Lesona 70
Jaona 10
Fampidirana
Nampianatra i Jesoa fa Izy no Mpiandry tsara ary hanolotra ny ainy hamonjena ny ondriny Izy. Nijoro ho vavolombelona koa Izy fa nanome Azy hery handresena ny fahafatesana ny Ray any An-danitra. Niampanga an’i Jesoa ho mpiteny ratsy ny olona sasany noho ny nanambarany fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Jaona 10:1–24
Nampianatra i Jesoa fa Izy no Mpiandry tsara ary hanolotra ny ainy hamonjena ny olony Izy
Manasà ankizy iray mba handroso eny aloha. Tampeno ny mason’ilay mpianatra dia manangona andian-tsoratra masina maromaro avy eo, tafiditra ao anatin’izany ny andian-tsoratra masina omena ilay mpianatra mitampi-maso. Angataho ilay mpianatra mitampi-maso hitsapa ny andian-tsoratra masina tsirairay ka hanandrana hamantatra hoe iza amin’ireo ny andian-tsoratra masiny. Rehefa avy nanao io andrana io ilay mpianatra dia manontania hoe:
-
Nahoana ianao no afaka (na tsy afaka) namantatra hoe iza tamin’ireo ny andian-tsoratra masinao?
-
Raha nangataka anao hitsapa ny tarehin’ny tsirairay amin’ireo mpiara-mianatra aminao aho dia firy amin’izy ireo, araka ny eritreritrao, no mety ho tena fantatrao? (Aza angatahana hanao izany marina ilay mpianatra.)
Asao ilay mpianatra hanala ny tampina eo amin’ny masony dia hiverina eny amin’ny toerany. Hazavao fa indray mandeha dia nanontaniana ny mpiandry ondry iray tao Moyen-Orient hoe fantany toy ny ahoana ny ondriny. Namaly izy hoe: “Raha tampenanareo lamba ny masoko, ka mitondra ondry izay tianareo eto amiko ianareo ary mamela ahy hametraka fotsiny ny tanako eo amin’ny tarehiny, dia afaka miteny aminareo aho afaka fotoana fohy raha ahy izany na tsia” (G. M. Mackie, Bible Manners and Customs [n.d.], 35).
-
Raha mpiandry ondry ianareo dia mety ho hafiriana araka ny eritreritrareo no hahalalana tsara ny ondry ao amin’ny andian’ondrinareo tahaka ny nataon’ity mpiandry ondry ity?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 10:14 ka hitady ny anarana niantsoan’i Jesoa ny Tenany. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara.
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no anarana fiantsoana mety tsara ho an’ny Mpamonjy ny hoe “ny mpiandry tsara”?
Amporisiho ny mpianatra hitady ireo fahamarinana izay mampianatra antsika ny maha-Mpiandry Tsara antsika ny Mpamonjy rehefa mandalina ny Jaona 10 izy ireo.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tantara mikasika ny fomban’ny fiarahamonina ao amin’ny Jaona 10:1–5, hazavao fa tamin’ny andron’ny Mpamonjy dia nitondra ny andian’ondriny nankeny amin’ny toerana misy sakafo, rano ary fialofana ny mpiandry ondry nandritra ny andro. Amin’ny alina dia mpiandry ondry maro no manangona ny andian’ondriny tsirairay avy ho ao amin’ny valan’ondry iraisana. Ny valan’ondry dia lavaka na toerana mifefy voahodidin’ny rindrim-bato izay misy tsilo maranitra manodidina ny eo amin’ny tampony mba hanakanana ny biby dia tsy hiditra ao.
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay hiara-hamaky mafy ny Jaona 10:1-5 mba hitady ny zavatra ataon’ny mpiandry ondry tsara. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitany. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe I Jesoa Kristy no Mpiandry tsara ny valintenin’izy ireo. (Mety hahitana izao manaraka izao ireo valinteny: Miditra eo amin’ny vavahady Izy, miantso ny ondriny amin’ny anarany Izy, ary mandeha mialoha lalana ny ondriny Izy.)
-
Araka ny voalazan’ny andininy 3, amin’ny fomba ahoana no hitarihan’ilay mpiandry ondry ny ondriny hivoaka ny valan’ondry?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 4–5, nahoana ireo ondry no tsy hanaraka afa-tsy ny mpiandry azy?
-
Inona no niantsoan’ny Mpamonjy ireo izay nanandrana niditra ny valan’ondry tamin’ny fomba hafa ankoatra ny teo amin’ny vavahady?
Hazavao fa ireo Fariseo dia teo anivon’ireo olona niresahan’i Jesoa (jereo ny Jaona 9:41).
-
Inona no nampitovy an’ireo Fariseo tamin’ny mpangalatra sy jiolahy ary vahiny ao anaty valan’ondry iray?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 10:6, ary hitady ny fihetsika nasetrin’ny Fariseo ny fampianaran’ny Mpamonjy. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.
