Tahirim-pitaovana
Lesona 74: Jaona 14


Lesona 74

Jaona 14

Fampidirana

Taorian’ilay sakafon’ny Paska dia nampianarin’i Jesoa ireo Apôstôliny ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra sy ny fomba hanehoan’izy ireo ny fitiavany ny Mpamonjy. Taorian’izay i Jesoa dia nampanantena ireo Apôstôliny fa haniraka Mpananatra hafa ho azy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 14:1–14

Nampianatra ireo Apôstôliny ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra ny Mpamonjy

Raha misy izany dia manehoa sarintany maneho ny tanànanareo ary asao ny mpianatra hanondro ny toerana misy azy ireo amin’izao fotoana izao. Manondroa toerana iray hafa fantatry ny mpianatra tsara eo amin’ilay sarintany. Angataho izy ireo hanoratra amin’ny taratasy iray ny fomba handehanana mankany amin’io toerana io avy eo amin’ny toerana hipetrahany. Manasà mpianatra iray na roa hilaza ny zavatra nosoratany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe fanjakana selestialy. Asaivo eritreretin’ireo mpianatra ireo torolalana homen’izy ireo ny olona iray izay te hahafantatra ny fomba hahatongavana any amin’ny fanjakana selestialy.

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Jaona 14 mba hitady fahamarinana iray izay afaka hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra sy hidirana ao amin’ny fanjakana selestialy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny Jaona 14, dia ampahatsiahivo azy ireo fa nankalaza ny Paska niaraka tamin’ireo Apôstôliny tao amin’i rihana iray tao Jerosalema ny Mpamonjy. Taorian’ilay sakafon’ny Paska dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa fa tsy ho ela Izy dia handao azy ireo (jereo ny Jaona 13:33).

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Jaona 14:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’i Jesoa ireo Apôstôliny mba hampaherezana azy ireo.

  • Inona no nampianarin’i Jesoa ny Apôstôliny mba hampaherezana azy ireo?

  • Inona araka ny eritreritrareo no hevitr’ilay andian-teny hoe “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro” ao amin’ny andininy 2?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ity:

Mpaminany Joseph Smith

“[Ilay fehezanteny hoe] ‘Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro’ … dia tokony ho hoe—‘Ao amin’ny fanjakan’ny Raiko misy fanjakana maro,’ mba hahafahanareo ho mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amiko. … Misy fitoerana ho an’ireo izay mankatò lalàna selestialy iray, ary misy toerana maro hafa ho an’ireo izay tsy manaja ilay lalàna, ny olona tsirairay samy ao amin’izay tokony hisy azy avy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 219).

Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra ny teny hoe fanjakana sy fanjakana maro ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo ambonin’ireo teny hoe trano sy fitoerana maro ao amin’ny Jaona 14:2.

  • Inona no fampianarana ao amin’ny Jaona 14:1–4 izay mety nampahery ireo Apôstôly?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 5, inona no navalin’i Tomasy ny fampianaran’i Jesoa hoe fantatr’ireo Apôstôliny ny lalana mankany amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 14:6 ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny valintenin’i Jesoa tamin’ny fanontanian’i Tomasy.

  • Inona no navalin’i Jesoa ny fanontanian’i Tomasy?

Manaova sarina lalana eo amin’ny solaitrabe. Manorata hoe Isika any amin’ny sisiny iray amin’ilay lalana ary manorata hoe fanjakan’ny Ray any An-danitra any amin’ny sisiny iray hafa. Manorata hoe Lalana eo ambanin’ilay lalana ary hazavao fa io andian-teny io dia entina ilazana ny lalana avy amin’ny toerana iray mankany amin’ny iray hafa.

  • Ahoana no maha-ilay Lalana ny Mpamonjy? (Mety hamaly ny mpianatra fa ny Mpamonjy dia maneho amintsika ny fomba hiainana mba hahatongavana tahaka an’ Andriamanitra sy ny fomba hahatongavana ho mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ny Ray any An-danitra.)

Manorata hoe Fahamarinana sy Fiainana eo ambanin’ilay hoe “Lalana” eo amin’ny solaitrabe.

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-Fahamarinana an’i Jesoa Kristy? (Izy no loharanon’ny fahamarinana rehetra sy niaina tanteraka ny fahamarinana.)

