Tahirim-pitaovana
Lesona 141: Jakoba 2


Lesona 141

Jakoba 2

Fampidirana

Namporisika ireo Olomasina i Jakoba mba hanolo-tanana ny olona ampahoriana ary nampianatra fa ny tena mpanaradia an’i Jesoa Kristy dia tsy tokony hoe hitia kokoa ny mpanankarena noho ny mahantra. Nampianatra ihany koa i Jakoba mikasika ny fifandraisan’ny finoana sy ny asa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Jakoba 2:1–13

Nampianatra ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy mba tsy hiangatra amin’ny mpanankarena i Jakoba

Mifidiana an-kisendrasendra mpianatra iray ary omeo zavatra kely hohanina izy. Lazao ny iray kilasy fa nomenao zavatra kely hohanina io mpianatra io noho ny antony manokana nosafidinao (ohatra hoe satria nanao ny loko tena tianao indrindra ilay mpianatra na nitondra zavatra manokana tao an-dakilasy izy).

  • Inona no tsapanareo mpianatra ambiny nanoloana ny zavatra nataoko tamin’io mpianatra io?

  • Nahoana ny olona indraindray no mizaha tavan’olona?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina fotoana nahitan’izy ireo olona iray nokarakaraina tsara kokoa noho ny hafa ary hieritreritra ny zavatra tsapan’izy ireo noho izany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 2:1–4 . Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jakoba 2:1 dia milaza hoe: “Ry rahalahy, tsy hainareo ny hanam-pinoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay Tompon’ny voninahitra, kanefa hizaha tavan’olona.” Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nampitandreman’i Jakoba ny Olomasina.

  • Inona no zavatra nampitandreman’i Jakoba an’ireo Olomasina?

Mariho fa ny “[mizaha] tavan’olona” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jakoba 2:1) dia midika hoe fiangarana olona iray na vondron’olona iray ka manao tsinontsinona ny hafa noho ny toe-piainany na ny toetoetrany.

  • Inona no karazana fiangarana izay nozarain’i Jakoba?

  • Inona avy ireo ohatra sasany amin’izao androntsika izao izay ahitana olona mampiseho fiangarana olona sasany sady tsy manao tsinontsinona ny hafa noho ny toe-javatra iainany na ny toetoetrany ?

Fintino ny Jakoba 2:5–7 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jakoba dia nanohy nananatra ireo Olomasina izay niangatra ny mpanankarena. Nampianatra azy ireo izy fa Andriamanitra dia nisafidy ny mahantra ho manan-karena finoana sy ho mpandova ny fanjakany. Nampahatsiahy ireo Olomasina ihany koa i Jakoba fa ireo mpanankarena no nanala baraka azy ireo sy niteny ratsy ny Tompo.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Jakoba 2:8 amim-pahanginana ary hikaroka ny zavatra nampahatsiahivin’i Jakoba an’ireo Olomasina fa tokony hataon’izy ireo izay hanampy azy ireo hanaisotra ny fiangarana.

  • Inona ny zavatra nampahatsiahivin’i Jakoba an’ireo Olomasina fa tokony hataon’izy ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no nantsoina hoe “didy ambony indrindra” ity didy ity? (Jakoba 2:8).

  • Inona no fitsipika ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny fomba fitondran’ny mpanaradia mahatokin’i Jesoa Kristy ny olona? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra fitsipika sahala amin’ity manaraka ity izy ireo: Ireo mpanaradia mahatokin’i Jesoa Kristy dia tia ny olon-drehetra na inona na inona toe-piainany. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, dia inona avy ireo ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny fitiavana ny hafa na nanao ahoana na nanao ahoana ny toe-piainan’izy ireo?

Asao ireo mpianatra hieritreritra olona iray izay miezaka ny mitia ny olona rehetra. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny olona neritreretin’izy ireo sy ny antony.

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba fitondran’izy ireo ny hafa. Amporisiho izy ireo hitady fotoana tsara ahafahana manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy eo amin’ny fitiavana ny hafa.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe taorian’ny nihainoan’izy ireo ny fampianaran’i Jakoba momba ny fitiavana ny olona rehetra dia nandre olona iray izy ireo izay nilaza fa tsy maninona izany maneho fiangarana olona sy manao tsinontsinona ny hafa izany. Nilaza ihany koa io olona io fa mbola misy zavatra ratsy kokoa noho izany azontsika atao.

