Tahirim-pitaovana
Lesona 159: Apokalypsy 20


Lesona 159

Apokalypsy 20

Fampidirana

Hitan’i Jaona tamin’ny fahitana ireo trangan-javatra izay hiseho avy hatrany mialoha sy mandritra ny fanjakan’i Jesoa Kristy ao anatin’ny arivo taona. Hitany ihany koa ilay ady farany eo amin’i Satana sy ireo tafik’ Andriamanitra amin’ny fiafaran’ny Arivotaona ary hitany ny Fitsarana Farany, ka mandritra izany no hitsaran’ Andriamanitra ny olona rehetra avy amin’ireo boky izay nosoratana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Apokalypsy 20:1–6

Hitan’i Jaona tamin’ny fahitana ny zavatra hitranga avy hatrany mialoha sy mandritra ny fanjakan’i Jesoa Kristy ao anatin’ny arivo taona

Asao ny mpianatra hieritreritra fifaninanana (toy ny seho ara-javakanto na ara-panatanjahantena) izay nandraisan’izy ireo anjara na dia nino aza izy ireo fa ho resy. Dia angataho izy ireo avy eo hieritreritra fotoana iray izay nandraisan’izy ireo anjara tao anatin’ny fifaninanana iray izay ninoan’izy ireo fa handreseny.

  • Mety hanova ny fomba hanatanterahanareo fifaninanana iray amin’ny fomba ahoana ny zavatra andrasanareo mikasika ny vokatra ho azo avy amin’izany?

  • Nahoana ny olona no mety hilavo lefona rehefa mihevitra fa ho resy? Oviana ianareo no nieritreritra fa ho resy kanefa nandresy ihany avy eo?

Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Apokalypsy 20 izy ireo dia hahalala bebe kokoa mikasika ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy sy ny vokatra farany ho azo avy amin’ilay ady. Asao izy ireo rehefa mandalina ny Apokalypsy 20 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka handrisika azy ireo hijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy mandritra io ady io.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 20:1–3 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady izay zavatra hitranga amin’i Satana mandritra ny Arivotaona.

  • Inona no hitranga amin’i Satana mandritra ny Arivotaona? (Hazavao fa ilay lavaka tsy hita noanoany dia maneho ny helo.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 3, dia tsy afaka ny hanao inona i Satana satria mifatotra izy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 20:4–6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny olona izay hitan’i Jaona notsaraina.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4, dia iza no hitan’i Jaona notsaraina?

  • Inona no valisoa azon’ireo olona ireo noho ny fahatokian’izy ireo?

  • Handray anjara amin’ny inona izy ireo mandritra ny Arivotaona? (Ny Fitsanganana Voalohany.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Apokalypsy 20:4–6 mikasika ireo fitahiana afaka ny ho azontsika raha mahatoky amin’i Jesoa Kristy isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao: Raha mahatoky amin’i Jesoa Kristy isika dia ho isan’ny handray anjara amin’ny Fitsanganana Voalohany ka hanjaka miaraka amin’i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona.)

Hazavao fa ny Fitsanganana Voalohany dia nanomboka tamin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ka tafiditra ao anatin’izany ireo olo-marina izay maty talohan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty (jereo ny Môsià 15:21–25; Almà 11:16–20). Ny ankamaroan’ireo olo-marina izay maty taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany (jereo ny James E. Talmage, The Articles of Faith, ed. faha 12 [1924], 385). Ny olona ratsy fanahy sy tsy mibebaka dia tsy hitsangana amin’ny maty mandra-pahatongan’ny Fitsanganana Faharoa izay hitranga amin’ny fiafaran’ny Arivotaona (jereo ny F&F 76:85).

  • Afaka manampy anareo ho mahatoky amin’izao fotoana izao ao anatin’ny ady amin’ny ratsy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa afaka ny ho isan’ny handray anjara amin’ny Fitsanganana Voalohany ianareo ary hiara-hanjaka amin’i Jesoa Kristy mandritra ny Arivotaona?