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-Fiainana an’i Jesoa Kristy? (Nataony afaka mandresy ny fahafatesana ara-batana isika ka hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana nofo sy taolana tsy mety maty sy handresy ny fahafatesana ara-panahy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Izy no “fahazavana izay ao amin’ny zava-drehetra, izay manome aina ny zava-drehetra” [F&F 88:13].)

Manorata hoe I Jesoa Kristy no eo akaikin’ny hoe “Lalana”, eo ambanin’ilay sarina lalana eo amin’ny solaitrabe.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra noresahantsika dia ahoana no hamintinanareo ny dikan’ilay tenin’ny Mpamonjy hoe “tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”? (Jaona 14:6). (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanarahana ny lalany ihany no ahafahantsika miditra ao amin’ny fanjakan’ny Ray any An-danitra.)

  • Inona no hitranga raha miezaka manaraka lalana izay tsy an’ny Mpamonjy isika?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Lawrence E. Corbridge ao amin’ny Fitopololahy. Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra hitranga raha miezaka manaraka lalana izay tsy an’ny Mpamonjy isika.

Loholona Lawrence E. Corbridge

“Lalana tokana ihany no mankany amin’ny fahasambarana sy ny fahatanterahana. Izy no Lalana. Ny lalana hafa rehetra, na izay mety ho lalana hafa, na lalana inona na lalana inona dia hadalana. …

“… Na isika manaraka ny Tompo ary mitafy ny heriny sy manana fiadanana, fahazavana, tanjaka, fahalalana, fahatokiana, fitiavana ary hafaliana; na isika mandeha amin’ny lalana hafa, rehefa mety ho lalana hafa, na lalana inona izany dia ho irery—tsy manana ny fanohanany, sy ny heriny sy ny fitarihany, ary ho anatin’ny haizina dia hijaly, hiahiahy ary ho ory sy ho kivy. Dia manontany aho hoe: iza amin’ireo no lalana moramora kokoa? …

“Lalana tokana ihany no mankany amin’ny fahasambarana sy ny fahatanterahana. Jesoa kristy no lalana” (“Ilay Lalana,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 34, 36).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Corbridge, inona no hitranga raha tsy manaraka ny lalan’ny Mpamonjy isika?

  • Inona no hitranga raha manaraka ny lalan’ny Mpamonjy isika?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo zavatra niainany izay nitahiana azy ireo noho ny fanarahany ny lalan’ny Mpamonjy. Manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra niainany.

Fintino ny Jaona 14:7-14 amin’ny fanazavana fa nampianatra ny Apôstôliny ny Mpamonjy fa iray amin’ireo tanjona nahatongavany teto an-tany ny hampahafantatra amin’ny alalan’ny teniny sy ny asany ny tena toetran’ Andriamanitra. Nampanantena ireo Apôstôliny ihany koa Izy fa hahazo hery hanaovana asa lehibe izy ireo.

Jaona 14:15–31

Nampianatra ireo Apôstôliny ny fomba hanehoan’izy ireo ny fitiavany Azy i Jesoa

Asao ireo mpianatra hieritreritra olona iray tian’izy ireo.

  • Ahoana no hanehoanareo ny fitiavanareo io olona io?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 14:15 ary angataho ny mpianatra hitady ny zavatra nasain’i Jesoa nataon’ireo Apôstôliny mba hanehoan’izy ireo ny fitiavany Azy.

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa ny Apôstôliny dia inona no azontsika atao mba hanehoana ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny.)

Mitondrà taratasy kely maromaro ao an-dakilasy izay ahitana didy voasoratra eo aminy (toy ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena, ny fandoavana ampahafolonkarena, ary ny fitandremana ny andro sabata ho masina). Manasà mpianatra maromaro ho eny aloha. Omeo torolalana ny tsirairay mba haka taratasy kely, hamaky mafy ilay didy, ary hanazava ny fomba hanomezan’ny fitandremana izany didy izany antsika fahafahana haneho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy. Asaivo miverina eny amin’ny toerany izy ireo rehefa vita izany.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe toy ny ahoana ny hatsaran’ny fanehoan’izy ireo fitiavana ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona mba haneho ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitandremana tsara kokoa ny didy iray na maromaro izay mety ho sarotra ho azy ireo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 14:16–17, 26. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra, mba hitady ny fampanantenana nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny.

  • Inona no nampanantenain’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny?

Hazavao fa ny andian-teny hoe“Mpananatra hafa ” ao amin’ny andininy 16 dia entina ilazana ny Fanahy Masina. Koa satria ny Mpamonjy dia mpananatra ireo Apôstôliny nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia niantso ny Fanahy Masina hoe Mpananatra hafa Izy.

