Lesona 6
Matio 1–2
Fampidirana
Nilaza ny tetiaran’i Jesoa Kristy i Matio, ary ny anjely dia nanambara tamin’i Josefa ny maha-Andriamanitra ireo ray aman-drenin’i Jesoa. Ireo Magy avy tany Atsinanana dia nanao dia mba hahitana sy hiderana an’i Jesoa. Nolazaina tamin’ny alalan’ny nofy i Josefa mba hitondra ny fianakaviany ho any Egypta mba handosirana ny fandripahan’i Heroda ireo zaza tany Betlehema.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio1:1–17
Ny tetiaran’i Jesoa
Asehoy ny sarin’ny ray aman-dreninao ary anontanio ireo mpianatra raha toa afaka mamantatra endrika na toetra izay nolovainao avy tamin’izy ireo. Azonao atao koa ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hitondra ny sarin’ny ray aman-drenin’izy ireo ary manontany ny mpianatra rehetra hoe ray aman-drenin’iza ny eo amin’ny sary. Asaivo mifampiresaka ireo mpianatra momba ny endrika izay nolovainy tamin’ny ray aman-dreniny (tahaka ny lokon’ny maso, ny lokon’ny volo, na ny halava).
Rehefa mandalina ny Matio 1–2 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka fahamarinana momba ny ray aman-drenin’ny Mpamonjy sy ny endrika na toetra izay nolovainy tamin’izy ireo. Ity asa ity dia tokony manomana ireo mpianatra hahatakatra ny fahamarinana fa i Jesoa Kristy no Zanakalahy masin’ny Ray any An-danitra sy i Maria ary Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo.
Hazavao fa ny Matio1:1–17 dia mitanisa ireo razamben’ny Mpamonjy. Mariho fa ny andininy 1 dia milaza fa i Jesoa Kristy dia taranak’i Davida sy i Abrahama.
Hazavao fa ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha dia milaza fa ny Mesia dia ho taranak’i Davida (jereo ny 2 Samoela 7:12–13; Isaia 9:6–7; Jeremia 23:5–6) ary ny taranak’i Abrahama iray dia hitahiana “ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 22:18; jereo koa ny Abrahama 2:11). Naniry ny hampahafantatra ireo mpamaky i Matio fa nanatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ny Mesia i Jesoa (jereo ny Matio1:22–23; 2:5, 15, 23; 26:55–56). Mampiseho ilay tetiarana izay nomena ao amin’ny Matio1:1–17 fa i Jesoa no ilay Mesia nampanantenaina sy mpandova ara-dalàna ny seza fiandrianan’i Davida.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 1:16. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hikaroka anaram-boninahitra nomena an’i Jesoa ary hizara izay hitany.
Hazavao fa ny teny hoe Kristy dia endrika Grika ny teny Aramaika manao hoe Mesia, izay midika hoe “ilay voahosotra.”
-
Nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana, inona no naha-voahosotra na nofidiana an’i Jesoa Kristy mba ho ataony? (Izy dia voahosotry ny Ray any An-danitra mba ho “Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka ary Mpanafaka” antsika [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.lds.org; jereo koa ny Bible Dictionary, “Anointed One”].)
Matio 1:18-25
Ny anjely dia nanambara tamin’i Josefa ny maha-Andriamanitra ireo ray aman-drenin’i Jesoa
Mariho fa ny Matio 1:16 dia milaza ihany koa fa i Maria no vadin’i Josefa. Araka ny Matio 1:18, dia mpifamofo i Josefa sy i Maria. Midika izany fa efa natokana ho mpivady izy ireo, na efa mpifamofo ary nifamatotra ara-dalàna saingy tsy mbola niara-nitoetra tahaka ny mpivady. Fantatr’i Josefa anefa, mialoha ilay fampakaram-bady, fa nitoe-jaza i Maria. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 1:19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nokasain’i Josefa atao.
