Tahirim-pitaovana
Lesona 15: Matio 13:1–23


Lesona 15

Matio 13:1–23

Fampidirana

Rehefa tany Galilia ny Mpamonjy dia nanatona azy ny olona marobe. Nampianatra ny vahoaka ny Mpamonjy tamin’ny fampiasana fanoharana ny Mpamonjy, nanomboka tamin’ny fanoharana momba ny mpamafy voa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 13:1-17

Manomboka mampianatra amin’ny fampiasana fanoharana ny Mpamonjy.

Ampisehoy tany eraky ny kapoaka kely ireo mpianatra.

  • Inona avy ireo toetoetra vitsivitsy ananan’ny tany lonaka? Ary ny an’ny tany tsy lonaka?

Hazavao fa hitansika ao amin’ny Matio 13:1–23 fa ny Mpamonjy dia mampitaha ireo karazana tany amin’ny fomba fisokafan-tsaina na fomba fandraisana ny zavatra ara-panahy ho an’ny fon’ny olona. Asao ireo mpianatra rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo handinika hoe inona no karazana tany manakaiky indrindra ny toetry ny fon’izy ireo amin’izao.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 13:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba nampianaran’i Jesoa ireo vahoaka maro tao Galilia.

  • Ahoana ny fomba nampianaran’i Jesoa ny valalabemandry? (tamin’ny fampiasana fanoharana.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny andiam-pehezanteny roa voalohany ao amin’ny teny iditra hoe “Fanoharana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  • Inona no atao hoe fanoharana?

Hazavao fa ny fanoharana dia “tantara tsotra enti-maneho sy mampianatra fahamarinana na fitsipika ara-panahy. Ny fanoharana dia mifototra amin’ny fampitahana fahamarinana iray amin’ny zavatra na fitrangan-javatra fahita an-davanandro” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanoharana,” scriptures.lds.org).

  • Araka ny voalazan’ny Matio 13:3, dia momba ny inona ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy? (Hazavao fa ny mamafy dia manaparitaka na mamboly voa.)

Asao hifandimby hamaky mafy ny Matio 13:4–9ny mpianatra vitsivitsy. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ireo karazana tany efatra izay nilatsahan’ireo voa nafafin’ilay mpamafy.

  • Inona ireo karazana tany izay nilatsahan’ireo voa nafafin’ilay mpamafy?

sary maneho zavamaniry eo amin’ny vato, tany

Ataovy eny amin’ny solaitrabe ny sary izay maneho ireo karazana tany efatra, ary asao ireo mpianatra hanao sary mitovy amin’izany ao amin’ny kahieny na ao amin’ny taratasy izay homenao azy ireo.

Hazavao fa ny moron-dalana dia lalan-kely eo akaikin’ny tanimboly, ary lasa mihamafy izany rehefa mandeha eo amin’izany olona. Ny hamafin’ny moron-dalana dia manakana ny voa tsy hamaka ao anatin’ny tany. Ny tany marivo ambony vatolampy dia tany feno vato izay voarakotry ny tany manify. Na dia afaka manorina faka malemy aza ireo voa, dia manakana ireo faka tsy ho lalim-paka ny vato izay ao ambanin’ilay tany. Ny tany misy tsilo dia tany mamokatra, saingy manalokaloka ireo voly ny tsilo ka tsy manome hazavana sy ny rano ary ireo sakafo ilain’izany. Ny tany tsara dia tany lonaka izay lalina tsara ho an’ny faka tomady.

Fintino ny Matio 13:10–13 amin’ny fanazavana fa nanontany ny Mpamonjy ireo mpianany hoe nahoana Izy no nampianatra tamin’ny fampiasana fanoharana. Nanazava ny Mpamponjy fa ny fanoharana dia nanambara ireo mistery na fahamarinana momba ny fanjakan’ny lanitra amin’ireo izay vonona ny handray izany, raha toa ka manafina ny hevitr’izany amin’ireo izay tsy vonona ara-panahy kosa izany (jereo ny New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 45).

Asao hamaky mafy ny Matio 13:14–15 ny mpianatra iray, ary asaivo karohin’ny mpianatra rehetra ny zavatra izay nisakana ny olona tsy hahatakatra ireo fahamarinana izay nampianarain’ny Mpamonjy.

