Lesona 122
Efesiana 4
Fampidirana
Nampianatra i Paoly fa ny Tompo dia nanangana ny Fiangonany ary niantso ireo mpitarika mba hanatanteraka sy hampiray ny Olomasina. Namporisihiny ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanaisotra ny fomba fanaovan-javatra taloha ka hanaraka izay fantatr’izy ireo fa marina.
Sosokevitra enti-mampianatra
Efesiana 4:1–16
Nampianatra ny lanjan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy i Paoly
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ireto trangan-javatra roa manaraka ireto:
-
Mangataka ny iray kilasy mba haneho ny fijerin’ny mpianatra momba ny lohahevitra iray izay miteraka disadisa ny mpampianatra anao any am-pianarana. Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra dia tsikaritrao fa ny ankamaroan’izy ireo dia manohana fomba fijery izay mifanohitra amin’ireo fampianaran’ny Fiangonana.
-
Nanome lalana ny fitondrantena izay nampianarin’ireo mpitarika ny Fiangonana fa diso ireo mpanao lalàna ao amin’ny firenenao.
-
Nahoana no mety ho sarotra ho an’ny mpikambana iray ato amin’ny Fiangonana ireo toe-javatra mitranga ireo?
Rehefa mandalina ny Efesiana 4:1–16 ireo mpianatra dia asao izy ireo mba hitady fahamarinana iray momba ny fomba ahafahantsika mahafantatra izay mety sy izay tsy mety ao anatin’ny tontolo ahitana fiovan’ny soatoavina sy ny finoana.
Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa mety ho nosoratana ho an’ny mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana ity epistilin’i Paoly ity. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 4:1–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny Fiangonana sy ny fotopampianarany.
-
Inona no nampianarin’i Paoly momba ny Fiangonana sy ny fotopampianarany?
-
Inona araka ny eritreritrareo no tian’i Paoly nolazaina rehefa nampianatra izy fa “iray ny Tompo, iray ny finoana, [ary] iray ny batisa”? (andininy 5). (Tamin’ny andron’i Paoly, tahaka ny amin’izao androntsika izao, dia iray ihany no hany Fiangonan’i Jesoa Kristy marina teto ambonin’ny tany [jereo ny F&F 1:30].)
Fintino ny Efesiana 4:7–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nanohy nampianatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia nomena ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampony isika rehetra. Nampianatra ihany koa izy fa i Kristy dia nanome fanomezam-pahasoavana hafa ho an’ny olombelona.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 4:11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra nomen’ny Tompo ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra mba hilaza ny zavatra hitany.
-
Inona no nomen’ny Tompo ny Fiangonana?
Hazavao fa ireo fiantsoana ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ato amin’ny Fiangonana ankehitriny dia mety ho tsy nitovy tamin’ireo fiantsoana nampiasaina tamin’ny andron’i Paoly ary ny Fiangonana tany am-piandohana dia mety tsy nanana ireo antso rehetra izay ananan’ny Fiangonana ankehitriny. Ohatra, ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa ny “evenjelista dia Patriarka iray” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 140). Ary koa, ny mpiandry dia mpiandry ondry, na olona iray izay mitarika andian’ondry—izay famaritana mifanentana tsara amin’ireo eveka, filohan’ny sampana, filohan’ny tsatòka, ary filohan’ny distrika amin’izao andro maoderina izao.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Ny Tompo dia niantso apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana mba hanampy …
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 4:12–13. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny antony nanomezan’ny Tompo apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa ho an’ny Fiangonana.
-
Inona no tanjon’ny Tompo rehefa nanome apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa ho an’ny Fiangonany Izy? (Ampio hoe hanatanteraka ny Olomasina eo amin’ilay teny nolazaina eny amin’ny solaitrabe.)
-
Amin’ny fomba ahoana avy no maha-fototra iorenan’ny Fiangonana ny apôstôly sy ny mpaminany?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 4:14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny antony iray hafa nanomezan’ny Tompo apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa ho an’ny Fiangonany.
-
Nahoana koa no nanome ireo mpitarika ireo ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana ny Tompo? (Ampio hoe hiaro azy ireo amin’ny fotopampianaran-diso eny amin’ny solaitrabe ka hovakiana toy izao manaraka ilay fahamarinana iray manontolo: Ny Tompo dia niantso apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana mba hanampy hanatanteraka ny Olomasina ary hiaro azy ireo amin’ny fotopampianaran-diso.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ilay fifanahafana ao amin’ny andininy 14, dia ampisehoy ny sarina sambo iray eo anivon’ny rano misamboaravoara. Na azonao na ny mpianatra iray atao ny manao sarina sambo iray ao anatin’ny rano misamboaravoara eny amin’ny solaitrabe.
