Tahirim-pitaovana
Lesona 14: Matio 11–12


Lesona 14

Matio 11–12

Fampidirana

Nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa nirahina hanomana ny lalana Azy i Jaona Mpanao Batisa ary nampanantena fitsaharana ho an’ireo izay manatona Azy Izy. Namaly ny fiampangan’ny Fariseo fa avy amin’ny devoly ny fahefany i Jesoa. Nampitandrina azy ireo momba ny fanaovana fiampangana diso sy fikatsahana famantarana Izy, ary nampianatra ny fanoharana momba ny trano foana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 11

Nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa nirahina hanomana ny lalana ho Azy i Jaona Mpanao Batisa.

Asehoy ny mpianatra ny sarin’ny mpitandro ny filaminana na ny mpitsabo iray ary ny sarin’i Jesoa Kristy.

  • Nahoana no manan-danja ny fahafantarana fa ireo olona ireo dia tena izay asehony marina tokoa? Ahoana no ahafahanao mahalala fa izay tena asehony marina tokoa izy ireo?

Hazavao fa nandritra ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany dia betsaka no nikatsaka ny hahafantatra raha toa Izy tokoa no nolazainy momba ny Tenany. Asao ireo mpianatra, rehefa mandalina ny Matio 11 mba hikaroka fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hampitombo ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona manokana momba ny hoe iza moa i Jesoa Kristy.

Hazavao fa ny Mpanjaka Heroda dia nisambotra sy nampiditra an’i Jaona Mpanao Batisa an-ponja. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 11:2–3. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hikaroka ny fanontaniana nasain’i Jaona hapetraky ny mpianany amin’i Jesoa.

  • Inona no fanontaniana nasain’i Jaona hapetraky ny mpianany amin’i Jesoa?

Hamafiso fa io fanontaniana ao amin’ny andininy 3 io no nentin’ireo mpianatr’i Jaona hanontaniana an’i Jesoa raha Izy no Mesia. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa efa fantatr’i Jaona Mpanao Batisa fa i Jesoa no Mesia (jereo ny Matio 3:11, 13–14; Jaona 1:29–34).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nandefa ireo mpianany mba hamantatra raha i Jesoa no Mesia i Jaona Mpanao Batisa kanefa efa fantany hoe iza i Jesoa? (Tiany ireo mpianany mba hahazo ny fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 11:4-5. Asao ny mpianatra ambiny hanaraka ny vakiteny ka hitady hoe ahoana no fomba namalian’i Jesoa ny fanontanian’izy ireo.

  • Raha toa tokony nanamafy fotsiny Izy fa Izy no ilay Mesia, inona kosa no nasain’i Jesoa nataon’ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa?

Azonao atao ny manazava fa azon’i Jesoa natao ny nilaza mora foana tamin’ireo mpianatr’i Jaona fa Izy no Mesia.) Tsy izay anefa, fa nanasa azy ireo Izy mba “[handre sy hahita]” (andininy 4), na hijery, ny asany ary avy eo hiverina any amin’i Jaona Mpanao Batisa ka hijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatra izay reny sy hitany fa nataon’i Jesoa.

  • Nahoana no nanampy ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa handray fijoroana ho vavolombelona mahery kokoa ny valintenin’i Jesoa noho ny hoe nolazainy tamin’izy ireo fotsiny hoe iza moa Izy?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity momba ny fomba ahafahantsika mampatanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Mpamonjy? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Rehefa mikatsaka ny hianatra ny momba an’i Jesoa Kristy isika sy rehefa mijoro ho vavolombelona ny Aminy, dia afaka mihamatanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona ny Aminy.)

