Lesona 49
Lioka 8–9
Fampidirana
Nanohy ny asa fanompoana tany Galilia ny Mpamonjy, izay toerana naminaniany momba ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny Maty. Rehefa nandao an’i Galilia i Jesoa dia nandeha nankany Jerosalema mba hanatanteraka ny asa nanirahana Azy teto an-tany. Tany Samaria, i Jakoba sy i Jaona dia naniry ny hilatsahan’ny afo avy any an-danitra mba handevona ny tanànan’ny Samaritana iray izay nandà an’i Jesoa, kanefa Izy dia nampianatra ireo mpianany fa Izy dia tonga mba hanavotra ny olona fa tsy handrava azy ireo. Nampianatra ihany koa mikasika ny maha-mpianatra marina i Jesoa.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Lioka 8:1–9:56
Nanatanteraka fahagagana ny Mpamonjy, nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana, ary nankany Jerosalema
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto trangan-javatra manaraka ireto, na soraty amin’ny taratasy mitokana ny tsirairay avy amin’izany. Manasà mpianatra telo hamaky izany amin’ny feo avo.
-
Rehefa nangataka tamim-pahalalam-pomba ny rahalahinao mba hanampy anao hanadio zavatra iray maloto ianao dia namaly anao tamin’ny fomba tsy maneho fanajana izy ny hanaovanao izany samirery.
-
Nandritra ny fanomanana drafitra ho an’ny fiaraha-mientana iray any an-tsekoly dia nisy mpiara-mianatra vitsivitsy nanakiana sy nihomehy ny hevitra iray narosonao.
-
Rehefa nizara ny filazantsara tamin’ny namanao iray ianao dia nilaza taminao izy fa hafahafa ny finoana misy anao.
-
Inona no mety ho tsapanao ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo trangan-javatra ireo? Inona no fihetsika hasehonao?
Rehefa mandalina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 8–9 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay afaka hitarika azy ireo rehefa mahatsiaro ho tafintohina noho ny teny na ny fihetsika nataon’ny hafa.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny famintinana ny toko ho an’ny Lioka 8–9. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ireo trangan-javatra izay voarakitra ao amin’ireo toko ireo. Hazavao fa satria efa nandalina tamin’ny antsipirihany ireo trangan-javatra ireo izy ireo tamin’ny lesona ho an’ny Matio sy Marka, ity lesona ity dia hifantoka amin’ny Lioka 9:51–62.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 9:51 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny toerana nosafidian’ny Mpamonjy haleha. Hazavao fa ny teny hoe “hampiakarana” dia manondro ny Fiakaran’ny Mpamonjy any an-danitra izay efa akaiky tokoa.
-
Taiza ny toerana nosafidian’ny Mpamonjy haleha?
Hazavao fa ny hoe manao zavatra am-pirosoana hatrany dia midika hoe manao izany ao anatin’ny fahavononana na amin’ny fomba tsy azo hozongozonina. Tany aloha, ny Mpamonjy dia efa naminany tamin’ireo mpianany fa Izy dia hisy hamadika, ho karavasiana sy hofantsihina amin’ny hazo fijaliana (jereo ny Matio 20:17–19; Lioka 9:44).
-
Inona no asehon’ny fahavononan’ny Mpamonjy handeha ho any Jerosalema na dia teo aza ireo fanamby ireo momba ny toetrany?
Tsindrio manokana fa teny an-dalana ho any Jerosalema, i Jesoa sy ireo mpianany dia nanatona tao amin’ny tanàna iray an’ireo Samaritana. Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 9:52–54, ary asao ny iray kilasy hikaroka ny fihetsika nasehon’ireo Samaritana rehefa nahafantatra izy ireo fa i Jesoa sy ireo mpianany dia maniry ny hiditra ao amin’ilay tanàna.
-
Inona no fihetsika nasehon’ireo Samaritana rehefa nahafantatra izy ireo fa i Jesoa sy ireo mpianany dia maniry ny hiditra ao amin’ny tanànan’izy ireo?
-
Inona no fihetsika nasehon’i Jakoba sy i Jaona tamin’ny fomba fandraisana tsy tsara sy ny fandavan’ireo Samaritana ny Mpamonjy?
-
Ahoana no fomba mety handraisan’ny olona amin’izao andro izao ireo faniratsirana na fanafintohinana ataon’ny hafa? (Miverena amin’ireo trangan-javatra nojerena tany am-piandohan’ny lesona, ary asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fihetsika mety hataon’ny olona iray manoloana ireo trangan-javatra ireo.)
