Tahirim-pitaovana
Lesona 93: Asan’ny Apostoly 16


Lesona°93

Asan’ny Apostoly 16

Fampidirana

Nitarika an’i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy mba hitory ny filazantsara tany Makedonia (faritra avaratr’i Gresy) ny Fanahy Masina. Nandray ny hafatra avy amin’izy ireo ny vehivavy iray nantsoina hoe Lydia ka dia natao batisa. Rehefa avy nandroaka fanahy ratsy iray avy tao amin’ny zazavavy mpanompo i Paoly dia nokapohina sy nogadraina izy sy i Silasy. Ny alin’io izy ireo dia nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy tao am-ponja ary avy eo dia nanao batisa an’ilay mpiandry trano maizina sy ny ankohonany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny apostoly 16:1–15

Nitory ny filazantsara tany Makedonia i Paoly sy ny mpiara-mitory aminy

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity. (Io teny nambara io dia hita ao amin’ny “The Spirit Giveth Life,” Ensign, Jona 1997, 5.)

“Aza angatahana andro mihitsy ny bitsika azonao” (Filoha Thomas S. Monson).

  • Ny bitsika dia entina ilazana ireo fihetseham-po na fahatsapana voaraintsika avy amin’ny Fanahy Masina mba hilaza na hanao zavatra. Inona no mety hitranga raha manemotra ny fanarahana ny bitsika iray ny olona iray?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 16 mba hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina.

Fintino ny Asan’ny Apostoly 16:1–5 amin’ny fanazavana fa nandeha tany amin’ny sampana maron’ny Fiangonana i Paoly sy i Silasy ary i Timoty mba hilaza ireo fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Jerosalema izay nihatra tamin’ny Fiangonana iray manontolo sy nanamafy orina ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 16:6–10 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba nahafantaran’i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy (izay mety nahitana an’i Lioka) ny toerana tokony halehany rehefa nandeha izy ireo.

  • Ahoana no nahafantaran’i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy ny toerana tsy tokony naleha? Ahoana no nahafantaran’izy ireo ny toerana tokony haleha?

  • Inona no hitan’ i Paoly tao anaty fahitana?

  • Ahoana no nandraisan’i Paoly sy ireo mpiara-mitory aminy ny fahitana hitan’i Paoly?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 16:11–13 amin’ny fanazavana fa nandeha nandritra ny andro maromaro i Paoly sy i Silasy mandrapahatongan’izy ireo tao Filipo, izay tanàna iray tao Makedonia. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly.” ka hitady ny toerana misy an’i Filipy.) Tamin’ny andro Sabata izy ireo dia niala avy tao amin’ilay tanàna mba hivavaka teny amoron’ny renirano iray ary nanomboka niresaka tamin’ireo vehivavy nivory teo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 16:14–15. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra, mba hitady ny fomba namalian’ny vehivavy iray atao hoe Lydia ny fampianaran’i Paoly. (Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “mpivarotra lamba volomparasy” ao amin’ny andininy 14 dia entina ilazana ny maha-mpivarotra loko volomparasy an’i Lydia, izay tena lafo tokoa ary mety midika ihany koa izany fa vehivavy manan-karena sy manana ny maha izy azy i Lydia.)

  • Inona no navalin’i Lydia ny fampianaran’i Paoly? (Mety ilainao ny manazava fa ny teny hoe hitandrina dia midika hoe hihaino na hanaraka.)

  • Andian-teny inona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:14 no milaza fa vonona ny handray ny filazantsara i Lydia?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Paoly mikasika ny zavatra mety hitranga rehefa manaraka ny fanambarana isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra fa ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa rehefa manaraka ny fanambarana nomen’ Andriamanitra antsika isika dia afaka ny ho voatarika ho amin’ireo izay efa vonona ny handray ny filazantsara. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Hazavao fa rehefa manaraka ny fanambarana isika dia afaka manampy ny hafa ihany koa hanomboka na hanohy ny dingana mba hananana fahavononana ny handray ny filazantsara.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra tsy maintsy hataontsika mba ho voatarika ho any amin’ireo izay efa vonona ny handray ny filazantsara:

Loholona Dallin H. Oaks

“Tsy maintsy mivavaka isika mba hahazo ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Tompo mba hahatonga antsika ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra ho an’ilay olona izay efa vonona amin’izao—ilay iray izay tiany ampiantsika androany. Avy eo isika dia tsy maintsy malina mba hihaino sy hanaraka ireo bitsiky ny Fanahiny amin’ny fomba hanaovantsika izany.