-
Inona no mety hitranga amin’ny sambo iray izay atopatopan’ny rano mandritra ny tafiotra mahery vaika?
Ivereno ireo trangan-javatra izay nolazaina tany amin’ny fiandohan’ny lesona.
-
Ahoana no ahafahana mampitovy ny sambo misamboaravoara eny amin’ny rano mahery amin’ny olona iray izay “ampitambolimbolenin’” (andininy 14) ny rivotr’ireo fampianaran-diso sy ny hevitry ny besinimaro?
-
Manampy ireo mpanaradia an’ Andriamanitra handeha eny amin’ny rano mikorontana mba hiverina soa aman-tsara any amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fomba ahoana ny fampianaran’ireo apôstôly sy mpaminany ary mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto antso manaraka ato amin’ny Fiangonana ireto: apôstôly, mpaminany, patriarika, eveka, ary mpampianatra. Asao ireo mpianatra mba hisafidy antso roa ary hanoratra ao anatin’ny kahien’izy ireo na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba nanampian’ny mpitarika mihazona izany antso izany azy ireo mba hivoatra na hitombo ara-panahy na nanampy tamin’ny fiarovana azy ireo tamin’ireo fotopampianaran-diso sy ny famitahana. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny iray amin’ireo zavatra niainan’izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 4:15–16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fomba tokony hampianaran’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana antsika ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.
-
Amin’ny fomba ahoana no tokony hampianaran’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana antsika ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara?
Efesiana 4:17–32
Nankahery ny Olomasina i Paoly mba hamela ny ratsy sy ho tonga olom-baovao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Mitondrà palitao tsotra ao an-dakilasy (raha azo atao dia palitao izay efa tonta). Raha azo atao ihany koa dia mitondrà palitao iray izay azo entina amin’ny trangan-javatra mahafinaritra iray. (Raha tianao dia azonao atao ny mitondra akanjo ambony tonta iray sy akanjo ambony tsara iray ho solon’izany. Ataovy samy antonona ny mpianatra iray ireo akanjo ambony roa ireo ka afaka anaovany eo ambonin’ny akanjony.) Manasà mpianatra iray mba hijoro eny alohan’ny mpianatra rehetra ka hanao ilay palitao tonta. Asaivo mihodinkodina ilay mpianatra dia hampiseho ilay palitao amin’ny iray kilasy. Avy eo dia asaivo manala ilay palitao tonta izy ka hampiditra ilay tsara kokoa ary hampiseho izany amin’ny iray kilasy. Isaory ilay mpianatra dia asaivo esoriny ilay palitao ary asaivo mipetraka izy.
-
Iza amin’ireo palitao roa ireo no mety kokoa amin’ny trangan-javatra mahafinaritra iray?
Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa mety ho niresaka tamin’ireo mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana i Paoly. Asao ireo mpianatra mba hitady ny fomba nampiasan’i Paoly ilay fifanahafana amin’ny fanesorana zavatra iray sy mampiditra zavatra hafa mba hampianarana ireo mpikambana vaovao ny zavatra tokony hataon’izy ireo amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo eo am-pandalinany ny Efesiana 4:17–32.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 4:17–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ireo teny na andian-teny izay manoritsoritra ny toetoetra ara-panahin’ireo Jentilisa izay tsy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana.
-
Ahoana no namariparitan’i Paoly ny toetoetra ara-panahin’ireo Jentilisa hafa?
-
Inona no nolazain’ i Paoly fa antony nahatonga ireo Jentilisa hafa tao amin’izany toetoetra ara-panahy izany?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 4:21–24. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay nanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana hiavaka tamin’ny olona hafa.
-
Araka ny andininy 21, dia inona no nanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana hiavaka tamin’ny olona hafa?
Ivereno ilay mpianatra izay nampiditra ireo palitao roa, dia anontanio ny mpianatra ny zavatra tsy maintsy nataon’ilay mpianatra mialoha ny nahafahany nampiditra ilay palitao tsara kokoa.
-
Inona no nasain’i Paoly “hialan’” ireo mpikamban’ny Fiangonana? (andininy 22) .
-
Inona no dikan’ny hoe “mitafy ny olona vaovao”? (andininy 24). (Ateraka ara-panahy indray [jereo ny Môsià 27:25] sy miaina amim-pahazotoana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isan’andro.)
-
Inona no fahamarinana hitantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny mpianatr’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia manaisotra ireo fomban’izy ireo taloha izay feno fahotana ary mampiditra fomba vaovao sy marina.
