Tahirim-pitaovana
Lesona 120: Efesiana 1


Lesona 120

Efesiana 1

Fampidirana

Nanoratra taratasy ho an’i Olomasina tany Efesosy mikasika ny fanendrena mialoha azy ireo mba hahazo ny filazantsara i Paoly. Nanoratra momba ny fotoampitantanana farany, na ny fotoampitantanana izay hiainantsika izao izy. Nampianatra i Paoly fa isika dia afaka ny hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanambarana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Efesiana 1:1–8

Nampianatra ireo Olomasina i Paoly fa notendrena mialoha mba hahazo ny filazantsara izy ireo.

Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay naneken’izy ireo hiantsoroka andraikitra manan-danja iray ka nampanantenaina fa hahazo valisoa amin’ny fanatontosana izany asa ampanaovina izany.

  • Rehefa nihasarotra ilay asa nampanaovina, nanampy anao tamin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa efa nanaiky izany asa nampanaovina izany ianao ary misy olona nahatoky ny hahavitanao izany?

  • Ahoana no fomba nitahiana anao na nanomezana valisoa anao noho ny fanatanterahanao ny andraikitrao?

Hazavao fa ao anatin’ny epistiliny voarakitra ao amin’ny Efesiana 1-6, ny Apôstôly Paoly dia niresaka tamin’ireo Olomasina izay tany Efesosy sy ireo faritra manodidina. Ny tanjony dia ny hankahery ireo izay efa mpikamban’ny Fiangonana sy hanampy ireo mpikambana vaovao hitombo fahalalana ara-panahy sy hijanona ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Efesiana 1:3-8. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly ny Olomasina mba hanampiana azy ireo hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo.

  • Inona ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly ny Olomasina mba hanampiana azy ireo hijanona ho mahatoky? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hanazava hoe tamin’ny fomba ahoana no mety ho nanampy an’ireo Olomasina mba hijanona ho mahatoky ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo.)

  • Inona araka ny hevitrareo no dikan’ilay ao amin’ny andininy 4 manao hoe Andriamanitra dia nisafidy sasantsasany “fony tsy mbola ary ny fanorenana izao tontolo izao”?

Hazavao fa izany andian-teny izany, izay mifandray amin’ny andian-teny hoe voatendry mialoha sy ny andian-teny hoe “fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy” ao amin’ny andininy 5, dia milaza ireo izay nofinidy na voatendry mialoha tany amin’ny fisiana talohan’ny nahaterahana mba handray ny filazantsara. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Voatendry mialoha mba handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara ny zanak’ Andriamanitra. Ny fahazoana ireo fitahiana ireo dia miankina amin’ny fahatokiantsika eto amin’ity fiainana ity.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity:

“Tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny fiainana an-tany dia nanendry fanahy maromaro Andriamanitra hanatanteraka iraka manokana mandritra ny fiainany eto an-tany. Antsoina hoe fanendrena mialoha izany.

“Ny fanendrena mialoha dia tsy manome antoka fa handray antso na andraikitra manokana ny olona iray. Ny tombontsoa toy izany dia tonga eto amin’ity fiainana ity vokatry ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahana misafidy, toy ny fanendrena mialoha izay miseho vokatry ny fahamarinana tany amin’ny fisiana talohan’ny nahaterahana. …

“Mihatra amin’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny fotopampianaran’ny fanendrena mialoha, fa tsy amin’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny ihany. Talohan’ny nahariana ny tany dia nomena andraikitra miavaka ireo vehivavy mahatoky ary notendrena mialoha ho ao amin’ireo anjara andraikitry ny fisoronana ireo lehilahy mahatoky. Na dia tsy tadidinao aza izany fotoana izany dia azo antoka fa nanaiky ny hanatanteraka andraikitra manan-danja ianao ao anatin’ny fanompoana ny Rainao. Rehefa manaporofo ianao fa mendrika dia homena fahafahana hanatanteraka ireo andraikitra izay azonao avy eo” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 69–70).

  • Afaka manampy antsika hijanona ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataontsika amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa voatendry mialoha mba handray ny filazantsara sy ireo fitahiana marobe ao amin’izany isika?