Hazavao fa araka izay voarakitra ao amin’ny Jaona 10:7–16, dia nanohy nampianatra mikasika ny mampiavaka Azy amin’ny Fariseo ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andininy 7–10, dia vakio avy eo ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andininy io: “Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako ka tsy nijoro ho vavolombelona ny Amiko; fa tsy nihaino azy ny ondry.” Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, mba hitady ny fampianaran’i Jesoa ao amin’ireo andininy ireo.
-
Inona no hevi-baovao fanampiny mikasika ireo mpangalatra izay omen’ny Dikantenin’i Joseph Smith mikasika ny andininy 8?
-
Araka ny eritreritrareo dia inona no tian’ny Mpamonjy holazaina rehefa niteny Izy hoe “Izaho no vavahady” (andininy 7, 9)?
Hazavao fa “ireo mpiandry ondry tao Isiraely dia nijoro teo amin’ny vavahadin’ny valan’ondry ka nijery tsirairay ny ondry rehefa niditra izany, nitsabo ny ratra araka izay nilaina. Rehefa tafavory tao amin’ny valan’ondry ireo ondry tamin’ny alina dia natory teo amin’ny fidirana ny mpiandry ondry, nanakana ny lalana mba tsy hahafahan’ny biby mpihaza na ny mpangalatra namely ny ondry” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 231–32).
-
Inona no mampitovy ny zavatra ataon’ireo mpiandry ondry ireo amin’ny zavatra ataon’ny Mpamonjy ho antsika?
-
Araka ny eritreritrareo, amin’ny fomba ahoana no hanomezan’ny Mpamonjy fiainana “be dia be” (Jaona 10:10) an’ireo izay manaraka Azy?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 10:11–15. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hafa nolazain’ny Mpamonjy fa ataon’ny mpiandry ondry tsara. Hazavao fa ny mpikarama dia olona iray izay ny hahazo karama ihany no antony voalohany mandrisika azy hiasa.
Asao ny mpianatra vitsivitsy ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra izay zavatra hafa hitany mikasika ny Mpiandry Tsara eo ambanin’ny hoe I Jesoa Kristy no Mpiandry tsara. (Mety hahitana izao manaraka izao ireo valinteny: Manolotra ny ainy hamonjena ny ondriny Izy, fantany ny ondriny, ary fantatry ny ondriny Izy.)
-
Inona no zavatra hananan’ny mpiandry ondry fahavononana ho atao kanefa tsy hananan’ny mpikarama fahavononana?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana mikasika ny Mpamonjy amin’ireo andininy ireo? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny maha-Mpiandry Tsara Azy dia mahafantatra ny tsirairay amintsika i Jesoa Kristy ary nanolotra ny ainy ho antsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe I Jesoa Kristy no Mpiandry tsara io fahamarinana io.)
Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra ilay mpiandry ondry avy any Moyen-Orient izay nahafantatra tsara ny tsirairay tamin’ny ondriny.
-
Toy ny ahoana ny fahafantaran’ny Mpamonjy anao araka ny eritreritrao?
-
Hisy fiantraikany manao ahoana eo amin’ny fomba fiainanao ny fahatakarana fa mahafantatra anao ny Mpamonjy ary vonona ny hanolotra ny ainy ho anao?
Hazavao fa taorian’ny nampianarany fa hanolotra ny ainy ho antsika Izy dia nilaza zavatra hafa izay ho ataony koa ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 10:16. Angataho ny mpianatra hitady ny zavatra hafa nolazain’ny Mpamonjy fa ho ataony ho an’ny ondriny (izany hoe ny olony).
-
Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa ho ataony ho an’ny ondriny?
-
Inona no lazain’io andininy io mikasika ny toerana misy ireo ondriny?
Hazavao fa ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Jiosy tao Jerosalema fa hamangy ireo zanak’ Andriamanitra any amin’ny tany hafa Izy, hampianatra azy ireo ny filazantsara, ary hitondra azy ireo ho ao amin’ny valany (ny Fiangonany). Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia manome fampahalalana fanampiny momba io andininy io.
Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 15:15–17, 21; 16:1–3. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io toko sy andininy io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Jaona 10:16.
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra bebe kokoa ny Jaona 10:16? (Ireo “ondry hafa” dia entina ilazana ny Nefita sy ireo foko very, fa tsy ny Jentilisa.)
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 10:17–18, mba hitady fotopampianarana iray mikasika ny Mpamonjy. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy ara-bakiteny dia nanana hery hanolorana ny ainy sy hakana izany indray i Jesoa Kristy. Amporisiho ny mpianatra hanisy marika ireo teny izay mampianatra io fotopampianarana io ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.)
