Tahirim-pitaovana
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Matio 1–5 (Fizarana 2)


Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any An-trano

Matio 1–5 (Fizarana 2)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika nianaran’ireo mpianatra nandritra ny fandalinany ny Matio 1–5 (fizarana 2) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka fotsiny amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Matio 1–2)

Rehefa nandalina momba ny tetiaran’ny Mpamonjy ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa i Jesoa dia Zanakalahin’ny Ray any An-danitra sy Maria. Avy tamin’ny ohatry ny Magy izay tonga nitsaoka an’i Jesoa dia nianatra ireo mpianatra fa raha toa ka mitady ny Mpamonjy amin-kitsimpo sy amim-pahazotoana isika dia hotarihina any Aminy. Ny famakiana mikasika ny fomba nanentanam-panahy an’i Joseph hitondra ny fianakaviany ka handositra any Egypta mba ho voaro dia nampianatra ireo mpianatra fa raha mihaino sy manaiky ny Fanahy isika dia afaka mandray fanambarana sy fitarihana.

Andro 2 (Matio 3)

Rehefa namaky mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa sy mikasika ny nanaovana batisa an’i Jesoa Kristy ny mpianatra dia nianatra izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Maneho fibebahana marina amin’ny Tompo isika rehefa manova ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika mba hanarahana ny fampianarany. Ny batisa asitrika ataon’ny olona mihazona fahefana dia ilaina amin’ny famonjena. Ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina dia anankitelo miavaka tsara.

Andro 3 (Matio 4)

Rehefa namaky mikasika ny fihetsiky ny Mpamonjy nanoloana ny fakam-panahin’ny devoly ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa afaka manohitra ireo fakam-panahin’ny devoly isika rehefa mahatsiaro sy mampihatra ireo fahamarinana nampianarina ao amin’ny soratra masina. Nianatra ihany koa izy ireo fa hitondra fahazavana eo amin’ny fiainan’ireo izay ao amin’ny haizina i Jesoa Kristy. Rehefa namaky mikasika an’i Petera sy Andrea sy Jakoba ary Jaona ireo mpianatra dia nahita izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Raha toa ka mamaly avy hatrany ireo fanasan’ny Mpamonjy hanaraka Azy isika dia afaka mahatonga ny fiainantsika ho mahomby kokoa mihoatra ny azontsika atao amin’ny tenantsika manokana Izy.

Andro 4 (Matio 5)

Nandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia namaky ampahany tamin’ny Toriten’ny Mpamonjy teo An-tendrombohitra. Nianatra izao fitsipika manaraka izao izy ireo avy tamin’io toriteny io: Rehefa mikolokolo ireo toetra Kristianina isika dia hitombo ny fahasambarantsika. Ny hoe voaloton’ny fahotan’izao tontolo izao dia tsy mahatonga antsika ho fitahiana ho an’ny hafa. Afaka mamporisika ny hafa hanatona akaikikaiky kokoa an’ny Ray any An-danitra ny ohatra marina asehontsika. Nianatra ihany koa ireo mpianatra momba ny lalàna ambonimbony izay nampianarin’i Kristy an’ny mpianany.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho lasa tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra. Ankoatra izay, rehefa mamerina mijery ireo lalàna ambonimbony ny mpianatra dia afaka mandinika ireo fomba hanatsarana ny fankatoavany ireo didin’ny Tompo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 5:17–48

Nampianatra ny mpianany ny fomba hahatongavana ho lavorary tahaka ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialohan’ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny hevitrao dia inona no didy sarotra hankatoavin’ny olona indrindra? Atombohy amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io ny fotoam-pianarana. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:48. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny didy iray izay sarotra hankatoavina. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 5:48 .

  • Inona no tsapanao mikasika ny didy hoe tokony ho tanteraka ianao?

  • Inona no dikan’ny hoe tanteraka araka ny eritreritrareo?

Hazavao fa ny teny hoe “tanteraka” dia nadika avy tamin’ny teny Grika izay midika hoe “feno,” “tsy misy tomika” ary “mivelatra tanteraka.” Anontanio ny mpianatra hoe ahoana no hanampian’izany azy ireo hahatakatra misimisy kokoa io andininy io. Hazavao fa ny hoe feno na mivelatra tanteraka dia midika hoe lasa mitovy amin’ny Ray any An-danitra.

Rehefa manohy ny fandalinana ny Toriten’ny Mpamonjy tao An-tendrombohitra ao amin’ny Matio 5ny mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fitsipika ilaintsika mba hahafahantsika mandroso amin’ny fahatanterahana tahaka ny Raintsika any An-danitra.

Fintino ny Matio 5:17–20 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa tonga mba hanatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy fa tsy tonga mba handrava izany na hanafoana izay mety ho fahamarinana mandrakizay ao amin’ny lalàn’i Mosesy. I Jesoa Kristy dia namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara izay very noho ny faharatsiana sy ny apôstazia, nanitsy ireo fampianaran-diso Izy ary nanatanteraka ireo faminaniana nataon’ny mpaminanin’ny Testamenta Taloha. Anisan’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny taty aoriana no tsy nanohizana intsony ny lafiny sasantsasany tao amin’ny lalàn’i Mosesy, tahaka ny famorana sy ny fanatitra biby.

