Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Jaona 16–21 (Fizarana 16)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Jaona 16–21 (Fizarana 16)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Jaona 16–21 (fizarana 16). Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Jaona 16)

Ny Mpianatra dia nianatra avy amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa ireo Apôstôliny taorian’ilay Fanasana Farany fa ny Fanahy Masina dia afaka mitarika antsika ho amin’ny fahamarinana rehetra sy mampiseho amintsika ireo zavatra ho avy. Ny mpianatra ihany koa dia nianatra fa ny Fanahy Masina dia mampahafantatra ireo fahamarinana sy fampianarana izay avy any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Satria nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy dia afaka matoky sy manana fiadanana isika.

Andro 2 (Jaona 17)

Rehefa nandalina ny Vavaka Fanalalanana nataon’i Jesoa Kristy ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany isika. Nianatra ihany koa izy ireo fa amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tokony ho ao amin’izao tontolo izao isika fa tsy naman’izao tontolo izao. Rehefa namaky mikasika ny fomba nivavahan’i Jesoa mba hiraisan’ireo mpianany Aminy sy amin’ny Ray ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika ka mandray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany dia afaka ny ho lasa iray miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka.

Andro 3 (Jaona 18–19)

Ny mpianatra dia nianatra avy tamin’ny ohatra feno fitiavan-tena nasehon’i Pilato fa ny fametrahantsika ny tombontsoantsika mialoha ny fanaovana izay tsara dia hitarika antsika amin’ny fahotana. Rehefa nandalina ny fitantaran’i Jaona ny Fanomboana ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza.

Andro 4 (Jaona 20-21)

Tato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia nandalina ny fitantaran’i Jaona ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Nianatra izy ireo fa nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Izy ireo dia nianatra avy tamin’ny zavatra niainan’i Tomasy fa hotahiana isika raha misafidy ny hino an’i Jesoa Kristy na dia amin’ny fotoana tsy ahafahantsika mahita Azy aza.

Fampidirana

Niseho tamin’ny mpianany ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty raha mbola nanjono izy ireo. Niara-nisakafo tamin’ireo mpianany teny amoron-dranomasina i Jesoa ary nanasa an’i Petera haneho ny fitiavany ny Tompo amin’ny alalan’ny famahanana ny ondriny.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 21:1–17

Niseho tamin’ny sasany tamin’ny mpianany teo amin’ny Ranomasin’i Tiberiasy (Ranomasin’i Galilia) ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty

Manaova sarina fo lehibe eo amin’ny solaitrabe.

fo

Asao ho eo amin’ny solaitrabe ny mpianatra mba hanoratra zavatra roa na telo amin’ireo zavatra tiany indrindra ao anatin’ilay fo. Hazavao fa izany dia mety ahitana olona, na fananana, na zavatra atao.

Rehefa mahavita izany ny mpianatra dia afaka manoratra zavatra vitsivitsy amin’ireo zavatra tianao indrindra koa ianao.

Fintino ny Jaona 21:1–2 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy nahita indroa ilay Tompo efa nitsangana tamin’ny maty ny mpianatra dia teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia (izay nantsoina ihany koa hoe Ranomasin’i Tiberiasy) i Petera sy ny sasany tamin’ireo mpianatra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 21:3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nandraisan’i Petera fanapahan-kevitra fa hataony.

  • Inona no asa atao izay heverinareo fa mety nanampian’i Petera ilay lisitry ny zavatra tiana nosoratantsika eo amin’ny solaitrabe? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia manorata hoe manjono ao anatin’ilay fo eo amin’ny solaitrabe.)

  • Adiny firy no nanjonoan’i Petera sy ireo mpianatra hafa? Firy ny trondro azon’izy ireo?

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fahatsapana mety nananan’i Petera sy ireo mpianatra hafa taorian’ny nanjonoany nandritra ny alina tontolo kanefa tsy nahazo na inona na inona.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 21:4–6. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga ny ampitso marainan’io.

  • Inona no nitranga rehefa avy nanjono nandritra ny alina ireo mpianatra kanefa tsy nahazo na inona na inona?

