Tahirim-pitaovana
Lesona 27: Joseph Smith—Matio; Matio 24


Lesona 27

Joseph Smith—Matio; Matio 24

Fampidirana

Naminany momba ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly i Jesoa Kristy. Nanambara ireo famantarana ny Fiaviany Fanindroany ihany koa Izy ary nanome torolalana ho an’ny mpino mba hiambina sy hiomana ho amin’izany andro izany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Joseph Smith—Matio 1:1–20

Naminany momba ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly i Jesoa.

Ny Fiaviana Fanindroany

Asehoy ilay sary hoe Ny Fiaviana Fanindroany (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 66; jereo ihany koa ny LDS.org). Angataho ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo fanontaniana nananany mikasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ary hanoratra izany ao anatin’ny kahie fandraisana an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina. Aza mikasa hamaly an’ireo fanontaniana ireo amin’izao fotoana izao. Asao ny mpianatra hikaroka valinteny rehefa mandalina ny Joseph Smith—Matio.

Mariho fa ny Joseph Smith—Matio dia Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 23:39 sy ny Matio 24. Fintino ny Joseph Smith—Matio1:1–3 amin’ny fanazavana fa rehefa nampianatra tao amin’ny tempoly tany Jerosalema i Jesoa Kristy dia nahatakatra ireo mpianany fa hiverina indray eto an-tany Izy. Nandao ny tempoly i Jesoa avy teo ary nanatona Azy ireo mpianany, naniry ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny fotoana haharava ny tempoly.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Matio 1:4 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ka hitady ireo fanontaniana roa napetrakin’ny mpianatry ny Tompo Taminy teo an-tendrombohitra Oliva. Asao ireo mpianatra hanao tatitra izay zavatra hitany ary soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Oviana i Jerosalema sy ny tempoly no ho rava?

  2. Inona no famantarana ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny fandravana ireo olon-dratsy?

Hazavao fa i Jesoa Kristy dia niresaka momba ny fanontaniana voalohany tao amin’ny andininy 5–21, ary ny fanontaniana faharoa dia novaliany tao amin’ny andininy 21–55. Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Omeo toromarika izy ireo mba hamaky mafy ny Joseph Smith—Matio 1:5–12 miaraka amin’ny namana iray ka hitady ireo famantarana mifandraika amin’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Na dia nilaza aza i Jesoa fa hijaly ny mpianany mandritra izany fotoana izany, inona no nolazainy momba an’ireo izay “miorina mafy ka tsy resy”? (andininy 11).

  • Inona no fitsipika azontsika nianarana avy tamin’ny andininy 11? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha miorina mafy ka tsy resy isika dia hovonjena. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.)

  • Inona no dikan’ny hoe miorina mafy ka tsy resy? (Nymiorina mafy dia midika hoe tsy miova, matanjaka, tsy azo hozongozonina ary tsy azo reseina.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny teny hoe hovonjena ao amin’ny andininy 11, dia hazavao fa rehefa miorina mafy isika dia tsy midika izany fa tsy hitranga amintsika ny fotoan-tsarotra fa amin’ny farany anefa dia hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity andininy manaraka ity. Angataho ny mpianatra hihaino ny fomba nahafahan’ireo izay niorina mafy tamin’ny fankatoavana ny torohevitry ny Mpamonjy ho voavonjy tamin’ny fandringanana:

Mianatra isika ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:13-18 fa nampitandrina ny mpianatra i Jesoa mba ho vonona ny hitsoaka any amin’ny tendrombohitra ka tsy hiverina any an-tokantranon’izy ireo satria hisy hanafika i Jerosalema ka ho rava. Naminany Izy fa ny fahoriana amin’izany andro izany no ho ratsy indrindra izay ho hitan’i Isiraely hatramin’izay. Tamin’ny taona 70 taorian’i J.K. , tokony ho 40 taona taorian’ny nitenenan’i Jesoa ireo teny ireo dia nanafika an’i Jerosalema ny Romana ka namono Jiosy mihoatra ny iray tapitrisa. Rava ny tempoly, ary tsy nisy vato nifanongoa teo—tahaka ny naminanian’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 24:2). Ireo izay nihaino ny fampitandreman’i Jesoa kosa anefa dia nitsoaka tany Pela, tanàna iray tokony ho teo amin’ny 80 kilaometatra avaratra atsinanan’i Jerosalema (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy an’ny Olomasin’ny Andro Farany, “Pella”).

  • Ahoana no maneho ny maha-zava-dehibe ny mijanona ho miorina mafy amin’ny fankatoavana ny tenin’ny Mpamonjy ny zavatra niainan’ny Jiosy?

