Lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
2 Korintiana 8–Efesiana 1 (Fizarana 24)
Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano
Tsy natao ho ampianarina ho ampahan’ny lesona zarainao ity famintinana ireo zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika ianaran’ireo mpianatra manaraka ity eo am-pandalinan’izy ireo ny 2 Korintiana 8–Efesiana 1 (fizarana 24). Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.
Andro 1: (2 Korintiana 8-9)
Nianatra ny mpianatra tato anatin’ity lesona ity fa rehefa manjary takatsika izay rehetra nomen’ny Mpamonjy antsika dia ho vonona ny hanome izay ananantsika amin’ny hafa isika. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa Andriamanitra dia vonona ny hanome antsika na dia rehefa tsy manana na inona na inona omena azy isika. Ankoatra izany dia nianatra ireo mpianatra fa raha toa ka manome ireo izay sahirana amin’ny fo mientanentana isika dia hitahy antsika tokoa Andriamanitra, ary ny fahalalana ny fahalalahan-tanan’ Andriamanitra amin’ny fanomezana fitahiana ho antsika dia afaka manampy antsika hahatsapa fankasitrahana ho Azy.
Andro 2: (2 Korintiana 10-13)
Nianatra ireo mpianatra avy tamin’ireo fampianaran’i Paoly momba ny ady ara-panahy fa rehefa mifehy ny eritreritsika eo amin’ny fankatoavana an’i Jesoa Kristy isika dia ho mahomby kokoa eo amin’ny ady amin’i Satana. Hitan’ireo mpianatra avy tamin’ireo fampianaran’i Paoly ny momba ny tsilo tamin’ny nofony fa ny Tompo dia mety hamela antsika hiaina fahalemena sy fitsapana mba hahafahantsika mianatra manetry tena. Ny famindrampon’i Jesoa Kristy dia ampy hampatanjaka antsika ao anatin’ny fahalementsika, ary tsy manaisotra hatrany ireo olantsika ny Tompo fa hampatanjaka antsika kosa rehefa miaritra izany amim-pahatokiana isika.
Andro 3: (Galatiana)
Rehefa nandalina ireo fampianaran’i Paoly ho an’ny Galatiana ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa manambara fotopampianarana marina amin’ireo mpaminaniny i Jesoa Kristy. Nianatra koa ireo mpianatra fa ireo rehetra izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara dia ho tonga iray ao amin’i Kristy sy ho mpandova an’ Andriamanitra. Nanjary takatr’izy ireo fa rehefa mandeha ao amin’ny Fanahy isika dia handresy ireo fakam-panahin’ny nofo ary raha toa ka mazoto amin’ny fanaovan-tsoa isika dia hijinja ireo fitahiana avy amin’ireo asa nataontsika.
Andro 4: (Efesiana 1)
Nianaran’ireo mpianatra avy tao amin’ny toko voalohany amin’ireo fampianaran’i Paoly ho an’ny Efesiana fa voatendry mialoha mba handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara ny zanak’ Andriamanitra. Nianatra ihany koa izy ireo fa mandritra ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana dia haverina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra avy tamin’ireo fotoampitantanana teo aloha ary isika dia afaka mahafantatra ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fanahin’ny fanambarana.
Fampidirana
Nankahery ny Olomasina Galatiana ny Apôstôly Paoly mba hamerina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hahatoky fa amin’ny alalany ihany no azo tratrarina ny famonjena fa tsy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’i Mosesy.
Sosokevitra enti-mampianatra
Galatiana 5
Namporisika ny Olomasina Galatiana i Paoly mba hamerina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy
Manaova sarina fifaninanana misintona tady eo amin’ny solaitrabe.
-
Inona izany hoe fifaninanana misintona tady izany? Ahoana no hahazoanao mandresy amin’izany?
-
Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fiainantsika amin’ny fifaninanana misintona tady?