“Ho avy ireo bitsika ireo. Fantatsika avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsy tambo isaina fa manomana olona hanaiky ny filazantsara amin’ny fombany sy amin’ny fotoany ny Tompo. Efa eo am-pikarohana ireo olona ireo, ary rehefa mikatsaka ny hahafantatra azy ireo isika dia hamaly ny vavaka ataon’izy ireo ny Tompo amin’ny famaliana ny vavaka ataontsika. Hibitsika sy hitarika ireo izay maniry sy mikatsaka amin-kitsim-po ny fitarihany amin’ny fomba sy ny fotoana ary ny olona hizarana ny filazantsara Izy” (“Sharing the Gospel,” Ensign, nôv. 2001, 8).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Oaks dia inona no tsy maintsy ataontsika mba ho voatarika ho any amin’ireo izay efa vonona ny handray ny filazantsara?

Mizarà zavatra iray niainanao mikasika ny fomba nitarihan’ny fanarahanao ny bitsiky ny Fanahy Masina anao ho any amin’ny olona iray izay efa vonona handray ny filazantsara na mahakasika ny fomba nitarihan’ny fanarahan’ny olona iray hafa ny bitsiky ny Fanahy azy hahita anao tamin’ny fotoana naha-vonona anao handray ny filazantsara. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara zavatra niainan’izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo ka nitarihana azy ho any amin’ny olona iray izay efa vonona ny handray ny filazantsara.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba sy ny toerana sy ny fotoana ary ny olona azon’izy ireo hizarana ny filazantsara. Amporisiho izy ireo hanoratra izay fitaomam-panahy azony ary hanohy hivavaka mba hangataka fitarihana.

Asan’ny Apostoly 16:16–40

Nogadraina i Paoly sy i Silasy ary avy eo dia nafahana

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 16:16–19. Asao hanaraka ny vakiteny ny iray kilasy mba hitady ny zavatra nataon’ny Paoly rehefa nifanena tamin’ny “zazavavy” iray, (andininy 16), na mpanompovavy, izay nitoeran’ny fanahy ratsy izy. Azonao atao ny manazava fa ny atao hoe mahavaly dia ny filazana mialoha na ny fiezahana mamantatra ny hoavy amin’ny fampiasana fomba feno finoanoam-poana.

  • Inona no nataon’i Paoly tamin’ilay fanahy ratsy nitoetra tao amin’ilay zazavavy tamin’ny farany?

  • Inona no olana nianjady tamin’ireo tompon’ilay ankizivavy tao amin’ilay tanàna rehefa avy nandroaka ilay fanahy ratsy tao amin’ilay ankizivavy i Paoly?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 16:20–24 amin’ny fanazavana fa nentin’ireo lehilahy izay tsy afaka nampiasa ilay ankizivavy intsony teo anatrehan’ireo “governora” (andininy 20), na ireo manam-pahefana teo an-toerana, i Paoly sy i Silasy ka nambaran’izy ireo fa i Paoly sy i Silasy dia nampianatra ny olona fa tsy tokony hanaraka ny lalàna Romana izy ireo. Noho ny baiko nomen’ireo governora dia nokapohina sy nogadraina i Paoly sy i Silasy, ary nofatorana ny tongotr’izy ireo mba tsy hahafahan’izy ireo mandeha.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny votoatin’ny Asan’ny Apostoly 16:25–36, dia zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ka omeo taratasy iray avy ny vondrona tsirairay. Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity ary asao ny vondrona tsirairay handika ilay tabilao eo amin’ny taratasin’izy ireo.