Asao ireo mpianatra hanoratra ny fomba nahafantaran’izy ireo amin’ny tenany manokana fa Zanakalahin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy? Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Fintino ny Matio 11:7-27 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa lasa ireo mpianatra roa, dia nilaza tamin’ny valalabemandry i Jesoa fa i Jaona Mpanao Batisa no ilay mpaninany voafidy mba hanomana ny lalana ho an’ny Mesia. Jesoa dia nanameloka ireo izay nandà an’i Jaona Mpanao Batisa sy ireo izay nahita porofo mazava ny maha andriamanitra ny Tompo kanefa nandà Azy. (Fanamarihana: Horesahana amin’ny antsipiriany kokoa ny fampianaran’i Jesoa momba an’i Jaona Mpanao Batisa tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ao amin’ny lesona momba ny Lioka 7:18–35).

Nanome fampanantenana ho an’ireo rehetra izay manaiky Azy ho Mesia i Jesoa. Mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ny Matio 11:28–30, izay nampahafantarinao tao amin’ny lesona 1, dia asao ny mpianatra iray hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo mafy ary asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ambiny ka hitady hoe inona no asain’ny Tompo hataontsika.

  • Inona no anasan’ny Tompo antsika mba ho ataontsika? Inona no ampanantenain’ ny Tompo antsika ho valin’izany? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Raha manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hohamaivaniny ny enta-mavesatsika ary homeny fitsaharana isika.)

  • Nahoana no afaka hanampy anao amin’ity taona ity ny fahatakarana ireo fahamarinana ao amin’ity andinin-tsoratra masina fehezina ity?

Matio 12:1–42

Mananatra ireo Fariseo noho ny fiampangana diso sy ny fikatsahana famantarana nataon’izy ireo i Jesoa Kristy

(Fanamarihana: Ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ny Matio 12:1–21 dia horesahana amin’ny fomba lalindalina kokoa ao amin’ireo lesona momba ny Marka 2-3.)

Fintino ny Matio 12:1-30 amin’ny fanazavana fa rehefa avy nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro Sabata i Jesoa, dia nisy Fariseo sasantsasany nanomboka nikatsaka ny hamotika Azy. Rehefa nanasitrana olona iray nidiran’ny devoly Izy, dia niezaka ny hanala baraka Azy izy ireo tamin’ny fiampangana Azy nanatanteraka ireo asa ireo tamin’ny herin’ny devoly. Fantatr’i Jesoa ny tao an-tsain’izy ireo ka nanambara izy hoe, mifanohitra amin’izany no izy, nampisehoany izy fa Izy no Mesia ary nanangana ny fanjakan’ Andriamanitra Izy tamin’ny fandroahana devoly. Asao hamaky amim-pahanginana ny Matio 12:30 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ireo izay tsy nomba Azy. Asao hanao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Araka ny andininy 30, inona no zavatra tsy maintsy hataontsika raha maniry ny ho tafiditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika? (Rehefa mizara ny valiny ireo mpianatra, dia ataovy izay hanantitranterana ity fahamarinana ity: Tsy maintsy manolo-tena feno ho an’i Jesoa Kristy isika raha toa ka maniry ny ho anisan’ny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra .)

  • Inona ireo zavatra azontsika atao mba hanehoantsika ny fanolorantenantsika feno ho an’i Jesoa Kristy?

Fintino ny Matio 12:31–42 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jesoa dia nanambara indray hoe ireo asa tsara nataony dia nanaporofo fa Izy dia avy amin’ Andriamanitra fa tsy avy amin’ny devoly. Nampitandrina ireo Fariseo ihany koa Izy fa Andriamanitra dia hihazona azy ireo ho tompon’andraikitra amin’ireo teny fiampangana nataon’izy ireo. Dia nangataka famantarana iray ny sasany tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo avy eo, ka nibedy azy ireo i Jesoa noho ny fikatsahana famantarana sy tsy fahitana fa lehibe kokoa no ireo mpaminany sy mpanjaka tao Isiraely teo aloha rehetra Izy.

Matio 12:43–50

Mampianatra ny fanoharana momba ilay trano foana i Jesoa sy ny hoe ireo izay manao ny sitrapon’ny Rainy dia voaray ho isan’ny fianakaviany.

Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe nangataka torohevitra taminy momba ny fomba hisorohana ny famerimberenana ny fahotana iray izay ezahiny hialana ny iray amin’ireo namany.

