Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Epistily Faharoan’i Jaona


Fampahafantarana ny Epistily Faharoan’i Jaona

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ao amin’ny Epistiliny Faharoa i Jaona dia miresaka olana mikasika ireo fitaomana mampihemotra tao amin’ny Fiangonana. Tamin’izay koa izy dia naneho fifaliana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nijanona ho matanjaka sy mahatoky tamin’ny filazantsara (jereo ny 2 Jaona 1:4). Ireo teny ireo dia maneho ny fifaliana sy ny fankasitrahana izay tsapan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho an’ireo izay mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo. Rehefa mandalina ny 2 Jaona ny mpianatra dia afaka ny hohatanjahina amin’ny alalan’ny fampahatsiahivan’i Jaona mba hifankatia sy hankatò ny didin’Andriamanitra ary hitoetra ho mahatoky ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy izy ireo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ilay mpanoratra dia nilaza ny tenany ho “ilay loholona” (2 Jaona 1:1), ary ny fomban-drazana dia milaza fa i Jaona izay iray amin’ireo Apôstôly Roambinifolo no nanoratra ity epistily ity (jereo ny Bible Dictionary, “John, Epistles of”).

Oviana ary taiza no nanoratana azy io?

Tsy fantatra mazava hoe oviana ary taiza no nanoratana ny 2 Jaona.

Raha marina ilay lovan-tsofina mikasika ny fipetrahan’i Jaona maharitra tao Efesosy dia mety ho nosoratany tao ity taratasy ity teo anelanelan’ny taona 70 sy 100 taorian’i J.K..

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Ny Epistily Faharoan’i Jaona dia nosoratana ho an’ “Itompokovavy voafidy sy ny zanany” (2 Jaona 1:1). Tsy fantatra na niresaka tamin’ny fianakaviany i Jaona na tamin’ny vondron’olona voafaritra tsara na niresaka tamin’ny Fiangonana indray miaraka tamin’ny alalan’ny sarin-teny.

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra fa ny 2 sy ny 3 Jaona dia mety ho taratasy nosoratan’i Jaona ho an’ireo olona tao amin’ny fianakaviany akaiky (jereo ny Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa [1965–73], 3:409–10, 412–14).

Zavatra iray hafa azo heverina ny hoe “Itompokovavy voafidy” raha ny marina dia entina ilazana ireo vondron’ny mpivavaka Kristianina (jereo ny 2 Jaona 1:13). Ny teny Grika hilazana ny fiangonana dia manondro vehivavy, ary fomba mahazatra ny miresaka ny Fiangonana ho toy ny vehivavy (jereo ny Efesiana 5:25–27, 32; Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:1–3, 7 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]; Apokalypsy 19:7–8).

Raha ny mahakasika ny 1 Jaona dia hita mazava tsara fa nanoratra io epistily io i Jaona mba hamaliana ireo fampianaran-diso fa tsy tonga teto an-tany ara-bakiteny tao anatin’ny vatana nofo sy taolana i Jesoa Kristy. Nohazavainy fa ireo mpikambana izay nampianatra fa tsy nanana vatana nofo sy taolana i Kristy dia tsy tokony hampandrosoana an-trano na ao amin’ny fiangonana (jereo ny 2 Jaona 1:7–10).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ao amin’io epistily io i Jaona dia mampitandrina ny amin’ireo mpampianatra sandoka izay niditra tao amin’ny Fiangonana. Nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana izy ny tsy hihaino na hiaraka amin’ireo olona ireo.

Topimaso

2 Jaona 1 Mampahatsiahy amin’ny Fiangonana ilay didy mba hifankatia i Jaona. Mampitandrina ny amin’ireo mpampianatra sandoka sy mpamitaka ao amin’ny Fiangonana izy ary manoro hevitra ny mpikamban’ny Fiangonana mba tsy hamela azy ireo hijanona ao amin’ireo fiangonany.