Lesona 138
Hebreo 11
Fampidirana
Nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny finoana i Paoly. Nitanisa karazana lehilahy sy vehivavy marin-toetra avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ka nahavita fahagagana sy nahazaka fitsapana, ary nahazo fitahiana lehibe maro izy.
Sosokevitra enti-mampianatra
Hebreo 11:1–6
Nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana momba ny finoana i Paoly.
Vakio ity tantara manaraka momba ny tovovavy iray avy any Philippines ity. Asao ny mpianatra hihaino ny fomba nampiharan’ilay zatovovavy finoana.
Nanazava ny zatovovavy iray avy any Philippines hoe indray lohataona ny rainy dia tsy maintsy nandeha lavitra mba hiasa. Rehefa nandray karama izy dia nalefany tany amin’ny fianakaviany izany. Indray sabotsy dia nolanian’ny fianakaviana ny vola rehetra afa-tsy vola taratasy roa izay 20 pesos avy. Rehefa nojeren’ilay zatovovavy ny lisitry ny zavatra nilain’ny fianakaviany dia fantany fa tsy ho ampy hividianana ireo zavatra rehetra ireo sy handoavana ny saram-pitaterana handehanan’ny fianakaviany any am-piangonana ny ampitson’io ny vola. Nanontaniany an-dreniny izay tokony hataony. Nilaza taminy ny reniny mba hividy ireo zavatra ireo fa Andriamanitra hikarakara ny saram-pitaterana.
Nivavaka ilay zatovovavy mba ho afaka mividy ny zavatra tao anatin’ilay lisitra ary mbola hanana vola ampy handoavana ny saram-pitaterana ho any am-piangonana ny ampitson’io. Voalohany dia nividy arina fandrehitra izy mba hahafahan’ny fianakaviany mahandro sakafo. Taitra izy rehefa nahita fa nitombo avo roa heny ny vidin’ny arina iray harona, ka raha 5 pesos dia lasa 10 pesos. Fantany fa nila arina fandrehitra ny fianakaviany handrahoana sakafo ka dia nividy roa harona izy izay 20 pesos ny fitambarany. Nivavaka mafy kokoa ity zatovovavy ity ny mbola hahafahan’ny fianakaviany mandeha any am-piangonana. Rehefa nivavaka izy dia nisy zavatra nibitsika azy hoe: “Mandehana dia vidio ireo zavatra ilainao. Aza manahy.” Noho izany dia nanohy ny lalany niaraka tamin’ny vola 20 pesos fotsiny izy. (Nalaina avy tamin’ny horonantsary “Pure and Simple Faith,” LDS.org.)
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ity zatovovavy ity finoana?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 11:1 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 11:1 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hikaroka ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny finoana.
-
Araka ny andininy 1, inona no atao hoe finoana? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa fantatr’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny finoana dia fahazoana antoka ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.)
Hazavao fa ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampiasa ny Hebreo 11:1 sy ireo loharano hafa (Almà 32:21; Lectures on Faith) hanazavana ireo singa fototra telo ao amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Bednar ity:
“Ireo fampianarana ireo dia mampisongadina singa telo fototry ny finoana: (1) ny finoana izay fahazoana antoka ny zavatra antenaina izay marina, (2) ny finoana izay fanehoana ny zavatra tsy hita, ary (3) ny finoana izay fitsipiky ny asa eo amin’ny olombelona misaina rehetra. Ireo singa telon’ny finoana ny Mpamonjy ireo dia faritako ho toy ny sady miatrika ny hoavy, no mijery ny lasa, ary manomboka manao asa amin’ny ankehitriny” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 62).
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity manaraka ity: Fahazoana antoka—miatrika ny hoavy; Fanehoana—mijery ny lasa; Asa—manomboka asa ao amin’ny ankehitriny. Hazavao fa ny Loholona Bednar dia nampianatra fa ireo singa telon’ny finoana ireo—fahatokiana, fanehoana, ary asa—dia miara-miasa rehefa miatrika ny hoavy sy, mijery ny lasa, ary manao asa amin’ny ankehitriny isika.
-
Inona no maha-samy hafa ny hoe mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny hoe mino Azy fotsiny ihany?