  • Araka ny voalazan’ny Jaona 14:16–17, 26, inona no azon’ny Fanahy Masina atao ho antsika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Ny Fanahy Masina dia afaka mananatra antsika, mampianatra antsika ny zavatra rehetra, ary mampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra.)

Asao ny mpianatra hanoratra ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina:

  • Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nananatra anao? Oviana ianao no nahatsapa Azy nampianatra anao? Oviana Izy no nanampy anao nitadidy zavatra?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy izay mazoto mba hizara ny zavatra nosoratany.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Jaona 14:18–23.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 21 sy ny 23, amin’ny fomba ahoana no hitahiana antsika raha mitandrina ny didy isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Raha mitandrina ny didy isika dia hiaraka amintsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.)

  • Araka ny eritreritrareo dia inona no dikan’ny hoe hiaraka amintsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Izany dia entina ilazana ny fisehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mivantana [jereo ny F&F 130:3].)

Hazavao fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa raha toa ny Fanahy Masina ka antsoina hoe ny Mpananatra Voalohany dia i Jesoa Kristy kosa no Mpananatra Faharoa. Mba hahazoantsika Azy ho toy ny Mpananatra Faharoa dia tsy maintsy mampitombo ny finoantsika Azy aloha isika, mibebaka, atao batisa, mandray ny Fanahy Masina, ary miezaka ny ho marina sy manompo an’ Andriamanitra. Raha manao ireo zavatra ireo isika dia “hiaraka [amintsika] ny tenan’i Jesoa Kristy, na hiseho [amintsika] tsindraindray, … ary hosokafana [amintsika] ny fahitana ireo lanitra, ka hampianatra [antsika] mifanatrika ny Tompo” amin’ny farany (ao amin’ny History of the Church, 3:380–81). Io fampanantenana io dia ho tanteraka araka ny strapon’ny Tompo sy ny fotoany (jereo ny F&F 88:68).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 14:27, mba hitady ny hafatra nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny.

  • Inona no ifandraisan’ny hafatry ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 27 amin’ireo fitsipika hitantsika tato amin’ity lesona ity?

  • Inona no maha samy hafa ny fiadanana omen’ny Mpamonjy amin’ny fiadanana omen’izao tontolo izao?

Fintino ny Jaona 14:28–30 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 14:30 (ao amin’ny  Torolalana ho an’ny soratra masina) amin’ny alalan’ny fanazavana fa nilaza tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa fa tokony hifaly izy ireo satria handeha handao azy ireo Izy mba hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Nilaza tamin’izy ireo ihany koa Izy fa tsy nanana fahefana Taminy i Satana satria nandresy izao tontolo izao Izy. Nolazain’i Jesoa tamin’ireo Apôstôly fa mbola afaka manana fahefana amin’izy ireo ihany i Satana satria tsy mbola nahavita ny asany teto an-tany izy ireo.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 14:31, mba hitady ny zavatra tian’ny Mpamonjy ho fantatr’izao tontolo izao.

  • Inona no tian’ny Mpamonjy ho fantatr’izao tontolo izao?

  • Ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany ny Ray any An-danitra?

Mba hamaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hijoro ho vavolombelona mikasika ny fomba ahafahan’ireo fitsipika ato amin’ity lesona ity manampy azy ireo rehefa miezaka miverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana selestialy izy ireo.

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Jaona 14:6

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny Jaona 14:6, dia ampiasao ny iray amin’ireo hevitra hita ao amin’ny Tovana ato amin’ity boky torolalana ity.

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Jaona 14:15

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny Jaona 14:15, dia asao izy ireo hanoratra io andininy io amin’ny taratasy kely iray. Asao izy ireo hamerimberina ilay andininy mandra-pahaizan’izy ireo tsianjery izany. Dia asao avy eo ireo mpianatra mba hametaka io taratasy io ao amin’ny toerana izay hampahatsiarovan’izany azy ireo ny haneho ny fitiavany ny Tompo amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 14:6 “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny hevitra fonosin’ny Jaona 14:6 sy ny maha-“lalana sy fahamarinana ary fiainana” an’i Jesoa Kristy:

“Izy no Lalana satria ao Aminy sy amin’ny alalany no hahatongavan’ny famonjena; ‘tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako,’ hoy Izy. (Jaona 14:6.) Izy no Fahamarinana satria tonga nofo sy miseho amin’ny alalany io toetra masina io. (Almà 5:48. Ary Izy no Fiainana satria ao Aminy no misy ny hazavan’aina; raha tsy noho Izy sy ny heriny dia tsy nisy izao rehetra izao; raha nesoriny ny hazavan’aina dia ho nahazo fandresena avy hatrany ny fahafatesana; ary raha tsy teo Izy dia tsy ho nisy na ny fiainana tsy mety maty, na ny fiainana mandrakizay, izay fiainana ao anatin’ny voninahitra tsy manam-piafarana” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 832).