Fintino ny Jaona 21:7–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa raha mbola sahirana mafy ireo mpianatra nampakatra ilay harato ho ao an-tsambokely dia nanambara i Jaona fa ny Tompo ilay lehilahy teo amoron-dranomasina. Nitsoraka haingana tao anaty ranomasina i Petera ka nilomano nankeny amin’i Jesoa raha nandeha tamin’ny sambony kosa ny hafa. Rehefa tonga teo amoron-dranomasina ny mpianatra dia nikarakara sakafo ho azy ireo i Jesoa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Lolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Taorian’ny fihaonana feno tamim-pifaliana tamin’i Jesoa efa nitsangana tamin’ny maty dia niresaka tamin’ny Mpamonjy i Petera izay azoko ambara fa fotoana lehibe teo amin’ny asa fanompoana tamin’ny naha-apôstôly an’i Petera amin’ny anakapobeny ary azo antoka fa nisy fiantraikany teo amin’ny tenany manokana koa, ka nanentana ny fanahin’ity lehilahy matanjaka toy ny vatolampy ity hanana fiainana mendri-kaja izay hanaovana asa fanompoana sy hitarihana amim-panolorantena. Rehefa nanopy maso tany amin’ny sambokelin’izy ireo efa antitra, sy ny haratony rovidrovitra ary ireo trondro 153 nivangongo i Jesoa dia [niresaka] tamin’ilay Apôstôly zokiny indrindra” (“Ny didy lehibe voalohany,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 84).

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 21:15–17. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady fanontaniana iray naverimberin’i Jesoa napetraka tamin’i Petera. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Inona ilay fanontaniana napetrak’ i Jesoa intelo tamin’ i Petera?

  • Rehefa nanontany i Jesoa hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” (andininy 15), inona araka ny eritreritrareo no tiana holazaina amin’ny teny hoe ireto? (Mety ho ireo antontan-trondro na zavatra hafa nahakasika ny fiainan’ny mpanjono iray no noresahan’i Jesoa. Soraty eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay fo ity fanontaniana manaraka ity: Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?)

  • Inona no navalin’i Petera?

  • Inona no mety ho tsapanareo raha ianareo no teo amin’ny toeran’i Petera ka nanontany anareo intelo i Jesoa raha tia Azy ianareo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny antony mety nametrahan’i Jesoa io fanontaniana io ka nangatahany an’i Petera hamaly intelo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona Holland ity:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Namaly i Jesoa (ary eto indray aho dia mampiasa teny tsy ao amin’ny soratra masina), ka mety nilaza zavatra toy izao Izy hoe: ‘Koa maninona eto ary ianao ry Petera? Nahoana isika no niverina ety amoron-dranomasina ety indray, miaraka amin’ireto harato ireto ihany, manao ilay resaka efa natao taloha? Moa ve tsy nazava be tamin’izany ary tsy mazava be ankehitriny fa raha te-hahazo trondro aho dia afaka mahazo izany? Ny ilaiko ry Petera dia mpianatra—ary mila azy ireo mandrakizay aho. Mila olona hamahana ny ondriko aho ary hanavotra ny zanak’ondriko. Mila olona hitory ny filazantsarako aho ary hiaro ny fivavahako. Mila olona tena tia ahy aho, tena tia ahy, ary tia ny asa nampanaovin’ny Raintsika any An-danitra ahy. … Koa dia miangavy anao fanindroany aho ry Petera, ary mety ho farany, mba handao ireto zavatra ireto, ary handeha hampianatra sy hijoro ho vavolombelona, hiasa sy hanompo amim-pahatokiana, mandrapahatongan’ilay andro hanaovan’izy ireo aminao ny zavatra izay nataony tamiko’” (“Ny didy lehibe voalohany,” 84).

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny resaka nifanaovan’ny Tompo tamin’i Petera? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha tia ny Mpamonjy sy ny Ray any An-danitra mihoatra ny zavatra hafa rehetra isika dia hamahana ny ondrin’Izy ireo.)

  • Iza ireo ondrin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ahoana no hamahanantsika azy ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahantsika mamahana ireo ondrin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Robert D. Hales

“Izao no antson’i Kristy amin’ny Kristianina rehetra ankehitriny: ‘Fahano ny [zanak’]ondriko. … Fahano ny ondriko’—zarao na amin’ny tanora na amin’ny antitra ny filazantsarako, ary ampioreno izy ireo, omeo fitahiana, ankaherezo, ary hatsangano, indrindra ireo izay manana fomba fisainana sy finoana samy hafa amin’ny antsika” (“Ho Kristianina izay mitovy kokoa amin’i Kristy,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 91).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahana mampihatra ilay fitsipika mikasika ny fitiavana an’ Andriamanitra mihoatra ny zavatra hafa rehetra dia manasà mpianatra telo hifandimby hamaky mafy ity tantara noforonina ity. Rehefa voavaky ny tantara tsirairay dia apetraho ireo fanontaniana aorian’izany.