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa nisakana ny olona tsy hahita sy handre ary hahatakatra ireo fahamarinana izay nampianariny? (Hazavao fa ny andian-teny hoe “adala ny fon’izao olona izao” dia midika hoe lasa mafy sy tsy mora mandre ny fon’ny olona.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny sarin’ilay tany eny amoron-dalana izao fanambarana tsy feno izao: Raha manamafy ny fontsika isika, dia …

  • Araka ny andininy 15, inona avy ireo fitahiana tsy ho azontsika raha toa isika manamafy ny fontsika? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia fenoy ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe mba hilazany ity fitsipika manaraka ity: Raha manamafy ny fontsika isika, dia tsy hahatakatra ny tenin’ Andriamanitra, tsy hiova fo ho amin’ny Mpamonjy, ary tsy hahasitrana antsika Izy.)

  • Inona no dikan’ny hoe miova fo ho amin’ny Mpamonjy sy ho sitrana? (Miova sy voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotany hany ka ny finoantsika sy ny fontsika ary ny fiainantsika dia hirindra tsara amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ary ho afaka amin’ny ziogan’ny ota isika.)

Fintino ny Matio 13:16–17 amin’ny fanazavana fa nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa hoe sambatra izy ireo satria manana maso enti-mahita sy sofina enti-mandre.

Matio 13:18–23

Nomen’ny Mpamonjy ny hevitry ny fanoharana momba ilay mpamafy

Resaho indray ilay sarin’ny tany eny amoron-dalana eny amin’ny solaitrabe. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 13:18–19 . Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hikaroka hoe nampitahan’ny Mpamonjy tamin’ny inona ilay voa, ilay moron-dalana, sy ireo vorona izay voalaza ao amin’ny Matio 13:4.

  • Maneho inona ilay voa? (Soraty eo ambanin’ny sarin’ilay voa ny hoe Tenin’ Andriamanitra.)

  • Karazana fo manao ahoana no asehon’ny moron-dalana ? (Soraty eo ambanin’ny sarin’ilay moron-dalana ny hoe Tsy mahatakatra ny fahamarinana [mafy fo].)

  • Maneho inona ireo vorona? Iza no “ilay ratsy”? (Soraty eo ambanin’ny sarin’ny vorona ny hoe Satana sy ireo mpanompony.)

  • Nahoana ilay fampianaran’ny Mpamonjy momba ny moron-dalana no manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ilay fitsipika hoe rehefa manamafy ny fontsika isika, dia tsy hahatakatra ny tenin’ Andriamanitra sy tsy hiova fo ho amin’ny Mpamonjy ary tsy hahasitrana antsika Izy?

Resaho ilay sarin’ny tany feno vato eny amin’ny solaitrabe.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Matio 13:20–21 sy ny Lioka 8:13. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny fanazavan’ny Mpamonjy ny dikan’ny toerana feno vato.

  • Maneho inona ireo zavamaniry izay naniry teny amin’ny toerana feno vato? (Soraty eo ambanin’ny sarin’ny zavamaniry eo amin’ny toerana feno vato ny hoe Fijoroana ho vavolombelona izay tsy lalim-paka.)

  • Maneho inona ny hafanan’ny masoandro? (Soraty eo ambonin’ny sarin’ny zavamaniry izay malemy faka ny hoe Fotoan-tsarotra sy fanenjehana ary fakam-panahy.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno ity eo akaikin’ny sarin’ilay tany feno vato: Raha tsy miezaka ny hampiorim-paka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika dia …

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Matio 13:20–21 sy Lioka 8:13, ahoana no fomba hamenoanao an’io fehezanteny io? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia fenoy ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe mba hilazany ity fitsipika manaraka ity: Raha tsy miezaka ny hampiorim-paka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika, dia mety tsy ho ampy ny hery entintsika miatrika ireo fotoan-tsarotra sy ireo fanenjehana ary ireo fakam-panahy.)

Resaho ilay sarin’ny tany feno tsilo eny amin’ny solaitrabe. Asao hamaky amim-pahanginana ny Matio 13:22 ireo mpianatra ary hikaroka hoe maneho inona ireo tsilo.