-
Inona no nokasain’i Josefa atao rehefa nahare izy fa nitoe-jaza i Maria? (Hazavao fa ny hoe “hametraka azy mangingina” dia midika fa nikasa hanafoana ny fampakaram-bady i Josefa mba tsy hahatonga an’i Maria hiatrika fanalam-baraka eo imasom-bahoaka na hiatrika fanasaziana amin’ny fitoraham-bato.)
-
Inona no ampianarin’ ity andininy ity antsika mikasika ny toetra nananan’i Josefa?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 1:20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ny zava-nitranga tamin’i Josefa raha mbola nandinika ny fanafoanana ny fampakaram-bady amin’i Maria izy.
-
Nahoana ilay anjely no nilaza tamin’i Josefa mba tsy hatahotra ny hiroso amin’ny fanambadiany an’i Maria?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny andian-teny manao hoe “avy tamin’ny Fanahy Masina” (Matio 1:18, 20), dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie avy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Tahaka ny maha-zanak’i Maria ara-bakiteny an’i Jesoa dia taranaka manokana sy ara-bakitenin’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay Izy. … Ny filazan’i Matio manao hoe: ‘hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy,’ raha adika araka ny tokony ho izy dia tokony hilaza hoe: ‘hita fa nitoe-jaza izy noho ny herin’ny Fanahy Masina.’ (Mat. 1:18.) … I Almà dia namariparitra tsara ny fanorotoroana sy ny fahaterahan’ny Tompontsika tamin’ny alalan’ny faminaniana: I Kristy dia ‘haterak’i Maria, … izy izay virijiny sady fanaka iray sarobidy izay halofana sy hitoe-jaza noho ny herin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka zazalahy, eny, dia ny Zanak’ Andriamanitra.’ (Almà 7:10.)” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 boky [1965–73], 1:82).
-
Inona no zavatra ianarantsika mikasika ny ray aman-drenin’i Jesoa avy amin’ireo fampianarana ireo? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Zanakalahin’ ny Ray any An-danitra sy i Maria i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanoratra io fotopampianarana io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Matio1:18–25.)
Ampahatsiahivo ny momba ilay sarin’ny ray aman-dreninao ary anontanio ireo mpianatra indray ny endrika na toetra izay nolovainao tamin’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakarana fa i Jesoa dia Zanakalahy masin’ny Ray any An-danitra sy i Maria.
“Zanak’i Elohima, ilay Ray Mandrakizay izany zaza ho aterak’i Maria izany. … Hifangaro ao amin’ny toetrany ireo herin’ny maha-Andriamanitra sy ny fahafaha-manao ary ireo zavatra mety hitranga mandritra ny fiainana an-tany. …I Jesoa Zazakely dia natao handova ireo toetra sy fironana ary hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy izay nampiavaka ireo ray aman-dreniny—ny iray tsy mety maty sy be voninahitra—dia Andriamanitra, ny iray hafa olombelona—ilay vehivavy” (Jésus Le Christ, ed. fahatelo [1916], 81).
-
Inona no endrika na toetra nolovain’i Jesoa Kristy tamin-dRainy? Inona no endrika na toetra nolovainy tamin-dreniny?
Hazavao fa satria Zanaky ny Ray tsy mety maty sy reny mety maty i Jesoa dia nanana fahafahana hiaina mandrakizay Izy raha toa ka nisafidy izany, torak’izany koa ny fahafahana ny ho faty. Io toetra avy tamin’ny maha-Andriamanitra io dia nanome Azy irery ihany ny fahafahana mijaly ho an’ny fahotantsika, maty eo ambonin’ny hazofijaliana ary hitsangana amin’ny maty.
Matio 2:1–12
Notoroina lalana hankany amin’i Jesoa ireo Magy
Asehoy eny aloha ny boaty mifono miisa 3 na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ny sarin’ ny fanomezana telo.
-
Iza no nitondra fanomezana ho an’ny Mpamonjy taorian’ny nahaterahany?