-
Maneho ireo singa telon’ny finoana nofaritan’ny Loholona Bednar amin’ny fomba ahoana ny tantaran’ilay zatovovavy Filipiana ?
-
Inona no mety hitranga rehefa mampiasa finoana an’i Kristy isika?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 11:2–5 . Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo ohatra nampiasain’i Paoly hanehoana ny zavatra mety hitranga rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ny olona.
-
Inona no nitranga noho ny fampiharan’ireo olona ireo finoana an’i Jesoa Kristy?
Asao ny mpianatra hamaky ny Hebreo 11:6 amim-pahanginana ka hikaroka ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny finoana.
-
Inona no zavatra nampianarin’i Paoly momba ny finoana?
-
Araka ny nampianarin’i Paoly, dia inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana sitraka amin’ Andriamanitra? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy makà antoka fa mazava ny hoe mba hahazoana sitraka amin ’ Andriamanitra dia tsy maintsy mampihatra ny finoantsika isika amin’ny alalan’ny fanatonana Azy , sy ny finoana Azy, ary ny finoana fa Izy hamaly soa ireo izay mikatsaka amim-pahazotoana Azy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny andininy faha-6.)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny fiafaran’ny tantaran’ilay zatovovavy Filipiana. Angataho ny iray kilasy mba hihaino ny zava-nitranga noho ny fampiharan’ilay zatovovavy finoana an’i Jesoa Kristy.
Rehefa nandeha nividy ireo entana hafa ilay zatovovavy dia nangarona ny paosiny izy ary nahatsapa vongan-taratasy lehibe izy. Rehefa nosokafany izany dia nahita vola taratasy 20 pesos dimy fanampiny izay voafono tao anatin’ilay 20 pesos ambiny izy. Tamin’izay fotoana izay dia fantany fa ampy ny vola hividianana ireo zavatra ilain’ny fianakaviany sy handoavana ny saran-dalan’ny fianakaviany mankany am-piangonana. Nanazava ity zatovovavy ity fa nandritra izany zavatra niainany izany dia nahatsapa ny fanampian’ Andriamanitra sy ny fitiavan’ Andriamanitra azy izy. Rehefa tonga tany an-trano izy dia nisaotra ny Ray any an-danitra noho ilay fahagagana. (Narindra avy tamin’ny “Pure and Simple Faith,” LDS.org.)
-
Inona no nitranga noho ny fampiharan’ity zatovo ity finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Mety hanampy an’ity zatovovavy ity hampihatra finoana manao ahoana amin’ny ho avy io zavatra niainany io? (Satria hitany ny fanehoana fa Andriamanitra dia nanampy azy nandritra io zavatra niainana io dia afaka matoky izy fa Andriamanitra dia hanampy azy indray amin’ny ho avy. Noho ilay fanehoana hitany sy ny fahazoana antoka noraisiny dia afaka manana finoana hanao asa ao amin’ny ankehitriny izy. Raha manohy manao asa izy dia hitohy io dingan’ny fanaovana asa amim-pinoana io ary hihamatanjaka ny finoany.)
Angataho ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nampiharany finoana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.
-
Inona no fanehoana azonao avy tamin’io zavatra niainana io fa hanampy anao amin’ny ho avy Andriamanitra ?
Hebreo 11:7–40
Nitanisa karazana olona marin-toetra avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay nampihatra finoana i Paoly
-
Inona avy ireo toe-javatra atrehinao amin’izao fotoana izao na ho atrehinao amin’ny ho avy izay mitaky anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy?
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Hebreo 11:7–40 izy ireo mba hikaroka ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahafantatra ireo fitahiana mety ho azon’izy ireo rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe finoana ary tamin’ny finoana ary hazavao fa nitanisa karazana olona marin-toetra tao amin’ny Testamenta Taloha izay nampihatra finoana i Paoly mba hanomezana antoka ireo nihaino azy fa hotahina izy ireo amin’ny alalan’ny fampiharana finoana. Asao ireo mpianatra hamaky haingana ny Hebreo 11, ka hikaroka ny andian-teny hoe “Finoana” sy “tamin’ny finoana.” Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 11:7. Angataho ny iray kilasy mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ny fomba nampiharan’i Noa finoana an’ Andriamanitra. (Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “fa natahotra” dia midika fa nanao asa tao anatin’ny fanantenana sy fahatokiana izay nifototra tamin’ny fitarihan’ Andriamanitra i Noa .)
