Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Lioka 18–Jaona 1 (Fizarana 12)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Lioka 18Jaona 1 (Fizarana 12)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana manaraka an’ireo zava-nitranga, fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra ity tamin’izy ireo nandalina ny Lioka 18Jaona 1 (fizarana 12) dia tsy natao ho ampianarina mandritra ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Lioka 18–21)

Nianatra ireo fanoharana momba ilay mpitsara tsy marina sy momba ny Fariseo sy ny mpamory hetra ny mpianatra tato amin’ity lesona ity. Namaky mikasika ny lehilahy jamba iray izay nikatsaka ny fanampian’ny Tompo sy momba an’i Zakaiosy koa izy ireo. Nianaran’ny mpianatra avy amin’ireo tantara ireo fa raha mahitsy fo sy maharitra isika rehefa mampihatra finoana ny Tompo dia afaka mahazo ny famindram-pony.

Andro 2 (Lioka 22)

Rehefa namaky ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Petera ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa rehefa miova fo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia afaka manamafy orina ny hafa. Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto koa ireo mpianatra rehefa namaky mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane: Raha vonona ny hankatò ny Ray any An-danitra isika dia hanome antsika hery hanao ny sitrapony Izy. Be dia be ny dinitra ra nivoaka tamin’i Jesoa Kristy rehefa nijaly tao amin’ ny sahan’ i Getsemane Izy.

Andro 3 (Lioka 23–24)

Tato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia namaky momba ny fanomboana, ny fandevenana, ary Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto izy ireo: Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hamela ireo izay nanao ratsy tamintsika. Amin’ny fotoana hahafatesan’izy ireo dia miditra ao amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahin’ny olona rehetra. Manana vatana nofo sy taolana nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.

Andro 4 (Jaona 1)

Rehefa nandalina ny tenin’i Jaona ilay Lalaina sy i Jaona Mpanao Batisa ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa niaraka tamin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy tany am-piandohana, fa Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary Izy no Fahazavan’izao tontolo izao. Rehefa namaky mikasika ny fomba nahafantaran’ny sasany tamin’ireo mpianatra an’i Jesoa Kristy ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa rehefa manaiky ny fanasana mba hanaraka an’i Jesoa Kristy isika dia hahazo fijoroana ho vavolombelona antsika manokana momba Azy.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba hanasana ny Fanahy Masina mba hampianatra azy ireo mikasika an’i Jesoa Kristy. Ankoatra izay dia hianatra izy ireo fa olona efa nitsangana tamin’ny maty manana vatana nofo sy taolana i Jesoa Kristy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Lioka 24:13–32

Niresaka tamin’ny mpianatra roa teny amin’ny lalana mankany Emaosy ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty.

Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa ka efa nananosarotra tamin’izy ireo ny namantatra raha marina ny fomba fihevitra iray momba ny filazantsara.

Hazavao fa ao amin’ny Lioka 24:13 isika dia mianatra fa nisy mpianatra roa niala tao Jerosalema tamin’ny andro izay nahitan’ny andiam-behivavy iray ilay fasan’i Jesoa izay foana. Nanao dia tokotokony ho 10–12 kilaometatra teo izy ireo mba “hankany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy.” ny fandalinantsika ny zavatra niainan’izy ireo teny amin’ny lalana nankany Emaosy dia afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Lioka 24:14–17. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny olona izay nanatona ireo mpianatra roa rehefa nandeha izy ireo.

  • Iza no nanatona ireo mpianatra rehefa nandeha nankany Emaosy izy ireo?

  • Nahoana ireo mpianatra no tsy nahafantatra an’i Jesoa? (Hazavao fa ny teny hoe nohazonina ao amin’ny Lioka 24:16 dia midika hoe nosakanana na notampenana.)

Asao ireo mpianatra hifandimby hamaky mafy ny Lioka 24:17–33. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nianaran’ireo mpianatra avy amin’i Jesoa rehefa nandeha niaraka taminy izy ireo kanefa tsy nahafantatra hoe iza Izy.

video iconRaha misy amin’ny fiteninareo izany dia azonao atao ny maneho ho solon’ny famakiana ny Lioka 24:17–33 ilay horonantsary mitondra ny lohateny hoe “Christ Appears on the Road to Emmaus” (Niseho teo amin’ny lalana mankany Emaosy i Kristy) (3:32) avy amin’ny Life of Jesus Christ Bible Videos (Horonantsary mahakasika ny Baiboly mikasika ny Fiainan’i Jesoa Kristy), izay azo jerena ao amin’ny LDS.org. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nianaran’ireo mpianatra avy amin’i Jesoa rehefa nandeha niaraka taminy izy ireo kanefa tsy nahafantatra hoe iza Izy. Alohan’ny hanehoana ilay horonantsary dia hazavao fa ny resaka nifanaovana ao amin’ilay horonantsary dia nalaina avy ao amin’ny Lioka 24:17–33 mba hahafahan’ny mpianatra manaraka izany ao amin’ny soratra masiny raha tiany.

Hazavao fa tsy mahare ny zavatra nampianarin’i Jesoa an’ireo mpianatra teny am-pandehanan’izy ireo isika ato amin’ity horonantsary ity. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Lioka 24:27. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampianarin’i Jesoa an’ireo mpianatra.

  • Inona no nampianarin’i Jesoa an’ireo mpianatra?

  • Inona no fitaovana nampiasainy mba hampianarana momba ny Tenany? (Ny Soratra Masina.)

