Lesona 125
Filipiana 4
Fampidirana
Nampianatra ireo Olomasina tao Filipo i Paoly mba hivavaka mandrakariva sy hikatsaka izay marina rehetra. Nambarany ihany koa ny fahatokisana ny tanjaka ahafahana manao zavatra avy amin’i Jesoa Kristy. Nofaranan’i Paoly ny epistiliny tamin’ny fanehoana fisaorana iray hafa ho an’ireo Olomasina Filipiana noho ny fanohanana nomen’izy ireo azy tao anatin’ny fotoana nilany izany.
Sosokevitra enti-mampianatra
Filipiana 4:1–14
Nampianatra ireo Olomasina tao Filipo i Paoly mba hivavaka mandrakariva sy hikatsaka izay marina rehetra.
Alohan’ny fotoam-pianarana, dia soraty amin’ny taratasy mitsitokantokana ireto teny manaraka ireto, ary omeo ny mpianatra samy hafa ny taratasy tsirairay:
“Sahiran-tsaina amin’ fiatrehana fanadinana iray atsy ho atsy aho.”
“Sahiran-tsaina momba ny olona iray ao amin’ny fianakaviako izay marary aho.”
“Sahiran-tsaina amin’ny fahafahako mijoro amin’ireo zavatra izay inoako aho.”
“Sahiran-tsaina aho raha toa ka afaka ny ho misiônera mahomby na tsia.”
Atombohy ny lesona amin’ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe sahiran-tsaina. Hazavao fa mandritra ny fiainantsika iray manontolo dia hiaina olana na toe-javatra miseho izay mety hitarika antsika ho sahiran-tsaina isika. Asao ireo mpianatra izay manana ireo taratasy mba hijoro ary hamaky tsirairay ireo teny ananan’izy ireo. Asao ny mpianatra rehetra hieritreritra ireo fotoana izay naha-sahiran-tsaina azy ireo toy izany.
-
Inona ireo ahiahy hafa mety hiainantsika noho ireo olana na toe-javatra sarotra izay miseho?
Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina momba ny olana iray izay maha-sahiran-tsaina azy ireo na manahiran-tsaina ny olona iray izay fantatr’izy ireo. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Filipiana 4 mba hitady fahamarinana iray izay afaka manampy azy ireo rehefa miahiahy izy ireo.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ao amin’ny epistilin’i Paoly ho an’ireo mpikambana tany Filipo dia nidera ny fahatokian’ireo mpikamban’ny Fiangonana izy (jereo ny Filipiana 2:12) ary nampianatra azy ireo momba ireo valisoa mandrakizay izay ho azon’ireo izay manao fahafoizana ho an’i Jesoa Kristy sy mahatoky Azy. Fintino ny Filipiana 4:1–5 amin’ny fanazavana fa nanoro hevitra ireo Olomasina i Paoly mba hijoro ho mafy orina amin’ny fahatokiana ny Tompo, mba hifaly ao amin’ny Tompo, ary hampiseho amin’ny olona ny halemem-panahin’izy ireo (ny teny grika hoe fandeferana dia azo adika hoe halemem-panahy ihany koa).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fehezanteny voalohany ao amin’ny Filipiana 4:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hitady ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina. Hazavao fa ilay andian-teny hoe “aza manahy na inona na inona” dia midika hoe aza miahiahy be loatra na inona na inona.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy, raha toa ka …
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny ambin’ny Filipiana 4:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay nasain’i Paoly hataon’ireo Olomasina ho solon’ny fiahiahiana. Azonao atao ny manazava fa ny fitalahoana dia fangatahana amim-panetrentena sy amim-kitsim-po.
-
Ahoana no hamintinanao ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny andininy 6? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra mba ho fehezanteny misy ny teny hoe “raha” izay mitovy amin’izao manaraka izao.) Amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy, raha toa ka mivavaka amin’ny fitalahoana sy nyfankasitrahana isika, …)
(Ampio ny teny hoe dia eo amin’ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Filipiana 4:7. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hitady ny fitahiana nampanantenain’i Paoly noho ny fivavahana amim-pitalahoana sy fankasitrahana. Hazavao fa ny teny hoe hiaro ao amin’ity andininy ity dia midika hoe hiambina.