Hazavao fa ny Filazantsaran’i Matio no hany Filazantsara tokana miresaka ny tantaran’ireo Magy. Zarao ity taratasy mirakitra fanontaniana ity ka ataovy taratasy zaraina izany na soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana mialohan’ny fotoam-pianarana. Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hamakiany ireo fanontaniana sy hanoratany ny valinteniny.
Hatraiza no fahafantaranao ireo Magy?
Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera —Lesona 6
-
Ahoana no nahafantaran’ny Magy fa efa teraka ny Mesia?
-
Nahoana ireo Magy ireo no naniry hahita ny Mesia?
-
Ahoana no nahafantaran’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny toerana hahaterahan’ny Mesia?
-
Inona no tian’i Heroda ataon’ireo Magy aorian’ny hahitan’izy ireo an’i Jesoa?
-
Inona kosa no nataon’ireo Magy?
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia asao izy ireo hamaky ny Matio 2:1–12 amim-pahanginana, mba hahafantarana ny valin’ireo fanontaniana.
Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara izay mety ho zava-baovao hitany momba ireo Magy. Ireo antsipiriany ao amin’ny andininy 11 sy 16 dia manambara fa mety efa fotoana ela toy ny taona roa taorian’ny nahaterahan’i Jesoa no fotoana nitarihana ireo Magy tany amin’ny fianakaviana masina (ireo Magy dia nahita an’i Jesoa tao amin’ny trano iray, fa tsy tao amin’ny fihinanam-bilona, ary Izy dia “zaza,” fa tsy zazakely). Mariho fa ny antony nirian’i Heroda ny hanaovan’ireo Magy tatitra aminy aorian’ny hahitan’izy ireo ny Mesia dia ny mba hahafahany mamono Azy (jereo ny Matio 2:13).
-
Ahoana no nahafantaran’ny Magy ny toerana hahitana ny Mesia?
-
Inona no afaka hianarantsika avy amin’ny ohatry ny Magy izay nikatsaka ny Mpamonjy? (Mety hanome valinteny samy hafa ireo mpianatra, fa ampio anefa izy ireo hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Raha mikatsaka ny Mpamonjy amim-kitsimpo sy amim-pahazotoana isika dia hotarihana ho any Aminy.)
-
Ahoana no ahafahantsika mikatsaka ny Mpamonjy amim-pahazotoana?
-
Inona no nataon’ireo Magy rehefa nahita ny Mpamonjy izy ireo? Nahoana? (Ny tanjona iray amin’ny fanolorana fanomezana ho an’ny Mpamonjy dia ny hiderana Azy.)
-
Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ireo Magy tamin’ny fanolorana fanomezana ho an’ny Mpamonjy? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mitsaoka ny Tompo isika amin’ny fanolorana fanomezana vokatry ny fo.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahantsika manolotra fanomezana vokatry ny fo ho an’ny Mpamonjy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Fahiny, rehefa te hitsaoka ny Tompo ny olona sy hikatsaka ny fitahiany dia matetika izy ireo no nitondra fanomezana. …
“Moa ve misy zavatra tsy madio na tsy mendrika ao aminao na eo amin’ny fiainanao? Rehefa ialanao izany dia tena fanomezana ho an’ny Mpamonjy. Moa ve misy fahazarana tsara na toetra tsara izay tsy ampy loatra eo amin’ny fiainanao? Rehefa manaiky ny hanao izany ianao ary manao izany ho ampahany amin’ny fiainanao, dia manome fanomezana ho an’ny Tompo ianao amin’izany. Sarotra ny manao izany indraindray, saingy ho fanomezana mendrika ve ireo fanomezana avy amin’ny fibebahana sy fankatoavana omenao raha toa ka tsy nandanianao na inona na inona izany?” (“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, mey 2004, 12).
-
Inona no azontsika atolotra ho fanomezana vokatry ny fo ho an’ny Mpamonjy?
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fanambaran’ny Loholona Christofferson ary handinika ny fanomezana izay tsapany fa tokony hatolony ho an’ny Mpamonjy. Mitondrà taratasy mba hahafahan’izy ireo manoratra ny heviny. Asao izy ireo mba hanao drafitra amin’ny fomba hanolorany ireo fanomezana ireo ho an’i Jesoa Kristy.