  1. Manasa zatovolahy iray ny andian’ankizilahy iray mba hiara-hipetraka amin’izy ireo mandritra ny sakafo antoandro, dia nanantena izy fa ho lasa mpinamana izy ireo. Nandritra ny resaka nifanaovany dia nanomboka nanala baraka ampahibemaso ny zazalahy iray hafa ny iray tamin’ireo zazalahy tao anatin’ilay vondrona.

  2. Tia milalao baolina kitra ny zatovovavy iray. Manokana ora maromaro isan-kerinandro izy hilalaovana baolina ary tsy manana afa-tsy fotoana kely hanaovana zavatra hafa toy ny takarivan’ny mpianakavy sy ny fandalinan’ny tena manokana soratra masina.

  3. Feno be ny fotoanan’ny zatovolahy iray noho ny fianarana sy ireo zavatra atao ankoatra ny fianarana. Nandritra ny herinandro izy dia naniry mafy ny mba handany ireo fotoana malalaka vitsy dia vitsy nananany miaraka amin’ny namana rehefa zoma alina. Taloha kelin’ny niantsoany ny iray tamin’izy ireo io alina io dia niantso ny namana mpiaraka manao fampianarana isan-tokantrano taminy raha afaka ny handeha hiaraka aminy ilay zatovolahy mba hanampy ny iray amin’ireo fianakaviana nampandraiketina azy ireo noho ny filan’izy ireo maika.

  • Inona avy ireo safidy azon’io olona io atao?

  • Inona no azon’io olona io atao mba hanehoany ny fitiavany ny Tompo? Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’izany asa atao izany ny fitiavana ny Tompo?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Holland ity:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tsy fantatro izay zavatra mety hitranga amin’ny Andro Fitsarana, kanefa ho gaga ihany aho raha toa Andriamanitra ka tsy hametraka ilay fanontaniana napetrak’i Kristy tamin’i Petera izay manao hoe: ‘Moa tia ahy ve ianao?’” (“Ny Didy Lehibe Voalohany,” 84).

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana ny hitia ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mihoatra ny zavatra rehetra sy ny fanehoana izany fitiavana izany amin’ny famahanana ny ondrin’Izy ireo.

Resaho ireo zavatra voatanisa ao anatin’ilay fo eo amin’ny solaitrabe sy ilay fanontaniana voasoratra eo akaikin’ireo zavatra ireo: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” Tsipiho ny teny hoe ireto, dia asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina :

  • Raha nametraka io fanontaniana io taminao i Jesoa, inona no heverinao fa mety ho tiany holazaina amin’ny hoe “ireto” eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no hamalianao ny fanontaniany?

Rehefa mamarana ireo Filazantsara ianao dia manasà mpianatra maromaro hizara ny zavatra nosoratany ho an’ny asa nampanaoviana azy ireo tao amin’ny lesona ho an’ny andro 4 tao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ilay tantara, na zava-nitranga, na fampianarana avy amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany izay nanampy azy ireo hino na hanamafy orina ny finoan’izy ireo fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra.

Fizarana Manaraka (Asan’ny Apostoly 1–5)

Asao ny mpianatra hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto mandritra ny fandalinan’izy ireo ny Asan’ny Apostoly 1–5: Iza no hitarika ny Fiangonana taorian’ny nahafatesan’i Jesoa sy ny nitsanganany tamin’ ny maty? Ahoana no nifidianana ireo Apôstôly hafa? Inona no fahagagana nitranga tamin’ny andron’ny Pentekôsta? Ahoana no niasan’ny Fanahy Masina tamin’ilay fahagagana tamin’izay andro izay? Inona no fahagagana notanterahin’i Petera tao amin’ny tempoly, ary inona no nitranga tamin’i Petera noho izany? Inona no nitranga tamin’i Ananiasy sy i Safira noho izy ireo nandainga tamin’ny mpitarika azy ireo tao amin’ny fisoronana?