  • Inona avy ireo olana mety ho tonga avy amin’ny fananana izany toe-tsaina izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 2:9–10 . Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ny antony maha-tena ratsy ny tsy fitiavana ny olon-drehetra na inona na inona toe-piainany.

  • Nahoana no tena ratsy ny tsy fitiavana ny olon-drehetra na inona na inona toe-piainany?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Jakoba ao amin’ireo andininy ireo? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hahitan’izy ireo fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity: Raha manao fahotana na dia iray fotsiny aza isika, dia lasa meloka eo anatrehan’ Andriamanitra.)

  • Araka ny Jakoba 2:10, dia inona no fiantraikany mandrakizain’ny fandikana na dia iray amin’ny didin’ Andriamanitra aza? (Lasa toy ny “meloka amin’izy rehetra” isika satria tsy madio ary noho izany dia tsy afaka ny hiaraka hitoetra amin’ Andriamanitra [jereo koa ny 1 Nefia 10:21].)

  • Nahoana no mbola afaka manantena ny hanana fanantenana isika, na dia mahatonga antsika ho tsy madio ny hiaina miaraka amin’ Andriamanitra aza ny tsy fankatoavana?

Asaivo mamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka ity ny mpianatra iray:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Kanefa tsy very akory ny fanantenana.

“Ny famindrampon’ Andriamanitra no fanantenana lehibe sy tsy manam-petra ho antsika.

Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahan’ny drafitry ny famindrampo hanefa ny fitakian’ny fahamarinana [jereo ny Almà 42:15] ‘ary [mitondra] fitaovana ho an’ny olona mba hahazoany manana finoana ho amin’ny fibebahana’ [Almà 34:15].

“Ny fahotantsika, na dia tahaka ny jaky aza dia afaka ho tonga fotsy tahaka ny oram-panala [jereo ny Isaia 1:18]. Satria ny Mpamonjy malalantsika dia ‘nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra,’ [1 Timoty 2:6] dia atolotra antsika ny fidirana mankao amin’ny fanjakany mandrakizay [jereo ny 2 Petera 1:11]” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 108).

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho mendrika ny hiditra ny fanjakan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika hitantsika tao amin’ny andininy 10 manampy antsika hankasitraka feno kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Fintino ny Jakoba 2:11–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome ohatra iray momba ilay fitsipika nampianarina ao amin’ny andininy 10 i Jakoba. Avy eo izy dia namporisika ireo mpino hitondra ny hafa amin’ny fihetsika feno famindrampo, fa ireo izay mitondra ny hafa amin’ny fihetsika tsy feno famindrampo dia hotsaraina tsy misy famindrampo.

Jakoba 2:14–26

Nampianatra mikasika ny anjara asan’ny finoana sy ny asa eo amin’ny famonjena antsika i Jakoba.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe nisy zatovolahy iray nahafantatra fa nanota izy. Mino ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fahafahan’ny Mpamonjy mamonjy azy izy. Milaza izy fa ny zavatra tokony hataony dia ny mino fotsiny dia hamela heloka azy ny Tompo, tsy mila ezaka avy aminy akory.

Angataho ny mpianatra handinika raha toa ka ampy mba hamelana ny fahotany ny finoan’io zatovolahy io fotsiny na tsia.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 2:14. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny fanontaniana napetrak’i Jakoba tamin’ireo Olomasina momba ny finoana.

  • Inona no nanontanian’i Jakoba an’ireo Olomasina momba ny finoana?

  • Karazana asa inona araka ny eritreritrao no tian’i Jakoba holazaina?

Hazavao fa i Jakoba dia nanitsy hevitra diso mikasika ny finoana. Nisy olona sasany izay nanana hevitra diso momba ny finoana ho toy ny fanehoana am-bava ny zavatra inoana fotsiny. Ao amin’ny sahan-kevitry ny Jakoba 2:14, dia nampiasain’i Jakoba tamin’ny heviny hafa izay tsy nitovy tamin’ny nampiasan’i Paoly Apôstôly izany ilay teny hoe asa. Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Paoly dia ireo asa ao amin’ny lalàn’i Mosesy no tiany hambara. Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Jakoba dia ireo asa feno fanolorantena na ireo asan’ny fahamarinana no tiany hambara.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 2:15–16, i Jakoba dia nampiasa fampitahana mba hanehoana ny valin’ny fanontaniany ao amin’ny andininy 14. Asao ho eny aloha ny roa amin’ireo mpianatra. Angataho ny iray amin’ireo mpianatra ireo mba hanao mpangataka iray izay mangataka sakafo sy lamba fitafy, ary fialofana ilainy mba hahavelomany. Asao ilay mpianatra iray hafa mba hanao olona iray izay afaka manampy io mpangataka io. Manasà mpianatra iray fahatelo hamaky mafy ny Jakoba 2:15–16 eo am-pilalaovan’ireo mpianatra roa hafa ny zavatra voalaza ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no tsy nety tamin’ny valinteny nomena ilay mpianatra mpangataka? Moa ve ho ampy hamonjena ilay mpangataka ny valinteny nomen’ilay mpianatra iray hafa ?