Efesiana 1:9–12

Miresaka momba ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana i Paoly

sary natao, renirano mikoriana mankany amin’ny farihy

Ataovy tsotsotra ny sarina renirano maromaro izay mivarina ho ao amin’ny farihin-drano lehibe. Asaivo alain’ny mpianatra sary an-tsaina fa ny renirano tsirairay dia maneho ny fotoampitantanan’ny filazantsara.

  • Inona no atao hoe fotoampitantanan’ny filazantsara?

Azonao atao ny mamerina mijery ny famaritana ny fotoampitantanan[a]’ny filazantsara amin’ny fanasana ny mpianatra iray mba hamaky mafy ireo fanambarana manaraka avy ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina:

“Ny fotoampitantanan’ny filazantsara dia vanim-potoana iray izay ananan’ny Tompo farafahakeliny mpanompo iray eto an-tany ombam-pahefana sady mihazona ny fisoronana masina ary notendren’ Andriamanitra hizara ny filazantsara eo anivon’ny mponina eto an-tany. Rehefa mitranga izany, dia manambara ny filazantsara indray ny Tompo mba hafahan’ny olona miaina amin’io fotoampitantanana io tsy hiankina amin’ny fotoampitantanana lasa hafa amin’ny fahafantaran’izy ireo ny drafitry ny famonjena. Efa nisy fotoampitantanan’ny filazantsara maro hatrany am-piandohana. Ny baiboly dia manolotra fotoampitantanana iray farafahakeliny izay ahitana an’i Adama, iray hafa miaraka amin’i Enôka, hafa miaraka amin’i Noà, ary toy izany hatrany miaraka amin’i Abrahama, Mosesy, ary Jesoa niaraka tamin’ny Apôstôliny tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fotoampitantanana”).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 1:9–10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fotoampitantanana izay noresahin’i Paoly. Hazavao fa ny andian-teny hoe “zava-miafina ny amin’ny sitrapony” ao amin’ny andininy 9 dia entina ilazana ny drafitra sy ireo tanjon’ Andriamanitra.

  • Fotoampitantanana inona no noresahin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 1:10?

Tsindrio fa ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana dia ny fotoampitantanana izay iainantsika ankehitriny.

  • Ahoana no hahafahana mampitovy ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana amin’ny farihin-drano izay hizoran’ireo renirano?

  • Inona no naminanian’i Paoly fa hitranga mandritra ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana? (Hazavao fa rehefa nanoratra i Paoly fa “ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”, na ny any an-danitra na ny ety an-tany, dia hangonina “ho iray” [andininy 10], dia nilaza ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fampiarahana ireo fanalahidy sy hery ary fampananatenana rehetra izay nambaran’ Andriamanitra tamin’ny zanany hatry ny nanombohan’izao tontolo izao izy, torak’izany koa ny fahalalana hafa izay tsy nambara na oviana na oviana teo aloha [jereo ny F&F 128:18]. (Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fotopampianarana manaraka izao: Mandritra ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana dia haverina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra avy tamin’ireo fotoampitantanana teo aloha.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona B. H. Roberts tao amin’ny Fitopololahy:

Loholona B. H. Roberts

“Ity no fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana, hitantsika mihazakazaka mankao amin’izany, tahaka ireo renirano lehibe miròna mankany amin’ny ranomasina, ny fotoampitanana teo aloha rehetra, ka manampy antsika hahatakatra azy ireny, manampy azy ireo hahatakatra antsika; dia hitantsika fa Andriamanitra dia tsy manana afatsy tanjona lehibe iray hatrany am-piandohana, ary izany dia ny famonjena ny zanany. Koa tonga izao ny andro farany, ny fotoampitantanana farany, rehefa tsy maintsy hanondraka ny tany ny fahamarinana sy ny fahazavana ary ny fahitsiana” (tao amin’ny Conference Report, ôkt. 1904, 73).

Asao ireo mpianatra mba hankeny amin’ny solaitrabe ka hanome anarana ireo sarina renirano hoe fahamarinana, soratra masina, fanekempihavanana, ary hery avy amin’ireo fotoampitantanana teo aloha izay naverina tamin’ny laoniny sy navoaka ato amin’ny fotoampitantanan’ny fahefenoan’ny fotoana. (Ny anarana napetraka dia mety ahitana ny herin’ny famehezana, ireo ôrdônansin’ny famonjena, ny Bokin’i Môrmôna, sy ny sisa. Afaka manao sarina renirano fanampiny ny mpianatra raha ilaina.)

