Fampahafantarana ny Apokalypsy nosoratan’i Md Jaona ilay Masina
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Amin’ny maha-“fanambaran’i Jesoa Kristy” azy (Apokalypsy 1:1), ity boky ity indraindray dia antsoina hoe Apokalypsy izay midika amin’ny teny Grika hoe fanambarana, fampahafantarana na fanehoana izay miafina (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanambaran’i Jaona”). Ity boky ity dia fanehoana an’i Jesoa Kristy sy fanambarana ny fahefany sy ny heriny ary ny anjara asany ambony dia ambony ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray. Ilay boky ihany koa dia mampahafantatra fampahalalana tena manan-danja mikasika ireo zavatra hitranga izay hitondra ho amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona.
Ny fandalinana ny bokin’ny Apokalypsy dia afaka manampy ny mpianatra hahazo fahatakarana lalina kokoa momba an’ilay Zanak’ Andriamanitra nitsangana tamin’ny maty sy nomem-boninahitra ary ny niarahany niasa tamin’ireo zanak’ Andriamanitra tao anatin’ireo fotoana maro nisian’ny tantaran’ny tany, indrindra fa amin’ny andro farany. Ity boky ity dia mampita ny hafatry ny fanantenana amin’ireo olo-marina ka afaka mandrisika ny mpianatra hijanona ho mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny amin’ny Mpamonjy ao anatin’ny fanenjehana sy ny fitsapana.
Iza no nanoratra ity boky ity?
Ny Apôstôly Jaona, ilay mpianatra lalain’i Jesoa Kristy, no mpanoratra ity boky ity. Ny Bokin’i Môrmôna dia milaza fa i Jaona dia notendrena mialoha hanoratra ireo zavatra voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy (jereo ny 1 Nefia 14:18–27; Etera 4:16).
Oviana ary taiza no nanoratana azy io?
Ny bokin’ny Apokalypsy dia nosoratana tamin’ny fotoana izay niatrehan’ny Kristianina fampianarana sandoka, tsy firaharahiana, ary fanenjehana henjana (jereo ny Apokalypsy 1:9; 2:4, 10, 14–15; 3:16; 6:9). Io fanenjehana io tamin’ny ankapobeny dia nataon’ireo manampahefana Romana tao anatin’ireo roapolo taona farany tamin’ny taonjato voalohany taorian’i J.K. I Jaona dia nanoratra avy tao amin’ny nosy Patmo tao amin’ny Ranomasina Egée tany ho any amin’ny 100 kilaometatra atsimo andrefan’i Efesosy (jereo ny Apokalypsy 1:9).
Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?
Nanoratra hafatry ny fanantenana sy fampaherezana ho an’ny Olomasina tamin’ny androny (jereo ny Apokalypsy 1:4, 11) sy amin’izao andro farany izao i Jaona. Ireo toko telo voalohan’ny Apokalypsy dia nosoratana indrindra indrindra ho an’ireo sampana fito an’ny Fiangonana tao Asie Mineure (jereo ny Apokalypsy 1:4, 11; 2–3). Noho ny fanenjehana mivaivay dia nila mafy ilay hafatra mampahery hita ao amin’ny Apokalypsy ny Olomasina. Ankoatra izay, ny mpaminany Nefia dia nijoro ho vavolombelona fa “Andriamanitra dia efa nanendry ny apôstô[ly]” Jaona hanoratra mikasika ny fiafaran’izao tontolo izao (1 Nefia 14:25) ary ny teniny dia sady ho tonga any amin’ny Jentilisa no ho tonga any amin’ny sisa tavela amin’i Isiraely amin’ny andro farany (jereo ny 1 Nefia 13:20–24, 38; 14:19–27).
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “anisan’ireo boky tsotra indrindra izay nasain’ Andriamanitra nosoratana ny bokin’ny Apokalypsy” (ao amin’ny History of the Church, 5:342). Na dia ahitana sarin-teny sy tandindona maro aza izany, izay tsy mora foana ho an’ny mpamaky amin’ny andro maoderina ny nahatakatra azy, dia tsotra sy manazava ny saina amam-panahy ny lohahevitra ao anatiny.
Nofariparitan’i Jaona ireo toe-javatra niainan’ny Fiangonana tamin’ny androny (jereo ny Apokalypsy 2–3) dia nanoratra mikasika ireo zavatra nitranga tany aloha sy hitranga amin’ny ho avy izy (jereo ny Apokalypsy 4–22). Ny bokin’ny Apokalypsy dia mirakitra ny iray amin’ireo andininy vitsivitsy ao amin’ny soratra masina izay mamariparitra ilay Ady tany an-danitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana (jereo ny Apokalypsy 12:7–11) ary manolotra famintinana nentanim-panahy momba ny tantaran’izao tontolo izao, ary miompana indrindra indrindra amin’ny andro farany sy ny Arivotaona. Ny lohahevitra fototra ao anatin’izany dia ahitana ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny fanatanterahana ny drafitr’ Andriamanitra, ny fitaoman’ Andriamanitra teo amin’ny tantaran’ny tany, ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny fandringanana ny ratsy, ary ny fampanantenana fa ho lasa selestialy ny tany any aoriana any. Manazava ihany koa ny boky fa amin’ny farany dia hisy “fandresena maharitra izay ho azon’ny tsara amin’ny ratsy … [ary] ho azon’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fanjakan’olombelona sy ny fanjakan’i Satana” (Bible Dictionary ao amin’ny Baibolin’ny OAF amin’ny teny anglisy, “Revelation of John”).
Topimaso
Apokalypsy 1–3 Nahita an’i Jesoa Kristy tamin’ny fahitana i Jaona. Nanoratra hafatra tsirairay ho an’ireo fiangonana fito tao Azia izy. Ireo hafatra ireo dia ahitana fiderana, fananarana, ary fampanantenana ho an’ireo Olomasina mahatoky tao amin’ny sampana tsirairay.
Apokalypsy 4–11 Nahita an’ Andriamanitra nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana tao amin’ny fanjakana selestialy i Jaona, nahita ny Zanakondrin’ Andriamanitra, ary nahita boky iray voafehy tamin’ny tombokase fito. Nahita fahitana mikasika ny famahana ny tsirairay tamin’ireo tombokase fito i Jaona. Ireo izay manana ny tombokasen’ Andriamanitra eo amin’ny handriny dia hahazo ny fiarovan’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Nahita ady sy loza ary zavatra maro hitranga amin’ny andro farany izay hialoha ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany i Jaona.
Apokalypsy 12–16 Nahita tamin’ny fahitana ilay Ady tany an-danitra sy ny fitohizan’izany eto an-tany i Jaona. Nampianatra izy fa ny herin’ny ratsy dia mikatsaka ny handrava ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Amin’ny andro farany dia haverina amin’ny laoniny eto an-tany amin’ny fahafenoany amin’ny alalan’ny fanompoan’ny anjely ny filazantsara. Hisy fiomanana hatao amin’ny ady atao ao Hara-magedona.
Apokalypsy 17–22 Hiparitaka manerana ny tany ilay Babylona ara-panahy. Rehefa voangona ireo Olomasina marina dia hianjera i Babylona ka hitomany azy ireo mpanaradia azy. Ny olo-marina dia hasaina amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra. Hofatorana i Satana, hanomboka ny Arivotaona, ary hanjaka ety an-tany i Kristy Izy tenany mihitsy. Hotsaraina ny maty. Hahazo ny voninahiny selestialy ny tany.