Tahirim-pitaovana
Lesona 105: 1 Korintiana 5–6


Lesona 105

1 Korintiana 5–6

Fampidirana

Nampitandrina ireo Olomasina tamin’ny famelan’izy ireo an’ireo olona ratsy fanahy hitarika azy ireo ny Apôstôly Paoly. Nampitandrina ny Olomasina izy mba hiala tamin’ireo fotokevitra feno fahalotoam-pitondrantena sy ireo fomba fanao nifandray tamin’izany tao Korinto.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Korintiana 5

Nampitandrina ny Olomasina mba tsy hiaraka tamin’ireo izay nisafidy ny hanota an-tsitrapo i Paoly

Manaova sarina lovia baolina iray misy voankazo vaovao tsara miaraka amin’ny voankazo lo iray ao anatin’izany. Fa azonao atao koa ny mampiseho voankazo lo iray.

sary, lovia baolina misy voankazo
  • Inona no hitranga raha mamela ny voankazo lo iray hijanona ao anaty lovia baolina iray miaraka amin’ny voankazo vaovao tsara ianao?

  • Mety maneho inona eo amin’ny fiainanao ilay voankazo lo? (Ireo fitaomana izay mety hanimba antsika.)

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 5 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka hanampy azy ireo hamaly amin’ny fomba tsara kokoa ireo fitaomana manimba eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Asao hamaky mafy ny 1 Korintiana 5:1–2 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra mba hikaroka ny fomba fanao feno faharatsiana teo anivon’ireo Olomasina Korintiana.

  • Inona ny fomba fanao feno faharatsiana nisy teo anivon’ireo Olomasina Korintiana? (Hazavao fa ny fijangajangana dia entina ilazana izay mety ho firaisana ara-nofo rehetra ivelan’ny fanambadiana. Nanao firaisana ara-nofo tamin’ny renikeliny ny iray tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2 dia inona no nasain’i Paoly nataon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’io olona io? (Hazavao fa ilay andian-teny hoe “hesorina tsy ho ao aminareo” ao amin’ny andininy 2 dia midika hoe tokony hoesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony.)

Hazavao fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mandinika amim-pitandremana ireo anton-javatra maro mialoha ny hitrangan’ny fanaisorana tsy ho mpikambana na ny fampiharana izay mety ho karazana fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana. Ankoatra ny fieritreretana ny halehiben’ilay fandikan-dalàna dia mieritreritra ireo tanjona samihafa hanaovana ireo fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana: mba hanampy ny olona iray hibebaka, mba hiaro ireo izay hahatsapa fiantraikany ratsy avy amin’ny zavatra nataon’ny olona iray na ny fiparitahan’ny zavatra inoan’izany olona izany, ary hiaro ny fahamarinan’ny fampianaran’ny Fiangonana (jereo ny “Church Discipline,” mormonnewsroom.org/articles/church-discipline).

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny 1 Korintiana 5:6–7 dia asao ny mpianatra rehetra mba hitady ny fifanahafana izay nampiasain’i Paoly mba hanazavana ny antony tokony nanaisorana io olona io tao amin’ny Fiangonana.

  • Nampitahain’i Paoly tamin’ny inona ireo mpanota tsy mibebaka? (Hazavao fa ny masirasira na ny lalivay dia mahatonga ny mofo ho simba na ho lo amin’ny farany.)

  • Lalivay toy ny ahoana no ilaina mba hampitombo ny vongana paty iray?

  • Maneho inona ilay vongana paty? (Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.)

  • Ahoana no hamintinanao ny hevitra fonosin’io fifanahafana io mba ho lasa fitsipika iray? (Na dia mampiasa ny teniny manokana aza ny mpianatra dia tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Raha misafidy ny hifandray akaiky amin’ireo izay tia ny ota isika dia afaka ny ho voatariky ny faharatsian’izy ireo. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 5:9–11. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana.

  • Inona no nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana mba tsy hataon’izy ireo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny torohevitr’i Paoly mba tsy hiharoharo amin’ireo mpijangajanga na ireo olona hafa izay tia ny ota dia omeo ny tahadikan’ity teny nolazain’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny mpianatra: Asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Neal A. Maxwell

“Aza miharoharo amin’ny mpijangajanga—tsy hoe satria tsara loatra ianao ho azy ireo fa, araka izay nosoratan’i [C. S.] Lewis, dia satria tsy mbola ampy ny hatsaranao. Tsarovy fa ireo toe-javatra ratsy dia afaka mampalemy, eny fa na ny olona tsara aza” (“The Stern but Sweet Seventh Commandment,” New Era, jona 1979, 42).

  • Mety hampalemy ny fahafahantsika manao safidy tsara amin’ny fomba ahoana ny fifandraisana akaiky amin’ireo izay tia ny ota?