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 9:55–56. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’i Jakoba sy i Jaona. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Hazavao fa ny fehezan-teny hoe “fa izy nitodika dia niteny mafy azy [ampio hoe: tsy fantatrareo ny toetry ny fanahy izay anareo]” (andininy 55), dia milaza fa ny Mpamonjy dia naneho tamin’i Jakoba sy i Jaona fa ny fangatahan’izy ireo dia tsy nifanaraka amin’ny Fanahin’ Andriamanitra fa nifanaraka bebe kokoa tamin’ny fanahin’i Satana, izay mamoky ny fon’ny olona amin’ny hatezerana (jereo ny 3 Nefia 11:29–30).
-
Inona no maha-samy hafa ny fihetsika nasehon’ny Mpamonjy nanoloana ny fandavan’ireo Samaritana tamin’ny fihetsika nasehon’i Jakoba sy i Jaona?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nomen’ny Mpamonjy izay afaka hitarika antsika rehefa miatrika ireo fanafintohinana isika? (Manorata eny amin’ny solaitrabe fahamarinana iray mitovitovy amin’izao manaraka izao amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Isika dia manaraka ny ohatry ny Mpamonjy rehefa misafidy ny hamaly ireo fanafintohinana amin’ny faharetana sy fahari-po.)
Asao ireo mpianatra hitadidy ireo trangan-javatra nojerena tany am-piandohan’ny lesona.
-
Inona ireo loza mananontanona vokatry ny fisafidianana ny ho tafintohina manoloana ny tsirairay avy amin’ireo trangan-javatra ireo?
-
Ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo trangan-javatra ireo, ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatry ny Mpamonjy?
-
Inona avy ireo fitahiana mety ho azontsika rehefa misafidy ny hamaly ireo fanafintohinana amin’ny faharetana sy fahari-po isika?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina fotoana iray nisafidianan’izy ireo ny ho tafintohina noho ny tena na ny fihetsika nataon’ny olona iray. Amporisiho izy ireo hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hamaly ireo fanafintohinana amin’ny faharetana sy fahari-po.
Lioka 9:57–62
Nampianatra mikasika ny maha-mpianatra marina i Jesoa
Manasà mpianatra iray ho eny aloha, ary manehoa aminy zavatra madinika (toy ny vakana) 20 ka hatramin’ny 30 isa eo. Omeo toromarika ilay mpianatra hanisa am-pahanginana ireo zavatra ireo. Mandritra ny fotoana hanaovany izany dia asao ny iray kilasy raha toa izy ireo ka afaka hanakorontana ilay fanisana amin’ny alalan’ny fanelingelenana ilay mpianatra manao izany. Alaivo antoka ny tsy hahatonga ireo mpianatra hanao fihetsika tsy mety mandritra ny andrana ataon’izy ireo amin’ny fanelingelenana ilay mpianatra. Omeo toromarika izy ireo tsy hihetsika eny amin’ny toerany ary ampitandremana mba tsy hanoraka zavatra na hikitika ilay mpianatra izay manao ny fanisana.
-
Amin’ny lafiny inona no mampitovy ny fanisana zavatra ao anatin’ny fanelingelenana amin’ny fiezahana ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy?
Isaory ilay mpianatra nanao ny fanisana, ary asao izy hamonjy ny toerany. Rehefa manohy mandalina ny Lioka 9 ireo mpianatra, dia asao izy ireo hisaintsaina ireo fomba ahafahantsika mandresy ireo fitaomana izay mety hanelingelina na hanakana antsika amin’ny fanarahana ny Mpamonjy.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 9:57. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny zavatra nolazain’ny lehilahy iray tamin’i Jesoa raha handeha hankany Jerosalema Izy sy ireo mpianany.
-
Inona no nolazain’io lehilahy io tamin’ny Mpamonjy fa hananany fahavononana mba hatao?
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezan-teny manaraka izao: Mba ho mpianatra marin’i Jesoa, …
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 9:58 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ilay lehilahy izay naniry ny hanara-dia Azy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
-
Inona no asehon’ilay fehezan-teny hoe “fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany” momba ny toe-piainan’ny Mpamonjy? (I Jesoa sy ireo mpianany dia nandeha tsy ankijanona. Ny asa fanompoan’izy ireo dia tsy nahatsapana filaminana na ihany koa hoe mora.)
Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Lioka 9:59–60 sy hikaroka ny valinten’ilay lehilahy faharoa nanoloana ny fanasan’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy.
-
Inona no tian’io lehilahy io hatao alohan’ny hanarahany ny Mpamonjy?
-
Inona no mety asehon’ilay teny hoe aloha (andininy 59) mikasika io lehilahy io?
Hazavao fa i Jesoa Kristy dia tsy naneho fa fahadisoana ny misaona noho ny fahalasan’ny olona iray akaiky ny tena na ny tonga manotrona ny fandevenana ho fanehoam-panajana (jereo ny F&F 42:45). Fa kosa nampianatra io lehilahy io lesona iray manan-danja Izy mikasika ny maha-mpianatra.
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny andininy 60 momba ireo laharampahamehan’ny olona iray izay mpianatra marin’i Jesoa?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 9:61–62. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny zavatra nirian’ny lehilahy iray fahatelo hatao alohan’ny hanarahany ny Mpamonjy.
-
Inona no tian’io lehilahy io hatao alohan’ny hanarahany ny Mpamonjy?
-
Inona no navalin’ny Mpamonjy io lehilahy io?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay fanoharana momba ny fihazonana ny fangady tarihina sy ny tsy fierehana, dia manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Filoha Howard W. Hunter:
“Mba ahafahana mangady tatatra iray mahitsy [na lavaka iray mahitsy manaraka ny tany], ny mpiasa tany iray (ny olona iray mihazona ny fangady tarihina) dia tsy tokony hanala ny masony eny amin’ilay faritra kendrena eo alohany. Izany dia mitazona azy ho amin’ny faritra marina. Raha toa ka mitranga anefa ny fierehany mba hitazana izay niaingany, dia hihena ny fahazoana antoka ananany mba hijanona ho mahitsy hatrany. Mivilambilana sy tsy araka ny tokony ho izy ilay tatatra na ilay lavaka avy eo. … Raha toa ny ezaka ataontsika ka tsy mifantoka any aorinantsika fa kosa eny alohantsika—any amin’ny fiainana mandrakizay sy ny fifaliana avy amin’ny famonjena—dia azo antoka fa ho azontsika izany” (“Am I a ‘Living’ Member?” Ensign, mey 1987, 17).
-
Inona no itovian’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy amin’ny fametrahana ny tanantsika eo amin’ny fangady tarihina iray sy ny tsy fierehana?
-
Ahoana no maha-ohatra tamin’ny zavatra nampianariny ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny andininy 62? (“Izy dia nanatodika ny lohany ho any Jerosalema” [Lioka 9:51] mba hanatanteraka iraka nampanaovin’ny Ray any An-danitra Azy, ary Izy dia tsy nierika.)
Ivereno ilay fehezan-teny misy banga eny amin’ny solaitrabe.
-
Raha miainga amin’ny zavatra nianarantsika tao amin’ny Lioka 9:57–62, ahoana no hamintinanao fahamarinana iray izay nampianarin’ny Mpamonjy momba ny zavatra takiany amin’ireo mpianany? (Mety hahita fahamarinana isan-karazany ireo mpianatra. Rehefa avy mamaly izany izy ireo dia fenoy ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe mba hahafahan’izany mampita izao fahamarinana manaraka izao: Mba ho mpianatra marin’i Jesoa Kristy, isika dia tsy tokony hamela na inona na inona ho lasa laharampahamehana alohan’ny fanarahana ny diany.)
-
Nahoana isika indraindray no mametraka laharampahamehana hafa ambonin’ireo andraikitra amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Manana fitaovana mahery vaika ampiasainy hanoherana ireo olona tsara i Satana. Ny fanelingelenana izany. Izy dia manosika ireo olona tsara hameno ny fiainan’izy ireo amin’ireo ‘zavatra tsara’ mba tsy hisian’ny toerana intsony ho an’ireo zavatra manan-danja” (“First Things First,” Ensign, mey 2001, 7).
Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra mihazona azy ireo tsy hanaraka tanteraka an’i Jesoa Kristy, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity Tabilao manaraka ity ary asao ireo mpianatra handika izany ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.
|
Ireo andraikitry ny mpianatr’i Jesoa Kristy iray |
Ireo laharampahamehana hafa |
|---|---|
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hiara-hiasa amin’ny namany ka hanao lisitra ao amin’ilay tabilao ireo andraikitry ny mpianatra iray marin’i Jesoa Kristy (izay mety ahitana ny fahamarinan-toetra, fanompoana ny hafa, fizarana ny filazantsara, fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa any amin’ny tempoly, fikolokoloana ny fianakaviana). Ho an’ny andraikitra tsirairay izay voatanisa ao amin’ny tabilaon’izy ireo, dia asao izy ireo hanao lisitra ireo ohatra mikasika ireo laharampahamehana hafa izay mety apetraky ny olona iray ambonin’izany andraikitra izany.
Manasà mpianatra maromaro hizara ny lisitra nataon’izy ireo.
Amporisiho ireo mpianatra hizara ohatra tsara mikasika ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe:
-
Oviana ianao no efa nahita olona iray nisafidy ny hanalavitra ireo tanjona na laharampahamehana hafa mba hanarahana ny Mpamonjy?
Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra mety havelan’izy ireo ho lasa laharampahamehana ambonin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Asao izy ireo hanoratra tanjona iray ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny amin’ny zavatra andeha hataony mba hametrahany ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ho laharampahamehana ambony kokoa.
Azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hihira ny Fihirana “Seigneur, je te suivrai” (Cantiques, lah. 141) na hira iray hafa momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Lioka 8:1–3. Ireo vehivavy mahatoky izay nanolotra fanampiana sy nanompo ny Mpamonjy
I Lioka dia nanoratra fa rehefa nandeha nitety an’i Galilia ny Mpamonjy niaraka tamin’ireo Apôstôliny, nampianatra tao amin’ny “tanana sy ny vohitra” tsirairay tao amin’izany faritra izany (Lioka 8:1), dia nisy vehivavy maro ihany koa nandeha nanaraka Azy. Ny sasany tamin’ireo vehivavy ireo dia ireo izay nositranina avy amin’ny karazan’ aretina; ny hafa kosa dia mety ny vadin’ireo Apôstôly. Maro tamin’ireo vehivavy ireo no nanohy nanaraka an’i Jesoa hatramin’ny fotoana nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny Maty (jereo ny Lioka 23:27, 49; 24:10; Jaona 20:11–18).
Ny fitantarana nataon’i Lioka momba ireo vehivavy ireo izay nandeha niaraka tamin’i Jesoa dia manamafy ny fiahian’ny Mpamonjy ny olon-drehetra, anisan’izany ny vehivavy—izay matetika natokana sy nosokajiana ho tsy manan-danja teo amin’ny fiarahamonin’ny Jiosy tamin’ny taon-jato voalohany. Tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana nisy teo am-pelatanan’izy ireo, ireo vehivavy ireo dia nanohana an’i Jesoa sy ireo mpanompo izay nofinidiny.
Ny Filoha Howard W. Hunter dia nanamafy ny fomba fijery nananan’ny Mpamonjy ho an’ny vehivavy rehetra sy nangataka ireo vehivavy ao amin’ny Fiangonana amin’izao androntsika izao mba hijoro anatin’ny firaisan-kina miaraka amin’ireo rahalahy amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo:
“Tokony ho fampaherezana ho anareo rahavavy ato amin’ny Fiangonany ny mahatsiaro fa izany Jesoa izany, izay Mpamonjy antsika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana, dia naneho ny fitiavany sy ny fiahiany ho an’ireo vehivavy niaina tamin’ny androny. Izy dia nahita fifaliana tamin’ny naha-teo ireo vehivavy ireo sy nanana namana akaiky teo anivon’izy ireo. …
“Mety hisy antony ve hieritreretana fa Izy dia nanena ho kely kokoa ny fiahiany ireo vehivavy amin’izao andro izao? …
“Fa tahaka ny nilan’ny Tompo sy Mpamonjy antsika ireo vehivavy tamin’ny androny mba hanolo-tanana hampahery—na dia tamin’ny ora nanalana baraka Azy, niatrehany fijaliana sy fahafatesana—toy izany koa izahay mpanompony manerana ny Fiangonana iray manontolo dia mila anareo vehivavy ao amin’ny Fiangonana mba hiara-hijoro aminay sy mba hijoro ho anay amin’ny famerana ny fihanaky ny ratsy izay mandrahona ny hitelina antsika. Tsy maintsy miara-mijoro am-pahatokiana sy ho mafy orina amin’ny finoana isika mba hanohitra ireo olona manana foto-pisainana hafa izay maro anisa. Amiko dia ilaina tokoa ny mampiray ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana mba hiara-hitsangana sy hanohana ireo Rahalahy amin’ny fampitsaharana ny fitombon’ny ratsy izay manodidina antsika sy amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Mpamonjintsika” (“To the Women of the Church,” Ensign, nôv. 1992, 95–96).