-
Nahoana ny Mpamonjy no sady nanana ny fahafahana ny ho faty sy ny fahafahana ny hitsangana indray aorian’ny fahafatesany? (Avy amin’i Maria reniny no nandovan’i Jesoa ny toetra mety maty ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafahana ny ho faty. Avy amin’i Elohima Rainy no nandovany ny tsy fahafatesana dia ny hery hiaina mandrakizay. Noho izany dia nandova ireo fahafahana ny ho faty sy hitsangana indray Izy, izay nilain’i Jesoa mba hahafahany manatanteraka ny Sorompanavotana. [Jereo ny lesona mikasika ny Matio 1–2.])
Fintino ny Jaona 10:19–24 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy nampianatra ireo zavatra ireo ny Mpamonjy dia tsy nitovy hevitra ny olona mikasika ny hoe iza moa i Jesoa. Nanatona an’i Jesoa izy ireo tao amin’ny tempoly ka niezaka nandresy lahatra Azy hanambara ny tena maha-Izy Azy dia i Kristy.
Jaona 10:25–42
Manambara i Jesoa fa Izy no zanak’ Andriamanitra
Manasà mpianatra iray hafa ho eny aloha. Tampeno ny mason’ilay mpianatra ary avy eo dia omeo torolalana ny mpianatra hafa maromaro hifandimby hilaza teny (ohatra hoe “mpiandry ondry”). Asao ilay mpianatra mitampi-maso hihaino ny olona tsirairay izay milaza ilay teny ka hilaza raha toa ka azony fantarina amin’ny alalan’ny feon’ilay olona hoe iza ilay miteny.
-
Nahoana ny feo sasany no mety ho mora fantarina mihoatra ny feo hafa?
Omeo torolalana ilay mpianatra hanala ny tampina eo amin’ny masony dia hiverina eny amin’ny toerany. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 10:25–30. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny teny navalin’ny Mpamonjy ny fangatahan’ny olona Azy hilaza amin’izy ireo raha toa ka Izy no i Kristy.
-
Ahoana no namaritan’ny Mpamonjy ny ondriny? (Mahare ny feony sy manaraka Azy ny ondrin’ny Mpamonjy.)
-
Araka ny voalazan’ny andininy 28, inona no ho azon’ireo izay mandre ny feon’ny Mpamonjy sy manaraka Azy?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hahita fitsipika isan-karazany ny mpianatra, kanefa ataovy izay hanantitranterana fa raha lasa mahafantatra ny feon’ny Mpiandry Tsara isika ary manaraka Azy dia hitarika antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay Izy. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe I Jesoa Kristy no Mpiandry tsara io fitsipika io. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Jaona 10:27–28.)
Ampahatsiahivo amin’ireo mpianatra ilay mpianatra faharoa nitampi-maso sy ny fahafahany namantatra ny feon’ireo mpiara-mianatra aminy.
-
Inona no azontsika atao mba hahafantarantsika ny feon’ny Mpamonjy? (Jereo koa ny F&F 18:34–36.)
-
Inona no nataonareo mba hahafantaranareo bebe kokoa ny feon’ny Mpamonjy?
-
Ahoana no ahafahantsika maneho fa manara-dia an’ i Jesoa Kristy isika?
Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny fomba ahafahan’izy ireo mandre bebe kokoa ny feon’ny Mpamonjy sy manaraka Azy. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina, na (1) tanjona iray hihainoana tsara kokoa ny feon’ny Mpamonjy sy ireo fomba voafaritra tsara hanaovan’izy ireo izany, na (2) tanjona iray hanarahana amin’ny fomba tsara kokoa ny feony sy ny fomba hoentiny hanaovana izany.
Fintino ny Jaona 10:31–42 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy nijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy fa Izy sy ny Rainy dia iray, dia nikatsaka ny hitora-bato Azy noho ny fitenenan-dratsy ireo mpitarika Jiosy. Na izany aza dia namaly ny fiampangan’izy ireo Izy tamin’ny alalan’ny fitanisana ny Salamo 82:6, izay mivaky hoe: “Hoy izaho: Andriamanitra hianareo, ary zanaky ny Avo indrindra hianareo rehetra.” Dia nanontany ny Jiosy ny Mpamonjy avy eo hoe nahoana izy ireo no niampanga Azy ho niteny ratsy rehefa nilaza Izy fa Izy no Zanak’ Andriamanitra, satria ny soratra masina dia milaza fa zanak’ Andriamanitra isika ary afaka ny ho andriamanitra ny tenantsika.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana sy fitsipika nampianarina tao amin’ny Jaona 10 sy amin’ny alalan’ny famporisihana ny mpianatra hampihatra izany.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Jaona 10:30. “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ilay fanambarana fa ny Mpamonjy sy ny Rainy dia iray ihany:
“Ny fanekem-pinoantsika voalohany sady manan-danja indrindra ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hoe “Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika, ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina” [Fanekem-pinoana 1:1]. Mino isika fa ireo olona masina telo ireo izay mandrafitra ny hoe ny Andriamanitra tokana dia iray eo amin’ny tanjony sy ny fomba fiasany, sy ny fijoroany ho vavolombelona ary eo amin’ny iraka tanterahiny. Mino isika fa Izy Ireo dia samy henik’ilay toetra araka an’ Andriamanitra feno famindram-po sy fitiavana, fahamarinana sy fahasoavana, sy faharetana, sy famelan-keloka ary fanavotana. Mihevitra aho fa mety tsara ny ilazana fa mino isika fa iray Izy Ireo eo amin’ny lafiny manan-danja sy mandrakizay rehetra azo heverina afa-tsy ny finoana Azy Ireo ho olona telo mitambatra ho olona iray, hevitra iray araka ny Telo izay iray izay tsy mbola voalaza mihitsy ao amin’ny soratra masina satria tsy marina,” (“The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 40).