  • Maneho inona ireo tsilo? (Soraty eo ambanin’ny sarin’ny tsilo ny hoe fiahiahiana izao fiainana izao.)

  • Inona no ohatra vitsivitsy maneho ny “ahiahin’izao fiainana izao”? (Fitiavana ny zavatr’izao tontolo izao, fitiavan-tena, na ireo fialam-boly ara-batana izay mety hanalavitra antsika amin’ Andriamanitra.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io andininy io mikasika ny zavatra mety ataon’ny ahiahin’izao fiainana izao amin’ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity eo akaikin’ny sarin’ilay tany feno tsilo: Ny ahiahin’izao fiainana izao dia afaka manary dia antsika sy mampivily ny fifantohantsika tsy ho eo amin’ny Tompo ary mampihena ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny tenin’ Andriamanitra.)

Resaho ilay sarin’ny tany feno tsilo eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 13:23 ary hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ity andininy ity dia manazava fa ny hoe “mahalala” dia nadika amin’ny fomba marina kokoa hoe “mahalala sy maharitra”. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ka mitady hoe maneho inona ilay tany tsara.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny teny hoe maharitra ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 13:21, dia hazavao fa ny zavamaniry eny amin’ny tany tsara dia niharan’ilay hafanan’ny masoandro (izay maneho fotoan-tsarotra sy fanenjehana ary fakam-panahy) tahaka ireo zavamaniry simba teny amin’ny tany feno vato.

  • Ahoana no hamintinanao hoe maneho inona ny tany tsara? (Asio soratra eo ambanin’ny sarin’ny tany tsara hoe Izay mandre sy mahatakatra ny tenin’ Andriamanitra ka maharitra amin’ireo fotoan-tsarotra sy fanenjehana ary fakam-panahy.)

  • Raha mijery ny zavatra nianarantsika tao amin’ny Matio 13:15, mety maneho inona ilay vokatra voalaza ao amin’ny andininy 23 ? (Fiovampo ho amin’ i Jesoa Kristy.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ilay tany tsara? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity eo akaikin’ny sarin’ilay tany tsara: Rehefa mandray ny tenin’ Andriamanitra isika, sy mahatakatra izany, ary maharitra amin’ireo fotoan-tsarotra sy fanenjehana ary fakam-panahy, dia hiova fo ho amin’ny Mpamonjy isika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fitsipika izay hitany, dia asao ny efatra amin’izy ireo hamaky tsirairay ny iray amin’ireto trangan-javatra mety hiseho manaraka ireto. Isaky ny avy mamaky iray amin’izany, dia asao ny iray kilasy hanazava hoe inona no fitsipika asehon’ilay trangan-javatra.

  1. Misy zatovolahy iray mandany ny ankamaroan’ny fotoany amin’ny fianarana mba ahafahany ho voaray ao amin’ny oniversite iray avo lenta. Rehefa tsy mianatra izy, dia miasa. Hoy izy amin’ny tenany hoe tsy manana fotoana hamakiana soratra masina na hivavahana na handehanana any am-piangonana izy.

  2. Misy zatovovavy izay tia mankany am-piangonana isan’alahady hatramin’izay. Rehefa nihalehibe anefa izy, dia misy namany sasany manomboka mandrabiraby azy noho ny fenitra ananany. Nanomboka nandika ny sasany amin’ireo didy izy. Tsy mahazo aina intsony izy any am-piangonana ary tsy manam-paniriana ny ho any intsony.

  3. Misy zatovolahy iray mandeha any am-piangonana tsy tapaka, kanefa zara raha mandray anjara izy ary tsy manokatra ny fony amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Namaky zavatra tao amin’ny Internet izy izay manozongozona fotopampianaran’ny Fiangonana izay tena manan-danja, ary mametra-panontaniana izy raha mbola mino ny fahamarinan’ny filazantsara na tsia.

  4. Misy zatovovavy manatrika ny fivoriana any am-piangonana ary mivavaka mangina mba ahafahany mandray ireo bitsiky ny Fanahay Masina. Rehefa mandray bitsiky ny Fanahy Masina izy, dia manao araka izany. Mahatsapa ho akaikin’ny Tompo izy ary feno fankasitrahana noho ireo fomba izao nahazoany fitaomam-panahy mba handresena ny fakam-panahy.

