Tahirim-pitaovana
Lesona 24: Matio 9:17–22:14


Lesona 24

Matio 9:17–22:14

Fampidirana

Rehefa avy nijanona nandritra ny alina tao amin’ny tanàna kelin’i Betania i Jesoa dia niverina tao amin’ny tempoly. Nanozona aviavy iray Izy teny an-dalana. Nanatona Azy tao amin’ny tempoly ireo mpitarika ny Jiosy ka nanontany Azy momba ny fahefany. Nibedy azy ireo sy nampianatra fanoharana maro Izy izay mampiseho ireo voka-dratsin’ny fandavana na ny fanekena Azy sy ny filazantsarany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 21:17–32

Nanozona aviavy iray Izy ary nibedy ireo mpitarika ny Jiosy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialohan’ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo fotoana sasantsasany izay nianaranao fa tsy tsara araka ny fisehony ny zavatra iray?

Atombohy amin’ny fanasana mpianatra iray na vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny fanontaniana eo amin’ny solaitrabe ny fotoam-pianarana.

Hazavao fa ny Matio 21 dia ahitana tantara iray momba ny fotoana izay nahitan’i Jesoa zavatra iray izay tsy tsara araka ny fisehony. Asao ny mpianatra hikaroka fahamarinana ao amin’ny Matio 21 izay afaka mitarika antsika amin’ny tsy fisehoana ho marina amin’ny hafa ihany fa amin’ny fiainana amim-pahamarinana ihany koa.

Ho sahan-kevitry ny Matio 21dia hazavao fa rehefa avy niakatra tamim-pihobiana tao Jerosalema i Jesoa ka nanadio ny tempoly dia nijanona tao Betania Izy, izay tanàna kely teo akaikin’i Jerosalema. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 9:18-22 . Asaivo manaraka izany ny mpianatra rehetra ka hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ny ampitso rehefa nandeha avy tany Betania niverina tany amin’ny tempolin’i Jerosalema Izy.

  • Inona no nataon’ny Mpamonjy tamin’ilay aviavy?

aviavy

Aviavy

© Jose Ramiro Laguna/Shutterstock.com

Asehoy ny sarin’ ny aviavy miaraka amin’ny raviny. Hazavao fa ny ravin’ny aviavy raha ny tokony ho izy dia manambara fa manana voa ilay hazo. Tamin’ny lohataona (rehefa nahita hazo aviavy izay tsy nisy voany ny Mpamonjy), dia mamokatra aviavy mialoha ny hazo aviavy amin’ny ankapobeny. Raha toa ka tsy izany no mitranga dia tsy hamokatra voa velively mandritra ny taona izany. Nanana ny endriky ny hazo mamokatra voa ilay hazo voafariparitra ato anatin’ity tantara ity, kanefa tsy namokatra voa velively izany. Anisan’ny antony nanozonan’ny Mpamonjy ilay hazo aviavy ny mba hampianarana ny mpianany momba ny fihatsarambelatsihy sy ireo mpitarika fivavahana tsy marin-toetra teo amin’ny Jiosy.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao momba an’ireo mpitondra fivavahana Jiosy nandritra ny vaninandron’ny Mpamonjy dia amin’ny fomba ahoana ny maro amin’izy ireo no tahaka ny aviavy voafariparitra ao amin’ilay tantara? (Izy ireo dia nampiseho ho mpanaraka an’ Andriamanitra kanefa tsy mamokatra voa, na asa, araka ny fahamarinana akory.)

Fintino ny Matio 21:23–27 amin’ny fanazana fa ny sasany tamin’ireo mpitarika Jiosy ireo dia nanatona ny Mpamonjy tao amin’ny tempoly ka nametra-panontaniana momba ny fahefana izay nanaovany ny fiakarany tamim-pihobiana tao Jerosalema sy nanadiovany ny tempoly. Namaly ny Mpamonjy tamin’ny fametrahana fanontaniana azy ireo raha toa ka notendren’ Andriamanitra na notendren’ny olona ny batisa (na ny asa fanompoana) nataon’i Jaona Mpanao Batisa. Tsy namaly ny fanontanian’ny Mpamonjy ireo mpitarika ireo noho ny tahotra hiampanga ny tenan’izy ireo na hanafintohina ireo olona izay nanaiky an’i Jaona ho mpaminany. Nilaza ny Mpamonjy fa tsy hamaly ny fanontanian’izy ireo Izy raha toa ka tsy hamaly ny fanontaniany izy ireo, dia nilaza fanoharana telo izay maneho ny zavatra nataon’ireo mpitarika Jiosy tsy marin-toetra ireo Izy avy eo. Mamariparitra ireo fomba samy hafa izay namalian’ny zanaka roalahy ny rain’izy ireo ilay fanoharana voalohany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 9:28-30. Asaivo manaraka ireo mpianatra rehetra ary mikaroka hoe iza tamin’ireo zanakalahy no mitovy kokoa amin’ireo mpitarika Jiosy.

