriamanitra. Ny tanjon’i Paoly dia ny hahatongavan’ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonana ho tempoly izay azon’ny Fanahin’ Andriamanitra hitoerana (jereo ny 2 Korintiana 6:16; Efesiana 2:21). Ity fifanahafana ity dia somary hafa sy sarotsarotra noho ilay iray izay nampiasain’i Paoly taty aoriana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19, izay nampitahany ny vatan’ny olona iray tamin’ny tempoly” (New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 365).

1 Korintiana 4:9–10 Fahafatesan’ireo apôstôly

“Rehefa nampianatra i Paoly fa ‘voaheloka hovonoina’ ireo Apôstôly (1 Korintiana 4:9), dia nilaza izy fa ny antsony amin’ny maha-Apôstôly azy dia hitarika ho amin’ny fahafatesany. Nitantara ihany koa izy fa olona maro tao Korinto no nihevitra ny tenan’izy ireo ho hendry sy matanjaka kanefa nihevitra kosa fa adala sy malemy ary mavomavo i Paoly sy ireo Apôstôly hafa (jereo ny 1 Korintiana 4:10). Ireo antony roa ireo—ny fahafatesan’ireo Apôstôly sy ny fandavan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny fahefan’ny apôstôly—dia anisan’ny antony nahatonga ny Apôstazia Lehibe taty aoriana”(New Testament Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 365).