Tahirim-pitaovana
Lesona 106: 1 Korintiana 7–8


Lesona 106

1 Korintiana 7–8

Fampidirana

Nampianatra ireo mpivady sy mpitovo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto momba ny fanambadiana sy ny asa fitoriana i Paoly. Rehefa namaly fanontaniana iray mikasika ny fihinanana hena natao fanatitra ho an’ny sampy i Paoly dia nampianatra ireo Olomasina mba hihevitra ny vokatry ny fomba fanaon’izy ireo manokana eo amin’ny hafa ary ho vonona ny tsy hanao intsony ireo fihetsika izay mety mitaona ny hafa ho tafintohina ara-panahy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Korintiana 7

Nanoro hevitra ireo mpivady sy mpitovo mpikamban’ny Fiangonana momba ny fanambadiana i Paoly

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity fanehoana an-tsary manaraka ity:

sarina zanatsipìka manondro

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny 1 Korintiana 7, dia ampahatsiahivo azy ireo fa, tahaka antsika, ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto dia niaina tao anatin’ny fiarahamonina nanana foto-kevitra nampikorontan-tsaina sy nampifanditra momba ny fanambadiana sy ny firaisana ara-nofo.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra tsaroanareo avy amin’ny fandalinanareo ny 1 Korintiana 5–6, dia inona avy ireo finoana diso neken’ny besinimaro tao Korinto mikasika ny firaisana ara-nofo?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny ilany ankavian’ilay fanehoana an-tsary eo ambanin’ny hoe “Finoana diso” izao manaraka izao: Azo ekena ny manao firaisana ara-nofo amin’izay tiana hanaovana izany.

Hazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto dia nanoratra tamin’ny Apôstôly Paoly mba hangataka fitarihana mikasika ny fenitry ny Tompo amin’ny fahadiovana ara-pitondrantena.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 7:1 ary angataho ny iray kilasy hikaroka fanontaniana iray napetrak’ireo Olomasina Korintiana tamin’i Paoly.

  • Inona no nanontanian’ireo Olomasina Korintiana an’i Paoly?

Hazavao fa ilay andian-teny hoe “dia tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory” ao amin’ny andininy 1 dia maneho fa ireo Olomasina Korintiana dia nanana fanontaniana hoe amin’ny fotoana manao ahoana no azo hanaovana firaisana ara-nofo ary azo atao ve izany sa tsia. Mety nisy olona nanontany raha toa ka tokony hanao firaisana ara-nofo, eny fa na ny olona efa manambady aza. Soraty eo amin’ny ilany ankavanan’ilay fanehoana an-tsary eo ambanin’ny hoe “Finoana diso” izao manaraka izao: Tsy azo ekena mihitsy ny manao firaisana ara-nofo na ao anatin’ny fanambadiana aza.

Hazavao fa ireo finoana diso anankiroa voasoratra eo amin’ilay fanehoana an-tsary ireo dia maneho fomba fijery diso tafahoatra loatra izay tsy mitovy amin’ny fenitry ny Tompo mikasika ny firaisana ara-nofo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 7:2–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny rehetra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Korintiana momba ny firaisana ara-nofo. (Mety ilainao ny manampy ireo mpianatra hahatakatra fa ny fijangajangana dia entina ilazana ny firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana ary ny hoe izay mety hatao dia entina ilazana ny fitiavana sy ny fifandraisana manokana eo amin’ny mpivady.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny nolazaina manaraka ity izay hita ao amin’ny Jeunes Soyez Forts:

“Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia zavatra tena kanto sy masina. Tendrin’ Andriamanitra izany mba hahariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady. Nandidy Andriamanitra fa ny firaisana ara-nofo dia natokana ho an’ny fanambadiana” (Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011], 35).

  • Raha miainga avy amin’izay vao avy novakintsika teo dia inona no azontsika ianarana momba ny firaisana ara-nofo? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ilay fanehoana an-tsary eo ambanin’ny hoe “fahamarinana” ity fahamarinana manaraka ity: Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia tendrin’ Andriamanitra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo mihaino ny antony maha-tendrin’ Andriamanitra ny firaisana ara-nofo ny iray kilasy.

Filoha Boyd K. Packer

“Tsy famenon’ny drafitry ny fahasambarana fotsiny ny hery ahafahana miteraka fa drafitry ny fahasambarana izany. Fanalahidy hahazoana ny fahasambarana izany.”