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny toe-javatra ratsy izay mety hampalemy an’ireo olona tsara?

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo olona tia ny ota, kanefa tsy mampihena ny fitandremantsika ny fenitra arahantsika ny fanaovana izany? (Afaka mivavaka ho azy ireo isika, maneho hatsaram-panahy sy fanajana amin’izy ireo amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy, ary maneho ohatra tsara amin’ny fitandremana ny didy.)

Asao ny mpianatra handinika ombam-bavaka ny zavatra azon’izy ireo atao mba hitaomana ny hafa amin’ny fomba tsara kanefa tsy mampihena ny fitandreman’izy ireo ny fenitra arahiny.

Fintino ny 1 Korintiana 5:12–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia nampianatra fa ny Fiangonana dia manana andraikitra ny hiantso ireo mpikambana hibebaka ary amin’ny toe-javatra sasany mba “[hanaisotra amin’ny Fiangonana]” (andininy 13) ireo izay manao fandikan-dalàna goavana.

1 Korintiana 6

Nampianatra ny Olomasina mikasika ny firaisankina sy ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Paoly

Manaova sary tsotra iray hafa maneho lovia baolina iray misy voankazo lo miaraka amin’ny voankazo iray vaovao tsara ao anatin’izany. Asao ny mpianatra hieritreritra raha efa nanontany tena ny amin’ny fomba hialana amin’ny fahotana rehefa voahodidin’izany izy ireo. Hazavao fa olana natrehan’ireo Olomasina Korintiana izany.

sary, lovia baolina misy voankazo

Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 6 ireo mpianatra, dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly izay afaka manampy azy ireo hiaina amim-pahamarinana na dia voahodidin’ny fitaoman-dratsy maro aza.

Fintino ny 1 Korintiana 6:1–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanoro hevitra ireo Olomasina Korintiana i Paoly mba hamaha amim-pahamarinana ireo fifandirana teo amin’izy ireo fa tsy handeha avy hatrany eo anatrehan’ny fitsarana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 6:9–11. Asao hanaraka ny vakinteny ny mpianatra mba hitady ireo fomba fanao feno fahotana tao Korinto izay nampianarin’i Paoly fa tsy tokony hataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana intsony.

  • Inona avy ireo fitondrantena feno fahotana nampianarin’i Paoly mba tsy ho ataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana intsony?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 11, dia inona no nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo Olomasina ireo momba azy ireo manokana? (Maro ireo olona niova fo avy ao Korinto no nandray anjara tamin’ireo fitondrantena feno fahotana ireo mialoha ny nidiran’izy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana, kanefa efa nibebaka izy ireo ka efa voadio tamin’ny fahotany.)

Hazavao fa nanana laza ratsy tamin’ny fahalotoam-pitondrantena i Korinto fahiny ary Korintiana maro no nanindraindra ilay hevitra hoe natao hitadiavana fahafinaretana ny vatantsika. Fintino ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Korintiana 6:12 amin’ny fanazavana fa nampianatra nanohitra ny haifotokevitra hoe tsy misy ny tsara na ny ratsy i Paoly.

  • Inona no mampitovy ny hevitra sy ny fomba fanao tao Korinto amin’ny fironana hitantsika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 6:13. Asao hanaraka ny vakiteny ny rehetra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny tanjona nanaovana ny vatantsika.

  • Inona no nampianarin’i Paoly momba ny tenantsika? (Raha maro ireo Korintiana no hita nibaribary ho nino fa natao fotsiny ihany hahazoana fahafinaretana ara-nofo ny vatana dia nanitsy io fomba fijery io i Paoly tamin’ny alalan’ny fampianarana fa noforonina mba hanatanteraka ny tanjon’ny Tompo ny vatantsika.)

Fintino ny 1 Korintiana 6:14–17 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ireo izay miditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia lasa iray miaraka amin’i Kristy ho “momba” ny tenany ara-panahy. Nanazava ihany koa i Paoly fa tsy afaka miaraka amin’ny fifandraisana ara-panahy amin’i Jesoa Kristy ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny filan’ny nofo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 6:18. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly ireo Olomasina Korintiana mba hataon’izy ireo. (Azonao atao ny manazava fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Korintiana 6:18 dia manova ilay andian-teny hoe “ivelan’ny tena” ho lasa hoe “manohitra ny tenan’i Kristy.”)

  • Inona no nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana mba hataon’izy ireo?

  • Inona ny fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ireo izay mijangajanga? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ao amin’ny andininy 18 izay mampianatra izao fahamarinana manaraka izao: Ireo izay mijangajanga dia manota amin’ny tenany ihany.)

Hazavao fa taorian’izay i Paoly dia nampianatra ny antony maha-fahotana “mihatra amin’ny tenan[’ilay olona]” ny fijangajangana na ny fahalotoam-pitondrantena amin’ny filan’ny nofo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 6:19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampitahan’i Paoly ny vatantsika.