-
Ahoana no hamintinanao ny fitahiana nampanantenain’i Paoly? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra ao aorian’ny dia. Tokony nahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy, raha toa ka mivavaka amin’ny fitalahoana sy fankasitrahana isika, dia hanome ny fiadanany ho antsika Andriamanitra.)
-
Rehefa sahiran-tsaina isika dia afaka manampy antsika hahazo fiadanana amin’ny fomba ahoana ny fanehoana fankasitrahana ao anatin’ireo vavaka ataontsika?
-
Miaro ny fontsika sy ny saintsika amin’ny inona ny fiadanan’ Andriamanitra?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ireo mpianatra mba hihaino ireo fomba fanampiny afaka hanampian’ny fiadanan’ Andriamanitra antsika:
“Satria manaja ny fahafahanareo misafidy ny Ray any an-danitra, dia tsy hanery anareo na oviana na oviana Izy hivavaka Aminy. Kanefa rehefa mampiasa io fahafahana misafidy io ianareo ka mampiditra Azy ao anatin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanareo andavanandro, dia hanomboka ho feno fiadanana, fiadanana mahafinaritra ny fonareo. Io fiadanana io no hahafahanareo hijery ireo olanareo amin’ny fomba fijery mandrakizay. Hanampy anareo hitantana ireny olana ireny amin’ny fomba fijery mandrakizay izany” (“Ataovy voalohany amin’ny laharampahameharaneo ny fampiasana finoana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 93).
-
Araka ny voalazan’ny Loholona Scott dia ahoana no ahafahan’ny fiadanan’ Andriamanitra manampy antsika amin’ireo olana mianjady amintsika?
-
Oviana ianao no nivavaka tamin’ny fitalahoana sy fisaorana nandritra ny fotoana nampatahotra ka nahazo ny fiadanan’ Andriamanitra?
Asaivo mijery ny ahiahy izay nosoratan’izy ireo teo aloha tato amin’ny lesona ireo mpianatra. Amporisiho izy ireo hivavaka amin’ny fitalahoana sy fisaorana fa tsy hatahotra kosa. Raha toa ka nanoratra momba ny ahiahy ananan’ny olona hafa ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hizara ity fitsipika ity amin’izany olona izany.
Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra fitsipika fanampiny izay nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Filipiana dia zarao telo ny iray kilasy. Asaivo mieritreritra ny sakafo tian’izy ireo indrindra ny ampahatelon’ny kilasy, ny ampahatelony iray hafa hieritreritra momba ny sary na tantara mahatsikaiky iray, ary ny ampahatelony ambiny hieritreritra momba ny sary na zavatra iainana ao anatin’ny tempoly. Asao ny mpianatra hampifantoka ny sain’izy ireo amin’izany eritreritra izany mandritra ny 30 segaondra.
-
Inona no vokatra teo aminao, raha misy, noho ny fifantohana tamin’izany eritreritra izany?
Mariho fa izay eritreretintsika dia afaka misy fiantraikany eo amin’ireo faniriana sy fitondrantenantsika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Filipiana 4:8–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay nasain’i Paoly neritreretin’ireo Filipiana sy nataon’izy ireo. Azonao atao ny manazava fa ny hoe “hevero” dia midika hoe eritrereto amim-pitandremana sy tsy tapaka.
Asao ny mpianatra hanisy marika ny karazan-javatra tsirairay izay nasain’i Paoly nifantohan’ny eritreritry ny Olomasina.
-
Ankoatra ny fieritreretana ireo zavatra ireo dia inona no torohevitra nomen’i Paoly mba hataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana?
-
Inona no fitahiana nampanantenain’i Paoly an’ireo Olomasina raha toa ka manaraka ireo fampianarany sy ny ohatra nasehony izy ireo?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina mahatoky ao amin’ny Filipiana 4:8–9? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ny Olomasina mahatoky ka mampifantoka ny eritreritr’izy ireo amin’izay mendrika, na inona na inona izany ary raha toa ka manaraka ireo apôstôly sy mpaminany izy ireo dia hiaraka amin’izy ireo ilay Andriamanitry ny fiadanana.)
-
Misy fiantraikany amin’ireo faniriantsika sy ny fitondrantenantsika amin’ny fomba ahoana ny fampifantohana ny eritreritsika amin’izay mendrika, na inona na inona izany?