Ny faniriana hitady olona hiarahana dia misy foana ao anatin’ny olombelona ary tena mahery vaika izany. Miankina amin’ny fihetsitsika manoloana izany faniriana ara-batana tsy tapaka sy mandresy lahatra izany ny fahasambarantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy ny fifaliantsika ary ny fisandratantsika” (“Ny drafitry ny fahasambarana,” Ensign na Liahona, mey 2015, 26).

  • Inona no tanjona hanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady?

  • Nahoana ny hery ahafahana miteraka—ny fahafahana mamorona fiainana eto an-tany—no tena manan-danja ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Fintino ny 1 Korintiana 7:4–24 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra fa ny mpivady amin’ny ankapobeny dia tokony hifaneho fitiavana mifandray amin’ny fanambadiana hatrany, ireo mananotena sy nisara-panambadiana dia omena lalana ny hanambady indray raha misafidy ny hanao izany, ary ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony “hitoetra amin’ Andriamanitra” na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toe-javatra iainan’izy ireo. Tsy namporisika ny fisaraham-panambadiana ihany koa i Paoly.

handout iconMba hanampiana ny mpianatra hahita fahamarinana iray hafa avy amin’ny asasoratr’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7, dia zarao ho vondrona ahitana olona roa na telo ny mpianatra, dia omeo ny tahadikan’ity taratasy zaraina ity ny vondrona tsirairay:

taratasy zaraina

1 Korintiana 7:12–17

Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera—Lesona 106

Nisy mpikamban’ny Fiangonana nanana vady tsy Kristianina tao Korinto.

  • Inona avy ireo zava-tsarotra mety iainan’ireo mpivady tsy mitovy finoana?

Vakio mafy ny torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:12–17 an’ireo fianakaviana ireo izay tsy mpikambana ny olona sasany ao aminy mba hitadiavana ireo fahamarinana izay nampianarin’i Paoly fa afaka manampy ireo fianakaviana amin’izao fotoana izao, izay tsy mpikambana ny olona sasany ao aminy.

Fintino eto amin’ity faritra malalaka manaraka ity ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fitaomana afaka ananan’ireo mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana eo amin’ny fianakavian’izy ireo: .

  • Inona avy ireo ohatra efa hitanao ka nahitanao mpikamban’ny Fiangonana iray nanana fiantraikany tsara teo amin’ny olona tao amin’ny fianakaviana izay, na tsy mpikamban’ny Fiangonana na nalaindaina tao amin’ny Fiangonana?

Rehefa ampy tsara ny fotoana niasana, dia asao ny mpianatra hilaza ny fahamarinana hitany tao amin’ny 1 Korintiana 7:12–17. Ny valintenin’ny mpianatra dia mety ho samihafa, saingy tokony hilaza fahamarinana iray mitovitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Ireo mpanaradia mahatoky an’i Jesoa Kristy dia manana hery afaka manamasina ireo fianakaviany.

Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ohatra momba ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanana fiantraikany tsara teo amin’ny olona tao amin’ny fianakaviana izay tsy mpikamban’ny Fiangonana na nalaindaina tao amin’ny Fiangonana.

Fintino ny 1 Korintiana 7:25–40 amin’ny fanazavana fa nanome ny heviny mikasika ireo mpikambana tsy manambady izay “voantso ho amin’ny asa fanompoana” i Paoly (Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 7:29 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]) ary hazavao fa ny toe-javatra niainan’izy ireo dia namela azy ireo hanompo ny Tompo ka “tsy [nivezivezy ny sainy]” (andininy 35), na tsy nanana olana ara-nofo nifandray tamin’ny famelomana ny fianakaviana izy ireo. Na izany aza dia tsy nandrara azy ireo tsy hanambady izy.

