Lesona 155
Apokalypsy 6–11, Fizarana 2
Fampidirana
Nahita ny fanokafana ny tombokase fahafito i Jaona ary nianatra momba ny iraka nampanaoviana azy dia ny handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Apokalypsy 8–9
Mahita ny fanokafana ny tombokase fahafito i Jaona
Tsinjarao ho tsiroaroa ny mpianatra dia angataho ny mpianatra hanazava amin’ny namany ny zavatra nianarany tao anatin’ny fandalinany ny Apokalypsy 6–7 ka afaka manampy azy ireo hijanona ho faly sy hatanja-tsaina eo anivon’ny fisalasalana sy ny olana.
Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika hita tao amin’ny lesona teo aloha ity: Raha miaritra fahoriana amim-pahatokiana isika ary lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hahazo ny voninahitra selestialy miaraka amin’ Andriamanitra. Amporisiho ny mpianatra hitady ny fomba hifandraisan’io fitsipika io amin’ireo trangan-javatra izay ho fantatr’izy ireo ao anatin’ny lesona androany.
Omano amin’ny taratasy hozaraina ity tabilao manaraka ity na sorito eny amin’ny solaitrabe:
-
Araka io tabilao io dia firy ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izay miresaka ireo zava-mitranga ao amin’ireo tombokase enina voalohany? (25.)
-
Firy ny andinin-tsoratra masina miresaka ireo zava-mitranga ao amin’ny tombokase fahafito? (211 + 15 = 226.)
Hazavao fa i Jaona dia nanoratra zavatra bebe kokoa momba ireo trangan-javatra ao anatin’ilay arivo taona fahafito raha ampitahaina amin’izay nataony mikasika ireo trangan-javatra ao anatin’ireo hafa rehetra. Nanoratra manokana mikasika ireo trangan-javatra izay hiseho manomboka amin’ny fanokafana ny tombokase fahafito ka hatramin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izy.
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no nampiompana ny asa sorany tamin’ireo zavatra hitranga ao anatin’ny tombokase fahafito i Jaona?
Fintino ny Apokalypsy 8:1–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo andininy ireo dia mamariparitra ny amin’ny fanokafan’ny Mpamonjy ny tombokase fahafito. Nahita anjely fito izay nomena trompetra fito i Jaona. Fahiny ny trompetra dia nampiasaina mba “ho feo fanairana, na hanpandrenesana [ny miaramila] amin’ny ady, na hanambarana ny fahatongavan’ny mpanjaka” (Gerald N. Lund, “Seeing the Book of Revelation as a Book of Revelation,” Ensign, des. 1987, 50). Amin’ity ohatra eto ity, ny fitsofana ireo trompetra dia hampandre ny amin’ny fandefasana ireo loza sy faharavana isan-karazany ho fanomanana ny fanjakan’i Jesoa Kristy mandritra ny arivo taona.
Asao ny mpianatra hanoratra hoe “Ny tombokase fahafito” eo amin’ny farany ambony amin’ny taratasy iray na ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ka hanao sarina trompetra fito mitandrahatra midina eo amin’ny sisin’ilay pejy.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andininy manaraka ireto, saingy aza soratana ireo fanontaniana manaraka ny toko sy andininy tsirairay. Asao ny mpianatra hanoratra ireo toko sy andininy eo akaikin’ireo trompetra eo amin’ny taratasin’izy ireo:
Voalohany—Apokalypsy 8:7. Inona no nitranga vokatry ny “havandra sy afo” izay nilatsaka tamin’ny tany rehefa nitsoka ny trompetrany ilay anjely voalohany?
Faharoa—Apokalypsy 8:8–9. Inona ireo zavatra telo voakasika rehefa nampanenoina ny trompetra faharoa?
Fahatelo—Apokalypsy 8:10–11. Iza no anaran’ilay kintana nianjera? (Hazavao fa ny zava-mangidy dia ahitra mangidy nampiasaina mba hilazana “zava-doza na alahelo mangidy” [Bible Dictionary, “Wormwood”].) Inona no nitranga rehefa nianjera ilay izy?