  • Nampitahain’i Paoly tamin’ny inona ny vatantsika?

Asehoy ny sarin’ny tempoly iray.

  • Inona no maha-samy hafa ny tempoly amin’ny trano hafa?

  • Ahoana no hamintinanao ny fahamarinana nampianarin’i Paoly ao amin’ny andininy 19? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita izao fotopampianarana manaraka izao izy ireo: Ny vatantsika dia tempolin’ Andriamanitra izay ahafahan’ny Fanahy Masina mitoetra.)

  • Afaka mitondra fiantraikany eo amin’ny fomba hitondrantsika ny vatantsika sy ny an’ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa ny vatantsika dia tempoly?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao, izay nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ireo hevi-baovao fanampiny mikasika ny hoe tokony hisy fiantraikany eo amin’ny fomba hitondrantsika ny tenantsika amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa ny vatantsika dia tempolin’ Andriamanitra.

Loholona D. Todd Christofferson

“Rehefa manaiky ireo fahamarinana [avy ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20] ireo isika … , dia azo antoka fa tsy hanimba ny vatantsika amin’ny tombon-kavatsa isika ohatra na hampalemy izany amin’ny alalan’ny zava-mahadomelina na hanimbazimba izany amin’ny alalan’ny fahavetavetana na fijangajangana na tsy fahamaotinana. … Noho ny maha fitaovan’ny fanahintsika an’izany vatana izany dia zava-dehibe ny mikarakara tsara arak’izay tratrantsika azy io. Tokony hatokantsika mba hanompoana sy hampandrosoana ny asan’i Kristy ny heriny” (“Fanehoan-kevitra mikasika ny fanokanana ny fiainana ho masina,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 17).

  • Inona araka ny eritreritrareo no tian’i Paoly holazaina tamin’ny alalan’ilay andian-teny hoe “tsy tompon’ny tenanareo hianareo” ao amin’ny andininy 19?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 6:20. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny dia hikaroka ny antony tsy maha-antsika ny tenantsika.

  • Inona ny andian-teny milaza ny antony maha-tsy antsika ny tenantsika? (Hazavao fa ny hoe “olom-boavidy” dia midika hoe navotana na naverina novidina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

  • Ahoana no hamintinanareo ny fahamarinana iray avy amin’ny andininy 19–20? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 19—20: Koa satria olom-boavidy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia tsy antsika ny tenantsika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Lolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Aza milaza mihitsy hoe: ‘Fa mampaninona moa izany? Nahoana aho no tsy afaka hanana fahalalahana kely? Afaka mandika lalàna aho amin’izao ary mibebaka any aoriana any.’ Aza manao hadalana sy ratsy fanahy toy izany. Tsy afaka ‘manombo an’i Kristy indray amin’ny hazo fijaliana’ ianao ka tsy ho voasazy [jereo ny Hebreo 6:6]. ‘Mandosira ny fijangajangana’ [1 Korintiana 6:18] hoy ny hiakan’i Paoly ary mandosira ny ‘zavatra toy izany, [F&F 59:6, nampiana fanamafisana], hoy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana entina hanamafisana izany. Nahoana? Vokatry ny antony iray izay noho ny fijaliana tsy hay refesina niaretan’ny vatana sy ny fanahin’ny Mpamonjy izao tontolo izao mba hahafahan[tsika] mandositra [jereo indrindra fa ao amin’ny F&F 19:15–20]. Ananany trosa amin’izany isika. Marina tokoa fa tokony hanefa Aminy ny zava-drehetra isika noho izany” (“Personal Purity,” Ensign, nôv. 1998, 76).

  • Tokony hisy fiantraikany eo amin’ny safidy ataontsika mahakasika ny vatantsika amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana fa tsy antsika ny tenantsika?

Resaho amin’ny mpianatra ilay sarina voankazo vaovao tsara voahodidin’ny voankazo lo eo amin’ny solaitrabe.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahatakarana ireo fahamarinana momba ny vatantsika ireo antsika hijanona ho madio rehefa voahodidin’ny faharatsiana?

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra. Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fahatsapana na bitsika mety ho voarain’izy ireo nandritra ny lesona dia hanatontosa izay voalazan’ireo bitsika ireo.