-
Ahoana ny fomba nampiharan’i Noa finoana an’ Andriamanitra?
-
Inona amin’ireo singan’ny finoana nofaritan’ny Loholona Bednar ireo (fahatokiana, fanehoana, ary asa) no miseho eto amin’ity tantaran’i Noa ity?
-
Naseho tamin’ny fomba ahoana izy ireo?
Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Hebreo 11:8–10, 11–12, 17–19, 20–22, 23–28, 29–31. Zarao ho vondrona enina ny mpianatra ary omeo anjara iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny vondrona tsirairay. (Raha vitsy ny mpianatrao dia omeo andinin-tsoratra masina iray amin’ireo ny mpianatra tsirairay na zarao tsiroaroa ny mpianatra ary omeo andinin-tsoratra masina mihoatra ny iray avy ny ekipa tsirairay.) Asao ny ekipa tsirairay mba hamaky miaraka ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ka hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny manoratra ireto fanontaniana ireto eny amin’ny solaitrabe):
Iza no nampihatra finoana?
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoana ireo singa telon’ny finoana (fahatokiana, fanehoana, ary asa)?
Inona no toe-javatra atrehantsika amin’izao fotoana izao ka mitaky finoana tahaka izany?
Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia manasà mpianatra iray isaky ny vondrona mba hitatitra ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 11:13–16 . Angataho ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hikaroka ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Abrahama sy i Saraha, ary ireo hafa momba ny fampiharana finoana. Hazavao fa ny hoe “tsara lavitra” (andininy 16) dia ilazana ny fiainana mandrakizay.
-
Araka ny andininy 13 dia inona no nitranga tamin’i Abrahama sy i Saraha vadiny ary ireo olona mahatoky hafa?
-
Nahoana no nitoetra ho mahatoky izy ireo na dia tsy nandray ny zavatra rehetra nampanantenain’ Andriamanitra aza teo amin’ny fiainany? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe mahita ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra “eny lavitra eny” dia midika ho fananana fanantenana sy fahatokiana handray ireo fitahiana aorian’ny fahafatesan’izy ireo.)
-
Afaka manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny ohatra nasehon’izy ireo?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka … Asao ny mpianatra hanoratra io fehezanteny io ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Hebreo 11:32–40. Manasà mpianatra maro mba hifandimby hamaky mafy ny Hebreo 11:32–40, ary hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 35 dia manova ny “fitsanganana tsara lavitra” ho “fitsanganana voalohany amin’ny maty.” Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 40 dia novaina hoe, “Nomen’ Andriamanitra zavatra tsara kokoa izy ireo tamin’ny alalan’ny fijalian’izy ireo satria raha tsy nisy ny fijaliana dia tsy ho afaka natao tanteraka izy ireo”. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hikaroka ny fomba ahafahan’izy ireo mameno ilay fehezanteny nosoratan’izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny na andian-teny nisarika ny sainy ao amin’ny soratra masin’izy.
Asaivo fenoin’ny mpianatra amin’ny alalan’izay hita ao amin’ny andininy 32–40 ilay fehezanteny. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia asao ny mpianatra maromaro hanao tatitra ny zavatra nosoratany. Fintino ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka miaritra fijaliana, manao fahagagana, mandray fampanantenana avy any an-danitra, mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy, ary mandroso mankany amin’ny fahatanterahana.
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo fitahiana efa hitanao tonga teo amin’ny fiainan’ny olona iray noho ny fampiharan’izany olona izany finoana?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina indray ireo toe-javatra izay mitaky na hitaky fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy avy amin’izy ireo.
Amporisiho izy ireo hametraka tanjona mba hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ao anatin’ireny toe-javatra ireny. Asao ny mpianatra hanoratra ilay tanjona amin’ny alalan’ny famenoana ny fehezanteny hoe “Izaho dia … amin’ny alalan’ny finoana.”