Asan’ny Apostoly 16:25


Asan’ny Apostoly 16:26


Asan’ny Apostoly 17:27–28


Asan’ny Apostoly 16:29–30


Asan’ny Apostoly 16:31–32


Asan’ny Apostoly 16:33–34


Asao ny vondrona tsirairay hamaky mafy ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ilay tabilao ary avy eo dia hifandimby hanao sary tsotra mba hanehoana ny tsirairay amin’ireo andian’andinin-tsoratra masina enina (afaka manao sary maneho ireo andian’andinin-tsoratra masina telo ny mpianatra iray ao amin’ilay vondrona, ary afaka maneho ireo andian’andinin-tsoratra masina telo hafa ilay mpianatra iray hafa ao amin’ilay vondrona). Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo mba haneho sy hanazava fohifohy ny sary nataony amin’ny vondrona iray hafa na amin’ny mpiara-mianatra rehetra.

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny Asan’ny Apostoly 16:25–36 dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no namalian’i Paoly sy i Silasy ny fanontanian’ilay mpiambina ny tranomaizina mikasika ny fomba hahafahany ho voavonjy?

  • Inona no nataon’ilay mpiambina ny tranomaizina mba hanehoana ny finoany an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Asan’ny Apostoly 16:31–33 mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana famonjena? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny famonjena dia mitaky finoana an’i Jesoa Kristy, ary mampiseho ny finoantsika azy isika rehefa atao batisa.)

Hazavao fa ny famonjena dia midika hoe “voavonjy amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy” (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Famonjena,” scriptures.lds.org).

  • Ahoana no hanehoan’ny fanaovana batisa ny fianoantsika an’i Jesoa Kristy?

  • Ankoatra ny fanaovana batisa dia inona avy ireo fomba hafa ahafahantsika mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 16:35–40 amin’ny fanazavana fa naniraka olona hampita hafatra tany amin’ny mpiambina ny fonja ireo governora mba hamela an’i Paoly sy i Silasy handeha. Tsy nety nandeha i Paoly satria fantany ny zony amin’ny maha-olom-pirenena Romana azy ary fantany fa tsy rariny ny fomba nandraisana azy. Tsy ara-dalàna ny mikapoka olom-pirenena Romana raha tsy misy fitsarana aloha. Rehefa nahafantatra ireo governora fa Romana i Paoly sy i Silasy dia natahotra izy ireo satria fantany fa raha fantatr’ireo lehibeny hoe nisy olom-pirenena Romana iray nanaovan’izy ireo zavatra tahaka izay efa nataony dia mety ho tratran’ny famaizana izy ireo, mety ho amin’ny alalan’ny famonoana ho faty mihitsy aza. Tonga tao amin’ny fonja ireo governora, namoaka an’i Paoly sy i Silasy ary nangataka azy ireo mba hiala ny tanàna.

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ny Asan’ny Apostoly 16.

scripture mastery icon
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Ampiasao ilay tabilao miaraka amin’ny lesona mba hamerenana ireo andinin-tsoratra masina fehezina efa nianaran’ny mpianatra hatreto tato anatin’ity taona ity. Vakio mafy ilay fanontaniana na ilay olana ao amin’ny tsanganana havia ao amin’ilay tabilao dia asao ny mpianatra hitady ny andinin-tsoratra masina fehezina izay afaka manome valiny (misy valiny omena ao amin’ny tsanganana havanana ao amin’ilay tabilao). Azonao atao ny mamaky mafy tsy manaraka ny filaharany ireo fanontaniana na olana. Rehefa mahita soratra masina iray ny mpianatra dia anontanio azy ireo ny fomba ahafahan’izany andinin-tsoratra masina fehezina izany manampy ny olona iray izay manana ilay olana.

Matahotra ny hiaina mifanaraka amin’ny zavatra inoako aho. Manahy ny amin’izay hieritreretan’ny hafa ahy aho.

Matio 5:14–16

Tsapako ho difotr’ireo fitsapana sy olana mianjady amiko aho.

Matio 11:28–30

Nahoana ny mpaminany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo?

Matio 16:15–19

Tiako ny Ray any An-danitra, saingy sarotra ho ahy amin’izao fotoana izao ny hitia namana iray. Miandry ahy hitia azy marina ihany koa ve Andriamanitra?