1 Korintiana 8

Namaly fanontaniana iray momba ny fihinanana hena naterina ho an’ny sampy i Paoly

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona L. Tom Perry

“Tao anatin’ny raharaham-barotra mahakasika ireo tranom-barotra lehibe no nandaniako fotoana tamin’ny asa fivelomako. Noho izaho tao anatin’ny ekipa mpitantana dia zava-dehibe ho ahy ny nifanerasera tamin’ireo fikambanan’ny mpandraharaha teo an-toerana. Ny fivoriana niaraha-nanao tamin’ny ankamaroan’ireo fikambanana ireo dia nanomboka foana tamin’ny alalan’ny fotoana nandrosoana cocktail [zava-pisotro misy alikaola no fandroso nandritra izany]. Fotoana nifaneraserana sy nifankafantarana tamin’ireo lehilahy tao anatin’ilay fikambanana izany. Tsy nahazo aina foana aho tao anatin’ireo fotoana fifaneraserana ireo. Tamin’ny voalohany dia nanomboka tamin’ny fangatahana ranom-boankazo vita tamin’ny voasary makirana aho. Vetivety dia fantatro fa nitovy tamin’ny maro tamin’ireo zava-pisotro hafa ny ranom-boankazo vita tamin’ny voasary makirana. Tsy afaka nanampy ny olona hahatsapa tamin’ny alalan’ny ranom-boankazo tsy misy fangarony tety an-tanako aho fa tsy mpisotro toaka” (“The Tradition of a Balanced, Righteous Life,” Ensign, aog. 2011, 48–49).

  • Inona no mety ho nitranga raha nanohy nisotro ranom-boankazo tsy nisy fangarony ny Loholona Perry nandritra ilay fotoan’ny kocktail?

  • Inona koa ireo toe-javatra hafa izay mety hitaoman’ny ohatra asehontsika ny hafa amin’ny ratsy na dia mety tsy manao zavatra diso mihitsy aza isika?

Hazavao fa nanontany tena ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto raha azo ekena ny hihinanan’izy ireo sakafo izay natao fanatitra ho an’ny sampy, na ireo andriamanitra eto amin’izao tontolo izao.

Hazavao fa i Paoly dia niaiky fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia mety hieritreritra fa azo ekena izany satria fantatr’izy ireo fa tsy tena nisy ireo andriamanitra eto amin’izao tontolo izao (jereo ny 1 Korintiana 8:4–6).

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 8:1 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana.

  • Na dia nahafantatra aza ny olona fa tsy tena nisy ireo sampy dia inona no nolazain’i Paoly fa manan-danja kokoa noho izay zavatra fantatr’izy ireo? (Ny fiantrana na ny fitiavana tsy maneho fitiavan-tena ho an’ny hafa.)

  • Araka ny voalazan’io andininy io dia inona no mety ho azo avy amin’ny fahalalana? (Lasa mirehareha na mieboebo.) Inona no mety ho azo avy amin’ny fiantrana? (fahazoana hery na fanamafisana orina ny tena na ny hafa.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 8:7–10. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fotoana tsy tokony hihinanan’ireo Olomasina Korintiana ny hena izay mety hoe naterina ho an’ny sampy. (Mety ilainao ny manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny hoe malemy ao amin’ireo andininy ireo dia mety hoe entina milaza ny fahalemena amin’ny fahatakarana ary ny hoe fahafahana [andininy 9] dia entina ilazana ny fahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana hihinana ny hena izay mety hoe naterina ho an’ny sampy.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 9 dia ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no nolazain’i Paoly fa tsy tokony hihinanan’izy ireo hena naterina ho an’ny sampy? (Raha toa ka ho vato fahatafintohinana ho an’ny olona iray manana fijoroana ho vavolombelona malemy na tsy mahalala ny filazantsara.)

  • Inona ny ohatra nomen’i Paoly ao amin’ny andininy 10 mikasika ny fomba iray hihinanana hena naterina tamin’ny sampy izay mety ho lasa vato fahatafintohinana? (Raha misy mpikamban’ny Fiangonana izay malemy kokoa amin’ny finoana mahita mpikambana iray hafa mihinan-kanina ao amin’ny trano fisakafoana mifandray amin’ny tempolin’ny sampy iray dia mety hino ihany koa ilay mpikambana malemy finoana kokoa fa tsy misy maha-ratsy ny fitsaohana sampy.)

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 8:11–13. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny teny navalin’i Paoly ilay fanontaniana momba ny fihinanana sakafo naterina ho an’ny sampy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 13 dia inona no nolazain’i Paoly fa hataony ao anatin’ny toe-javatra toy izany? Nahoana? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny hoe tafintohina ao amin’ireo andininy ireo dia midika hoe tafintohina ara-panahy, manota, na tsy manam-pinoana intsony.)