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Hebreo 11:1. “Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita”
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava singa telo fototry ny finoana:
“Ny Apôstôly Paoly dia namaritra ny finoana ho toy ny ‘fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina [ary] fanehoana ny zavatra tsy hita’ (Hebreo 11:1). Nanambara i Almà fa ny finoana dia tsy fananana fahalalana tomombana ny zavatra; noho izany, raha manam-pinona ianareo, ‘dia manantena ny zavatra izay tsy hita, [kanefa] marina’ (Almà 32:21). Ankoatra izany dia mianatra isika ao amin’ny Lectures on Faith fa ny finoana no ‘fitsipika voalohany ao amin’ny fivavahana azo avy amin’ny fanambarana, sy fototry ny fahamarinana rehetra’ ary izany ihany koa ‘no fitsipiky ny asa ho an’ny olombelona misaina rehetra’ [Lectures on Faith (1985), 1].
“Ireo fampianarana ireo dia mampisongadina ireo singa telo fototry ny finoana: (1) ny finoana izay fahatokiana ny zavatra antenaina izay marina, (2) ny finoana izay fanehoana ny zavatra tsy hita, ary (3) ny finoana izay fitsipiky ny asa eo amin’ny olombelona misaina rehetra. Ireo singa telon’ny finoana ny Mpamonjy ireo dia faritako ho toy ny sady miatrika ny hoavy no mijery ny lasa ary manomboka manao asa amin’ny ankehitriny.
“Ny finoana izay fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina dia miantehitra amin’ny hoavy. …
“Ny finoana an’i Kristy dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ny fanantenana ao amin’i Kristy ho an’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika ary miteraka izany. Ary ny fahatokiana sy fanantenana no ahafahantsika mandeha eo amin’ny moron’ny hazavana ary manao dingana vitsy ao amin’ny haizina—ao anatin’ny fanantenana sy fahatokiana fa ilay hazavana dia handroso ary hanazava ny lalana [jereo ny Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, jan. 1983, 54]. Ny fampikambanana ny fahatokiana sy ny fanantenana dia mitarika asa ao amin’ny ankehitriny.
“Ny finoana izay fanehoana ny zavatra tsy hita dia mitodika any amin’ny lasa sy manamafy ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra ary ny fahatokiantsika ny fahamarinan’ireo zavatra tsy hita. Niditra tao amin’ny haizina omban’ny fahatokiana sy fanantenana isika, ary nandray fanehoana sy fanamafisana isika rehefa nandroso tokoa ilay hazavana ka nanome ilay hazavana nilaintsika. Ny fijoroana ho vavolombelona izay noraisintsika taorian’ny fitsapana ny finoantsika (jereo ny Etera 12:6) no fanehoana izay mampitombo sy mampatanjaka ny fahatokiantsika.
“Ny fahatokiana sy ny asa ary ny fanehoana dia samy mitondra fiantraikany eo amin’izy samy izy ao anatin’ny dingana mitohy iray ” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 61–63).
Hebreo 11:4. “Nanolotra fanatitra tsara kokoa i Abela”
“Ny mpaminany Joseph Smith dia nanazava ny antony naneken’ Andriamanitra ny fanatitra nataon’i Abela ary ny tsy nanekeny ny an’i Kaina: ‘Finoana ny sorompanavotana na ny drafitry ny fanavotana no nanoloran’i Abela fanatitra ho an’ Andriamanitra izay nekena ary ny voalohan-teraky ny ondry izany. Nanolotra ny vokatry ny tany i Kaina, ary tsy nekena satria tsy vitany ny nanao izany tamim-pinoana; tsy afaka nanana finoana izy, na tsy afaka nampihatra finoana izay nifanohitra tamin’ny drafitry ny lanitra. Tsy maintsy ny fandatsahan-dra ny Zanaka Lahitokana ihany no hanaovana ny sorompanavotana ho an’ny olona, fa izany no drafitry ny fanavotana, ary raha tsy misy ny fandatsahan-dra dia tsy hisy famelana. Ary rehefa napetraka ho toy ny fambara izany sorona izany izay ahafahan’ny olona mamantatra ilay Sorona lehibe izay nomanin’ Andriamanitra, dia tsy misy finoana azo ampiharina raha manolotra sorona mifanohitra amin’izany, satria ny famonjena dia tsy novidiana toy izany, ary ny herin’ny sorompanavotana dia tsy napetraka araka izany lamina izany; vokatr’izany dia tsy afaka nanana finoana i Kaina’ (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 48)” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 486).