Tahirim-pitaovana
Lesona 82: Asan’ny Apostoly 1:9–26


Lesona 82

Asan’ny Apostoly 1:9–26

Fampidirana

Rehefa avy nampianatra ireo mpianany nandritra ny 40 andro i Jesoa Kristy dia niakatra tany an-danitra. Niara-nivavaka sy nitalaho ireo Apôstôly sy ireo olona hafa. Nantsoina tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy i Matia mba hameno ny toerana banga tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay tavela teo noho ny fivadihan’i Jodasy Iskariota sy noho ny fahafatesany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny apostoly 1:9–12.

Niakatra any an-danitra ny Mpamonjy

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Marina sa Diso?

Vakio mafy ireto fehezanteny mikasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ireto. Asao ny mpianatra mba hilaza raha marina na diso ireo fehezanteny. (Fanamarihana: Amin’ity fotoana ao anatin’ny lesona ity dia tsy mila mahafantatra ny valin’ny fanontaniana tsirairay ny mpianatra na mandany fotoana be dia be hifanakalozana hevitra momba ny valintenin’izy ireo.)

  1. Hiverina eto an-tany i Jesoa Kristy amin’ny andro farany.

  2. Amin’ny Fiaviany Fanindroany dia tsy hiseho afa-tsy amin’ireo olo-marina i Jesoa Kristy.

  3. Koa satria hanafina ny endriny i Jesoa Kristy rehefa miverina indray dia tsy hahalala ny ankamaroan’ny olona fa efa nitranga ny Fiaviana Fanindroany.

Azonao atao ny mamerina mijery vetivety ny valin’ny fanontaniana tsirairay: (1) Marina (jereo ny Mosesy 7:60); (2) Diso (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:26; F&F 101:23); (3) Diso (jereo ny F&F 49:22–23).

Hazavao fa nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia naminany i Jesoa Kristy fa hanaparitaka fampianaran-diso mikasika ny Fiaviany Fanindroany ny olona sasany amin’ny andro farany (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:22–25).

  • Ahoana no hahafantarantsika hoe marina na diso ny fampianarana iray manokana mikasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany? (Raha mihaino ny tenin’ny Mpamonjy sy ny tenin’ireo mpaminaniny isika dia tsy ho voafitaka [jereo ny Joseph Smith—Matio 1:37].)

Asao ny mpianatra rehefa manohy mandalina ny Asan’ny Apostoly 1 mba hitady fahamarinana iray manan-danja momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nampianatra ireo mpianany nandritra ny 40 andro ny Mpamonjy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:3). Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny Fiakaran’i Jesoa tany an-danitra (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 62; jereo koa ny LDS.org).

Ny Fiakaran’i Jesoa tany an-danitra

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 1:9–12. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nitranga rehefa avy nampianatra ireo Apôstôliny ny Mpamonjy.

  • Inona no nitranga rehefa avy nampianatra ireo Apôstôliny ny Mpamonjy?

  • Raha nahita ny Mpamonjy niakatra tany an-danitra ianareo dia inona araka ny eritreritrareo no eritreritra sy fahatsapana mety ho nanananareo?

Hazavao fa tamin’ny andron’i Isiraely fahiny, ny rahona iray indraindray dia nampiasaina mba ho fanehoana hita maso ny fanatrehan’ Andriamanitra sy ny voninahiny (jereo ny Eksodosy 40:34). Ilay rahona voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:9 dia rahon’ny voninahitra (jereo ny Bible Dictionary, ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy an’ny OAF, “Cloud”), ary ireo lehilahy roa voatonona ao amin’ny andininy 10 dia anjely.

  • Inona no nolazain’ireo anjely tamin’ireo Apôstôly?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe i Jesoa dia hiverina indray “tahaka ny nahitanareo” (Asan’ny Apostoly 1:11) Azy niakatra ho any an-danitra? (Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny Fiaviany Fanindroany dia hidina avy any an-danitra amim-boninahitra ny Mpamonjy.)

Hazavao fa ny Fiakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra dia nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Oliva (jereo ny andininy 12). Hazavao fa rehefa miverina indray ny Mpamonjy dia iray amin’ireo fomba hisehoany ny fidinany ka hijoro marina tokoa eo amin’ny Tendrombohitra Oliva (jereo ny Zakaria 14:4; F&F 45:47–53; F&F 133:19–20). Izany dia hitranga mialoha ilay fisehoany lehibe sy goavana amin’izao tontolo izao (jereo ny Isaia 40:5).

  • Afaka manampy antsika mba tsy ho voafitaka mandritra ny fotoana hiandrasantsika ny Fiaviany Fanindroany amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana ny fomba hiverenan’ny Mpamonjy?

