Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Ny Drafitry ny Famonjena–Fampahafantarana sy sahan-kevitry ny Testamenta Vaovao (Fizarana 1)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ny Drafitry ny Famonjena–Fampahafantarana sy sahan-kevitry ny Testamenta Vaovao (Fizarana 1)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity manaraka ity rehefa nandalina ireo lesona efatra ho an’ny mpianatra manao fandalinana any an-trano ao amin’ny fizarana 1 izy ireo. Ny fahafantaranao ny zavatra efa nohalalinin’ireo mpianatra dia hanampy anao hiomana amin’ny fampianarana. Tsy tafiditra ao anatin’ny lesona ny famintinana ary tsy natao hozaraina amin’ireo mpianatra. Koa satria ny lesona izay ho ampianarinao ao amin’ny fizarana 1 dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy monja amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika voatanisa ao amin’ny famintinana, dia mety hahatsapa ianao indraindray fa ilaina ny mamerina na mifanakalo hevitra mikasika ireo hafa araka izay hitaoman’ny Fanahy anao sy izay ilain’ny mpianatrao.

Andro 1 (Ny Drafitry ny Famonjena)

Tamin’ny nandalinan’izy ireo ny drafitry ny famonjena dia nianatra ireo mpianatra fa nofinidy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Jesoa Kristy mba ho ilay Mpanavotra ny olombelona ary namorona ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra Izy. Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto ihany koa izy ireo: Tonga i Jesoa Kristy mba hanafaka antsika amin’ny fahotantsika. Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra. Hitsara ny olombelona rehetra i Jesoa Kristy. Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy miaina mifanaraka amin’ny filazantsarany isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

Andro 2 (Ny Anjara Andraikitry ny Mpianatra)

Nianatra ireo mpianatra fa mampianatra ny fahamarinana ny Fanahy Masina. Nahita ihany koa izy ireo fa rehefa mikatsaka ny hianatra am-pinoana isika dia manasa ny Fanahy Masina ao am-pontsika mba hampianatra sy hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana.

Andro 3 (Fandalinana ny Soratra Masina)

Nianatra ny maha-zava-dehibe ny famakiana ny Testamenta Vaovao manontolo sy ny fandalinana ny soratra masina isan’andro ireo mpianatra. Ho fanampin’izany dia nahita ireo mpianatra fa lehibe kokoa ny filantsika ny soratra masina ankehitriny noho ny tamin’izay fotoana tany aloha tany ary rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mandray fahendrena, fahazavana, fahamarinana, fanitsiana ary torolalana izay hitarika antsika mankany amin’ny famonjena. Nahita ihany koa izy ireo fa rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro isika dia mahazo ilay “rano velona,” na sakafo ara-panahy, izay ilaintsika.

Andro 4 (Fampahafantarana sy sahan-kevitry ny Testamenta Vaovao)

Nianatra ireo mpianatra fa rehefa mahafantatra tsara ireo tranga ara-tantara sy ara-kolontsaina ao amin’ny Testamenta Vaovao izy ireo dia afaka mahatakatra bebe kokoa sy mampihatra ireo fampianarana entin’izany. Nianatra ihany koa izy ireo fa i Jesoa Kristy dia nirahina mba hitondra famonjena ho an’ny olona rehetra ary rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hanana faniriana bebe kokoa hanasa ny hafa mba hanatona Azy.

Fampidirana

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana sy hamporisihana ireo mpianatra handalina ny Testamenta Vaovao amin’ny fampahafantarana azy ireo ny lohahevitra lehibe iray izay hita ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny fahiny. Rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao ireo mpianatra dia hianatra ny fomba hamaliana ny fanasana miverimberina izay nataon’ny Mpamonjy mba hanatona Azy ka handray ny fanampiany sy ny fitarihany amin’ny fiainan’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fampahafantarana ny Testamenta Vaovao

Ny Testamenta Vaovao dia manampy antsika hanatona an’i Jesoa Kristy

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo enta-mavesatra sarotra sasany izay iainan’ny tanora amin’izao androntsika izao?

Mitondrà boaty na kitapo tsy misy na inona na inona ao an-dakilasy ary zavatra mavesatra maromaro hatao ao anatiny, toy ny vato na boky lehibe. Asao ho eny aloha ny mpianatra iray, ary angataho izy hitazona ilay boaty tsy misy na inona na inona na hibaby ilay kitapo. Asao ny iray kilasy mba hamaly ilay fanontaniana voasoratra eny amin’ny solaitrabe ary mangataha mpianatra iray hafa hanoratra ny valim-panontanian’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Isaky ny valim-panontaniana tsirairay dia mametraha zavatra mavesatra iray ao anatin’ilay boaty na kitapo mandrapahafeno izany.

