Fampahafantarana ny epistily faharoa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ny epistily faharoa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty dia manamafy ny hery izay tonga avy amin’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Timoty 1:7–8). Izany ihany koa dia ahitana faminaniana iray momba ireo “andro mahory” izay hitranga amin’ireo andron’i Paoly sy Timoty tahaka ny amin’ny andro farany (jereo ny 2 Timoty 3:1–7). Mba hanampiana an’i Timoty tamin’ireo olana natrehany dia nankahery azy i Paoly mba hatoky ny soratra masina sy ireo mpitarika ny Fiangonana (jereo ny 2 Timoty 3:14–17) ary hiantehitra amin’ny fotopampianarana marina (jereo ny 2 Timoty 4:2). Amin’ny alalan’ny fandalinana ity boky ity, ireo mpianatra dia hianatra fotopampianarana sy fitsipika izay afaka manampy azy ireo hiaina amim-pahatokiana rehefa mandalo ireo andro mahory amin’ny andro farany izy ireo.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Paoly no nanoratra ny 2 Timoty (jereo ny 2 Timoty 1:1)
Oviana ary taiza no nanoratana azy?
Mety ho nosoratana teo anelanelan’ny 64 sy 65 taorian’i J.K.ny epistily faharoa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty, (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org). Nanoratra ilay epistily i Paoly rehefa voafonja fanindroany tany Roma tsy ela talohan’ny namonoana ho maritiora azy (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly”).
Nogejaina tamin’ny rojo vy i Paoly nandritra ny fotoana nahavoafonja azy (jereo ny 2 Timoty 1:16; 2:9), ary mety ho tao anaty efitrano figadrana sy niaritra hatsiaka sy hafanana ary orana izy (jereo ny 2 Timoty 4:13, 21), ary sahirana nitady ny toerana nisy azy ireo namany (jereo ny 2 Timoty 1:17). Toa i Lioka no mpitsidika azy tsy tapaka (jereo ny 2 Timoty 4:11), ary fantatr’i Paoly fa efa hifarana ny fiainany (jereo ny 2 Timoty 4:6–8).
Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?
Nankahery an’i Timoty i Paoly tao anatin’ny taratasiny ary nanolotra tanjaka mba hanampy azy hanohy aorian’ny fahafatesan’i Paoly izay hitranga tsy ho ela. Fantatr’i Paoly fa fohy ny fotoana, ka naniry ny hahita an’i Timoty, izay nantsoin’i Paoly tamin’ny sarin-teny hoe “zanako malala” izy (2 Timoty 1:2).
Nangataka i Paoly tao amin’ny fiafaran’ny taratasiny mba hamangian’i Timoty sy i Marka azy ary hitondra zavatra vitsivitsy izay navelany (jereo ny 2 Timoty 4:9–13). Na dia nivantana manokana tamin’i Timoty aza ny taratasin’i Paoly dia afaka ampiharina eo amin’ireo izay miaina ao anatin’ny “andro farany” (2 Timoty 3:1) ny torohevitra ao satria nampianatra momba ireo olana sy vahaolana izay mibaribary amin’izao androntsika izao tahaka ny tamin’ny androny i Paoly.
Inona avy ireo toetoetra mampiavaka ity boky ity?
Ity taratasy ity dia anisan’ireo epistily ho an’ireo mpitarika, miaraka amin’ny Timoty sy ny Titosy, ary “ahitana ireo teny farany nataon’ny Apôstôly sy maneho ny herim-po sy fahatokiana mahagaga nentiny niatrika ny fahafatesana” (jereo ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”). Araka ny filaharan’ny zava-niseho dia toa ny 2 Timoty no taratasy farany nosoratan’i Paoly ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ny 2 Timoty 4:6).
Ity taratasy ity dia ahitana ny sasany amin’ireo fisaintsainan’i Paoly momba ireo fitahiana sy fahasahiranana amin’ny fanompoana amin’ny maha-“mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny Jentilisa” (2 Timoty 1:11). Nanambara i Paoly hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana” (2 Timoty 4:7–8), izay maneho fa nanana fahatokisana ny tenany izy fa handova ny fiainana mandrakizay. Tamin’ny naha-olona nanao asa fanompoana ho an’i Jesoa Kristy nandritra ny 30 taona no mihoatra azy dia nitàna anjara toerana tsara indrindra mba hampianatra an’i Timoty momba ny fomba hanompoana amim-pahombiazana amin’ny fampiorenam-paka ny finoan’ny hafa i Paoly (jereo ny 2 Timoty 2:15–17, 22–26; 4:1–2, 5).
Topimaso
2 Timoty 1 Niresaka momba ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izay azo amin’ny alalan’ny fanendrena amin’ny fisoronana i Paoly. Nampianariny fa ny “fanahy osa” (2 Timoty 1:7) dia tsy avy amin’ Andriamanitra ary tokony tsy ho menatra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy isika. Nijoro ho vavolombelona i Paoly fa niantso azy hitory ny filazantsara i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Timoty 1:11).
2 Timoty 2 Nampiasa ny fanoharana momba ny miaramila tsara, ny atleta mpandresy, ary ny mpamboly miasa mafy i Paoly mba hanehoana ny antony ilàna ny faharetana ireo zava-tsarotra mba hahazoana ny voninahitra mandrakizay. Nampitahainy tamin’ny fanaka omem-boninahitra sy halam-baraka ny mpampianatra marina sy sandoka. Nampitandrina an’i Timoty izy mba handositra ny filàn’ny nofo ary hampianatra amim-paharetana ireo izay mila mibebaka.
2 Timoty 3–4 Nofariparitan’i Paoly ny toetoetry ny ratsy amin’ny andro farany ary nankahery an’i Timoty izy mba hampiasa ny soratra masina amin’ny anjara andraikiny amin’ny maha-mpitarika ny fisoronana azy. Nanoratra momba ny fahafatesany izay ho avy tsy ho ela izy ka nanambara hoe: “Nitahiry ny finoana aho” (2 Timoty 4:7). Nijoro ho vavolombelona i Paoly fa ny Tompo dia hanafaka azy ho any amin’ny “fanjakany any an-danitra” (2 Timoty 4:18).