  • Iza tamin’ireo zanakalahy no mitovy kokoa amin’ireo mpitarika Jiosy. Amin’ny fomba ahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 9:31-32. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny ireo mpitarika Jiosy tsy marin-toetra tamin’alalan’io fanoharana io. (Mety ilaina ny hanazavanao fa ny mpamory hetra dia mpanangona hetra ary ny vehivavy janga dia mpivaro-tena. Nanambany ireo karazan’olona roa ireo ireo mpitarika Jiosy, ka nihevitra azy ireo ho mpanota.)

  • Amin’ny fomba ahoana ireo mpamory hetra sy vehivavy janga no tahaka an’ilay zanakalahy voalohany?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny hoe iza no hiditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fahamarinana mitovy amin’izao manaraka ity: Mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy maintsy mankatò ny Raintsika any An-danitra isika ka mibebaka amin’ireo fahotantsika fa tsy milaza na maneho fotsiny fa mankatò Azy isika.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny mampitombona an’io fahamarinana io dia manasà mpianatra iray hamaky mafy an’ity tranga mety hiseho manaraka ity:

Milaza amin’ny ray aman-dreniny ny zatovolahy iray fa hanatrika hetsika any am-piangonana izy kanefa mandeha any amin’ny tranon’ny namany raha ny tena marina. Rehefa manodidina ireo mpitarika ny Fiangonana sy ireo mpampianatra izy dia miresaka sy manao asa tahaka ny hoe mitandrina ireo didin’ Andriamanitra, kanefa fantany fa mandika didy maro izy rehefa ivelan’ireo fotoana ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana ireo safidy nataon’ity zatovolahy ity no mametra ny fidirany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

  • Raha ianao no naman’ity zatovolahy ity dia inona no mety nolazainao taminy izay hanampy azy hiova?

Manasà mpianatra iray hafa hamaky mafy an’ity tranga mety hiseho manaraka ity:

Mifosafosa momba ny ankizivavy maro ao amin’ny kilasiny ny zatovovavy iray sy ireo namany kanefa milaza ho naman’ireo ankizivavy ireo izy rehefa eo izy ireo. Mandeha tsy tapaka any am-piangonana izy ary mandray ny fanasan’ny Tompo, kanefa matetika izy no mandeha hafatra an-tsoratra ahitana fitsikerana ireo izay manodidina azy mandritra ireo fivoriana.

  • Amin’ny fomba ahoana ity zatovovavy ity no mety miseho hitandrina ireo didin’ny Ray any An-danitra fotsiny?

  • Ankoatra ireo ohatra ato anatin’ireo trangan-javatra ireo, inona ireo fomba hafa mety hakana fanahy antsika mba hiseho ho mankatò ny Ray any An-danitra raha tokony ho tena mankatò Azy mihitsy?

Rehefa manohy mandalina ny Matio 21 ireo mpianatra dia asao izy ireo hitady ny zavatra azony atao mba tsy hitoviany amin’ilay hazo aviavy izay tsy namokatra voa.

Matio 21:33–22:14

Mampianatra ny fanoharana momba ireo mpiasa tany ratsy fanahy sy fanambadian’ny zanakalahin’ny mpanjaka i Jesoa

handout iconZarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Raha azo atao dia omeo tahadikan’izao tabilaomanaraka izao ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Matio 21:33–41 miaraka amin’ny namany ary hameno ny tabilao amin’ny fanoratana ny heviny amin’ny hoe maneho inona ireo tandindona telo farany.

taratasy zaraina, Fanoharana momba ireo Mpiasa Tany Ratsy Fanahy

Ny Fanoharana momba ireo Mpiasa Tany Ratsy Fanahy

Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera Testamenta Vaovao—Lesona 24