Asaivo mijery ny Fanekem-pinoana ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ny iray kilasy. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ireo fitoviana amin’ny Filipiana 4:8.
-
Inona no fitoviana izay tsikaritrao eo amin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo?
Hazavao fa rehefa nitanisa ity “fananaran’i Paoly” avy tao amin’ny Filipiana 4:8 ity tao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo ny Mpaminany Joseph Smith dia novainy ny hoe “hevero ireny zavatra ireny” tamin’ny hoe “mikatsaka ireny zavatra ireny isika”, izay mandrisika hanao zavatra bebe kokoa.
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe amintsika ny mikatsaka ireo zavatra izay mendrika, marina, madio, mahate-ho-tia, tsara sy mendri-piderana?
-
Manampy antsika hampifantoka ny eritreritsika amin’ny zavatra toy izany amin’ny fomba ahoana ny fikatsahana ireo zavatra ireo?
Zarazarao ho vondrona ahitana olona telo na efatra ny mpianatra. Omena tahadikan’ny Jeunes Soyez Forts (kiboky, 2011) sy ity taratasy zaraina manaraka ity ny vondrona tsirairay. Omeo roa amin’ireto lohahevitra manaraka ireto avy ao amin’ny Jeunes Soyez Forts ny vondrona tsirairay: “Fampiarahana,” “Fitafy sy fihaingo,” “Fianarana,” “Fialam-boly sy haino aman-jery,” “Namana,” “Fiteny,” ary “Hira sy dihy.” (Ampifanaraho amin’ny isan’ny mpianatra ao amin’ireo vondrona ny isan’ireo lohahevitra, miankina amin’ny habetsahan’ny mpianatra.) Asaivo manaraka ireo torolalana ao amin’ilay taratasy zaraina ny mpianatra.
Filipiana 4:8-9
Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera—Lesona 125
Soraty eto ny lohahevitra nomena anareo:
Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ho an’ny tsirairay amin’ireo lohahevitra ireo:
-
Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny toromarika nomen’i Paoly ao amin’ny Filipiana 4:8–9 mba hitarika ireo safidintsika izay mifandray amin’izany lohahevitra izany?
-
Rehefa miezaka ny hanaraka ny torolalan’i Paoly isika dia inona ireo olana izay mety hatrehantsika mifandray amin’izany lohahevitra izany?
Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:
-
Nahoana ny fananana ny fiadanan’ Andriamanitra no mendrika hanaovana ny ezaka amin’ny fikatsahana ireo zavatra marina sy ny fanarahana ireo apôstôly sy mpaminany?
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay avy mba hilaza amin’ny iray kilasy izay nifampiresahan’ny vondrona nisy azy momba ny fanontaniana tsirairay.
-
Rehefa nampifantoka ny eritreritrao tamin’ireo zavatra mendrika ianao dia tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’ilay Andriamanitry ny fiadanana fa niaraka taminao Izy?
Omeo fotoana ny mpianatra hanoratana ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina na ny kahieny ny fomba iray ahafahan’izy ireo manatsara ny ezaka ataony mba hampifantoka ny eritreritr’izy ireo amin’ireo zavatra mendrika ary hanaraka ireo apôstôly sy mpaminanin’ Andriamanitra.
Fintino ny Filipiana 4:10 amin’ny fanazavana fa nisaotra ireo Olomasina Filipiana i Paoly noho ny fanohanana sy ny fikarakarana natolotr’izy ireo azy nandritra ireo fitsapana nahazo azy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Filipiana 4:11-12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay nolazain’i Paoly tamin’ireo Olomasina fa nianarany.
-
Nianatra nanao inona i Paoly tao anatin’ireo toe-javatra niseho ireo?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Filipiana 4:13–14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady hoe iza no loharanon’ny tanjak’i Paoly.
-
Inona no voalazan’i Paoly fa loharanon’ny tanjaka nananany?
Hazavao fa ny tenin’i Paoly ao amin’ny andininy 13 dia milaza ny fahafahany, tao amin’ny tanjaka nomen’i Jesoa Kristy, mba hanao ireo zavatra rehetra izay nahafinaritra na notakian’ Andriamanitra, anisan’izany ny fahafahana mionona manoloana ny toe-javatra rehetra.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 13? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Mahay ny zavatra rehetra isika ao amin’Ilay mampahery antsika [jereo ihany koa ny Almà 26:12].)