Asan’ny Apostoly 1:13–26

Nofidiana hameno ny toerana banga tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambiniflo i Matia

Hazavao fa taorian’ny niverenan’ireo Apôstôly tany Jerosalema dia niara-nivory tamin’ny lehilahy sy vehivavy mahatoky sasantsasany izy ireo, ka anisan’izany i Maria renin’i Jesoa, mba hivavaka sy hidera an’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Asan’ny Apostoly 1:13 ka hanisa ireo Apôstôly voatanisa ao. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Nahoana no tsy nisy afa-tsy Apôstôly 11 fotsiny tamin’io fotoana io ? (Namadika an’i Jesoa Kristy i Jodasy Iskariota ary taorian’izay izy dia namono tena [jereo ny Matio 27:3–5].)

Fintino ny Asan’ny Apostoly 1:15–20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nijoro teo anoloan’ny mpianatra miisa 120 i Petera ka nitantara ny fahafatesan’i Jodasy Iskariota. Satria anisan’ireo Apôstôly Roambinifolo i Jodasy dia niara-nivory ny mpianatra mba hifidy Apôstôly vaovao.

Asao ny mpianatra hamariparitra ireo fomba samy hafa izay hifidianana ny sasany amin’ireto mpitarika manaraka ireto: kapitenina ekipa, mpitarika ao amin’ny governemanta eo an-toerana, mpanjakalahy na mpanjakavavy, ary filohana orinasa iray.

  • Inona avy no mety ho fepetra takina hahazoana ireo toerana mpitarika ireo?

Manehoa sary iray na sary maromaro ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao, dia mijoroa ho vavolombelona fa Apôstôlin’i Jesoa Kristy ny tsirairay avy amin’ireo lehilahy ireo. Angataho ny mpianatra hieritreritra ny fomba hisafidianana Apôstôlin’i Jesoa Kristy iray sy ny fepetra takina amin’ny olona iray hahafahany manompo ho Apôstôly.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 1:21–26 miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy ka hitady ny fomba nifidianana Apôstôly vaovao taorian’ny nahafatesan’i Jodasy Iskariota.

  • Inona no dikan’ny hoe “nanao filokana ho azy izy”? (andininy 26).

Mety ilainao ny manazava fa tamin’ny andro fahiny, ny fanaovana antsapaka dia fomba iray naneho finoana mba handraisana fanapahan-kevitra izay naneho ny fahatokiana fa Andriamanitra no hanome ny valin’izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:26; jereo koa ny Ohabolana 16:33). “Raha nanao antsapaka izy ireo dia toe-javatra iray nisafidianan’ny Tompo ny vokatra izany. Azo antoka kokoa anefa fa ‘nifidy azy izy ireo,’ ary angamba ‘fanohanana’ mba hanohanana ilay olona izay nofidian’ Andriamanitra hanompo tao amin’ny maha-Apôstôly masina” (Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:32).

  • Araka ny voalazan’ny andininy 21–22, inona no toetra takina izay nolazain’i Petera fa tsy maintsy ananan’ilay Apôstôly vaovao? (Tsy maintsy mpanaradia an’i Jesoa Kristy izy izay nahita ny asa fanompoany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ihany koa.)

  • Inona no mahasarika ny sainareo mikasika ny vavaka nataon’ireo Apôstôly izay voarakitra ao amin’ny andininy 24–25?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny andininy 24 mikasika ny fomba iantsoana Apôstôlin’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy ataovy izay hanantitranterana fa antsoin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io ary asao ny mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny andininy 24.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe izany hoe ny Apôstôly iray dia antsoin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana fa tsy fidiana amin’ny fomba mitovy amin’ny fifidianana ireo mpitarika hafa eto amin’izao tontolo izao?

Mba hanehoana ny fomba hiantsoan’ Andriamanitra Apôstôly maoderina amin’ny alalan’ny fanambarana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity izay nalaina avy amin’ny fiainan’ny Filoha Heber J. Grant:

Filoha Heber J. Grant

“Nahazo fanambarana maro ny Filoha [Hebert J.] Grant tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy mba hitarihana ny Fiangonana iray manontolo. Ny fanambarana iray tahaka izany dia tonga raha vantany vao natokana ho Filohan’ny Fiangonana izy, rehefa nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo izy tamin’ny fanendrena mpikambana vaovao iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa nisaintsaina io andraikitra io izy dia tany amin’i Richard W. Young, Olomasin’ny Andro Farany mahatoky ary voaporofo fa mpitarika tsara, izay namany hatry ny ela foana ny sainy. Niresaka io safidy azo atao io tamin’ireo mpanolotsaina azy ny Filoha Grant, ka dia nanohana ny fanapahan-kevitra noraisiny izy ireo. Rehefa nahatoky tena tamin’io fanapahan-kevitra io izy tamin’ny farany dia nosoratany tamin’ny taratasy iray ny anaran’ilay namany ka nentiny tao amin’ny fivorian’ny tempoly fanaony isan-kerinandro niaraka tamin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izany taratasy izany. Kanefa rehefa handeha hanonona ilay anarana izy mba hahazoana ny fankatoavan’ireo Rahalahiny dia tsy afaka nanao izany. Raha tokony ho ny anaran’i Richard W. Young no natolony dia ny an’i Melvin J. Ballard indray no nolazainy, izay lehilahy zara raha fantany. Nitantara ny fiantraikan’io zavatra niainany io teo aminy ny Filoha Grant taty aoriana:

“‘Nahatsapa ny fitaomam-panahy avy amin’ilay Andriamanitra velona aho nitarika ahy tamin’ny asako. Nanomboka tamin’ilay andro nifidianako olona izay zara raha fantatro fa tsy ilay namako hatrizay sy tena mamiko, dia fantatro tokoa tahaka ny fahafantarako fa velona aho fa manana ny fahazavana sy ny fitaomam-panahy ary ny fitarihan’ Andriamanitra aho amin’ny fitarihana ny Asany eto an-tany’” (Teachings of Presidents of the Church: Heber J. Grant [2002], 181–82).

  • Manoritsoritra ny fomba fiantsoana Apôstôly maoderina amin’ny fomba ahoana ilay fahamarinana ampianarina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:24 izay aseho ao amin’io tantara io?

  • Ahoana no hanehoan’ny fiantsoana Apôstôly iray fa manohy mitarika ny Fiangonany ny Mpamonjy? (Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra ilay fahamarinana nampianarina tao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:2—hoe mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarany ny sitrapony amin’ireo Apôstôliny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy.)

Resaho ilay sary na ireo sarin’ireo Apôstôly velona izay nasehonao tany am-piandohana. Azonao atao ny maka fotoana fohy hanampiana ny mpianatra hianatra na hamerina ny anaran’izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

Inona avy ireo zavatra niainana izay nanampy anao hahafantatra fa nantsoin’ Andriamanitra ireo Apôstôly velona?

Nahoana no manan-danja aminao ny manana fijoroana ho vavolombelona fa nantsoin’ Andriamanitra ireo Apôstôly velona?

Asao ireo mpianatra hanoratra valinteny ho an’ny iray amin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana hitan’ny mpianatra tao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:9–26.

scripture mastery icon
Famerenana ny soratra masina fehezina

Mba hanampiana ny mpianatra hamerina ireo andinin-tsoratra masina fehezina 10 voalohany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto toko sy andininy manaraka ireto sy ireo teny manan-danja mifanandrify amin’izany (raha tianao dia azonao omena ny tahadikan’ilay tabilao ny mpianatra):

Matio 5:14–16

Aoka hazava ny fahazavanareo.

Lioka 24:36–39

Manana nofo sy taolana ny vatana efa nitsangana tamin’ny maty.

Matio 11:28–30

Mankanesa atỳ Amiko.

Jaona 3:5

Ateraky ny rano sy ny Fanahy

Matio 16:15–19

Ireo fanalahidin’ny fanjakana

Jaona 14:6

Ny lalana, ny fahamarinana ary ny fiainana

Matio 22:36–39

Tiava ny Tompo; Tiava ny namanao.

Jaona 14:15

Raha tia ahy ianareo dia hitandrina ny didiko.

Matio 28:19–20

Ataovy mpianatra sy ataovy batisa ny firenen-drehetra.

Jaona 17:3

Fiainana mandrakizay ny fahafantarana an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpianatra hamerina hijery miaraka amin’ny namany ireo andinin-tsoratra masina fehezina voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny mandroso sosokevitra hoe mamaky mafy ireo teny manan-danja ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina iray ny iray amin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny vondrona ary manonona ilay toko sy andininy mifanaraka amin’izany kosa ilay mpiara-miasa iray. Asao ny mpianatra hifanakalo ny anjara asany mandra-pahavitan’izy ireo mamerina ireo andinin-tsoratra masina 10 iray manontolo.