  • Fitahiana iray ho anareo amin’ny fomba ahoana no fitahiana iny fiainana ao anatin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana?

  • Araka ny teny nolazain’ny Loholona Roberts dia inona no tsy maintsy hitranga mandritra ity fotoampitantanana ity? (Tsy maintsy hanondraka ny tany ny fahamarinana sy ny fahazavana ary ny fahitsiana.)

  • Inona ireo loharano ananantsika ato amin’ity fotoampitantanana misy antsika ity izay mamela antsika hanondraka ny tany amin’ny fahamarinana sy ny fahazavan’ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona David A. Bednar

“Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny zavatra tontosa hatreto tato amin’ity fotoampitantanana ity izay mampita ireo hafatry ny filazantsara amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana dia fanombohana tsara—saingy fampahalalana kely dia kely ihany izany. Izao aho dia manasa anareo mba hanampy hanova ilay fampahalalana kely ho lasa tondradrano. … Manainga anareo aho mba hipaoka ny tany amin’ny hafatra feno fahitsiana sy fahamarinana—hafatra izay tsy manam-paharoa sy mankahery ary mendri-piderana—ka hipaoka ny tany toy ny amin’ny tondradrano ara-bakiteny” (“To Sweep the Earth as with a Flood” [Herinandron’ny fampaherezam-panahy tao amin’ny Ivontoeram-pianarana ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 19 aog. 2014], LDS.org).

Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra ataon’izy ireo mba hanampy hanondraka ny tany amin’ireo hafatra feno fahitsiana sy fahamarinana.

Fintino ny Efesiana 1:11-12 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra fa ny Olomasina dia afaka mahazo “lova” (andininy 11) ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Efesiana 1:13–23

Nampianatra momba ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana i Paoly

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Efesiana 1:13–14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fitahiana iray izay noraisin’ireo Olomasina noho ny fahatokiana sy ny fitokisana ary ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

  • Araka ny andininy 13, inona no fitahiana noraisin’ireo Olomasina? (“Nofehezina tamin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana” izy ireo.)

Hazavao fa ny hoe “nofehezina [tamin’ny alalan’ny] Fanahy Masin’ny Fampanantenana” dia midika fa ny Fanahy Masina dia “vavolombelona manambara amin’ny Ray fa efa notontosaina araka ny fanao ireo ôrdônansy mamonjy ary efa notandremana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.lds.org). Ny Fanahy no “santatry ny lovantsika” (andininy 14). Midika izany fa ny fanatrehan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika dia tandindona sy fampahatsiahivana ary famantarana avy amin’ Andriamanitra fa raha toa ka mitohy ho mahatoky isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

Fintino ny Efesiana 1:15–16 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nilaza tamin’ny Olomasina i Paoly fa nisaotra tsy tapaka an’ Andriamanitra izy noho ny fahatokian’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Efesiana 1:17-18. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra, ary hitady izay nangatahin’i Paoly mba homen’ Andriamanitra an’ireo Olomasina.

  • Inona no nangatahan’i Paoly mba homen’ Andriamanitra an’ireo Olomasina?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika mikasika ny fomba hahafahantsika mahafantatra ny Ray any An-danitra? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Afaka mahafantatra ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fanahin’ny fanambarana.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fanahin’ny fanambarana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar. Asao ny mpianatra hihaino ny atao hoe fanahin’ny fanambarana.

Loholona David A. Bednar

“Ny fanambarana dia fifandraisana avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany eto an-tany ary iray amin’ireo fitahiana lehibe mifandray amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fananana azy ho namana tsy tapaka. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa “ny Fanahy Masina dia mpanambara,” ary “tsy misy olona afaka mandray ny Fanahy Masina ka tsy mandray fanambarana” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 132).

Ny fanahin’ny fanambarana dia omena ny olona rehetra izay mandray amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana marina ny ôrdônansin’ny batisa asitrika ho famelan-keloka sy ny fametrahana tànana ho fanomezana ny Fanahy Masina—ary miasa amim-pinoana ho fanatanterahana ilay fandidian’ny fisoronana manao hoe ‘raiso ny Fanahy Masina’” (“Ny fanahin’ny fanambarana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 87).