  • Oviana ianao no voatahy noho ny fiorenana mafy hatrany amin’ny fankatoavana ireo didy?

Fintino ny Joseph Smith—Matio 1:19–20 amin’ny fanazavana hoe i Jesoa dia naminany fa na dia hijaly fahoriana lehibe aza ireo Jiosy dia ho voaro izy ireo noho ny fanakempihavanan’ Andriamanitra tamin’izy ireo.

Joseph Smith—Matio 1:21–37

Naminany momba ireo famantarana momba ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa

Hazavao fa ankoatra ny fanazavana ireo famantarana izay hampitandrina ny amin’ny fandringanana an’i Jerosalema dia namaly ilay fanontanian’ny mpianany faharoa ny Mpamonjy tamin’ny faminaniana ireo famantarana momba ny Fiaviany Fanindroany.

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Matio 1:21–23 . Asao ny mpianatra hanaraka izany mba hitady ny antony nanambaran’ny Tompo ny famantaran’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Nahoana no nanampy an’ireo mpianatry ny Tompo ny nahalala ireo famantarana izay hilaza ny Fiaviana Fanindroany?

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Joseph Smith—Matio 1:24–26. Asaivo jeren’ny mpianatra ny fomba hisehoan’ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Ahoana no fomba hisehoan’ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana izany no manampy ireo voafidy mba tsy ho voafitaka?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Joseph Smith—Matio 1:27–31 ka hikaroka ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany.

  • Inona avy ireo fahasarotana hitranga amin’ny olona amin’ny Fiaviana Fanindroany?

  • Raha miainga avy amin’ny andininy 27 sy 31, inona ireo famantarana mitondra fanantenana hialoha ny Fiaviana Fanindroany? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia hangonina ireo olom-boafidin’ny Tompo ary hotoriana amin’izao tontolo izao manontolo ny filazantsara.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hahitantsika ny fahatanterahan’io faminaniana io?

Hazavao fa ny Joseph Smith—Matio1:32–36 dia manoritsoritra ireo famantarana fanampiny mifandraika amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fampitandreman’ny Mpamonjy fa amin’ny andro farany dia hikatsaka ny “hamitaka ireo olom-boafidy” ireo “kristy sandoka, sy mpaminany sandoka” (andininy 22). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Matio 1:37 . Asaivo manaraka izany ny iray kilasy, ka hitady ny fomba ahafahan’ny olom-boafidy tsy ho voafitaka.

  • Ahoana no ahafahan’ireo olom-boafidy tsy ho voafitaka?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka mirakitra ny tenin’ny Tompo isika dia tsy ho voafitaka. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra an’io fitsipika io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity, izay nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona M. Russell Ballard

“Taona vitsy taty aoriana dia tonga namangy ahy ny iray tamin’ireo misionerako tsara hofana izay niara-nanompo tamiko fony aho filohan’ny Misiona tany Toronto [Kanadà]. Nanontany azy aho, ‘Elder, inona no azoko hanampiana anao?

“‘Filoha,’ hoy izy, ‘Mieritreritra aho fa mihavery ny fijoroana ho vavolombelona ananako.’

“Saika tsy nampino ahy izany. Nanontany azy aho hoe ahoana no mahatonga izany.

Nilaza izy hoe: “‘Fotoana voalohany izao no namakiako ireo lahatsoratra vitsivitsy manohitra ny Môrmôna.’ ‘Nanana fanontaniana aho, ary tsy hisy olona hamaly izany ho ahy. Very hevitra aho, ary mieritreritra aho fa very ny fijoroana ho vavolombelona ananako’” (“When Shall These Things Be?” Ensign, des. 1996, 60).

Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa efa niaina zavatra mitovy tamin’ny an’ity misiônera teo aloha ity izy ireo, na ny olona fantany?

  • Inona no torohevitra homenao ny olona ao anatin’izany toe-javatra mitranga izany? Nahoana?

Manasà mpianatra iray hanohy hamaky ilay tantaran’ny Loholona Ballard:

“Nanontaniako azy ireo fanontaniana ireo, ka nolazainy tamiko. Ireo fanontaniana ireo dia ireo olana mazàna hapetrak’ireo mpanohitra ny Fiangonana, kanefa dia nila fotoana kely aho hanangonako ny fitaovana izay ahafahako hanome valim-panontaniana mazava. Koa dia nifanome fotoana izahay mba hihaonana afaka 10 andro, izay fotoana nolazaiko taminy fa hamaliako ny tsirairay avy amin’ireo fanontaniany. Rehefa handao iny izy dia najanoko.

“‘Elder, nametraka fanontaniana marobe tamiko ianao androany,’ hoy aho. ‘Izao dia manana fanontaniana iray ho anao aho.’