Mijoroa ho vavolombelona fa ireo izay mijanona ho mahatoky dia ho isan’ny handray anjara amin’ny Fitsanganana Voalohany ka hiara-hanjaka amin’ny Mpamonjy mandritra ny Arivotaona.

Apokalypsy 20:7–11

Nahita ny ady farany teo amin’i Satana sy ny tafik’ Andriamanitra tamin’ny fiafaran’ny Arivotaona i Jaona

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity: Amin’ny fiafaran’ny Arivotaona …

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 20:7–10 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo trangan-javatra izay nofariparitan’i Jaona fa hitranga amin’ny fiafaran’ny Arivotaona.

  • Inona ireo zava-mitranga nofariparitan’i Jaona? (Hazavao fa ny anarana hoe Goga sy Magoga ao amin’ny andininy 8 dia entina iantsoana ireo miaramila izay ho ampiasain’i Satana amin’ny fiafaran’ny Arivotaona mba hiady farany amin’ireo vahoakan’ny Tompo [jereo ny F&F 88:110–14].)

  • Inona no hitranga amin’ny devoly sy ireo mpanaradia azy aorian’io ady io? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe mba ho lasa hivaky toy izao: Amin’ny fiafaran’ny Arivotaona dia handresy an’i Satana sy ireo mpanaradia azy ireo tafik’ Andriamanitra.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahatakarantsika ny vokatra farany azo avy amin’io ady eo amin’ Andriamanitra sy i Satana io?

Apokalypsy 20:12–15

Nahita ny Fitsarana Farany i Jaona

Hazavao fa ny olona rehetra izay niaina teto amin’ity tany ity dia hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba ho tsaraina satria ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra izany. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe ho toy ny ahoana izany Fitsarana Farany izany araka ny eritreriny.

  • Inona no antenainao mba ho tsapa rehefa mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba ho tsaraina?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 20:12–13. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba hitsaran’ Andriamanitra antsika.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 12 mikasika ny fomba hitsarana antsika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity: Hitsara antsika avy amin’ireo boky izay nosoratana araka ny asantsika Andriamanitra.)

  • Inona ireo boky hitan’i Jaona? (Ny soratra masina, ireo rakitsoratry ny Fiangonana izay mirakitra ireo ôrdônansin’ny famonjena ary angamba ireo asa hafa, ary ny bokin’ny fiainana [jereo ny 2 Nefia 29:10–11; F&F 128:6–7].)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanazavana manaraka momba ny bokin’ny fiainana ity:

“Amin’ny lafiny iray, ny Bokin’ny Fiainana dia ny fitambaran’ireo eritreritra sy zavatra nataon’ny olona—ny tantaran’ny fiainana. Manambara koa anefa ny soratra masina fa misy rakitsoratra any an-danitra, tanana ho an’ny mahatoky, ka ao anatin’izany ny anarany sy ny fitantarana ny zavatra marina vitany (F&F 88:2; 128:7)” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Bokin’ny fiainana”).

Hazavao fa ny Tompo dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa ankoatra ny asantsika dia hotsaraina araka ny fanirian’ny fontsika isika (jereo ny F&F 137:9; jereo koa ny Almà 41:3–5).

  • Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 20:13, inona no hitranga alohan’ny hitsarana antsika? (Raha ilaina dia hazavao fa ny hoe “ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy” dia entina ilazana ny Fitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty.)

  • Inona no maha-zava-dehibe ny hitsanganantsika amin’ny maty mialoha ny hijoroantsika eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny tsirairay amintsika dia hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina ary ny zavatra ataontsika amin’izao fotoana izao no hanapaka ny amin’ny hoe ho toy ny ahoana izany traikefa izany ho antsika. Vakio mafy ity fanontaniana manaraka ity ka asao ny mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

  • Inona no azonao atao amin’ny fomba tsara kokoa eo amin’ny fiainanao mba hiomana ny hotsarain’ny Tompo?