Fahefatra—Apokalypsy 8:12. Inona ireo zavatra telo nohamaizinina tamin’ny ampahany taorian’ny fitsofana ilay trompetra fahefatra?
Fahadimy—Apokalypsy 9:1–3. Inona no nivoaka avy ao amin’ilay lavaka tsy hita noanoa rehefa nanokatra izany ilay anjely fahadimy?
Fahenina—Apokalypsy 9:13–16, 18. Firy ny miaramila nandray anjara tao anatin’ilay ady lehibe izay hitan’i Jaona rehefa avy notsofina ny trompetra fahenina? Ampahafirin’ny olona no hitany maty tao anatin’io ady io?
Fahafito—Apokalypsy 11:15.
Zarao ho vondrona enina ny mpianatra, ary omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina enina voalohany voatanisa eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay (raha vitsy ny mpianatrao dia azonao atao ny manome andinin-tsoratra masina maromaro ny vondrona sasany). Angataho ireo vondrona hiara-hamaky mafy ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ka hitady ny zavatra nitranga taorian’ny nitsofana ireo trompetra. Asao izy ireo hanoratra ny zavatra hitany eo akaikin’ny trompetra mifandraika amin’izany ao anatin’ny taratasin’izy ireo.
Rehefa ampy ny fotoana niasana dia asao ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo. Asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra hitan’ny vondrona tsirairay eo akaikin’ny trompetra mifandraika amin’izany ao anatin’ny taratasin’izy ireo. Rehefa manao tatitra ny mpianatra dia apetraho, raha ilaina, ny fanontaniana miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo.
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo fitsipika hitantsika tao amin’ny lesona teo aloha manampy an’ireo izay miaina mandritra ireo zava-mitranga ao anatin’ny tombokase fahafito?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 9:20–21. Asao hanaraka ny vakiteny ny iray kilasy mba hitady ny fihetsika ho asetrin’ireo ratsy fanahy izay tsy matin’ireo loza ireo. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny faharatsian’ireo olona ireo?
Apokalypsy 10
Nanome toromarika an’i Jaona mikasika ny asa hanirahana azy amin’ny andro farany ny anjely iray
Hazavao fa ny Apokalypsy 10 dia mirakitra ny fiatoana amin’ny fitantarana momba ny fitsofana ireo trompetra fito sy ireo loza miaraka amin’izany. Vakintsika ao amin’io toko io fa anjely iray hafa no nampianatra an’i Jaona.
Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe Mamy sy Mangidy.
-
Inona avy ireo zavatra iainana eo amin’ny fiainana ka mety horaisina ho sady mamy no mangidy?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 10:1–3. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra notazonin’ilay anjely.
-
Inona no notazonin’ilay anjely?
Manasà mpianatra roa hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 10:8–11. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nasaina nataon’i Jaona tamin’ilay boky.
-
Inona no nasaina nataon’i Jaona tamin’ilay boky? Nanahoana ny tsirony?
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:14 ny mpianatra iray. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady hoe maneho inona ny fihinanan’i Jaona ilay boky.
-
Araka io andininy io dia maneho inona ny fihinanan’i Jaona ilay boky? (Ny faneken’i Jaona ny iraka nampanaoviana azy mba hanampy amin’ny “fanangonana ny firenen’i Isiraely” sy “hamerina indray ny zava-drehetra” amin’ny andro farany.)
Hazavao fa notsofin-drano i Jaona mba tsy ho faty ka hahafahany mitondra olona ho any amin’ny Mpamonjy (jereo ny F&F 7:1–4).
-
Inona no zavatra mety hiainan’i Jaona amin’ny fanatanterahany ny iraka nampanaovina azy ka mety hoe mamy? Inona no mety ho mangidy?