Manasa mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 2:17–18. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra izay nampianarin’i Jakoba momba ny finoana.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay andian-teny hoe: “ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” (andininy 17)?

  • Manampy antsika hahatakatra ny dikan’ity andian-teny ity amin’ny fomba ahoana ilay fampitahana momba ilay mpangataka nataon’i Jakoba?

  • Araka ny andininy 17, dia inona no fahamarinana nampianarin’i Jakoba mikasika ny finoana marina an’i Jesoa Kristy? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra fitsipika sahala amin’ity manaraka ity izy ireo: Ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia miseho amin’ny alalan’ny asa feno fahamarinana ataontsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakoba 2:19–20. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jakoba 2:19 dia milaza hoe: “Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany. Ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. Manao anao ho toa azy ireo ianao izay tsy hahamarina anao.” Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo ohatra nampiasain’i Jakoba mba hanehoana fa ny hoe mino an’ Andriamanitra dia tsy voatery midika hoe manana finoana an’ Andriamanitra.

  • Inona no ohatra nampiasain’i Jakoba mba hanehoana fa ny hoe mino an’ Andriamanitra dia tsy voatery midika hoe manana finoana an’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona David A. Bednar

“Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba Azy ary mitarika foana any amin’ny fanaovana asa tsara. … Ny fanaovana asa fotsiny dia tsy finoana ny Mpamonjy, fa ny fanaovana asa mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia singa fototry ny finoana” (“Mangataha amim-pinoana,” Ensign or Liahona, mey 2008, 95).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar dia inona no “singa fototry ny finoana”?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ny finoana an’i Jesoa Kristy dia midika hoe sady mino Azy no manao asa mifanaraka amin’ny fitsipika marina?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny momba ilay zatovolahy tao anatin’ilay rafi-tantara tany am-piandohan’ity fizarana iray ao amin’ny lesona ity.

  • Manampy olona iray izay mikatsaka famelana ny fahotany amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa ny hoe finoana dia sady manao asa?

Fintino ny Jakoba 2:21–26 amin’ny fanazavana fa niresaka an’i Abrahama sy i Rahaba i Jakoba ho ohatra roa amin’ny olona naneho finoana an’i Jesoa kristy tamin’ny alalan’ny asany. (Ny tantaran’i Rahaba ilay vehivavy be herimpo dia hita ao amin’ny Josoa 2:1–22.)

Asao ny mpianatra mba hampiasa ny kahie fandraisany naoty na ny diary fandalinany soratra masina mba hanoratany ny fotoana iray izay nanehoany ny finoany an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny asany ary tamin’ny fomba ahoana no nitahiana azy ireo noho ny fanaovana izany. Amporisiho ireo mpianatra mba hampiditra ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy sy ny fomba hanehoany izany finoana izany amin’ny alalan’ny asa. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany amin’ny mpianatra rehetra.

Asao ireo mpianatra hieritreritra amim-bavaka ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny. Amporisiho izy ireo hanaraka izay fitaomam-panahy voarain’izy ireo.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Jakoba 2:17–18

Hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ity soratra masina fehezina ity dia omeo taratasy kely tsirairay avy izy ireo. Asao izy ireo hanoratra ireo teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo eo amin’ny ilany irain’ilay taratasy. Avy eo asao izy ireo hameno ity fehezanteny manaraka ity eo amin’ny ilany iray hafa an’ilay taratasy: Hasehoko ny Tompo ny finoako amin’ny alalan’ny… Amporisiho ireo mpianatra hitazona io taratasy kely io any am-paosiny mandritra ny tontolo andro ary hanao lisitra ahitana hevitra entina hanehoana ny finoan’izy ireo ny Tompo. Afaka mamerina mijery indray ny soratra masina fehezina izy ireo eo am-panaovan’izy ireo izany lisitra izany. Amporisiho izy ireo hampirina izany taratasy kely izany any amin’ny toerana izay hahafahan’izy ireo mahita izany matetika ka hahatsiaro hatrany ireo tanjony.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jakoba 2:10. Raha toa isika ka mahatsapa ho meloka noho ny fahotana iray, moa ve meloka amin’ny zavatra rehetra isika?

