Lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Jakoba 2–1 Petera 5 (Fizarana 29)
Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano
Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika nianaran’ireo mpianatra manaraka ity teo am-pandalinan’izy ireo ny Jakoba 2–1 Petera 5 (fizarana 29). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.
Andro 1 (Jakoba 2–3)
Avy tamin’ireo fampianaran’i Jakoba ao amin’ireo toko ireo ny mpianatra dia nianatra fa ny mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky dia tia ny olon-drehetra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-piainany ary rehefa manao na dia fahotana iray fotsiny aza isika dia lasa meloka eo anatrehan’ Andriamanitra. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny tena finoana an’i Jesoa Kristy dia aseho amin’ny alalan’ny asa marina. Rehefa nianatra momba ireo fampianaran’i Jakoba mikasika ny fifehezana ny tenintsika ireo mpianatra dia nahita fa ny fianarana mifehy izay zavatra lazaintsika dia afaka manana fiantraikany lehibe amin’ny fiainantsika ary ireo mpanaradia an’ Andriamanitra dia miezaka mampiasa ny fiteniny ho amin’ny tanjona marina, fa tsy hampielezana ny faharatsiana.
Andro 2 (Jakoba 4–5)
Rehefa nandalina ireo toko ao amin’ny Jakoba ireo ny mpianatra dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto: Rehefa manakaiky an’ Andriamanitra isika, dia hanakaiky antsika Izy. Rehefa mahay manao ny tsara isika nefa misafidy tsy hanao izany, dia manota. Amin’ny alalan’ny vavaky ny finoana sy ny herin’ny fisoronana dia azo sitranina ny marary.
Andro 3 (1 Petera 1–2)
Tamin’ny fandalinan’ny mpianatra ireo fampianaran’i Petera dia nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto izy ireo: Na dia mandalo fitsapana aza isika dia afaka mifaly ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ireo fitahiana izay nampanantenain’ Andriamanitra antsika fa homeny. Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia voazaha toetra sy voarendrika rehefa mizaka amim-pahatokiana ireo fitsapana isika. (Avotra amin’ny alalan’ny ra sarobidin’i Jesoa Kristy isika. Afaka nanolotra ny tenany ho sorona tonga lafatra ho antsika i Jesoa Kristy satria Izy niaina fiainana tsy nisy ota. Efa voatendry mialoha i Jesoa Kristy mba ho Mpanavotra antsika. Miantso ireo Olomasiny Andriamanitra mba hisaraka sy hiavaka amin’izao tontolo izao mba hahafahan’ny hafa mahita ny ohatra asehon’izy ireo sy hiderany Azy. Afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fizakana amim-paharetana ireo fitsapana.
Andro 4 (1 Petera 3–5)
Amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika dia tokony hiezaka ny ho vonona lalandava isika hizara sy hiaro ny finoantsika amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa torina amin’ireo izay efa nodimandry ny filazantsara mba hahafahan’izy ireo mahazo ireo tombontsoa izay ananan’ireo mandre ny hafatry ny filazantsara mandritra ny fiainany eto an-tany. Nampianatra i Petera fa ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manana andraikitra ny hikarakara sy hiambina ny ondrin’ Andriamanitra amim-pitiavana sy amin’ny alalan’ny fanehoana ohatra.
Fampidirana
Nitondra fanazavana noho ny fisian’ny tsy fahazoan-kevitra sasany teo anivon’ireo Olomasina mikasika ny tena finoana i Jakoba Apôstôly. Nampianatra mikasika ny fifandraisan’ny finoana sy ny asa ihany koa izy.
Sosokevitra enti-mampianatra
Jakoba 2:14–26
Mampianatra ny anjara asan’ny finoana sy ny asa ao amin’ny famonjena antsika i Jakoba.
Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe nisy zatovolahy iray nahafantatra fa nanota izy. Mino ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fahafahan’ny Mpamonjy manavotra azy izy. Milaza izy fa ny zavatra tokony hataony dia ny mino fotsiny dia hamela heloka azy ny Tompo, tsy mila ezaka avy aminy akory.
Anontanio ireo mpianatra raha toa ka ampy mba hamelana ny fahotany ny finoan’io zatovolahy io fotsiny na tsia.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 2:14 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nangatahin’i Jakoba an’ireo Olomasina momba ny finoana.
-
Inona no nanontanian’i Jakoba an’ireo Olomasina momba ny finoana?
-
Karazana asa inona araka ny eritreritrao no tian’i Jakoba holazaina?
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nandalina ny Jakoba 2 izy ireo dia nianatra fa nanitsy hevitra diso mikasika ny finoana i Jakoba Apôstôly. Ny olona sasany dia diso fandray ny finoana ho fanehoana am-bava fotsiny ny zavatra izay inoany. Ao amin’ny sahan-kevitry ny Jakoba 2:14 dia tsy mitovy amin’ny nampiasan’i Paoly azy ny nampiasan’i Jakoba ny teny hoe asa. Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Paoly dia ny asan’ny lalàn’i Mosesy no tiany hambara. Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Jakoba dia ireo asa atao an-tsitrapo na asan’ny fahamarinana no tiany hambara.