-
Inona no azontsika atao mba hahazoana ny tanjaka izay omen’i Jesoa Kristy?
Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Asaivo henoin’ny mpianatra izay voalazan’i Aharôna fa tokony hataon’ilay mpanjaka.
“Andriamanitra [dia] mandrotsaka ireo fitahian’ny hery sy tanjaka, izay ahafahantsika manatontosa zavatra izay ho lavitra tsy azontsika takarina raha tsy izany. Amin’ny alalan’ny famindrampo mahagaga an’ Andriamanitra no ahafahan’ireo zanany manohitra ireo fakam-panahy mampidi-doza sy miafin’ilay mpamitaka, ary tsy manota intsony ka ‘ho tanteraka ao amin’i Kristy’ [Môrônia 10:32]” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 108).
-
Amin’ny fomba ahoana avy no mety hiainantsika izany tanjaka na famindrampo izany? (Ireo valinteny mety ho azo dia ahitana ny fahavononana, ny herim-po, ny faharetana, ny fahavitan-javatra hatramin’ny farany, ary ny angovo na hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy.)
-
Oviana i Jesoa Kristy no nanome anao tanjaka mba hanao zavatra tsara? (Azonao atao ny mizara zavatra niainanao manokana ihany koa.)
Filipiana 4:15–23
Nofaranan’i Paoly tamin’ny fanehoana fisaorana ny epistiliny ho an’ny Filipiana
Fintino ny Filipiana 4:15–23 amin’ny fanazavana fa nisaotra indray ireo Olomasina Filipiana i Paoly noho ny fanohanana azy nandritra ireo fotoana nilany izany. Fanatitra nahafaly an’ Andriamanitra ireo fanomezana nomen’ireo Olomasina, ary nampanantena i Paoly fa hanome izay ilain’izy ireo ihany koa Andriamanitra.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra tato amin’ity lesona ity.
Soratra Masina Fehezina—Filipiana 4:13
Ampio ny mpianatra mba hitadidy tsianjery ny Filipiana 4:13 amin’ny alalan’ny fanoratana ilay andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe sy ny fiarahana mamaky mafy izany. Fafao ny teny iray ao anatin’izany dia iaraho vakina mafy indray izany. Avereno izany mandrapahavoafafan’ny teny rehetra.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Filipiana 4:6. Maneho fisaorana eo anivon’ireo olana
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny fananana fitondrantena maneho fankasitrahana mitahy antsika ao anatin’ny toe-javatra manahirana mety hiainantsika, izay ahitana ireo izay mety hahatongana antsika hatahotra:
“Ny ankamaroan’ny soratra masina dia tsy miresaka momba ny fanehoana fankasitrana noho ireo zavatra miseho manokana fa manoro hevitra kosa ny mba hananana toe-panahy mahay mankasitraka lalandava. …
“Afaka misafidy ny haneho fankasitrahana isika na inona na inona mitranga.
“Io karazana fanehoam-pankasitrahana io dia misy foana na inona na inona mitranga manodidina antsika. Lehibe kokoa noho ny fahadisoam-panantenana sy ny fahakiviana ary ny famoizampo izany. …
“Rehefa maneho fankasitrahana an’ Andriamanitra isika ao anatin’ izay toe-javatra iainantsika dia afaka mahatsapa fiadanana mamy eo anivon’ny fitsapana. Na dia ao anatin’ny alahelo aza isika dia mbola afaka manandratra ny fontsika hidera an’ Andriamanitra. Na dia ao anatin’ny fijaliana aza isika dia afaka mifaly noho ny Sorompanavotan’i Kristy. Na dia ao anatin’ny ngidin’ny fahoriana aza isika dia afaka mahatsapa fitarihana masina izay mitondra fampaherezana sy fiadanana. …
“Mampivelatra ny fahitantsika sy manazava ny fomba fijerintsika ny fankasitrahana” (“Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy” Ensign na Liahona, mey 2014, 70, 75, 77).