Hazavao fa tafiditra ao amin’ny Matio 5:21–48 ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny lalàna isan-karazany sy ny fombafomba napetraky ny Jiosy sy nampian’izy ireo tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Rehefa nanazava ny tena dikan’ireo lalàna i Jesoa Kristy dia nampianatra lalàna ambonimbony kokoa momba ny fahamarinana Izy. Ireo mpikamban’ny fanjakany dia tsy maintsy miaina io lalàna ambonimbony kokoa io. Ireo lalàna ambonimbony kokoa ireo dia nitondra fitarihana mba hanampiana ny mpianatr’i Jesoa Kristy tsy handika ny didin’ Andriamanitra.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ny sasany amin’ny zavatra nianarany momba ny lalàna ambonimbony nandritra ny lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano dia azonao atao ny manoratra ireto fehezan-teny manaraka ireto eo amin’ny solaitrabe: Ianao dia tsy hamono olona. Ianao dia tsy hijangajanga.

Angataho ny mpianatra hanazava ny zavatra nampianarin’i Jesoa ny mpianany momba ireo lalàna ireo. (Raha tsy tadidin’ny mpianatra dia asao izy ireo hijery ao amin’ny Matio 5:21–26 ary avy eo ao amin’ny Matio 5:27–30.)

  • Inona avy ireo loza avy amin’ny tsy fifehezana ny fahatezerantsika?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mifehy ny eritreritsika?

Fintino ny Matio 5:31–37 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nampianatra momba ny fisaraham-panambadiana, ny fanambadiana ary ny fianianana.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa ny mpiara-mianatra iray ao an-tsekoly amin’izy ireo dia milaza zavatra mahatsiravina sy feno haratsiam-panahy momba azy ireo. Angataho ireo mpianatra ny amin’ny fomba mety hamalian’izy ireo izany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 5:38. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny lalàn’i Mosesy momba ny fanasaziana ny olona noho ny fahotana na fanafintohinana nataony. Asaivo zarain’izy ireo ny zavatra hitany. Hazavao fa ny andian-teny hoe “maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify” dia midika fa araka ny lalàn’i Mosesy ny fanasaziana dia tsy maintsy nifanaraka tamin’ny halehiben’ny fanafintohinana.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpiara-miasa iray hamaky ny Matio 5:39–42 ary ny mpiara-miasa iray hafa hamaky ny Matio 5:43–47. Asaivo mitady ny lalàna avoavo kokoa izy ireo. Rehefa nahazo fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy (azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe na manoratra izany amin’ny taratasy hozaraina ihany koa):

Araka ireo andininy ireo, inona no atao hoe lalàna ambonimbony kokoa?

Inona no ampianarin’ny lalàna ambonimbony kokoa amintsika momba ny fomba tokony hamaliantsika ireo izay manafintohina antsika?

Omeo fotoana ampy izy ireo ary manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny kilasy manontolo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy indray ny Matio 5:45. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hitranga raha mitia ny fahavalontsika sy manasoa ireo izay mankahala antsika isika.

  • Inona no hitranga raha mitia ny fahavalontsika sy manasoa ireo izay mankahala antsika isika?

  • Manoloana ny fahafantaranao fa zanak’ Andriamanitra ara-panahy daholo isika rehetra, inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe zanaky ny Raintsika any An-danitra ao amin’ireo andininy ireo? (Midika hoe fitoviana Aminy sy fahatongavana ho mpandova ny fanjakany izany.)

  • Ahoana no naha-ohatra ny Mpamonjy amin’ny fitiavana ny fahavalony sy fanasoavana ny hafa nandritra ny fiainany?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany tao amin’ny Matio 5 mikasika ny tsy maintsy ataontsika mba hahatonga antsika ho tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra.

  • Inona no zavatra azontsika atao sasantsasany mba hahatonga antsika ho tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fitsipika mitovy amin’izao manaraka ity: Rehefa manaraka ireo fampianarana sy didin’ny Mpamonjy isika dia afaka ho lasa tanteraka tahaka ny Raintsika any An-danitra.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny famindrampony ihany no hahafahantsika ho tanterahana (jereo ny Môrônia 10:32).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fizotry ny hoe lasa tanteraka dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Russell M. Nelson

“Tsy tokony ho kivy isika raha toa ireo ezaka matotra ataontsika mba ho tanteraka ka toy ny manahirana [sarotra] sy tsy manam-pahataperana amin’izao fotoana izao. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahafenoany izany raha tsy ao aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany. Miandry ireo rehetra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny izany” (“Perfection Pending,” Ensign, nôv. 1995, 88).

  • Araka ny Loholona Nelson dia oviana isika no ho lasa tanteraka?

  • Ahoana no mety hanampian’io fanambarana io ny olona iray izay mahatsapa ny vesatra na kivy noho ny tsy fahatanterahany?

Amporisiho ny mpianatra hanohy hatrany ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra amin’ny farany.

Fizarana manaraka (Matio 6:1–13:23)

Mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny fizarana manaraka dia asao izy ireo handinika izao fanontaniana manaraka izao: Inona no atao hoe Fitsipika Volamena? Inona no zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny fitsarana ny hafa? Inona no manjo an’ireo izay manompo tompo anankiroa? Inona no tokony ataon’ny olona mba ho sitranin’ny Mpamonjy? Hazavao fa mandritra ny fizarana manaraka ireo mpianatra dia hanana fahafahana hianatra ny valin’ireo fanontaniana ireo ary hianatra momba ny didin’ny Mpamonjy ho an’ny Apôstôliny.