Hazavao fa nampiasa ohatra i Jakoba mba hanehoana ny valin’ny fanontaniany ao amin’ny andininy 14.
Asao ho eny aloha ny roa amin’ireo mpianatra. Asao ny iray amin’ireo mpianatra ireo mba hanao mpangataka iray izay mangataka sakafo sy lamba fitafy ary fialofana ilainy mba hivelomana. Asao ilay mpianatra iray hafa mba hanao olona iray izay afaka manampy io mpangataka io. Manasà mpianatra iray fahatelo mba hamaky mafy ny Jakoba 2:15–16 eo am-pilalaovan’ireo mpianatra roa ny zavatra izay voalaza ao amin’ireo andininy ireo.
-
Inona no tsy mety amin’ny valinteny nomena ilay mpianatra milalao ilay mangataka?
-
Mety ho ampy hanampiana mpangataka ve ny valintenin’ilay mpianatra iray?
Asaivo miaraka mamaky na manao tsianjery ny Jakoba 2:17–18 ireo mpianatra hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Jakoba momba ny finoana. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Jakoba 2:17–18 dia andinin-tsoratra masina fehezina.
-
Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ilay fehezanteny hoe “ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” (andininy 17)?
-
Manampy antsika hahatakatra io fehezanteny io amin’ny fomba ahoana ny fanoharan’i Jakoba momba ilay mpangataka?
-
Araka ny andininy 17, inona no fahamarinana nampianarin’i Jakoba momba ny tena finoana an’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Ny tena finoana an’i Jesoa Kristy dia aseho amin’ny alalan’ny asa marina. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 2:19–20. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jakoba 2:19 dia milaza hoe, “Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany. Ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. Manao anao ho toa azy ireo ianao izay tsy hahamarina anao.” Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny ohatra nampiasain’i Jakoba mba hanehoana fa ny hoe mino an’ Andriamanitra dia tsy voatery midika hoe manana finoana an’ Andriamanitra.
-
Inona no ohatra nampiasain’i Jakoba mba hanehoana fa ny hoe mino an’ Andriamanitra dia tsy voatery midika hoe manana finoana an’ Andriamanitra?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba azy ary mitarika foana amin’ny asa marina. … Ny fanaovana asa fotsiny dia tsy finoana ny Mpamonjy, fa ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina no singa fototry ny finoana. Noho izany, ‘ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty’ (Jakoba 2:20)” (“Mangataha amim-pinoana,” Ensign na Liahona, mey 2008, 95).
-
Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar dia inona no “singa fototry ny finoana”?
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ny finoana an’i Jesoa Kristy dia midika hoe mino Azy sy manao asa mifanaraka amin’ireo fitsipika marina?
Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay zazalahy tao amin’ilay tantara tany amin’ny fiandohan’ny lesona.
-
Manampy ny olona iray izay mikatsaka ny famelana ny fahotany amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa ny hoe finoana dia sady mino no manao asa?
Fintino ny Jakoba 2:21–26 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niresaka an’i Abrahama sy i Rahaba i Jakoba ho ohatra roa amin’ny olona naneho finoana an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny asany. (Ny tantaran’i Rahaba, ilay vehivavy be herimpo, dia hita ao amin’ny Josoa 2:1–22.)
Asao ny mpianatra mba hampiasa ny kahie fandraisany an-tsoratra any am-pianarana na ny diary fandalinany soratra masina mba hanoratany ny fotoana iray izay nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny asany ary inona no fitahiana azon’izy ireo noho ny fanaovana izany. Amporisiho ny mpianatra mba hampiditra ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy sy ny fomba hanehoany izany finoana izany amin’ny alalan’ny asany. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany amin’ny mpianatra rehetra.
Asao ireo mpianatra hieritreritra ombam-bavaka ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny. Amporisiho izy ireo hanaraka izay bitsika voarain’izy ireo.
Fizarana manaraka (2 Petera–Joda)
Anontanio ireo mpianatra hoe nahoana araka ny eritreriny ny olona no misafidy hanota na dia fantany aza fa ratsy izany. Asao izy ireo hitady fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mandalina ny 2 Petera ka hatramin’ny Joda mandritra ny herinandro manaraka: Ahoana no ahafahantsika misoroka mba tsy ho voafitaky ny fotopampianarana diso? Inona no nolazain’i Jaona fa hanala ny tahotra? Ahoana no fomba tokony hanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra? Toetran’ Andriamanitra inona no tsy maintsy ampitombointsika mba handovana ny fiainana mandrakizay? Inona no fampitandremana nomena momba ireo olona izay safidintsika hifanerasera amintsika?