Raha toa tsy nolazain’ny mpianatra izany dia mariho fa ny lafiny iray eo amin’ny fiainantsika izay mitovy amin’ny fifaninanana misintona tady dia ny ady ataontsika amin’ny fakam-panahy. Asao ny mpianatra mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahafantatra ny fomba handresena ny ady amin’ny fakam-panahy rehefa mandalina ny Galatiana 5.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Jiosy Kristiana sasany dia nandrebireby ireo Olomasina tao Galatia tamin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo fa nila niaina ny lalàn’i Mosesy sy noforaina izy ireo mba ho voavonjy. Nofariparitan’i Paoly hoe “zioga fanandevozana” ireo fampianaran-diso momba ny lalàn’i Mosesy ireo (Galatiana 5:1).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 5:1. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady hoe iza no nolazain’i Paoly fa mitondra fanafahana amin’izany zioga fanandevozana izany.
-
Iza no mitondra fanafahana amin’izany zioga fanandevozana izany?
Fintino ny Galatiana 5:2-15 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nibedy ireo Olomasina Galatiana i Paoly noho izy ireo voataona mora foana hiala ny fahafahana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka niverina kosa tamin’ny fanandevozan’ny lalàn’i Mosesy. Dia nohazavainy avy eo fa na dia nafahana tamin’ny fanandevozan’ny lalàn’i Mosesy aza ireo mpanaradia an’i Kristy dia tsy midika izany fa nanana fahafahana hanome vahana malalaka ny fahotana izy ireo.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 5:16–17. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo hery mifanandrina roa izay nofariparitan’i Paoly.
-
Inona ireo hery mifanandrina roa izay nofariparitan’i Paoly?
Manaova tabilao iray eny amin’ny solaitrabe amin’ny fanoritana tsipika mitsangana iray eo afovoan’ilay sarina fifaninanana misintona tady. Soraty hoe Mandeha araka ny Fanahy eo ambonin’ny ilan’ilay fifaninanana misintona tady, ary soraty hoe Manantanteraka ny filan’ny nofo eo ambonin’ilay ilany iray hafa.
-
Inona no dikan’ny hoe “mandeha araka ny Fanahy”? (Galatiana 5:16). (Mendrika sy manaraka ny Fanahy Masina.)
-
Inona no tian’ny hoe “manantanteraka ny filan’ny nofo” (Galatiana 5:16) lazaina? (Fakam-panahy hanota.)
-
Nahoana no heverina ho hery mifanandrina ireo?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy ao amin’ny Galatiana 5:16 mikasika ny fomba hahafahantsika mandresy ireo fakam-panahin’ny nofo? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Rehefa mandeha araka ny Fanahy isika dia handresy ireo fakam-panahin’ny nofo. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Melvin J. Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Asaivo henoin’ny mpianatra ilay fanontaniana nasain’ny Loholona Ballard eritreretintsika.
“Amin’ny alalan’ny nofo avokoa ireo fanafihana rehetra izay hataon’ny fahavalon’ny fanahintsika mba hisamborana antsika. … Ny fomba hanatonany antsika dia ho amin’ny alalan’ny fitsiriritana, ny fanirian-dratsy, ny nofinofin’ny nofo. Ny fanampiana rehetra izay tonga amintsika avy amin’ny Tompo mba hanampiana antsika ao anatin’izany ady izany dia ho tonga amintsika amin’ny alalan’ny fanahy izay nitoetra ao anatin’ny vatana mety maty. Koa miasa eo amintsika amin’ny alalan’ireo lalana roa ireo hery mahery vaika roa ireo.
“Manao ahoana ilay ady raha ny aminao? … Fanontaniana iray tena manan-danja izany. Ny ady lehibe indrindra izay hananan’ny lehilahy na vehivavy rehetra (tsy raharahiako na betsaka toy ny ahoana aza ireo fahavalon’izy ireo) dia ny ady izay atao amin’ny tena” (“Struggle for the Soul,” New Era, mar. 1984, 35).
Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe amin’ny ilany aiza amin’ilay fifaninanana misintona tady no misy azy ireo ary hery inona no mandresy eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Zarao ho vondrona ahitana olona roa na telo ireo mpianatra. Angataho ny antsasak’ireo vondrona mba hiara-hamaky mafy ny Galatiana 5:19–21 ary hitady ny vokatry ny “[fanatanterahana] ny filan’ny nofo.” Asao ilay antsasany hafa mba hamaky mafy miaraka ny Galatians 5:22–23 ary hitady ireo vokatry ny fandehanana ao amin’ny Fanahy. Rehefa avy mamaky ny mpianatra, dia manasà olona iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay mba hitanisa ireo valinteny hitan’izy ireo ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo mba hanohy hitanisa ny valintenin’izy ireo mandrapitovian’izay voasoratra ao amin’ilay tabilao amin’izay notanisain’i Paoly. Azonao atao ny mitondra rakibokana ao am-pianarana sy manasa mpianatra iray mba hitady izay teny mety ho saro-takarina.
-
Araka ny Galatiana 5:21, dia inona no nampianarin’i Paoly fa hitranga amin’ireo olona izay manaiky ireo “asan’ny nofo”? (Galatiana 5:19).
-
Araka ny Galatiana 5:22–23 dia inona ireo vokatra izay manambara fa mandeha araka ny Fanahy ny olona iray? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ireo vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, ary fahononam-po. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny.)
Resaho ilay ilan’ilay tabilao izay nitanisana ireo vokatry ny Fanahy.
-
Nahoana no manan-danja ny hananantsika ireo fitahiana ireo?
Manaova sarina tsipìka iray eo ambanin’ilay tabilao ka manondro mankany amin’ilay ilany izay nitanisana ireo filan’ny nofo. Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra fa mamela ny tenantsika handroso hankany amin’ireo filan’ny nofo isika ato anatin’ity sarintsarina fifaninanana misintona tady ity.
-
Inona no mitranga amin’ireo vokatry ny Fanahy rehefa manaiky ireo filan’ny nofo isika? (Manary ireo vokatry ny Fanahy isika.)
Fafao ilay tsìpika dia manaova sarina tsìpika iray hafa izay manondro mankany amin’ireo vokatry ny Fanahy. Asaivo alain’ny mpianatra sary an-tsaina fa izao isika dia hamela ny tenantsika handroso mankany amin’izany ilany izany.
-
Inona no mitranga amin’ireo asan’ny nofo rehefa mandeha araka ny Fanahy isika? (Mitsahatra tsy ho ampahan’ny fiainantsika intsony izany.)
Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina momba ny fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo na niainany ny iray amin’ireo vokatry ny Fanahy ireo. Angataho izy ireo mba hampiditra ao anatin’izany ny zavatra nataon’izy ireo mba handehanana araka ny Fanahy tamin’izany fotoana izany. Rehefa vitan’izy ireo izany dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra izay nosoratany.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Galatiana 5:24–25. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady izay nezahan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy hatao tamin’ireo filan’ny nofo.
-
Inona no nezahan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy hatao tamin’ireo filan’ny nofo? (Nanombo izany, na nanaisotra izany teo amin’ny fiainan’izy ireo.)
Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra hataony mba handehanana bebe kokoa araka ny Fanahy. Entano izy ireo hanaraka ireo bitsiky izay azony mba hahafahany mankamamy ireo vokatry ny Fanahy.
Fizarana manaraka (Efesiana 2–Filipiana 4)
Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ireo soatoavina sy lalàna ary foto-kevitra izay miovaova eo amin’izao tontolo izao. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny tsara sy ny ratsy ao anatin’ny tontolo izay miova hatrany ireo foto-kevitra? Nanoro hevitra ireo Olomasina ny Apôstôly Paoly ary nanampy azy ireo hahatakatra izay nomen’ny Tompo mba hahazoana antoka fa tsy voasarika amin’ireo firehan-kevitra dison’izao tontolo izao isika. Hazavao ihany koa fa rehefa manohy mandalina ireo rakitsoratr’i Paoly izy ireo mandritra ny herinandro manaraka dia hahita ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no fihetsika tokony asetrin’ireo ankizy amin’ny ray aman-dreniny? Inona no nolazain’i Paoly fa “[h]amono ny zana-tsipìka mirehitra alefan’ ilay ratsy” (Efesiana 6:16)?