  • Inona no atao hoe fanahin’ny fanambarana?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanambarana avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina manampy antsika hahafantatra ny Ray any An-danitra?

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara ny fomba nanampian’ny fanambarana avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina azy ireo mba hahafantatra bebe kokoa ny Ray any An-danitra. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana. Ankaherezo ny mpianatra mba ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana ka ho afaka hanohy hahafantatra tsara kokoa ny Ray any An-danitra.

Fintino ny Efesiana 1:19–23 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nanohy nampianatra momba ny lova nampanantenaina ho an’ny Olomasina ary ny toeran’i Jesoa Kristy amin’ny maha-lohan’ny Fiangonany Azy.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Efesiana 1:13. Ny “Fanahy Masin’ny Fampanantenana”

Anarana iray hafa iantsoana ny Fanahy Masina ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana. Ampiasaina hilazana ny hery mamehy ary manamafin’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 76:53; 132:7) izany.

“Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia … manamafy fa eken’ Andriamanitra ireo asa araka ny fahamarinana sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekempihavanana ataon’ny olona. Ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia vavolombelona manambara amin’ny Ray fa efa notontosaina araka ny fanao ireo ôrdônansy mamonjy ary efa notandremana ny fanekempihavanana mifandray amin’izany.

“Ireo izay fehezina amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana dia mahazo izay rehetra ananan’ny Ray [jereo ny Ef. 1:13–14; F&F 76:51–60]. Ireo fanekempihavanana sy atao rehetra dia tsy maintsy fehezina amin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana mba hanan-kery any ankoatra ity fiainana ity [jereo ny F&F 132:7, 18–19, 26]” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanahy Masin’ny Fampanantenana,” scriptures.lds.org).

Rehefa nanoratra i Paoly fa ny Olomasina dia “nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana” (Efesiana 1:13), dia niresaka momba ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay izay omena ireo Olomasina mahatoky eto amin’ny fiainana an-tany izany. Rehefa fehezina amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny olona dia manamafy azy ireo ho mpandova ny lanitra ny Fanahy Masina na dia mbola olombelona mety maty azy izy ireo. Izany fotopampianarana izany dia resahina indraindray amin’ny hoe atao azo antoka ny antso na ny fifidianana ny olona iray (jereo ny 2 Petera 1:4–19; F&F 131:5–6; F&F 132:6–7; Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:493–95; History of the Church, 3:379–80).

Raha niresaka momba ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny Filoha Joseph Fielding Smith dia niteny izy hoe:

Ny Fanahy Masina no Fanahy Masin’ny Fampanantenana izay mametraka ny fitombo-kasen’ny fankatoavana eo amin’ny ôrdônansy tsirairay: batisa, fandraisana ho mpikambana, fanendrena, fanambadiana. Ny fampanantenana dia hoe horaisina amin’ny alalan’ny fahatokiana ireo fitahiana.

“Raha dikain’ny olona iray ny fanekempihavanana iray, na izany batisa, fanendrena, fanambadiana na zavatra hafa, dia hanala ny fitombo-kasen’ny fankatoavana ny Fanahy ka tsy ho azo ireo fitahiana.

“Ny ôrdônansy tsirairay dia fehezina miaraka amin’ny fampanantenana valisoa izay mifototra amin’ny fahatokiana. Manala ny fitombo-kasen’ny fankatoavana ny Fanahy Masina rehefa voadika ireo fanekempihavanana [jereo ny F&F 76:52–53; 132:7]” (Doctrines of Salvation, nofantenan’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 1:45).

Efesiana 4:11–14 “Ny santatry ny lovantsika”

Ilay andian-teny hoe “ny santatry ny lovantsika” ao amin’ny Efesiana 1:14 dia milaza fa rehefa nofehezina tamin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ny Olomasina mahatoky dia hahazo toky manokana izy ireo fa handova ny fanjakana selestialy. Ny teny hoe santatra eto dia midika hoe “tandindon’izay ho avy” (Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, ed. faha-11 [2003], “earnest”). “Ny fanomezana ny Fanahy Masina no iray amin’ireo fanomezana sarobidy indrindra avy amin’ny Ray any An-danitra. … Io fanomezana io dia santionany kely amin’ny fifaliana mandrakizay sy fampanantenana ny fiainana mandrakizay” (Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2004], 76).