Matio 2:13–23
Nitsoaka tany Egypta i Josefa sy i Maria ary i Jesoa
Hazavao fa araka ny Matio 2:13–23 dia nanjary tezitra i Heroda rehefa “nody any amin’ny fonenany” ireo Magy (Matio 2:12) ka tsy tsy niteny taminy ny toerana nisy ny Mesia. Nandidy ny hamonoana ireo zaza latsaky ny roa taona rehetra tao Betlehema sy ny faritra manodidina izy ka nanantena hamono ny Mesia.
Vakio mafy ny Matio 2:13–14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba nahafantaran’i Josefa ny tokony nataony mba hiarovana ny fianakaviany. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Taiza no toerana nitondran’i Josefa an’i Maria sy i Jesoa?
Fintino ny Matio 2:15–23 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Josefa, sy i Maria ary i Jesoa dia nijanona tany Egypta hatramin’ny nahafatesan’i Heroda. Andriamanitra dia nanoro lalana an’i Josefa tamin’ny alalan’ny nofy mba hitondra ny fianakaviany hiverina any Isiraely, ary izy ireo dia nanorim-ponenana tany Nazareta.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny fahamalinan’i Josefa ny amin’ireo zavatra ara-panahy ny fiainan’ny olona hafa?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’izany? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha mihaino sy manaiky ny Fanahy isika dia afaka mandray fanambarana sy fitarihana.)
Asao hisaintsaina ny zavatra tokony ataony mba hihainoana sy hanekena ny Fanahy misimisy kokoa ireo mpianatra. Amporisiho izy ireo mba hametraka tanjona amin’ny fampiharana ireo fitaomam-panahy rehetra azony.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 1:1–17. Ny tetiaran’i Jesoa
“I Jesoa dia tsy zanak’i Josefa, fa ny tetiaran’i Maria dia tetiaran’i Josefa ihany satria zanaky ny mpiray tampo izy ireo; Nandova ny ràn’i Davida avy tamin’i Maria reniny i Jesoa, noho izany dia nandova ny zon’ny fanjakan’i Davida Izy. I Jesoa dia taranaka mpanjaka, ary araka ny fanazavana nomen’ny Loholona James E. Talmage dia, ‘Raha toa firenena afaka sy mahaleo tena izay tarihan’ny mpanjaka voatokana i Jodia dia i Josefa ilay mpandrafitra no ho mpanjaka ara-dalàna; ary ny ho mpandimby azy ara-dalàna eo amin’ny fanjakana dia i Jesoa avy any Nazareta, ilay Mpanjakan’ny Jiosy’ [Jésus Le Christ, ed. fahatelo (1916), 87; jereo koa ny Jésus Le Christ, 83–86, 89–90; Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 (1965–73), 1:94–95]” (The Life and Teachings of Jesus and His Apostles, ed. faharoa [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 1979], 22).
Matio 1:18. “I Maria dia fofombadin’i Josefa”
Tao Isiraely fahiny ny fanambadian’ny tovolahy iray sy ny tovovavy iray dia namboarina sy nifanarahan’ny lohandohan’ny fianakaviana roa tonta—matetika dia ny ray izany. Rehefa nahita ilay ho vadin-janany ny ray na ny lohan’ny fianakaviana dia manomboka ny resadresaka mikasika ireo fifanarahana. Izany dia mifantoka, nefa tsy voafetra, amin’ny habetsaky ny ’vidin-dravehivavy,’ izay karazana vodiondry, efain’ny rain-dralehilahy na ny lohan’ny fianakaviana amin’ny fianakavian-dravehivavy. Rehefa avy nifanarahana ny mombamomba ny fanambadiana dia mizotra amin’ny dingana roa ny fampakarana: ny fanatanterahana ny maha-mpifamofo (izay antsoina ihany koa hoe fifanekena ho mpifamofo; jereo ny Matio 1:18) ary ny fombafomban’ny fanambadiana.