Matio 21:33–41

Tandindona

Heviny

Tompon-trano

Ray any An-danitra

Mpiasa tany

Mpanompo

Ilay Zanakalahin’ny Tandapa Iray

Rehefa avy nomena fotoana ampy hamenoana ilay tabilao ny mpianatra dia angataho ny mpinamana vitsivitsy mba hanao tatitra ny zavatra nosoratany. Raha ilaina dia hazavao fa ireo mpiasa tany dia maneho ireo mpitarika Isiraelita tsy marin-toetra, ireo mpanompo dia maneho ireo mpaminanin’ Andriamanitra, ary ny zanakalahin’ny tompon-trano dia maneho an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no tian’i Jesoa naseho tamin’ny alalan’ity fanoharana ity? (Nandà ireo mpaminanin’ Andriamanitra ny sasany tamin’ireo mpitarika ny Isiraelita nandritra ny taon-jato maro ary nikasa ny hamono an’i Jesoa ireo mpitarika Jiosy tamin’izay fotoana izay [jereo ny Testamenta Vaovao - Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra (Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014), 65]).

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 21:43 . Asao ny iray kilasy mba hanaraka ka hitady hoe iza no omena ny fanjakan’ Andriamanitra (izay midika hoe ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara) rehefa avy mandà izany ireo mpitarika Jiosy.

  • Iza no omena ny fanjakan’ Andriamanitra?

Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 21:53(ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) dia mamaritra “ny Jentilisa” ho ny firenena izay omena ny fanjakan’ Andriamanitra. Mety ilaina ny hanazavanao fa ny teny hoe Jentilisa dia mety milaza “olona izay tsy Isiraelita firazanana … [na] olona tsy Jiosy firazanana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Gentiles,” scriptures.lds.org) na ireo firenena izay tsy manana ny fahafenoan’ny fahefana, sy ôrdônansy, sy lalàna ary fampianaran’ Andriamanitra. Nanomboka ny fampitana ny fanjakana tamin’ny Jentiisa rehefa noentin’ny Apôstôly voalohany tany amin’ny Jentilisa ny filazantsara taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty (jereo ny Asan’ny Apostoly 10–11; jereo koa ny Matio 20:16). Izany dia nitohy ao amin’izao andro farany izao tamin’ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izay nipetraka tany amin’ny firenena jentilisa. Anisan’ireo izay nomena ny fanjakan’ Andriamanitra isika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Araka ny andininy 43, dia tompon’andraikitra amin’inona isika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy? (Alaivo antoka fa mahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Tompon’andraikitra amin’ny famokarana ny voan’ny fahamarinana isika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.)

Asao ireo mpianatra handroso ho eny amin’ny solaitrabe ka hanao ny sarin’ny voa ao amin’ilay hazo aviavy. Asao izy ireo hanome anarana ny voa tsirairay amin’ny teny izay mamaritra ireo zavatra tsara tokony ataontsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika. Asao ireo mpianatra hanazava ny zavatra nosoratany amin’ny fanontaniana ny hoe:

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho antsika ny mamokatra izany voa izany?

  • Ahoana no efa notahiana anao rehefa nanandrana ny hakomatra ny iray amin’ireo voa araka ny fahamarinana ireo ianao?

Fintino ny Matio 21:45–46 amin’ny fanazavana fa lasa tezitra ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo rehefa fantatr’izy ireo fa naneho azy ireo ireo mpiasa tany ratsy fanahy tao amin’ilay fanoharana. Tsy nisambotra ny Mpamonjy anefa izy ireo satria natahotra ny fihetsiky ny olona raha toa ka nanao izany.

Hazavao fa ao amin’ny Matio 22:1-10 dia mamaky isika fa nitantara fanoharana iray ny Mpamonjy ka nampitaha ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara tamin’ny lanonam-pampakaram-bady iray izay nataon’ny mpanjaka iray ho an’ny zanany lahy. Nandà ny ho avy ireo olona izay nasaina voalohany tamin’ilay fanasana (ireo izay maneho ny ankamaroan’ny Jiosy ka anisan’izany ireo mpitarika). Nisafidy ny ho avy sy nankafy ilay lanonana ireo izay nasaina manaraka (izay maneho ireo Jentilisa).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 22:11–14. Asao ireo mpianatra hanaraka sady hitady ny zavatra izay nitranga nandritra an’ilay lanonam-pampakaram-bady.