“‘Eny, Filoha?’

“‘Oviana ianao no namaky farany ny Bokin’ny Môrmôna?’ Hoy aho nanontany.

“Nanondrika ny masony izy. Nijery ny gorodona nandritra ny fotoana elaela izy. Dia nijery ahy avy eo. ‘Tena efa ela, Filoha,’ hoy izy nilaza tamim-pahatsorana.

“Eny,” hoy aho. ‘Efa nomenao zavatra natao aho. Rariny ihany raha toa ka omeko zavatra ho atao ianao. Tiako ianao hampanantena ahy fa hamaky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna farafahakeliny adiny iray isan’andro manomboka izao mandra-pahatongan’ny fotoana hihaonantsika manaraka.’ Nanaiky ny hanao izany izy.

“Folo andro taty aoriana dia niverina tao amin’ny biraoko izy, ary efa vonona aho tamin’izay. Navoakako ireo taratasiko mba hanombohana mamaly ireo fanontaniany, saingy najanony aho.

“‘Filoha,’ hoy izy, ’tsy ilaina izany.’ Dia nanazava izy hoe: ‘Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa i Joseph Smith dia mpaminanin’ Andriamanitra.’

“‘Tsara izany,’ hoy aho taminy. ‘Fa na izany aza dia handray ny valin’ireo fanontanianao ianao. Fotoana lava no nanomanako ity, koa mahazoa toerana ary mihainoa.’

“Ary dia namaly ny fanontaniany rehetra aho sy nanontany azy hoe, ’Ry Elder, Inona no zavatra nianaranao tamin’ity?’

“Ary hoy izy hoe: ‘Omeo fehim-potoana mitovy amin’izany ny Tompo’” (“When Shall These Things Be?” 60).

  • Amin’ny fomba ahoana ity tantara ity no maneho illay fitsipika nofantarintsika tao amin’ny andininy 37?

  • Ahoana no notahiana anao rehefa nirakitra ny tenin’ny Tompo ianao?

Joseph Smith—Matio 1:38–55

Nanome toromarika ny mpianany i Jesoa momba ny fiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany

Hazavao fa nanome toromarika momba ny fomba hiraketana ny teniny sy hiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany tamin’ny mpianany i Jesoa tamin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana.

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Omeo andraikitra ny mpianatra iray avy amin’ireo andiany tsirairay mba handalina ny Joseph Smith—Matio 1:38–46 ary ny mpianatra iray hafa mba handalina ny Joseph Smith—Matio1:47–54. Asao ireo mpianatra hikaroka fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina nampandraiketana azy ireo ary handray izany an-tsoratra.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia angataho izy ireo hamintina ireo fanoharana novakiany ho an’ny namany ary hifanakalo hevitra mikasika izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona avy ireo fahamarinana hitanareo?

  • Ahoana no fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny fahamarinana tao anatin’ny andinin-tsoratra masina nohalalininareo?

Manasà mpianatra maromaro hizara ny fahamarinana hitany, izay mety hahitana izao manaraka izao: Ny Ray any An-danitra ihany no mahafantatra ny fotoan’ ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Raha toa ka mijery ireo famantarana sy mankatò ireo didin’ny Tompo isika dia hiomana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Avereno jerena ireo fahamarinana izay hita tao amin’ny Joseph Smith—Matioary asaivo dinihan’ny mpianatra ny fomba hamalian’ireo fahamarinana ireo ny fanontaniana izay nosoratan’izy ireo tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Asao izy ireo mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nianarany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (raha azo atao dia zarao tahadikan’izany ireo mpianatra:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ahoana raha rahampitso ny andro hahatongavany? Raha fantatsika fa hihaona amin’ny Tompo isika rahampitso—amin’ny alalan’ny fahafatesantsika aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina—inona no ho ataontsika anio? Inona ireo fibabohana ho ataontsika? Inona ireo fomba fanao hajanontsika? Inona ireo fifandirana na olana hovahantsika? Famelan-keloka toy ny ahoana no ataontsika? Fijoroana ho vavolombelona inona no hozaraintsika?

“Raha toa ka hanao ireo zavatra ireo isika, nahoana izany no tsy atao ankehitriny?” (“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 9).