Jaona 14:9–12. “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nanazava ny dikan’ilay tenin’ny Mpamonjy hoe “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”:

“I Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra no ‘endriky ny tena[n’ny Rainy] indrindra’ (Hebreo 1:3). Nandeha teto an-tany toy ny olombelona Izy, lehilahy iray tonga lafatra, ka nilaza izao mba hamaliana ny fanontaniana iray napetraka Taminy: ‘Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray’ (Jaona 14:9). Io ihany dia tokony hamaha ilay olana ka hanome fahafahampo ireo olona izay misaintsaina tsara amim-panajana. Ny lesona tsoahina avy amin’izany dia azo antoka, fa raha endriky ny tenan’ny Rainy (eo amin’ny fitovian’endrika ara-batana) ny Zanak’ Andriamanitra, dia manana endrik’olona izany ny Rainy; satria izay no endriky ny Zanak’ Andriamanitra, tsy nandritra ny fiainany an-tany ihany, fa talohan’ny nahaterahany teto an-tany, sy taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty koa. Tamin’io endrika io no nisehoan’ny Ray sy ny Zanaka, izay olona roa samy hafa, tamin’i Joseph Smith, rehefa nahazo ny fahitany voalohany izy tamin’izy zazalahy efatra ambin’ny folo” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [1998], 334).

Jaona 14:12. “Hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray”

Mety hampikorontan-tsaina ny mamaky fa ireo izay mino an’i Jesoa Kristy dia hanao asa lehibe kokoa noho izay nataony. Kanefa ny Lectures on Faith dia mandroso sosokevitra fa ho takatra kokoa io teny nambara io raha ampifandraisina amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 17:20–24:

“Rehefa atambatra ireo zavatra rehetra voalaza ireo dia manome famaritana mazava araka izay azo ambara amin’ny alalan’ny teny ny toetran’ireo olomasina nasandratra—ireo asa nataon’i Jesoa izay tokony nataon’izy ireo, sy ireo asa lehibe kokoa noho ireo izay nataony teo anivon’izy ireo ka tokony ho nataon’izy ireo, noho Izy nankany amin’ny Ray. Tsy nilaza Izy fa tokony hanao ireo asa ireo amin’izao fotoana izao izy ireo; fa tokony hanao asa lehibe kokoa izy ireo, satria lasa tany amin’ny Ray Izy. … Ireo asa lehibe izay tokony nataon’ireo izay nino ny anarany dia tokony hatao amin’ny mandrakizay, any amin’ny toerana nalehany sy tokony ahitan’izy ireo ny voninahiny” (Lectures on Faith [1985], 77–78).

Jaona 14:16–23, 26; 15:26; 16:7. Ny hoe “Mpananatra” dia anarana iantsoana ny Fanahy Masina sy i Jesoa Kristy

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Misy Mpananatra roa resahina. Ny iray dia ny Fanahy Masina, ilay nomena tamin’ny andron’ny Pentekôsta, ary raisin’ny Olomasina rehetra aorian’ny finoana sy ny fibebahana ary ny batisa. …

“Ilay Mpananatra iray hafa izay resahina dia zavatra iray izay tena mahaliana tokoa, ary olona vitsy amin’ity taranaka ity angamba no mahatakatra azy. Rehefa avy nanana finoana ny olona iray, mibebaka amin’ny fahotany, ary atao batisa ho famelana ny fahotany ka mandray ny Fanahy Masina, (amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana), izay ny Mpananatra voalohany, dia avelao izy hanohy hanetry tena eo anatrehan’ Andriamanitra, ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana, ary mivelona amin’ny teny rehetra aloaky ny vavan’ Andriamanitra, dia hilaza aminy ny Tompo afaka fotoana fohy hoe hasandratra ianao. Rehefa avy nisedra azy mafy ny Tompo, ary nahita fa vonona ny hanompo Azy amin’ny toe-javatra rehetra ilay olona, dia ho hitan’ilay olona fa azo antoka ny fiantsoana sy ny fisafidianana azy, ary aorian’izay dia ho tombontsoa lehibe ho azy ny handray ilay Mpananatra hafa, izay nampanantenain’ny Tompo ny Olomasina, araka izay voarakitra ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Masin-dahy Jaona, ao amin’ny toko faha 14, manomboka eo amin’ny andininy faha 12 ka hatramin’ny andininy faha 27” (in History of the Church, 3:380).