  • Inona no torohevitra homenao io namanao io mba hanampiana azy handresy ny fakam-panahy?

Hazavao fa ny Matio 12:43–45 dia ahitana fanoharana momba ny fanahy maloto iray izay noroahina hiala ao amin’ny lehilahy iray. Asao ireo mpianatra hikaroka fitsipika iray ao amin’io fanoharana io izay afaka hanampy ilay namany handresy ny fakam-panahy. Asao hamaky mafy ny Matio 12:43–44 ny mpianatra iray, ary asaivo karohin’ny mpianatra rehetra ny zavatra nataon’ilay fanahy maloto rehefa voaroaka hiala tao amin’ilay lehilahy izy.

  • Inona no nataon’ilay fanahy maloto rehefa tsy nahita fitsaharana na taiza na taiza izy?

  • Inona ireo teny izay milazalaza ny toetr’ilay “trano,” na ilay lehilahy, rehefa niverina ilay fanahy maloto?

Asao hamaky mafy ny Matio 12:45–44 ny mpianatra iray hafa, ary asaivo karohin’ny mpianatra rehetra ny zavatra nataon’ilay fanahy maloto rehefa hitany fa foana ilay “trano,” na ilay lehilahy. Asao hanao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Rehefa avy nanaisotra ilay devoly io lehilahy ao amin’ny fanoharana io dia inona no zavatra tsy vitany ka nahatonga ny fanahy ratsy hiverina? (Tsy nosoloiny eritreritra, fahatsapana, teny sy asa feno fahamarinana ny faharatsiana.)

  • Nahoana no maneho olona iray izay mibebaka amin’ny fahotany sy miezaka mandresy fakampanahy ny zavatra iainan’ilay lehilahy ao amin’io fanoharana io?

Rehefa avy namaly ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Filoha Spencer W. Kimball

“Eo amin’ny fialan’ny olona iray amin’ny fahotana, dia tsy vitan’ny hoe maniry toe-javatra iainana tsaratsara kokoa fotsiny. Mila manamboatra izany toe-javatra izany izy. …

“… Lasa ireo zavatra izay nanahirana azy sy nahasarika azy ary nibahana ny eritreriny, ary tsy mbola nameno ny banga ireo solon’izany tsaratsara kokoa. Fahafahana misokatra ho an’i Satana izany” (Le Miracle du Pardon [1969], 171–72; nampiana fanamafisana).

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io fanoharana io ka hanampy antsika hahafantatra ny fomba hanalavirana hatrany ireo fitaoman-dratsy rehefa avy nesorintsika tsy ho eo amin’ny fiainantsika izy ireny? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Afaka nandroaka ireo fitaoman-dratsy isika rehefa avy manaisotra azy ireny eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanoloana izany amin’ny fahamarinana.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity. Angataho ny mpianatra rehetra hihaino ny antony tsy maha ampy ny manala fotsiny ny fahotana tsy ho eo amin’ny fiainantsika.

“Tsy ampy ny fiezahana fotsiny hanohitra ny ratsy na hanaisotra ny fahotana ao amin’ny fiainanao. Tokony ho fenoinao fahamarinana ny fiainanao ary tokony hanolo-tena hanao zavatra izay mitondra hery ara-panahy ianao. …

“Ny fankatoavana tanteraka dia mitondra hery fenon’ny filazantsara eo amin’ny fiainanao, ka ao anatin’izany ilay tanjaka izay mihamitombo handresena ireo fahalemenao. Izany fankatoavana izany dia ahitana ireo fihetsika izay mety tsy noeritreretinao tany am-boalohany fa tafiditra ao anatin’ny fibebahana, toy ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, fandoavana ny fahafolonkarena, fanaovana asa fanompoana ary famelana ny heloky ny hafa” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004],135).

  • Rehefa mibebaka isika, inona ireo zavatra vitsivitsy azontsika atao mba hamenoana ny fiainantsika amin’ny fahamarinana mba tsy hiverinantsika amin’ny fahotana intsony? (Azonao angatahina ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra eo amin’ny solaitrabe.)