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Apokalypsy 20:12

Asao ny mpianatra hampiasa ireo fitaovana fandalinana soratra masina toy ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ao amin’ny soratra masina, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (izay hita ao amin’ny scriptures.lds.org) mba hitadiavana ireo soratra masina fanampiny izay mampianatra mikasika ny Fitsarana Farany. Afaka manoratra ireo andinin-tsoratra masina fanampiny ireo ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Apokalypsy 20:12 ny mpianatra. Asao ny mpianatra hilaza amin’ny iray kilasy ireo fahamarinana fanampiny mikasika ny Fitsarana Farany izay ianaran’izy ireo amin’ny alalan’io asa atao io.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Apokalypsy 20:2–3. Hofatorana i Satana

Nilaza izao ny Filoha Joseph F. Smith mikasika ny famatorana an’i Satana:

“[I Satana] dia sady hofatorana amin’ny alalan’ny finoan’ireo Olo-marina no hofatorana amin’ireo lalàn’ilay Tsitoha mandritra ny fanjakana amin’ny Arivotaona ary hatsipy any amin’ny helo” (From Prophet to Son: Advice of Joseph F. Smith to His Missionary Sons, natambatr’i Hyrum M. Smith III sy i Scott G. Kenney [1981], 71).

Ny mpaminany Nefia dia nampianatra fa noho ny fahamarinan’ireo Olomasina dia tsy hanana hery i Satana (jereo ny 1 Nefia 22:26).

Nanazava ny Filoha George Q. Cannon tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Miresaka isika fa hofatorana i Satana. Hofatorana amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra i Satana; fa hofatorana amin’ny alalan’ny fahavononan’ireo olon’ Andriamanitra tsy hihaino azy sy tsy hotarihiny koa izy” (Gospel Truth: Discourses and Writings of President George Q. Cannon, natambatr’i Jerreld L. Newquist, boky miisa 2 [1957–74], 1:86).

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball fa tsy tokony hiandry ny fahatongavan’ny Arivotaona isika mba hamatotra an’i Satana:

“Rehefa voafatotra i Satana ao anatin’ny tokantrano iray monja—rehefa voafatotra i Satana ao amin’ny fiainana iray monja—dia efa nanomboka sahady ny Arivotaona ao anatin’izany tokantrano izany, ao amin’izany fiainana izany” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 172).

Apokalypsy 20:5–6. Ny Fitsanganana Voalohany

Ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao manaraka izao momba ny Fitsanganana Voalohany:

“Ny [Fitsanganana Voalohany] dia niantomboka tamin’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ary taorian’izay avy hatrany dia maro tamin’ireo olomasina no nivoaka ny fasan’izy ireo. Ho tohin’izany, ny fitsanganan’ny marina dia efa nitranga nanomboka tamin’izay ary hihahazo vahana bebe kokoa, na hitranga maneran-tany miaraka amin’ny fahatongavan’i Kristy ao anatin’ny voninahiny” (The Articles of Faith, ed. faha 12 [1924], 385).

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fomba roa samy hafa mba hahatakarana ny teny hoe Fitsanganana Voalohany:

“Ho an’ireo izay niaina talohan’ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, ny andro nivoahany avy any amin’ireo maty dia fantatra tamin’ny hoe fitsanganana voalohany. Noraisin’i Abinadia sy i Almà ho ny fitsanganana voalohany izany. (Môsià 15:21–25; Almà 40.) Ho an’ireo izay niaina nanomboka tamin’izany andro izany, ny fitsanganana voalohany dia mbola ho avy ary hitranga amin’ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany. (F&F 88:96–102.)” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 639).

Ireo izay hivoaka amin’ny Fitsanganana Voalohany dia ahitana ireo “mpaminany rehetra … sy ireo rehetra izay nino ny tenin’izy ireo” (Môsià 15:22), ireo izay maty tao anatin’ny tsy fahalalana ka tsy nanana ny “famonjena nambara taminy” (Môsià 15:24; jereo koa ny F&F 45:54), ary ireo zaza madinika izay maty talohan’ny naha-tompon’andraikitra azy ireo (jereo ny Môsià 15:25; Môrônia 8:4–24).