  • Nahoana io olona nasaina io no voaroaka tao amin’ilay lanonana?

Hazavao fa nanatontosa fombafomba fahiny ny mpanjaka tamin’ny fanomezana akanjo madio sy mifanaraka amin’ny zava-mitranga mba hanaovana mandritra ilay fampakaram-bady. Nisafy ny tsy hanao ilay akanjo nomen’ny mpanjaka anefa ity lehilahy ity.

  • Mety maneho inona ireo akanjon’ny fampakaram-bady ao amin’ity fanoharana ity? (Mety hanazava ianao fa ao amin’ny soratra masina matetika ny akanjo madio no maneho ny fahamarinana sy ny fahadiovan’ireo izay lasa madio tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy [jereo ny Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Testamenta Vaovao (Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014), 66; jereo ihany koa ny 3 Nefia 27:19].)

Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 22:14 dia manampy fa tsy ny olona rehetra tao amin’ilay lanonana no hanao ny akanjo fanao rehefa misy fampakaram-bady. Amin’ny teny hafa dia tsy ny olona rehetra izay manaiky ny Mpamonjy sy manaiky ny fanasany mba ho anisan’ny fanjakana no hiomana sy ho mendrika ny hitoetra mandrakizay miaraka Aminy sy ny Ray any An-danitra. Ny sasany dia tsy ho mendrika ny handray fitahiam-be satria tsy niakanjo tamin’ny akanjon’ny fahamarinana.

  • Ahoana no hanehoan’ity fanoharana ity bebe kokoa an’ny fitsipika misoratra eo amin’ny solaitrabe?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe an’ireo fitahiana mandrakizay izay nanasana antsika mba ho raisintsika. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao mba hanekeny ny fanasan’ny Ray any An-danitra handray ireo fitahiana rehetra avy amin’ny filazantsara. Entano izy ireo hampihatra ny zavatra nianarany amin’ny fiomanana handray an’ireo fitahiana ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 21:19–22. Manozona ny aviavy

Ny nanozonan’ny Mpamonjy ny aviavy dia mampianatra lesona manan-danja vitsivitsy. Ilay aviavy dia mety ho fanehoana an’ireo mpitondra fivavahana tsy marina teo amin’ny Jiosy izay nampiseho fahamasinana ivelany nefa tsy niaina fahamarinana tena marina. Manoloana izany dia naneho ilay zava-nitranga fa isika rehetra dia tsy maintsy miezaka hanana fiainana mifanaraka amin’izay hinoantsika sy hampianarintsika. Ny fanozonana ny aviavy dia nitondra fampisehoana an-tsary ny lesona nampianarin’ny Mpamonjy teo am-piandohan’ny asa fanompoany mikasika ny fanoharana momba ny hazo aviavy (jereo ny Lioka 13:6–9): ny olona rehetra dia tsy maintsy mibebaka na ho faty. Taorian’ny nahitan’ny Mpamonjy ny fihetsiky ny mpianany nanoloana ny nanozonany ny aviavy dia nampiasa ity fotoana ity ihany koa Izy mba hampianarana azy ireo momba ny herin’ny finoana amin’ny fanatanterahana fahagagana mety ho lehibe kokoa noho ilay fahagagana vao hitan’izy ireo.

Matio 21:42–44. “Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano”

I Jesoa Kristy no ilay “vato izay nolavin’ny mpanao trano” (Matio 21:42) ary Izy dia lasa ilay vato fehizoron’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:11; Efesiana 2:19–20). Ny torolalan’ny Mpamonjy mikasika an’ireo izay potraka amin’ilay vato ka ho torotoro dia milaza fa tsy nanorina ny fiainany teo amin’io vato io ny Jiosy (jereo ny Helamana 5:12), fa nahatafintohina sy nahasolafaka azy ireo kosa izany (jereo ny Isaia 8:14; 1 Korintiana1:23). Izy ireo dia ho torotoro na ho ringana noho ny tsy nanekeny an’i Jesoa ho ilay Mesia sy Zanak’ Andriamanitra ary noho ny tsy nanekeny ny filazantsara. Ny vato mipotraka amin’ny olon-kafa dia milaza fa ny Mpamonjy dia handringana ireo izay mandà Azy. (Jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 21:47–56 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina].)