Matio 22:36–39

Fantatro fa amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana ahy dia manana adidy aho ny hanao asa fitoriana na aiza na aiza hiantsoan’ny Tompo ahy, saingy matahotra aho hoe ho lasa lavitra an’ireo olona rehetra fantatro ka ho irery.

Matio 28:19–20

Ahoana no ahafantarantsika fa tena nitsangana tamin’ny maty niaraka tamin’ny vatana nofo sy taolana tokoa i Jesoa Kristy?

Lioka 24:36–39

Tena ilaina mba hahafahana miara-miaina amin’ Andriamanitra ve ny batisa?

Jaona 3:5

Milaza ny olona sasany fa tsy maninona na misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aho na hanaraka olona hafa. Raha mbola mijanona ho olona tsara aho dia handeha any an-danitra.

Jaona 14:6

Inona no fomba tsara indrindra hanehoako amin’ny Tompo fa tiako Izy?

Jaona 14:15

Nahoana no manan-danja ny mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Jaona 17:3

Inona no tsy maintsy ataoko mba hahazoako ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Asan’ny Apostoly 2:36–38

Moa ve nisy olona niaina tamin’ny andron’ny Baiboly ka nahalala sy naminany fa hisy Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany?

Asan’ny Apostoly 3:19–21

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 16:1–3. Nahoana i Paoly no namora an’i Timoty na dia efa tsy notakina intsony aza izany?

“Na dia tsy notakina tamin’ireo Jentilisa niova fo intsony aza ny famorana … , dia namora an’i Timoty i Paoly talohan’ny asa fitoriana nataon’izy ireo niaraka ‘noho ny Jiosy tany amin’izany tany izany’ (Asan’ny Apostoly 16:3). Rehefa voafora i Timoty, [nandritra io fotoana nanelanelana io] dia afaka niasa tamim-pahombiazana kokoa teo anivon’ireo Jiosy izy, ireo Jiosy izay mety hahatsapa fa tsy manaja ny Andriamanitr’i Isiraely sy ny lalàny izany misiônera tsy voafora izany. … Noho ny filazantsara dia nisy fotoana nanovan’i Paoly manokana ny fihetsiny mba ho sady nifandray tamin’ny Jiosy no nifandray tamin’ny Jentilisa (jereo ny Asan’ny Apostoly 21:20–26; 1 Korintiana 9:20–22). Nampianatra ireo Jentilisa niova fo ihany koa izy ny hisafidy ny tsy haneho fihetsika izay mety horaisin’ireo Jiosy ho manafintohina, na dia mety tsy hisy didy mandrara izany aza (jereo ny Romana 14:13–15; 1 Korintiana 8:9–13)” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 312).

Asan’ny Apostoly 16:16–18. Nahoana no lasa olana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ilay mpanompo vavy nitoeran’ny fanahy ratsy?

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ilay ankizivavy nitoeran’ny fanahy ratsy dia marina. Mpaminany i Paoly sy i Silasy. Nanana ny teny sy ny herin’ny famonjena izy ireo. Saingy ny fijoroana ho vavolombelona tena izy avy amin’ireo mpanompon’i Satana dia tsy mitondra amin’ny famonjena. Raha ny marina, ilay ankizivavy dia toa nilaza hoe: ‘Afaka mino an’i Paoly sy i Silasy ary io Jesoa izay torian’izy ireo io ianareo. Manaiky aho fa avy amin’ Andriamanitra izy ireo sy ny Tompony. Koa satria mitovy hevitra ny amin’izany isika dia afaka manohy manaraka ahy ihany koa ianareo ka migoka ireo tombontsoa avy amin’ny fahaizako maminany ny hoavy.’ Firifiry moa ireo mpanaraka fivavahan-diso no manohana am-bava fotsiny ihany an’i Jesoa sy ny fotopampianarany mba hahavonona kokoa ny olona hanaraka azy ireo sy ny fanazavan’izy ireo manokana ny hoe famindram-po ‘mamonjy’. Noho io antony vao nohazavaina io indrindra no nandraran’i Jesoa ny devoly izay noroahiny tsy hijoro ho vavolombelona fa Izy no Zanak’ Andriamanitra. Lioka 4:41.)” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:149).