Ny Loholona B. H. Roberts tao amin’ny Fiadidian’ny fitopololahy dia nanampy antsika hahatakatra ny rafi-pisainan’ny Mpamonjy tamin’ny nandavany ireo Fariseo izay niampanga Azy ho niteny ratsy:
“Tokony ho fantatry ny olona fa ao amin’ilay fifampiresahana nolazaiko teo aloha, rehefa nampangaina ho nanao ny tenany ho Andriamanitra i Jesoa, dia tsy nandà ilay fiampangana Izy; fa nifanohitra tamin’izay ary, Izy dia nisintona ny sain’izy ireo mba hieritreritra fa Andriamanitra dia nilaza tamin’ny sasany tamin’izy ireo ao amin’ny lalàna nomena an’i Isiraely hoe—‘Andriamanitra hianareo.’ Ary ankoatra izay dia noporofoin’i Jesoa fa raha toa ka nantsoina hoe Andriamanitra ireo izay niantefan’ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny lalàna Jiosy, ary tsy azo dikaina ny soratra masina izay nanambarana izany, dia ny fahamarinana izay tsy azo lavina na toherina [lazaina fa diso na tsy manan-kery]—dia nahoana ny Jiosy no nitaraina rehefa niantso ny tenany ihany koa Izy hoe Zanak’ Andriamanitra, dia i Kristy, izay nohamasinin’ Andriamanitra Ray indrindra indrindra?” (New Witnesses for God, boky miisa 3 [1909–11], 1:465–66).
Jaona 10:27. “Ny ondriko mihaino ny feoko … ary izy manaraka Ahy”
Ny Filoha Harold B. Lee dia nampianatra mikasika ireo fomba maro samihafa ahafahantsika mandre ny feon’ny Mpamonjy:
“Raha miaina amim-pahamendrehana isika, dia hitarika antsika ny Tompo—amin’ny alalan’ny fisehoan’ny tenany, na amin’ny alalan’ny feony tonga ao an-tsaintsika, na amin’ny alalan’ny fahatsapana ao am-pontsika sy ny fanahintsika. Ary ho feno fankasitrahana tokoa isika raha mandefa nofy ho antsika ny Tompo, izay hanambarana amintsika ireo zava-kanton’ny mandrakizay na fampitandremana sy fitarihana iray mba hahazoantsika fiononana. Eny, raha miaina toy izany isika dia hitarika antsika ny Tompo mba ho famonjena sy ho tombontsoa ho antsika” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 51–52).
Ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny fomba ahafahantsika manaraka ny Mpamonjy:
“Ahoana no hanarahantsika ny Mpamonjy? Amin’ny alalan’ny fampiharana finoana. Amin’ny finoana Azy. Amin’ny finoana ny Raintsika any An-danitra. Amin’ny finoana fa miresaka amin’ny olona eto an-tany Andriamanitra amin’izao fotoana izao.
“Manaraka ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ny fahotantsika—amin’ny alalan’ny fahatsapana alahelo noho ireo fahotana ireo sy ny fialana amin’izy ireo.
“Manaraka ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny ranon’ny batisa sy ny fandraisana ny famelana ny fahotantsika, amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny famelana izany fitaomana izany hanentana, hampianatra, hitarika, ary hampionona antsika.
“Ahoana no hanarahantsika ny Mpamonjy? Amin’ny fankatoavana Azy. Izy sy ny Raintsika any An-danitra dia nanome antsika didy—tsy hamaizana na hampahoriana antsika, fa hanampiana antsika hahalala ny fifaliana feno, eto amin’ity fiainana ity sy mandrakizay amin’ny ho avy, tontolo tsy manam-piafarana” (“Follow Me,” Ensign, mey 2002, 16–17).