  • Inona no mety ho tsapanao raha toa ka tsy maintsy mitondra io enta-mavesatra io ianao mandritra ny andro manontolo?

Asao ireo mpianatra mba hanazava ireo olana na zava-tsarotra mety hateraky ny sasany amin’ireo enta-mavesatra voatanisa eny amin’ny solaitrabe amin’ny olona iray.

Hazavao fa ny Testamenta Vaovao dia mampianatra antsika mikasika ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy tamin’ny fiainany teto an-tany sy talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka tafiditra ao anatin’izany ny fampianarany, ireo fahagagana nataony, ny sorompanavotana nataony, ary ny famangiany ireo mpianatra tao amin’ny Fiangonana fahiny. Ao anatin’ny fampianarany sy ny fifaneraserany amin’ny olona dia misy fahamarinana miverimberina izay afaka manampy antsika amin’ireo enta-mavesatra izay entintsika.

Hazavao fa ny Matio 11 dia ahitana ohatra iray momba io lohahevitra lehibe io izay ho hitan’ireo mpianatra matetika ao amin’ny fandalinany ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 11:28. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny fanasana nataon’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mitondra enta-mavesatra.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe miasa fatratra sy mavesatra entana?

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa tokony ho ataontsika mba hahazoana ny fitsaharany? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Rehefa manatona an’i Jesoa Kisty miaraka amin’ny enta-mavesatsika isika dia hanome antsika fitsaharana Izy.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe manatona an’i Jesoa Kristy?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe manatona an’i Kristy dia asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Matio 11:29–30. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny torohevitra nomen’ny Mpamonjy ho an’ireo izay maniry ny hanatona Azy.

  • Araka ireo andininy ireo, dia inona no tsy maintsy hataontsika mba hanatonana an’i Kristy?

Manaova sarina ziogan’omby eny amin’ny solaitrabe na mampisehoa sarina zioga iray.

zioga hazo

Hazavao fa ny zioga dia vatan-kazo lehibe iray izay mampifandray na mampiaraka omby roa na biby hafa mba hahafahan’izy ireo miaraka mitarika entana iray.

  • Inona no tanjona amin’ny ampiasana zioga sy ny tombontsoa azo avy amin’izany? (Na dia enta-mavesatra aza ny zioga dia manome fahafahana ireo biby roa hanambatra ny heriny sy ny tanjany izany ka hampitombo bebe kokoa ny vokatra omen’izy ireo.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mitondra ny ziogan’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy mba hihaino ny fomba hitondrantsika ny ziogan’ny Mpamonjy sy ireo fitahiana mety ho azontsika raha manao izany.

Loholona David A. Bednar

“Mampifanakaiky ny biby roa ny zioga iray ka afaka miara-mikisaka izy ireo mba hahavitana asa iray.

“Eritrereto ilay fanasana manokana tena miavaka nataon’ny Tompo hoe ‘ento ny ziogako.’ Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo. Ny zava-dehibe indrindra dia manasa antsika hiantehitra Aminy sy hiara-mitondra ny enta-mavesatra Aminy ny Mpamonjy, na dia tsy mitovy sy tsy azo ampitahaina amin’ny Azy aza ny ezaka lehibe indrindra vitantsika. Rehefa matoky Azy isika sy mitondra ny enta-mavesatsika miaraka Aminy mandritra ny fiainana ety an-tany, dia marina tokoa fa mora ny ziogany, ary maivana ny entany.

“Tsy irery isika ary tsy mila ny ho irery mihitsy. Afaka mibosesika mandroso isika amin’ny fiainantsika andavanandro noho ny fanampiana avy any an-danitra izay azontsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka hahazo fahaiza-manao sy ‘hery mihoatra noho izay ananantsika amin’izao’ isika (‘Seigneur Je Te Suivrai,’ Cantiques, no. 141) ”(“Mitondra Mora Foana ny Enta-mavesany,” Ensign na Liahona, mey 2014, 88).

  • Inona no mampifandray antsika amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy?

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar dia inona avy ireo fitahiana azo rehefa mifandray amin’ny Mpamonjy?

