Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Apokalypsy 1–11 (Fizarana 31)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Apokalypsy 1–11 (Fizarana 31)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny Apokalypsy 1–11 (fizarana 31). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Apokalypsy1–3)

Rehefa nandalina ny fanambarana nozarain’ny Apôstôly Jaona ny mpianatra dia nianatra fa rehefa mamaky sy mikatsaka ny hahazo ary hankatò ny tenin’ny Tompo isika dia hotahiana. Nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana i Jaona fa miahy sy mikarakara ireo mpanaradia Azy mahatoky i Jesoa Kristy ary olona be voninahitra nitsangana tamin’ny maty izay manana hery handresena ny fahafatesana sy ny helo Izy. Nianatra ihany koa ny mpianatra fa rehefa manokatra ny varavarana ho an’ny Mpamonjy isika dia hiditra ao amintsika Izy ka hiara-hisakafo amintsika.

Andro 2 (Apokalypsy4–5)

Tato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia namaky mikasika ny fahitan’i Jaona ny Zanakondrin’ Andriamanitra ary nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto: Rehefa manaiky ny halehibeazan’ny Ray any An-danitra isika dia maniry ny hitsaoka sy hidera Azy. I Jesoa Kristy no ilay hany mendrika sy afaka manavotra antsika. Rehefa mahita sy mahatsapa fankasitrahana noho ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho antsika isika dia maniry ny hitsaoka sy hidera Azy ireo.

Andro 3 (Apokalypsy 6–7)

Rehefa nianatra mikasika ireo tombokase fito ny mpianatra dia nahafantatra fa raha miaritra fahoriana amim-pahatokiana isika ary lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hahazo ny voninahitra selestialy miaraka amin’ Andriamanitra.

Andro 4 (Apokalypsy 8–11)

Ny mpianatra dia nijery indray ilay fitsipika hita tao amin’ny lesona tamin’ny andro 3 rehefa nianatra mikasika ny fahitan’i Jaona ny fanokafana ny tombokase fahafito.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra hataon’ny Tompo ho antsika satria fantany sy tiany isika. Ankoatra izany dia afaka manampy ny mpianatra hahalala ny zavatra tokony hataony mba hahazoana ny fiainana mandrakizay ity lesona ity.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Apokalypsy 2–3

Manoratra ny tenin’i Jesoa Kristy amin’ireo mpitarika ao amin’ireo fiangonana fito i Jaona

Fanamarihana: Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa mikasika ny torolalana nomen’ny Tompo an’ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ireo Fiangonana fito dia azonao atao ny mijery ny New Testament Student Manual [Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 531–32.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka izay notantarain’ny Rahavavy Sydney S. Reynolds, mpanolotsaina taloha tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra azon’izy ireo ianarana mikasika ny Tompo avy amin’io tantara io.

Sydney S. Reynolds

“Nipetraka nandritra ny taona maro tany Brésil Rahavavy Gayle Clegg ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany sy ny vadiny. Vao haingana izy no nahazo andraikitra ho any Japana amin’ny maha-mpitarika azy ao amin’ny Kilonga. Rehefa niditra tao amin’ny trano fiangonana izy ny alahady dia nahatsikaritra fianakaviana Breziliana teo anivon’ireo Olomasina Japôney. … Iray minitra monja no nananany mba hiarahabana azy ireo dia hitany fa nafana fo ery ilay renim-pianakaviana sy ny zanany saingy tsikariny fa toa tsy dia be teny kosa ilay raim-pianakaviana. ‘Hanana fahafahana hiresahana amin’izy ireo aho aorian’ny fivoriana,’ hoy izy tao an’eritreriny teo am-pitarihana azy haingankaingana ho eny amin’ny lampihazo. Nozarainy tamin’ny teny Anglisy ny hafany, izay nadika tamin’ny teny Japôney, ary taorian’izay izy dia nahatsapa fitaomam-panahy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany tamin’ny teny Pôrtogey ihany koa. Nisalasala izy satria tsy nisy mpandika teny tamin’ny teny Pôrtogey, ary ny 98 isanjaton’ny olona dia tsy hahatakatra ny zavatra lazainy.