Asao ireo mpianatra hanoratra ny valitenin’izy ireo ho an’ity fanontaniana ity: Raha toa ka hifanena amin’ny Mpamonjy ianao rahampitso, inona no hovainao anio? Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny zavatra nosoratany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Joseph Smith—Matio 1:11. “Izay miorina mafy ka tsy resy”

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe miorina mafy:

“Ny teny hoe ‘miorina mafy’ dia ampiasaina mba hilazana hoe mijanona amin’ny toerana na foto-kevitra iray, mitombina tsara sy mafy, tsy voahozongozona ary mifahatra tsara (Oxford English Dictionary Online, ed. faha-2 [1989], “Steadfast”). … Ny olona izay miorina mafy sy tsy mihozongozona dia mitombina tsara, mafy, mifahatra tsara, voaro tsara, ary tsy azo avily amin’ny tanjona iray tena manan-danja na amin’ny iraka ampanaovina” (“Steadfast and Immovable: Always Abounding in Good Works,” New Era, jan. 2008, 2).

Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Fa izay miorina mafy ka tsy resy no hovonjena” (Joseph Smith—Matio 1:11). Ny hoe hovonjena dia tsy midika hoe tsy hiharan’ny fahasarotana. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava hoe:

“Hevi-diso ny hoe afaka hiala amin’ny fitsarana rehetra ny Olomasina, fa hijaly kosa ny ratsy fanahy; satria iharan’ny fijaliana avokoa ny nofo rehetra, ary ‘zara raha afa-miala ny olomasina;’ … maro ny marina izay ho voan’ny aretina sy ny areti-mandringana, sns., noho ny fahalemen’ny nofo, kanefa hovonjena ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (ao amin’ny History of the Church, 4:11; jereo ihany koa ny Journals, Volume 1: 1832–1839, boky 1 amin’ireo andiana boky atao hoe The Joseph Smith Papers, ed. Dean C. Jessee, Ronald K. Esplin, sy Richard Lyman Bushman [2008], 352–53).

Joseph Smith—Matio 1:22. “Dia hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana”

Ny andian-teny hoe “Kristy sandoka” sy “mpaminany sandoka” dia milaza ny olona rehetra—anatiny sy ivelan’ny Fiangonana—izay mitompo teny ho mpisolo tena miresaka ho an’ny Tompo kanefa tsy manana fahefana na manindraindra ireo fampianarana izay mifanohitra amin’ireo tenin’ireo mpaminany velona. Izay rafitra diso natao hitsaohana ihany koa dia azao atao hoe Kristy sandoka (jereo ny Bruce R. McConkie, The Millennial Messiah [1982], 48). Ilay andian-teny hoe “olom-boafidy araka ny fanekempihavanana” ao amin’ny andininy 22 dia milaza ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ireo andian-teny hoe “Kristy sandoka” sy “mpaminany sandoka”:

“Rehefa mieritreritra momba ny mpaminany sandoka sy ny mpampianatra diso isika dia mazàna mieritreritra an’ireo izay mandray fotopampianarana diso miharihary na mihevitra fa manana fahefana hampianatra ny filazantsaran’i Kristy marina araka ny fahatakarany izany. Matetika isika dia mihevitra fa ireo olona ireo dia mivondrona amin’ny antoko kely izay tena efa lasa lavitra amin’ny foto-kevitra ijoroany ary tsy eken’ny fiaraha-monina. Manambara indray aho anefa fa: misy ireo mpaminany sandoka sy mpampianatra diso izay mpikambana ao amin’ny Fiangonana na milaza fa mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Misy ireo izay milaza, nefa tsy nahazo lalana fa ny zavatra sy fombafomba ataon’izy ireo dia eken’ny Fiangonana sy tohanan’ny Fiangonana. Mitandrema amin’izy ireny” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 62).

Joseph Smith—Matio 1:22. “Raha azo atao, dia hofitahiny na dia ny olom-boafidy aza”

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nampitandrina ireo mpikamban’ny Fiangonana:

“Tsy afaka manaiky na inona na inona ho baiko isika raha tsy izay mivantana avy amin’ny lalana voatendry, ireo rafitra ao amin’ny fisoronana izay naorina, izay lalana notendren’ Andriamanitra ka hampahalalany ny eritreriny sy ny sitrapony amin’izao tontolo izao.

“… Amin’ny fotoana izay hitodihan’ny olona tsirairay amin’ny loharano hafa, dia manipy ny tenan’izy ireo hidiran’ireo fitaomana mamitak’i Satana izy ireo amin’izay fotoana izay, ka mampilefitra ny tenany ho azo antoka fa ho tonga mpanompon’ny devoly; manalavitra ny lamina marina izay hankamamiana ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana izy ireo; mivoaka ny faritry ny fanjakan’ Andriamanitra izy ireo ka any amin’ny faritra mampidi-doza. Isaky ny mahita olona iray mitompo teny ho nahazo fanambarana mivantana avy amin’ny Tompo ho an’ny Fiangonana ianao, ka tsy ao anatin’ny lamina sy ny lalan’ny fisoronana, dia azonareo heverina ho mpamitaka izy” (Gospel Doctrine, ed. faha-5 [1939], 42).