  • Inona ny fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika misoroka ny fitarihana ny hafa ho tafintohina ara-panahy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Afaka maneho fiantrana ny hafa isika amin’ny alalan’ny tsy fanaovana ireo zavatra izay mety hitarika azy ireo ho tafintohina ara-panahy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny ambin’ilay tantara notantarain’ny Filoha Perry: Asao ny mpianatra hihaino ny fomba nampiharan’ny Loholona Perry io fitsipika io:

Loholona L. Tom Perry

“Nanapa-kevitra aho fa tsy maintsy maka zava-pisotro izay haneho amin’ny olona rehetra fa tsy misotro toaka aho. Nankeny amin’ilay mpikarakara ny zava-pisotro aho dia nangataka ronono iray vera. Tsy mbola nisy nangataka zavatra toy izany teo amin’ilay mpikarakara zava-pisotro. Nankany an-dakozia izy dia naka ronono iray vera ho ahy. Tamin’izay dia tsy nitovy mihitsy tamin’ireo zava-pisotro misy alikaola izay nosotroin’ny hafa ny zava-pisotro teny amiko. …

“Nanjary zava-pisotro tsara indrindra ho ahy ny ronono nandritra ilay fotoan’ny cocktail. Vetivety dia nanjary fantatry ny rehetra fa Môrmôna aho. Tena nahagaga ahy ny fanajan’ny olona ahy, ary toy izany koa ny trangan-javatra iray mahaliana izay nanomboka niseho. Vetivety dia niara-nisotro cocktail vita tamin’ny ronono tsy misy fangarony ny olona maro hafa!” (“The Tradition of a Balanced, Righteous Life,” 49).

  • Inona avy ireo ohatra hafa maneho ny fomba azontsika hanehoana fiantrana ny hafa amin’ny alalan’ny tsy fanaovana ireo zavatra izay mety hitarika azy ireo ho tafintohina ara-panahy?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra androany, ary amporisiho ny mpianatra hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-piezahany miaina araka ireo fahamarinana ireo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1 Korintiana 7:1–5. Firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana

Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter fa ny fihetsika feno fihantrana eo amin’ny fifandraisan’ny mpivady dia fenitry ny Tompo:

“Ny hatsaram-panahy sy ny fanajana—fa tsy ny fitiavantena na oviana na oviana—no tsy maintsy fitsipika mitarika ao anatin’ny fifandraisana tena akaiky mampiray ny mpivady” (“Being a Righteous Husband and Father,” Ensign, nôv. 1994, 51). (Jereo koa ny New Testament Student Manual [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 368.)

1 Korintiana 7:8, 25–35. Nanohitra ny fanambadiana ve i Paoly?

Raha miainga avy amin’ny andinin-tsoratra masina toy ny 1 Korintiana 7:8, 25–35 dia mety hihevitra amin’ny fomba diso ny olona sasany fa nanohitra ny fanambadiana i Paoly. Ny Dikantenin’i Joseph Smith anefa dia manazava fa ao amin’ireo andininy ireo i Paoly dia miresaka amin’ireo izay “[hirahina tsy ho ela] … ho amin’ny asa fanompoana,” na amin’ny asa fitoriana (Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 7:29 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Rehefa takatra araka izany ny toroheviny dia mitovy amin’izay omen’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, izay manoro hevitra ireo misiônera tanora tsy hampiaraka na hifankatia amin’ny olona iray raha mbola manao asa fitoriana ny filazantsara. Tamin’ny fotoana hafa dia nanoratra zavatra tsara momba ny fanambadiana i Paoly (jereo ny 1 Korintiana 9:1–5; 11:11; 1 Timoty 3:2; Hebreo 13:4). Ny tenin’i Paoly voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 7 noho izany dia tsy mamintina tanteraka ny hevitr’i Paoly momba ny fanambadiana fa natao mba ho ampiasaina amin’ny toe-javatra mandalo eo amin’ny fiainan’ireo izay antsoina hanao asa fitoriana fotsiny.

1 Korintiana 7:14. Hevi-baovao amin’izao andro farany izao momba ny torohevitr’i Paoly

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 74 dia ahitana hevi-baovao fanampiny momba ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:14. (Jereo koa ny Doctrine and Covenants and Church History Seminary Teacher Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2013], 260–61.)