“Taorian’ilay fivoriana dia nanatona azy ilay raim-pianakaviana Breziliana ka niteny hoe ‘Rahavavy a, tena hafa be mihitsy ny kolontsaina aty ary irery nandritra ny fotoana naharitraritra aho. Sarotra ny mandeha aty am-piangonana kanefa tsy mahatakatra na inona na inona. Indraindray aho dia manontany tena raha toa ka mety amiko kokoa ny mamaky fotsiny ny soratra masina any an-trano. Nilaza tamin’ny vadiko aho hoe: “Andraso fa mbola hanandrana indray mandeha aho,” ka dia tonga aho androany, izay noheveriko fa ho fotoana farany hankanesako aty am-piangonana. Rehefa nizara fijoroana ho vavolombelona tamin’ny teny Pôrtogey ianao dia nikasika ny foko ny Fanahy, ka dia fantatro fa ato no tokony hisy ahy. Fantatr’ Andriamanitra fa eto aho ary hanampy ahy Izy’” (“He Knows Us; He Loves Us,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 76).

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Tompo avy amin’io zavatra niainana io?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny tsy feno ity: Koa satria mahafantatra antsika tsirairay avy ny Tompo … Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Apokalypsy 2–3 mba hitady ireo fahamarinana izay manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra azon’ny Tompo atao ho azy ireo satria mahafantatra azy ireo Izy.

Hazavao fa ny Apokalypsy 2–3 dia ahitana ny firaketan’i Jaona ny tenin’i Jesoa Kristy ho an’ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ireo Fiangonana fito tao Asie Mineure (Turquie amin’izao fotoana izao).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 2:1–3, 6 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra fantatry ny Tompo mikasika ireo Olomasina tao Efesosy.

  • Inona no fantatry ny Tompo mikasika ireo Olomasina tao Efesosy? (Hazavao fa ilay teny hoe Nikolaita ao amin’ny andininy 6 dia mety nentina niantsoana vondrona iray ka ny mpikambana tao anatin’izany dia nanambara fa afaka nandika ny lalàn’ny fahadiaovam-pitondrantena izy ireo kanefa tsy voasazy satria hanavotra azy ireo ny fahasoavan’ Andriamanitra [jereo ny Bible Dictionary, “Nicolaitans”].)

Hazavao fa ireo andininy ireo dia milaza fa ny Tompo dia nandoka na nidera ny Olomasina noho ny asa tsara nataon’izy ireo. Ampio ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba ho lasa toy izao manaraka izao: Koa satria mahafantatra antsika tsirairay avy ny Tompo dia afaka midera antsika manokana Izy …

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 2:4–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady izay zavatra hafa fantatry ny Tompo momba ireo Olomasina tao Efesosy.

  • Inona koa ny zavatra fantatry ny Tompo momba ireo Olomasina tao Efesosy?

Hazavao fa nanitsy ireo Olomasina ny Tompo noho ny fahotan’izy ireo. Fenoy tanteraka ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba hampita ity fahamarinana manaraka ity: Koa satria mahafantatra antsika tsirairay avy ny Tompo dia afaka midera sy manitsy antsika manokana Izy.

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika mandray dera sy fanitsiana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo? (Amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika manokana, fandalinana soratra masina, torohevitra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo ray aman-dreny, ary ny tsodranon’ny patriarika.)

  • Misy fiantraikany eo amin’ny fomba hanaovantsika ny fandalinantsika manokana ny soratra masina sy ny vavaka amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa afaka midera sy manitsy antsika manokana ny Tompo? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izany mitondra fiantraikany eo amin’ny fomba fihetsitsika manoloana ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana sy ireo ray aman-drenintsika?

  • Nahoana isika no tokony hanao ezaka hikatsaka dera sy fanitsiana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Tompo?

  • Oviana ianareo no nahazo dera na fanitsiana manokana avy tamin’ny Tompo? Ahoana no nanampian’io zavatra niainana io anao hahafantatra fa mahafantatra anao manokana ny Tompo? (Ampitandremo ny mpianatra mba tsy hizara zavatra niainana izay saropady na mahakasika be loatra ny tena manokana. Afaka mizara zavatra niainanao koa ianao.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny asa izay heverin’izy ireo fa mety hideran’ny Tompo azy ireo ary koa ny eritreritra sy ny fihetsika izay mety hanitsian’ny Tompo azy ireo. Amporisiho ny mpianatra hametraka tanjona ny hibebaka rehefa manitsy azy ireo ny Tompo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 2:7. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandresy na maharitra hatramin’ny farany amim-pahatokiana.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandresy na maharitra hatramin’ny farany amim-pahamarinana?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “hihinana ny avy amin’ny hazon’aina”? (andininy 7).