Zava-dehibe ny fahatakarana ny fampianaran’i Jakoba voarakitra ao amin’ny Jakoba 2:10 fa mety ho mora koa ny manana hevitra diso momba izany. Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra izao manaraka izao mikasika io andininy io:

“I Jakoba ao amin’ny epistiliny dia nilaza hoe: ‘Fa na iza na iza mitandrina ny lalana rehetra, nefa diso amin’ny iray loha, dia meloka amin’izy rehetra’ [Jakoba 2:10]. Toa sarotra ekena izany ho an’ny maro kanefa dia marina izany. Ireo lalàna mifehy ny fanjakana selestialy dia tonga lafatra ary mialoha ny hahafantsika hiditra any dia tsy maintsy mankatò azy rehetra isika. Ny olona iray manohitra na dia didy mandrakizay anankiray aza dia tsy afaka ny ho hamarinina sy hiditra ny fanjakana selestialy. Raha toa ka havela hanao izany izy dia hampisy fisafotofotoan-kevitra mikasika izany fanjakana izany, ary tsy afaka ny ho hamarinina izany toe-javatra izany,” Improvement Era, jolay 1957, 506).

Jakoba 2:14–18. Tsy hovonjena amin’ny alalan’ny asantsika isika

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava fa tsy ny fankatoavantsika ireo didy no hamonjy antsika:

“Tsy azo vidina amin’ny fankatoavana ny famonjena, fa tsy maintsy efaina amin’ny ran’ilay Zanak’ Andriamanitra [Jereo ny Asa 20:28]. Ny fiheverana fa azontsika amin’ny alalan’ireo asa tsara ataontsika ny famonjena, dia mitovy amin’ny hoe mividy tapakila handehanana fiaramanidina ka avy eo dia mihevitra isika fa lasa fananantsika ilay kômpaniam-pitaterana. Na ny fieritreretana fa rehefa avy mandoa hofan-trano isika, dia lasa misoratra amin’ny anarantsika ny tany manontolo” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 109).

Jakoba 2:18–26. “Izaho haneho aminao ny finoako amin’ny asako”

“I Jakoba dia namaly ireo vahoaka izay nilaza tsotra loatra fa ny finoana dia toy ny zavatra misaraka tanteraka amin’ny hetsika ataon’ny tena, na ‘asa’ (jereo ny Jakoba 2:14–26). …

“… Tsy nampianatra i Jakoba fa ny finoana dia tsy misy hery mahavonjy. Nampianatra izy fa ny finoana tsy miaina izay vokatry ny tsy fanaovana asa dia tsy tena finoana mahavonjy. Rehefa nampanao fanamby an’ireo mpamaky ny asasorany i Jakoba mba ‘haneho amiko finoana tsy misy asa’ (Jakoba 2:18), dia te hanamafy izy fa tsy azo tanterahina ny maneho finoana raha tsy amin’ny alalan’ny asa ataon’ny tena—ny finoana marina dia tsy mety hisy raha tsy amin’ny alalan’ny fanaovana asa marina” (Testamenta vaovao: Boky fandalinan’ny mpianatra [Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 495).

I Jakoba dia nampiasa an’i Abrahama sy i Rahaba ho ohatra roa amin’ny olona izay naneho finoana an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny asany. Nanazava i Jakoba fa i Abrahama sy i Rahaba dia “nohamarinina tamin’ny asany.” Ny hoe hamarinina dia midika hoe “Afahana amin’ny famaizana noho ny ota ka ambara ho tsy manan-tsiny. Hamarinin’ny famindrampon’ny Mpamonjy ny olona, amin’ny alalan’ny finoana azy. Aseho amin’ny alalan’ny fibebahana sy fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izany finoana izany” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Manamarina,” scriptures.lds.org). Noho izany dia tsy novonjena noho ny asany i Abrahama sy i Rahaba fa ny asany sy ny fankatoavany ny Tompo dia nampiseho fa nanana finoana marina an’i Jesoa Kristy sy ilay heriny afaka manavotra izy ireo.