Lioka 9:54. Afo avy any an-danitra mba handevona ireo Samaritana
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony mety nahatonga ny fangatahan’i Jakoba sy i Jaona fahefana mba handatsaka afo avy any an-danitra handevona ireo Samaritana:
“[I Jakoba sy i Jaona] dia nahafantatra fa ilay Andriamanitry ny Isiraely—io Jesoa io ihany izay nijoroan’izy ireo teo anatrehany—no nandefa afo avy any an-danitra tamin’ny alalan’ny tenin’i Elia mba handevonana ny fahavalon’izany mpaminany fahiny izany. (2 Mpanjaka 1.) Nahafantatra ihany koa izy ireo fa io Andriamanitra be famindram-po io ihany no handrava ireo olon-dratsy amin’ny afo amin’ny Fiaviany Fanindroany. Mal. 4:1.) Fa ny zavatra mbola nila nianaran’izy ireo dia ny hoe ho an’ny fotoampitantanana nisy azy ireo, eo ambanin’ny toe-java-misy tamin’izany fotoana izany … , ny hafatry ny filazantsara dia handeha amin’ny fitiavana, faharetana, fandeferana sy fahari-po. …
“… Na dia tsy fantatr’izy ireo aza ny niavian’izany, tao anatin’ny sosokevitra nataon’izy ireo, i Jakoba sy i Jaona dia notaomin’ny fanahy avy any ambany fa tsy ny Fanahy avy any ambony” (Doctrinal New Testament Commentary, Boky miisa 3 [1965–73], 1:440).
Lioka 9:54–56. Misafidy ny hamaly ireo fanafintohinana amin’ny faharetana sy fahari-po
Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa isika dia afaka misafidy ny tsy ho tezitra amin’ireo teny na fihetsika ataon’ny hafa:
“Ny mino fa ny olona iray na ny zavatra iray dia afaka hahatonga antsika hahatsapa ho tafintohina, tezitra, voadona mafy na feno alahelo dia manena ny fahafahantsika misafidy sy manova antsika ho lasa zavatra mba ho hetsehina. Amin’ny maha-tompon’andraikitra antsika amin’ny tenantsika, izaho sy ianao dia manana ny hery hihetsehana sy hisafidianana ny fomba handraisantsika ny toe-javatra manafintohina na manimba. …
“Ny Mpamonjy no ohatra lehibe indrindra ny amin’ny fomba tokony hamaliana ireo toe-javatra na trangan-javatra izay mety hitondra fanafintohinana” (“And Nothing Shall Offend Them,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 90).
Lioka 9:60. “Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy”
Mba hahatakarana misimisy kokoa ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ilay lehilahy izay naniry ny handeha handevina an-drainy alohan’ny hanarahany an’i Kristy dia jereo ny fanazavana ny Lioka 9:59–60 ao amin’ny Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra ([Church Educational System manual, 2014], 158).
Lioka 9:62. Fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy sy ny tsy fierehana
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra fa ny maha-mpianatra dia midika ho fanarahana tanteraka ny dian’ny Mpamonjy:
Ireo izay niditra tao amin’ny ranon’ny batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina dia nametraka ny tongotr’izy ireo teo amin’ny lalan’ny mpanara-dia ary didiana mba hanaraka tsy tapaka sy hanaraka tanteraka ny dian’ny Mpamonjy antsika” (“Olomasina Amin’ny Fizaran-taona Rehetra,” Ensign na Liahona, Sept. 2013, 5).
Ny Loholona Edward Dube avy ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa i Jesoa dia nanome antsika ohatra mikasika ny dikan’ny hoe mametraka ny tanantsika eo amin’ilay fangady tarihina ary tsy mierika:
“Fantatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika tsara izay mahita ny fiandohana ka hatramin’ny fiafarana ilay lalana hodiaviny mankany Getsemane sy Gôlgôta rehefa nanambara Izy hoe: ‘Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary mierika ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra’ (Lioka 9:62). Eo imason’ny Tompo dia tsy dia izay zavatra vitantsika loatra na izay toerana nisy antsika no zava-dehibe fa izay tiantsika haleha” (“Mijere any aloha ary minoa,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 17).