  • Mety ho nanampy ny Olomasina tao Efesosy tamin’ny fomba ahoana ny fandrenesana io fitahiana nampanatenaina taorian’ny nahazoana fanitsiana ho an’ny tena manokana io?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ankoatra ny firesahana tamin’ireo vondron’ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonana tao Efesosy dia niresaka tamin’ireo vondron’ny mpivavaka hafa tao Asie Mineure ny Tompo.

Zarao ho vondrona dimy ny mpianatra ary omeo anjara iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny vondrona tsirairay:

  1. Apokalypsy 2:8–11

  2. Apokalypsy 2:12–17

  3. Apokalypsy 2:18–29; (Omeo ny vondrona izay mahazo ity andinin-tsoratra masina ity ny tahadikan’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 2:26–27 : “Ary izay maharesy ka mitandrina ny didiko hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny fanjakana maro; ary hanapaka azy ire amin’ny tenin’ Andriamanitra izy; ary ho eo an-tanany tahaka ireo lovia tanimanga eo an-tanan’ny mpanao vilany tany izy ireo, amin’ny rariny sy hitsiny, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko.”)

  4. Apokalypsy 3:1–6; Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 3:1 ; Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 3:2 (Omeo ny vondrona izay mahazo ireo andinin-tsoratra masina ireo ny tahadikan’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 3:1–2: “Ary soraty ho amin’ny mpanompon’ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’Ilay manana ny kintana fito, izay ny mpanompo fiton’Andriamanitra: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany. Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro”.)

  5. Apokalypsy 3:7–13

Asao ny mpianatra hamaky ao anatin’ny vondrona misy azy ireo, ireo andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ary hitady ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ireo Olomasina sy ireo fitahiana nampanantenainy fa horaisin’izy ireo raha manao izany izy ireo. Hazavao fa ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ilay “mana miafina” ao amin’ny Apokalypsy 2:17 dia ilay “mofon’aina, ny teny tsaran’ Andriamanitra, ny fotopampianaran’ilay Izy izay mofon’aina—ary ireo rehetra ireo dia afenina amin’ny sain’ny nofo. Ireo izay mihinana izany dia tsy ho noana intsony. Ny fiainana mandrakizay no lovan’izy ireo amin’ny farany” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:451).

Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ny olona iray avy amin’ny vondrona tsirairay hitatitra ny zavatra hitan’ny vondrona misy azy. Asao ny mpianatra iray hanoratra eny amin’ny solaitrabe (eo ambanin’ilay fitahiana nampanatenaina avy amin’ny Apokalypsy 2:7) ny fitahiana nampanantenaina izay hitan’ny vondrona tsirairay (jereo ny Apokalypsy 2:11, 17, 26; 3:5, 12). Rehefa feno ilay lisitra dia hazavao fa ny tsirairay amin’ireo fampanantenana ireo dia miresaka ny fahazoana ireo fitahian’ny fisandratana izay miankina amin’ny faharetantsika hatramin’ny farany amim-pahatokiana.

  • Inona no fitsipika azontsika fantarina avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ireo fitahian’ny fisandratana? (Ampio ny mpianatra hitady fitsipika iray mitovy amin’ity manaraka ity: Raha mandresy isika dia afaka handray ireo fitahian’ny fisandratana.)

Hazavao fa ireo izay mandray ny fitahian’ny fisandratana dia ireo izay mandresy amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ny sakana rehetra izay mety manakana azy ireo tsy hiverina any Aminy. Hita ao anatin’izany ny fomban’izao tontolo izao, ireo fitsapana, fahotana ary fahafatesana.

Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra ilain’izy ireo resena eo amin’ny fiainany. Asao izy ireo hivavaka sy hangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra mba handresy ireo sakana izay mety hanakana azy ireo tsy hiverina any Aminy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny Ray any An-danitra mba hanampy azy ireo handresy izay mety ho sakana.

Fizarana Manaraka (Apokalypsy 12–22)

Anontanio ny mpianatra raha efa nanontany tena mikasika ny Fitsarana Farany sy ireo trangan-javatra izay niseho tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana izy ireo. Inona no nosoratan’ny Apôstôly Jaona mikasika ilay Ady tany an-danitra? Firy no voaroaka niaraka tamin’i Satana? Ho toy ny ahoana ny Fitsarana Farany? Hotsaraina amin’ny alalan’ny inona isika rehefa mijoro eo anatrehan’ Andriamanitra? Ahoana no namaritan’i Jaona ny hakanton’ny tontolo selestialy? Hazavao fa rehefa mandalina ny Apokalypsy 12–22 izy ireo mandritra ny herinandro ho avy dia hianatra hamaly ireo fanontaniana ireo.