Apokalypsy 11
Mahita mpaminany roa novonoina tao Jerosalema sy ny fitsofana ny trompetra fahafito i Jaona
Hazavao fa ny Apokalypsy 11 dia manomboka amin’ny famaritan’i Jaona ireo zava-mitranga izay hialoha ny fitsofana ny trompetra fahafito sy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Mandritra io fotoana io dia hanana hery sy fifehezana bebe kokoa eto ambonin’ny tany ny olon-dratsy ary hisy tafika hikatsaka ny hanafika an’i Jerosalema.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 11:3–6 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra hataon’ny vavolombelona roa ao Jerosalema mandritra io fotoana io.
-
Hanao inona ireo vavolombelona roa?
-
Inona no mety ho dikan’ ny hoe hisy “afo [hivoaka] amin’ny vavany”? (andininy 5). (Mety ho tandindon’ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona hozarain’izy ireo izany [jereo ny Jeremia 5:14; 20:9].)
Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:15 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady hoe ho iza ireo vavolombelona roa ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 11:7–12 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hitranga amin’ireo mpaminany roa ireo rehefa vita ny asa fanompoany eo anivon’ny Jiosy.
-
Ho toy ny ahoana ny fihetsika asehon’ny ratsy fanahy rehefa voavono ireo vavolombelona roa?
-
Inona no hitranga amin’ireo vavolombelona roa rehefa maty telo andro sy tapany izy ireo?
-
Ho toy ny ahoana ny fihetsika asehon’ny olona rehefa hatsangana amin’ny maty ireo vavolombelona roa ary hoentina miakatra any an-danitra?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 11:13–15 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady izay zavatra hitranga mialoha ny hitsofana ny trompetra fahafito sy mandritra izany. Asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra hitany ao amin’ny taratasiny eo akaikin’ny trompetra fahafito.
-
Iza no hanjaka eo amin’ny “fanjakana amin’izao tontolo izao” aorian’ny fitsofana ny trompetra fahafito? (andininy 15).
Fintino ny Apokalypsy 11:16–19 amin’ny fanazavana fa nanati-pisaorana sy fiderana an’ Andriamanitra ireo loholona 24 noho izy namaly soa ny olo-marina ary nanafay ny ratsy fanahy. Hitan’i Jaona tamin’ny fahitana ihany koa ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra sy ny fiaran’ny fanekena izay maneho fa ao Andriamanitra.
Farano ny lesona androany amin’ny alalan’ny fizarana ny fahatsapanao fankasitrahana sy fiderana ho an’ Andriamanitra noho ny hatsarany sy ny fahamarinany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Apokalypsy 8–11. Fanazavana fanampiny
Mba hahazoana fanazavana fanampiny momba ny votoatin’ny Apokalypsy 8–11, dia jereo ny fanazavana ho an’ireo toko ireo izay hita ao amin’ny amin’ny New Testament Student Manual (Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014) ao amin’ny pejy 545–49.
Apokalypsy 10:1–3, 8–11. Ilay boky kely nomena an’i Jaona mba hohaniny
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
“Ny fihinanan’i Jaona ilay boky mirakitra ny tenin’ Andriamanitra raha ho azy manokana dia nifanaraka tamin’ny fomba amam-panaon’ny Isiraely fahiny. Ny fihinanana ilay boky dia nidika fa nihinana ny mofon’aina izy, fa nandray ny teny tsaran’ Andriamanitra izy, fa nivoky tamin’ny tenin’i Kristy izy—izay ‘mamy tahaka ny tantely’ ho azy. Saingy ‘[n]ampangidy ny kibo[ny]’ ilay izy; izany hoe ny fitsarana sy ny loza nampanantenaina an’ireo izay nandefasana ny tenin’ny Tompo dia nahatonga azy ho kivy sy alahelo mafy” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3. [1965–73], 3:507).
“Ny hoe io boky io dia ‘mamy tahaka ny tantely’ tao am-bavan’i Jaona saingy ‘nangidy’ tao an-kibony (Apokalypsy 10:10) dia mety midika fa ny iraka nampanaovina azy dia mety ahitana traikefa mamy sy mahafaly maro kanefa ahitana traikefa feno fandavana sy mampahory ihany koa (jereo koa ny Salamo 119:103)” (New Testament Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 548).