  • Midika inona ilay hoe nangorakoraka ny fon’ny mpianatra ao amin’ny andininy 32? (Nijoro ho vavolombelona ny Fanahy Masina fa marina ireo fampianarana mikasika an’i Jesoa ao anaty soratra masina.)

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra mety nianaran’ny mpianatra avy amin’i fampiasan’i Jesoa ny soratra masina hampianarana azy ireo fa tsy hanambarana fotsiny ihany hoe iza Izy. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny.

  • Inona no fitsipika ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fiantraikan’ny fandalinantsika manokana ny soratra masina? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia manasa ny Fanahy Masina hampianatra antsika mikasika an’i Jesoa Kristy.)

  • Ankoatra ny fangorakorahan’ny fontsika dia ahoana koa no hamaritanao ny zavatra mety ho tsapantsika rehefa mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina?

Angataho ny mpianatra hanoro soratra masina iray izay nanampy azy ireo nahatsapa ny Fanahy Masina nampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hizara ny soratra masiny sy ny fiantraikan’ny zavatra tsapan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara soratra masina iray izay nanampy anao manokana.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na dia zava-dehibe aza ny mamaky ny Testamenta Vaovao mba hahazoana naoty tsara amin’ny seminera dia mbola manan-danja kokoa noho izany ny mandalina ny soratra masina amin’ny fomba izay manasa ny Fanahy Masina mba hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy.

handout iconRaha misy izany dia manomeza fanamariham-pejy misy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, na asao ny mpianatra hanoratra ilay teny nambara amin’ny taratasy fotsy na amin’ny karatra izay azo ampiasaina hatao fanamariham-pejy. (Misy taratasy amin’ny endriny PDF misy karazana fanamariham-pejy ary azo atao printy ao amin’ity lesona ity ao amin’ny internet.)

taratasy zaraina, soratra masina

Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera—Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano (Fizarana 12)

Loholona D. Todd Christofferson

“Ny tena tanjon’ny soratra masina rehetra amin’ny farany dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka lahiny. …

“… Ny finoana dia azo avy amin’ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona amin’ny fanahintsika, izany hoe Fanahy mankany amin’ny fanahy, rehefa mandre na mamaky ny tenin’ Andriamanitra isika. Ary mihamafy orina ny finoana rehefa manohy mamoky ny tenantsika amin’ny teny isika. …

“… Halalino tsara sy amim-pahamalinana ny soratra. Saintsaino izany ary mivavaha mikasika izany. Ny soratra masina dia fanambarana ary mbola hitondra fanambarana fanampiny” (D. Todd Christofferson, “Ny fiatahiana avy amin’ny soratra masina,” Ensign na Liahona, mey 2010, 34–35).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Loholona Christofferson. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ireo fomba izay azon’izy ireo hanatsarana ny fandalinany manokana ny soratra masina.

Asao ny mpianatra hametraka tanjona mba handalina ny soratra masin’izy ireo amin’ny fomba izay manasa ny Fanahy Masina hampitombo ny finoany sy ny fahalalany mikasika an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mandroso sosokevitra ny hanoratan’izy ireo an’io tanjona io ao ambadiky ny fanamariham-pejin’izy ireo mba hahafahany mampiasa izany ho toy ny fampahatsiahivana mandritra ny fandalinany soratra masina.

Lioka 24:36-39

Niseho tamin’ny mpianany i Jesoa ary nampiseho azy ireo ny vatany efa nitsangana tamin’ ny maty.

Hazavao fa niverina avy hatrany tany Jerosalema ireo mpianatra niaraka tamin’i Jesoa teny amin’ny lalana nankany Emaosy ka nitantara ny zavatra niainany tamin’ireo Apôstôly sy ireo mpianatra hafa (jereo ny Lioka 24:33–35).

Asao ireo mpianatra hiara-hamaky mafy ilay andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Lioka 24:36–39, ka hitady ny zavatra niseho raha mbola nitantara ny zavatra niainany tamin’ireo mpianatra ireo mpianatra roa.

  • Inona no nitranga raha mbola nitantara ny zavatra niainany tamin’ireo mpianatra ireo mpianatra roa?

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Mampiseho ny ratra tamin’ny vatany i Jesoa (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 60; jereo koa ny LDS.org).

  • Nasain’i Jesoa nanao Inona no mpianany mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa tsy fanahy fotsiny ihany Izy fa nanana vatana?

  • Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hahita fotopampianarana samihafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hanamafisana fa Olona efa nitsangana tamin’ny maty manana vatana nofo sy taolana i Jesoa Kristy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fotopampianarana io. Jereo koa ny F&F 130:22.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizaran ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy hanazava ny antony maha-manan-danja io fotopampianarana io amin’izy ireo, na asao izy ireo hizara ny zavatra nosoratany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny asa nampanaovina 3 avy ao amin’ny fizarana 12: Lesona amin’ny Andro 3. Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny tena fisian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Fizarana Manaraka (Jaona 2–6)

Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Jaona 2–6 izy ireo dia hahalala ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no fahagagana voalohany nataon’i Jesoa ampahibemaso? Nanampy ny reniny tamin’ny fomba ahoana izany? Nahoana izy no nanadio ny tempoly? Tamin’iza no nilazan’i Jesoa voalohany fa Izy no Mesia? Inona no zavatra momba ny fiainan’ilay vehivavy izay nampahafantariny azy, ary Izy irery ihany no afaka nahalala izany? Nahoana ny Mpamonjy no niantso ny Tenany hoe rano velona sy Mofon’aina? Hamaky mikasika ny fanompoan’i Jesoa Kristy tamim-boninahitra sy tamin-kery koa ny mpianatra.