Hazavao fa ilay fampanantenana “fitsaharana” nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 11:28–29 dia tsy voatery midika hoe hofafany ireo olana na zava-tsarotra ananantsika. Matetika ny Mpamonjy dia hanome antsika ny fiadanana sy ny hery izay ilaintsika mba handresena na hiaritra ireo fitsapana mianjady amintsika ka ho maivana kokoa ireo enta-mavesatsika. Raha mahatoky isika ao anatin’ireo zava-tsarotra eto an-tany dia ny fisandratana miaraka amin’Andriamanitra no fitsaharana ambony indrindra ho azontsika (jereo ny F&F 84:23–24).

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba nanomezan’ny Mpamonjy azy ireo fitsaharana rehefa nanatona Azy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany amin’ny mpianatra rehetra.

Asao ireo mpianatra mba hametraka tanjona manokana mikasika ny fomba mety ahafahan’izy ireo manatona an’i Jesoa Kristy mandritra ity taona hianarana ny Testamenta Vaovao ity. Amporisiho izy ireo mba hampiditra ao anatin’ny tanjony ny fandalinana ny soratra masina isan’andro sy ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo amin’ity taona ity.

Topimaso fohy mikasika ny Testamenta Vaovao

Ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy antsika.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ireo mpanoratra ireo Filazantsara efatra: Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Hazavao fa nanoratra tantara sy fampianarana avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ny tsirairay amin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy ireo. Antsoina hoe ireo Filazantsara ny asasoratr’izy ireo. Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly.” Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manova ny lohatenin’ny Filazantsara tsirairay ho tenivavolombelona, toy ny ao amin’ny “Ny Tenivavolombelon’i Matio.”

  • Nahoana no manampy ny manana filazantsara na tenivavolombelona mihoatra ny iray momba ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa na dia misy tsy fitoviana aza ireo Filazantsara efatra eo amin’ny antsipiriany sasantsasany sy ny fomba fijery dia samy mitantara ireo zava-nitranga tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany teo anivon’ireo Jiosy avokoa izy rehetra. Ireo Filazantsara efatra dia samy mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao. Asaivo mijery ilay tabilao “Ny fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany raha jerena indray mipi-maso,” any amin’ny faran’ny Fizarana 1 ny mpianatra: Lesona amin’ny Andro 4. Asao izy ireo hampiasa ilay tabilao mba hitady ireo zava-nitranga vitsivitsy lehibe indrindra tamin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany.

  • Araka ilay tabilao, dia naharitra hafiriana ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany?

  • Taiza no nisy ny Mpamonjy nandritra ny ankamaroan’ny fotoana nanompoany?

Asao ireo mpianatra hampiasa ity tabilao ity mba hahatakarana bebe kokoa ny sahan-kevitr’ireo Filazantsara efatra rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao izy ireo.

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ny bokiny ao amin’ny fanoroam-pejy ao amin’ny Baiboly. Hazavao fa raha toa ka mitantara ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy ireo bokin’ny Filazantsara, ireo boky manomboka amin’ny Asan’ny Apostoly ka hatramin’ny Apokalypsy kosa dia mirakitra ny asa fanompoan’ireo Apôstôlin’i Kristy fahiny taorian’ny nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny Fiakarany tany an-danitra. Nandeha namakivaky ny tanin’ny Isiraely sy ny Fanjakana Romana ireo Apôstôly ireo mba hitory ny filazantsara sy hanangana sampan’ny Fiangonana maromaro. Amin’ny alalan’ny fandalinana ireo asa sy asasoratr’ireo Apôstôly ireo dia afaka mampahatanjaka ny finoantsika an’ny Mpamonjy sy mianatra ny fomba hahazoantsika ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany isika. Afaka mahita ny fitovian’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fiangonan’i Jesoa Kristy fahiny ihany koa isika.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Testamenta Vaovao ary asao ireo mpianatra mba hitady ireo fahamarinana izay hitahy azy ireo rehefa mandalina ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny ao amin’ny Testamenta Vaovao izy ireo.

Fizarana Manaraka (Matio 1–5)

Hazavao fa ao amin’ny fizarana manaraka dia handalina ny sasany amin’ireo antsipiriany manodidina ny fahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra ireo mpianatra. Handalina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy mikasika ny fomba hahitana fifaliana marina amin’ity fiainana ity sy ny fomba hahatongava ho tanteraka tahaka ny Ray any An-danitra ihany koa izy ireo.