Ny fanatanterahana ny maha-mpifamofo dia mbola manan-danja kokoa raha araka ny lalàna sy ny fifavahana noho ny fombafomban’ny fanambadiana atao any aoriana, rehefa manomboka miara-monina ny olon-droa. Ny fanatanterahana ny maha-mpifamofo dia noheverina ho ampahany farany amin’ny fanekempihavanana atao amim-panajana. Izany dia noheverina ho fanekempihavanana hajain’ireo lafiny roa tonta izay samy matahotra an’ Andriamanitra (jereo ny Genesisy 2:24; Ezekiela 16:8; Efesiana 5:21–33). Na dia noheverina fa mpivady ara-dalàna aza ny mpifamofo (jereo ny Deoteronomia 22:23–24), dia notakiana ny fahadiovam-pitondrantena hentitra eo anelanelan’ny fotoana maha-mpifamofo sy ny maha-mpivady (jereo ny Matio 1:18, 25).
Matio 1:18–25. Ny fahamalinan’i Josefa ara-panahy
“Rehefa hita fa nitoe-jaza i Maria, dia nanana safidy maromaro i Josefa, raha nahafantatra izy fa tsy rain’ilay zaza. Voalohany dia afaka nampihatra fisaraham-panambadiana eo imasom-bahoaka izy, ary afaka nampihatra ny famonoana mihitsy aza izy satria ny olona dia hihevitra fa meloka i Maria—heloka izay azo saziana amin’ny fahafatesana teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy (jereo ny Levitikosy 20:10; Jaona 8:5). Faharoa, i Josefa dia afaka nanafoana mangingina ny naha-mpifamofo azy tamin’i Maria teo anatrehan’ny vavolombelona roa. Ny safidy fahatelo dia ny firosoana amin’ny fanambadiana. I Josefa dia naniry haneho famindrampo amin’i Maria amin’ny fanafoanana mangingina ny fifanarahan’ny maha-mpifamofo (jereo ny Matio 1:19). Rehefa nomen’ny anjely toky anefa fa ny zanak’i Maria no zanak’ Andriamanitra, dia nisafidy ny hanambady azy i Josefa, na dia hiteraka fanalam-baraka sy fanesoesoana ho azy aza ny fanaovana izany (jereo ny Matio1:20–25; Lioka 3:23; Jaona 8:41).
“I Gerald N. Lund, izay lasa mpikambana tao amin’ny Fitopololahy taty aoriana, dia niresaka momba ireo fahitan’i Josefa sy ny fahamalinany ara-panahy: ‘I Matio dia milaza amintsika fa i [Josefa] dia taranaky ny Mpanjaka Davida, sy lehilahy marina ary mpiraharaha ny hafa, ary tao amin’ny nofy iray no nilazan’ny anjely taminy hoe ho lasa inona i Jesoa, sy hoe mpankatò izy ary izy dia hiantso Azy hoe Jesoa, izay midika hoe mpamonjy. (Jereo ny Mat. 1.) Fantatsika fa nitondra an’i Maria tany Betlehema izy, izay toerana nahaterahan’i Jesoa. (Jereo ny Lioka 2:4–6.) Roa taona latsaka taty aoriana, dia nitondra ny fianakaviany tany Egypta mba handositra an’i Heroda i Josefa, rehefa nampitandremana tamin’ny alalan’ny nofy izy. Tany Egypta dia nilaza taminy indray ny nofy iray mba hiverina, ary ny nofy hafa dia nilaza taminy mba handeha any Galilia. (Jereo ny Mat. 2:13–15, 19–22.) Nofy efatra avy tamin’ Andriamanitra! I Josefa dia mety tena lehilahy mpandray fahitana sy lehilahy malina ara-panahy tsy manam-paharoa’ (Jesus Christ, Key to the Plan of Salvation [1991], 51–52)” (New Testament Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 13–14).