Hazavao amin’ireo mpianatra fa ny fo, tahaka ny tany, dia afaka ovaina sy hatsaraina. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto, na omano amin’ny taratasy fizara izany. Asao ny mpianatra hamaky sy hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo miaraka amin’ny namany iray miara-miasa aminy:

Inona no azo atao mba hanovana na hitandrovana ny karazana tany tsirairay avy ka mba hahatonga izany ho toerana mety hambolena voly salama tsara sy mamoa be?

Ahoana no ahafahantsika mampitovy ny fanatsarana ny tany amin’ny zavatra izay azontsika atao mba ho mora mandray kokoa ny tenin’ Andriamanitra?

Rehefa nomena fotoana sahaza hiomanana, dia asao ny mpianatra vitsivitsy hanao tatitra ny valinteniny amin’ny iray kilasy.

  • Fomba ahoana no nahatonga anao hiova fo amin’ny Mpamonjy amin’ny fomba lalindalina kokoa noho ny fikatsahanao ny handray sy hahatakatra ny tenin’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina hoe iza amin’ireo tany no tena maneho ny toetry ny fony amin’izao fotoana izao. Asao ireo mpianatra hametraka tanjona mikasika ny zavatra izay hataony mba ho tsaratsara kokoa ny fandraisany sy fahatakarany ny tenin’ Andriamanitra ary ny faharetany amin’ireo fotoan-tsarotra sy fanenjehana ary fakam-panahy. Raha ampy ny fotoana, dia asao ny mpianatra mba hanoratra ireo tanjona napetrany ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 13:3–8, 18–23 Fanoharana momba ny Mpamafy voa.

Nampianatra ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe inona no azontsika atao mba hanomanana ny fontsika ho mora mandray kokoa ny tenin’ Andriamanitra:

“Mba ahafahan’ny voan’ny finoana mandrobona eo amin’ny fiainantsika, dia tokony hiala amin’ny famehezan’i Satana isika.

“Mila manomana ny tany hamafazantsika ny finoantsika ihany koa isika. Mba hanaovantsika izany dia mila miasa ny tany isika amin’ny alalan’ny fivavahana amim-panetrentena isan’andro, ka mangataka hery sy famelan-keloka. Mila mangady [mamakivavy] ny tany isika amin’ny fandresena ireo fahatsapana mihebohebo ananantsika. Mila manomana ny tany hamafazantsika isika amin’ny fitandremana ireo didy araka izay tsara indrindra vitan’ny herintsika” (“Of Seeds and Soils,” Ensign, Nôv. 1999, 48).

Matio 13:6, 21. “Nalazo ireny … satria tsy nanam-paka”

Ny taramasoandro dia ilain’ny zavamaniry mba hitomboana, kanefa raha tsy lalim-paka ny zavamaniry iray, dia hampalazo sy hanimba azy izany taramasoandro izany. Mitovy amin’izany koa, ny fitsapana sy ny fanenjehana ary ny fifanoherana dia manampy antsika hivoatra raha ny tena marina raha toa avelantsika hitondra fiorenam-paka lalina ao am-pontsika ny tenin’ Andriamanitra; raha tsy izany, dia hahatonga ny fijoroana ho vavolombelona marefo ho voahozongozona ny traikefa toy ireny.

Matio 13:21, 23. Miorim-paka ao amin’ny filazantsara

Nampianatra mikasika ny fitahiana azo amin’ny fananana fijoroana ho vavolombelona miorim-paka amin’ny filazantsara ny Filoha Thomas S. Monson manao hoe:

“Raha tsy mafy orina tsara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo dia ho sarotra ho anareo ny hijoro eo anatrehan’ny fanarabian’ireo izay mihantsy ny finoanareo. Raha mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny filazantsara sy ny Mpamonjy ary ny Raintsika any An-danitra dia hisy fiantraikany amin’ny zavatra rehetra hataonareo mandritra ny fiainanareo izany.” (“May You Have Courage,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 126).