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—1 Korintiana 6:19—20

Asao ny mpianatra mba hanoratra lahateny fohy miainga avy amin’ny 1 Korintiana 6:19–20. Amporisiho izy ireo hampiditra ireto zavatra manaraka ireto: (1) ny fampahalalana avy amin’ny zava-miseho izay mifandray amin’ity andinin-tsoratra masina ity (ny fampahalalana avy amin’ny zava-miseho dia azo jerena ao amin’ny karatra misy ny soratra masina fehezina), (2) ny fitsipika izay ampianarin’izany, ary (3) ny traikefan’ny tena manokana izay maneho ny fahamarinana ampianarin’io andinin-tsoratra masina io. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hanao ny lahateniny amin’ny mpianatra rehetra. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ireo fahafahana mety hananan’izy ireo mba hanaovany ny lahateniny any an-trano na any am-piangonana.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

1 Korintiana 5:9. “Mba tsy hiharoharoanareo amin’izay mpijangajanga”

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mino ny “fotopampianarana momba ny fandraisana tsara ny hafa” isika. Rehefa nampianatra io fotopampianarana io ny Loholona Ballard dia hoy izy:

“Ny fampiasan’[ny Mpamonjy] tamim-panahiniana ny Jiosy sy ny Samaritana dia mampianatra mazava tsara fa mpinamana avokoa isika rehetra ary tokony hifankatia, hifanome lanja, hifanaja ary hifanompo na dia eo aza ny fahasamihafana lehibe eo amintsika—tafiditra ao anatin’izany ny fahasamihafana ara-pivavahana sy ara-pôlitika ary ara-kolontsaina. …

“[Na izany aza,] izaho dia tsy milaza … fa tokony hiditra ao anatin’ny fifandraisana izay hampidi-doza ara-panahy antsika sy ny fianakaviantsika isika” (“Doctrine of Inclusion,” Ensign, nôv. 2001, 37).

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ihany koa momba ny fanajana ny hafa na dia mino zavatra hafa na manao zavatra amin’ny fomba hafa amin’ny an’ny mpikamban’ny Fiangonana aza izy ireo:

“Mpampianatra maro ato am-piangonana na any an-tsekoly no malahelo eo anatrehan’ny fomba fifampitondran’ireo zatovo sasantsasany, tafiditra amin’izany ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany. Azo antoka fa ilay didy hoe mifankatiava dia ahitana fitiavana sy fanajana eo amin’ny samy hafa finoana ary koa eo amin’ny samy hafa foko sy kolontsaina ary fari-piainana. Omenay fanamby ireo zatovo rehetra mba hiala amin’ny fanaovana tsindry hazo lena, ny fitenenan-dratsy na fiteny sy fomba fanao izay minia manao izay hampijaly ny hafa. Izany rehetra izany dia mandika ilay didin’ny Mpamonjy hoe mifankatiava” (“Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 27).

1 Korintiana 5:13. “Esory aminareo ilay mpanao ratsy”

Rehefa manaisotra araka ny tokony ho izy ny olona iray izay manao fahotana lehibe ny Fiangonana dia antsoina hoe fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana izany. Ity fotokevitra ity, izay nalaina avy ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara dia manazava ny fizotry ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana:

“Manana andraikitra hanampy ireo mpikambana handresy ny fandikan-dalàna amin’ny alalan’ny fibebahana ireo eveka, filohan’ny sampana sy tsatòka, ary ireo filohan’ny misiôna sy distrika. Matetika mitaky ny fampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana araka ny fitsipika ireo fandikan-dalàna tena goavana toy ny fandikana mihoampampana ny lalàn’ny tany, herisetra atao amin’ny vady, herisetra atao amin’ny ankizy, fijangajangana, fanitsakitsaham-bady, fanolanana, ary ny fanambadiana havana. Ny fampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana araka ny fitsipika dia mety ahitana ny famerana ireo zo ananana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana na fanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana.

“Ny dingan’ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana araka ny fitsipika dia manomboka amin’ny fangatahan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana mpiahy ny hanaovana ny Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana. Ny tanjon’ny Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia mba hamonjena ny fanahin’ireo mpandika lalàna, hiarovana ireo tsy manan-tsiny ary hiarovana ny fahadiovan’ny Fiangonana, sy ny fahamarinany ary ny laza tsarany.

“Ny Filankevitra ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia dingana iray avy amin’ny fanentanam-panahy izay atao mandritra ny fotoana maharitraritra iray. Amin’ny alalan’izany dingana izany sy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo famelana ny fahotany ny mpikambana iray, sy mahazo fiadanan-tsaina ary mahazo tanjaka mba hialana amin’ny fandikan-dalàna amin’ny hoavy. Ny fanapahan-kevitra raisina mandritra ilay Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia tsy natao ho toy ny fiafaran’izany dingana izany. Natao hanampiana ireo zanaky ny Ray any An-danitra izany mba hanohizan’izy ireo ny ezaka ataon’izy ireo hiverina ho mpikambana feno sy hahazo ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Fiangonana. Ny vokatra iriana dia ny mba hanaovan’ilay olona izay mety fanovana takina mba hibebahana tanteraka” (“Filankevi-pifehezan’ny Fiangonana,” Miorim-paka ao amin’ny finoana [2004], 37–38).