Filipiana 4:6–7. Ny fiadanan’ Andriamanitra
Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra momba ny fiadanana izay tonga raha toa isika ka mivavaka:
“Hisy ny fotoana izay hahatonga anao ho raiki-tahotra sy ho kivy. Mety misy fotoana hahatsapanao ho nisaraka—lavitra mihitsy aza—amin’ilay Mpanome ny fanomezana tsara rehetra. Matahotra ny handeha irery ianao. Manolo ny finoana ny tahotra.
“Rehefa ao anatin’ny toe-javatra misy tahaka izany ianareo dia miangavy anareo aho mba hahatsiaro ny vavaka. Tiako ireo teny nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson mikasika ny vavaka. Hoy Izy:
“‘Nandritra ny fiainako iray manontolo, ny torohevitra mba hiantehitra amin’ny vavaka dia noderaina saika ho mihoatra ny torohevitra hafa rehetra … azoko. Nanjary ho ampahany tanteraka ato amiko izany—vatofantsika iray, loharanon’ny tanjaka tsy tapaka, ary fototry ny fahalalako momba ireo zavatra masina. …
“‘… Na dia mitranga aza ny mifanohitra amin’izany dia afaka mahita toky indray isika satria miresaka amin’ny fanahy Andriamanitra. Izany fiadanana izany, izany fahatsapana ho tony izany, no fitahiana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana’ [Ezra Taft Benson, ‘Pray Always,’ Ensign, feb. 1990, 4–5].
Nananatra ny Apôstôly Paoly hoe:
“‘Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
“‘Ary ny fiadanan’ Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy’ [Filipiana 4:6–7].
“Fampanantenana lehibe tokoa izany! Ny fiadanana no katsahantsika, izay iriantsika fatratra.
“Tsy napetraka teto amin’ity tany ity mba handeha irery isika. Tena loharanon’ny hery sy tanjaka ary fahatoniana izay omena antsika tsirairay izany” (“Tsy mandeha irery na oviana na oviana isika,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 121).
Filipiana 4:8. Ny fananaran’i Paoly
“Nananatra ireo Olomasina i Paoly mba ‘hihevitra’ (hieritreritra amim-pitandremana sy tsy tapaka) ireo zavatra izay marin-toetra, mahitsy, marina, madio, mahate-ho-tia, tsara laza (Filipiana 4:8). Rehefa nitanisa ity “fananaran’i Paoly” avy tao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo ity ny Mpaminany Joseph Smith dia novainy ny hoe ‘hevero ireny zavatra ireny’ amin’ny hoe ‘mikatsaka ireny zavatra ireny’ izay mandrisika hanao zavatra bebe kokoa (Fanekem-pinoana 1:13; nampiana sora-mandry). Niresaka mikasika ilay fananarana mba ‘hikatsaka ireny zavatra ireny’ ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“‘Ny teny hoe mikatsaka dia midika hoe mandeha mitady, miezaka ny hahita, miezaka ny hahazo. Mitaky fomba fiainana feno fahazotoana sy misy tanjona izany. … Mifanohitra amin’ny miandry fahatany ny zavatra iray mba ho avy amintsika izany, izay tsy misy ezaka avy amintsika.
“‘Afaka mameno ny fiainantsika amin’ny tsara isika ka tsy hamela toerana ho an’ny zavatra hafa rehetra. Maro ireo zavatra tsara azontsika isafidianana ka tsy mila mandray anjara amin’ireo faharatsiana isika. …
“‘Raha toa ka mikatsaka ireo zavatra izay mendrika sy maha-te ho tia isika dia ho hitantsika tokoa izany. Raha mikatsaka ny ratsy kosa isika dia hahita izany ihany koa’ (“Seeking the Good,” Ensign, mey 1992, 86)” (Testamenta Vaovao: Boky fandalinana ho an’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 437–38).