Raha mbola misy ny fotoana dia ampanaovy ankamantatra ny mpianatra. Omeo taratasy kely ahitana ireo teny manan-danja ho an’ny andinin-tsoratra masina fehezina tsirairay arahana faritra banga ny mpianatra. Asao ireo mpianatra hanoratra ilay andinin-tsoratra masina mifanandrify amin’izany eo amin’ilay faritra banga. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia avereno jerena ilay ankamantatra.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 1:18. Ny fahafatesan’i Jodasy

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ny fifanoherana misy eo amin’ny Matio 27:3–5, izay milaza fa nananton-tena i Jodasy, sy ny Asan’ny Apostoly 1:18, izay milaza fa nianjera i Jodasy ka “nivaroraka ny tsinainy.” Ny Dikantenin’ny Joseph Smith ho an’ny Matio 27:6 dia mivaky toy izao: “Dia nanipy ireo volafotsy teo amin’ny tempoly izy ary lasa nandeha ka nanantona ny tenany tamin’ny hazo. Ary potraka nihohoka teo no ho eo izy ka nivaroraka ny tsinainy, ary maty izy.”

Asan’ny Apostoly 1:21–22. “Ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany”

Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa ny tenivavolombelona lehibe indrindra mikasika ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy dia tonga avy amin’ny Fanahy Masina:

“Izy ireo [ny Apôstôly Roambinifolo] dia vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy. Zon’izy ireo ny hahafantatra ny fahamarinana sy hanana tenivavolombelona maharitra. Adidy tena manan-danja ho azy ny mahafantatra fa i Jesoa Kristy dia tena ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, Mpanavotra izao tontolo izao. …

“Mipetraka matetika ilay fanontaniana hoe: ‘Ilain’ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitry ny Roambinifololahy ve ny mahita ny Mpamonjy mba hahafahany ho lasa apôstôly?’ Tombontsoa lehibe ho azy ireo ny mahita Azy raha mitaky izany ny toe-javatra misy, saingy efa nampianatra ny Tompo fa misy fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa noho ny fahitana olona iray, na dia ny fahitana ny Zanak’ Andriamanitra ao anatin’ny fahitana aza. Ny fahatsapana ao anaty izay azo avy amin’ny Fanahy Masina dia manan-danja lavitra noho ny fahitana” (“The First Presidency and the Council of the Twelve,” Improvement Era, nôv. 1966, 979).

Asan’ny Apostoly 1:24–26. Amin’ny fomba ahoana no hiantsoana ireo Apôstôly amin’izao androntsika izao?

Taorian’ny fiantsoana sy ny fanohanana ny Loholona Robert D. Hales ho Apôstôly dia nohazavain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ny fomba fiantsoana Apôstôly amin’izao fotoana izao:

“Araka ny drafitry ny Tompo, ireo izay manana andraikitra ny hisafidy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mikatsaka ny hamaly fanontaniana iray manan-danja: ‘Iza no ho asain’ny Tompo hofidiko (fidinay)?’ Misy ny fandinihana atao amim-pahanginana sy amim-pisaintsainana. Ary betsaka ny vavaka atao mba handraisana ny fanamafisan’ny Fanahy masina fa marina ilay safidy.

“… Rehefa mameno [toerana banga iray ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo], ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nomena fahalalahana handroso sosokevitra. Mahatoky aho fa tamin’ny fotoana tsirairay avy nisehoan’izany dia nisy ny vavaka natao tamim-pahamatorana sy tamin-kafanam-po. Dia nanao safidy avy eo ny Fiadidiana Voalohany, mbola taorian’ny vavaka natao tamim-pahamatorana ihany. Notohanan’ny Filankevitry ny Roambinifololahy io safidy io. Izao anio izao, ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manatrika ity fihaonambe ity dia nanohana io safidy io.

“Mijoro ho vavolombelona aho … fa ny fitaomam-panahy hiantso an-dRahalahy Hales ho ao amin’ity anjara fanompoana ambony sy masina ity dia avy amin’ny Fanahy Masina, tamin’ny alalan’ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana. Tsy nanolotra ny anarany manokana Rahalahy Hales. Ny Fanahy no nanolotra ny anarany” (“God Is at the Helm,” Ensign, mey 1994, 53–54).

Asan’ny Apostoly 1:24–26. Ireo Apostoly antsoina amin’izao androntsika izao

Na dia tsy mifidy izay ho Apôstôly manaraka na ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana aza ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny dia manana fahafahana isika ny hanohana ireo izay antsoin’ Andriamanitra. Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra ny dikan’ny hoe manohana ny hafa: “Ny fomba fanao amin’ny fanohanana dia mihoatra lavitra ny fahazarana manangan-tanana fotsiny. Izany dia fanolorantena ny hamporisika sy hanohana ary hanampy ireo izay voafidy” (“This Work Is Concerned with People,” Ensign, mey 1995, 51).