Asao ny mpianatra handika ity tabilao manaraka ity ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina.
|
Ny toetra taloha |
Ny toetra vaovao |
|---|---|
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra tsiroaroa mba hiaraka hamaky mafy ny Efesiana 4:25-32. Asaivo mameno ny tabilaony izy ireo eo am-pamakiana, ka hitanisa ao amin’“Ny toetra taloha” ireo zavatra izay tokony “hialana” (andininy 22) na “esorina’” (andininy 31) ho an’ireo mpianatr’i Kristy ary hitanisa eo ambanin’“Ny toetra vaovao” ireo zavatra izay tokony “hitafian’” ireo mpianatr’i Kristy (andininy 24). Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Efesiana 4:26 dia manolo ny hoe “Tezera, fa aza manota” amin’ny fanontaniana hoe “Moa ve ianareo afaka ny ho tezitra ka tsy hanota?”
Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asao ny mpianatra tsiroaroa mba hieritreritra trangan-javatra iray izay maneho ny mety ho fitondrantenan’ny olona iray izay tsy nanala ny toetrany feno fahotana araka ny iray amin’ireo lafin-javatra nofariparitan’i Paoly. Asao ihany koa ny mpianatra tsiroaroa mba hieritreritra trangan-javatra iray izay maneho ny mety ho fihetsik’izany olona izany ihany raha toa ka manatona an’i Kristy izy ka lasa olom-baovao. Rehefa nanana fotoana ampy niomanana ireo mpianatra dia manasà mpiara-miasa vitsivitsy mba handroso eny aloha ary hanazava ny trangan-javatra neritreretin’izy ireo. Rehefa avy nizara izany ireo mpianatra dia anontanio ny iray kilasy hoe:
-
Ahoana no mety hitovian’ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay mahafantatra ny fahamarinana kanefa tsy miaina izany amin’ny olona iray izay nasaina ho amin’ny trangan-javatra mahafinaritra iray kanefa tsy mitafy akanjo mifanaraka amin’izany?
-
Inona ireo olana mety ho atrehantsika rehefa miezaka ny manala ireo toetrantsika taloha sy feno fahotana isika ka manjary ho olom-baovao amin’ny maha-pianatr’i Kristy?
-
Nahoana no manan-danja ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny mahatsiaro fa ny famelana ireo fombantsika taloha sy fanarahana feno an’i Jesoa Kristy dia dingana mitohy hatrany fa tsy zava-mitranga indray mandeha monja?
Hazavao fa ho an’ny maro, ny fitafiana ireo fomba vaovao feno fahamarinana dia tsotra tahaka ny fanisiana fanovana kely toy ny hoe tsara fanahy na maharitra kokoa, mitandrina bebe kokoa ny didy iray, na manafoana fahazaran-dratsy iray eo amin’ny fiainantsika.
Mijoroa ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fanesorana ireo fombantsika taloha sy feno fahotana ary mitafy ireo fomba vaovao feno fahamarinana. Asao ny mpianatra hanoratra zavatra iray izay azon’izy ireo atao anio mba hanalana ireo fomban’izy ireo taloha sy hanarahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hampihatra ny zavatra nosoratany.
Soratra masina fehezina—Efesiana 4:11-14
Mba hanampiana ny mpianatra hanazava ilay fotopampianarana nampianarina ao amin’ny Efesiana 4:11–14, dia asao ireo mpianatra mba hanatona mpiara-miasa iray ka hampiasa ireo fampianaran’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:11–14 mba hanazavana ny antony nanorenan’ny Tompo ny Fiangonany sy niantsoany mpitarika mba hanompo ao anatin’izany. Dia asao ireo mpianatra avy eo mba hanazava ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ilay fotopampianarana ao amin’ny Efesiana 4:11–14 mba hanampiana ny namana iray izay mino fa tsy ilaina ny Fiangonana misy rafitra.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Efesiana 4:13. “Mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy”
Inona no dikan’ny hoe “mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” (Efesiana 4:13). Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa izany dia entina hilazana “ny toeram-boninahitra sy fisandratana izay iainan’i Kristy mihitsy. Ny drafitry ny famonjena iray manontolo dia natao mba hahafahan’ny olona ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Ireo izay mahazo ny fahatanterahana tsy manam-petra dia ho tonga tahaka an’i Kristy ary Izy dia tahaka ny Ray. (3 Ne. 28:10.) [Araka ny ambaran’ny Lectures on Faith hoe]: ‘Ny famonjena dia ahitana ny voninahitra, fahefana, ny maha-mpanjaka, ny hery ary ny fanapahana izay ananan’i Jehovah fa tsy hita ao amin’ny zavatra hafa ankoatra izay; ary tsy misy na iza na iza manana izany afa-tsyizy ihany na ny olona iray toa azy.’ [Lectures on Faith (1985), 76.]
“… I Kristy dia ‘nandray ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray; ary nandray ny hery rehetra Izy na any an-danitra na etỳ an-tany, ary ny voninahitry ny Ray dia nomba Azy, satria nitoetra tao Aminy Izy.’ (F. & F. 93:16-17.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. [1965-73], 2:511).