  • Nahoana no hitondra hery ara-panahy lehibe kokoa eo amin’ny fiainantsika sy hahatonga antsika ho afaka handresy ireo fitaoman-dratsy ny fanaovana ireo zavatra ireo?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny famenoana ny fiainantsika amin’ny fahamarinana dia hanome antsika hery lehibe kokoa mba hanalavirana ny faharatsiana. Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina hoe ahoana no ahafahan’izy ireo mameno ny fiainany amin’ny fahamarinana bebe kokoa sy manaraka ny fanentanam-panahy izay voarainy rehefa misaintsaina izy.

Fintino ny ambin’ny Matio 12 amin’ny fanazavana fa rehefa nampianatra i Jesoa dia nisy olona nilaza taminy fa te hiresaka Taminy ny olona sasany tao amin’ny fianakaviany. Nampianatra ny Tompo nampianatra fa anisan’ny fianakaviany ireo rehetra izay manao ny sitrapon’ny Ray.

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Matio 11:28–30

Mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy tsianjery ny Matio 11:28–30, dia asao ny mpianatra rehetra hamorona fihetsika izay maneho ireo teny na andian-teny ao amin’ny andiny tsirairay ary avy eo milaza ilay andinin-tsoratra masina sady manao ireo fihetsika. Asaivo mamerimberina izany ireo mpianatra amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana mandritra ny andro vitsivitsy mandra-pahaizan’izy ireo tsianjery an’izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 11:11. “Ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy”

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa ny fomba iray hahatakarana ny Matio 11:11 dia ny mijery izany ho toy ny filazana an’i Jesoa Kristy Izy tenany:

“Iza no noresahan’i Jesoa tamin’izy niteny hoe kely indrindra? Jesoa dia noheverina hoe manana ny zo kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ary [toa] izy no tsy mendrika indrindra ny ho ekena hoe mpaminany; ka toy ny nilaza Izy hoe—‘Ilay heverina ho kely indrindra aminareo—izany hoe Izaho izany—dia lehibe kokoa noho i Jaona’” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 82).

Matio 12:31–32. “Fitenenana ratsy ny Fanahy Masina”

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith hoe ahoana no hitenenan’ny olona iray ratsy ny Fanahy Masina:

“Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina izy, nisokatra taminy ny lanitra ary mahafantatra an’ Andriamanitra izy, ary avy eo dia nanota Taminy taty aoriana. Tsy misy fibebahana ho an’ny olona iray rehefa avy nanota tamin’ny Fanahy Masina izy. Mila milaza izy fa tsy mamiratra ny masoandro kanefa mahita izany izy, mila mandà an’i Jesoa Kristy izy rehefa avy nosokafana taminy ny lanitra ary mandà ny drafitry ny famonjena kanefa mahita ny fahamarinan’izany ny masony; ary amin’izay fotoana izay dia manomboka ho lasa fahavalo izy” (ao amin’ny History of the Church, 6:314).

Indraindray ireo mpianatra dia sahiran-tsaina momba ny fitenenana ratsy na fandavana ny Fanahy Masina. Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

“Ny fahotana atao amin’ny Fanahy Masina dia mitaky fahalalana be hany ka tsy azo heverina mihitsy ny hahavitan’ny mpikambana tsotra ny fahotana toa izany” (Le Miracle du pardon 1969, 123).

Ny Loholona James E. Talmage ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony nampitandreman’i Jesoa ireo Fariseo ny amin’ilay ota tsy azo avela ao amin’ny Matio 12:31–32:

“Feno famindrampo i Jesoa ao amin’ny fahatokiany fa ny teny natao hanoherana Azy amin’ny maha olombelona Azy, dia azo avela; fa ny miteny atao hanoherana ny fahefana izay hananany, indrindra ny milaza fa izany hery sy fahefana izany dia an’i Satana, dia tena manakaiky ny fitenenana ratsy ny Fanahy Masina, izay tsy azo omena famelankeloka” (Jesus le Christ, ed. faha-3 [1916], 269).