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny maha-Mpananatra Voalohany Azy:

“Raha mbola niaraka tamin’izy ireo i Jesoa dia Izy no Mpananatra azy ireo. Niresaka ny fiadanana ho an’ny fanahin’izy ireo Izy. Ireo izay nanana enta-mavesatra noho ireo alahelo sy fijaliana ary ady eto amin’izao tontolo izao dia nanatona Azy ka nahita fitsaharana ho an’ny fanahiny. Nampionona ny mananontena Izy ary rain’ireo izay tsy nanan-dray. Ny teniny dia nampahery ireo olona nino mba hanana fahatoniana sy fiadanana lehibe kokoa. Ary izao izy dia handao, kanefa handefa Mpananatra hafa—ny Fanahy Masina—mba hijanona mandrakizay hiaraka amin’ireo izay mahatoky.

“Ho an’ny olona rehetra ankoatra ireo vitsy izay nandre ny feony teto an-tany, dia ny Fanahy Masina no Mpananatra voalohany. Ity mpikambana ao amin’ny Andriamanitra ity dia miresaka fiadanana amin’ny fanahin’ireo olomarina amin’ny vanim-potoana rehetra. Ny Fanahy Masina dia ‘fanomezan’ Andriamanitra ho an’ireo rehetra izay mitady Azy amim-pahazotoana tokoa na amin’ny fotoana izay hanehoany ny tenany amin’ny zanak’olombelona’ (1 Ne. 10:17), ary amin’ny fotoana ho avy ihany koa. Izy no Fanahin’ny fahamarinana—tahaka an’i Kristy ihany koa—saingy tsy afaka mandray ny Fanahy Masina izao tontolo izao satria tsy hitoetra ao amin’ny tabernakely maloto ny Fanahy” (Mortal Messiah, boky miisa 4 [1979–81], 4:74–75).

Jaona 14:26. Samy hafa ny Fanahy Masina sy ny Fahazavan’i Kristy

Nampianatra ny maha samy hafa ny Fanahy Masina sy ny Fahazavan’i Kristy ny Filoha Joseph Fielding Smith:

“Ny Fanahy Masina dia tsy tokony afangaro amin’ilay Fanahy izay mameno ny halehiben’ny habakabaka ary hita n’aiza n’aiza. Io Fanahy iray io [ny fahazavan’i Kristy] dia tsy olona ary tsy manana habe. Miasa avy eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka izany ary ao amin’ny zavatra rehetra. Tokony hiresaka ny Fanahy Masina toy ny olona atao hoe ‘izy’ isika ary hiresaka io Fanahy iray io ho toy ny zavatra, na dia miantso ny hery na ny fanomezana ny Fanahy Masina ho toy ny zavatra aza isika rehefa miresaka izany.

“… Ny Fanahy Masina, tahaka izay ampianarina antsika ao amin’ireo fanambarana maoderina ato amin’ny Fiangonantsika, dia ny mpikambana fahatelo ao amin’ny Andriamanitra ary olona Fanahy. Ireto anarana fiantsoana manaraka ireto dia mitovy hevitra: Fanahin’ Andriamanitra, Fanahin’ny Tompo, Fanahin’ny Fahamarinana, Fanahy Masina, Mpananatra, izay samy miresaka ny Fanahy Masina avokoa. Ireo anarana fiantsoana ireo dia matetika no ampiasaina amin’ny zavatra mifandray amin’ny Fanahin’i Kristy izay antsoina ihany koa hoe ny ny Fahazavan’ny Fahamarinana, ny Fahazavan’i Kristy, ny Fanahin’ Andriamanitra, ary ny Fanahin’ny Tompo. Samihafa sy miavaka anefa izy ireo. Misafotofoto be ny saintsika satria tsy notazonintsika mazava tao an-tsaintsika izany” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3. [1954–56], 1:49–50).