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoro hevitra an’ireo mpikamban’ny Fiangonana ihany koa mba “hitady izay tsara sy mampivoatra amin’ny zavatra rehetra”: …
“Noho ireo zavatra fanta-daza eo amin’izao tontolo izao, dia mety ho mora ny mampifantoka ny eritreritsika amin’ireo zavatra ratsy, na handany ny herintsika amin’ny anton-javatra na fikambanana mampiahiahy ny lanjany ary mampanontany tena ny vokatra ho azo. …
“Mieritreritra aho fa ireo Olomasin’ny Andro Farany dia manana adidy lehibe hiantsorohan’izy ireo mba hifaly ao amin’ny Tompo, hidera azy noho ny hatsarany sy ny famindrampony, hisaintsaina ireo fahamarinana mandrakizainy ao am-pon’izy ireo, ary hanankina ny fony amin’ny fahamarinana. …
“Misy lalàna mandrakizay, notendren’ Andriamanitra mihitsy mialoha ny fanorenana izao tontolo izao, fa ny olona rehetra dia hijinja izay nafafiny. Raha toa ka mieritreritra zavatra ratsy isika dia hamoaka fiteny maloto ny lelantsika. Raha toa ka miteny zavatra feno faharatsiana isika dia hiafara amin’ny fanaovana ny asan’ny faharatsiana. Raha toa ka mifantoka amin’ny zavatry ny nofo sy ny faharatsian’izao tontolo izao ny saintsika dia ho toa fomba fiainana mahazatra ho antsika ny fomban’izao tontolo izao sy ny faharatsiana. Raha toa ka misaintsaina ireo zavatra mifandraika amin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena ao an-tsaintsika isika dia tsy ho ela dia hieritreritra fa tsy madio fitondrantena sy maloto avokoa ny olona rehetra ary handrodana ilay fefy eo anelanelantsika sy izao tontolo izao izany. …
“Etsy ankilan’izay, raha toa ka mieritreritra ao am-pontsika ireo zavatra araka ny fahamarinana isika dia ho lasa olo-marina isika” (“Think on These Things,” Ensign, jan. 1974, 46–48).
Filipiana 4:13. Manome tanjaka ho antsika mba hanaovana ny zavatra tsara rehetra i Jesoa Kristy
Ny tanjaka izay omen’i Jesoa Kristy antsika mba hanaovana ireo zavatra tsara dia antsoina hoe famindrampo (see Bible Dictionary, “Grace”). Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra izao manaraka izao momba ity tanjaka izay omen’i Jesoa Kristy antsika ity mba hanaovana ireo zavatra tsara:
Ny fomba mahery vaika isehoan’izany fitiavan[i i Kristy] izany dia ilay matetika antsoin’ny soratra masina hoe famindrampon’ Andriamanitra—dia ilay fanampiana masina sy fanomezana hery izay ahafahantsika mivoatra avy amin’ilay olona tsy tanteraka sy manam-petra misy antsika amin’izao fotoana izao, ka ho tonga olona misandratra ao amin’ny “fahamarinana sy fahazavana, ambara-pahatonga antsika hankalazaina ao amin’ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:28]. …
“… Andriamanitra [dia] mandrotsaka ireo fitahian’ny hery sy tanjaka, ka ahafahantsika manatontosa zavatra izay ho lavitra tsy azontsika takarina raha tsy izany. Amin’ny alalan’ny famindrampo mahagaga an’ Andriamanitra no ahafahan’ireo zanany manohitra ireo fakam-panahy mampidi-doza sy miafin’ilay mpamitaka, ary tsy manota intsony ka ‘ho tanteraka ao amin’i Kristy’ [Môrônia 10:32].
“Na dia manana fahalemena avokoa aza isika rehetra, dia azontsika resena izy ireny. Eny, amin’ny alalan’ny famindrampon’ Andriamanitra dia tonga matanjaka ho antsika ny zavatra malemy, raha manetry tena sy manam-pinoana isika [jereo ny Etera 12:27].
“Mandritra ny androm-piainantsika, dia manolotra fitahiana ara-nofo sy fanomezana ara-panahy ny famindrampon’ Andriamanitra, izay manitatra ny fahafahantsika manao zavatra sy manatsara ny fiainantsika. Manadio antsika ny famindrampony. Manampy antsika ho tonga ilay tsara indrindra vitantsika ny famindrampony. …
“Moa ve takatsika ny trosantsika amin’ny Ray any An-danitra ka mitalaho amin’ny fanahintsika iray manontolo ny famindrampon’ Andriamanitra? ” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 107–9).
Ny Loholona John H. Groberg ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ohatra iray ny amin’ny fomba nanomezan’ Andriamanitra tanjaka ho an’ny lehilahy mahatoky iray ka nahatonga azy hahatontosa asa araka ny fahamarinana (jereo ny “The Lord’s Wind,” Ensign, nôv. 1993, 26–28).