Tahirim-pitaovana
Lesona 81: Asan’ny Apostoly 1:1–8


Lesona 81

Asan’ny Apostoly 1:1–8

Fampidirana

Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia nanao asa fanompoana ho an’ireo Apôstôliny nandritra ny 40 andro i Jesoa Kristy. Nanomana azy ireo Izy mba ho vavolombelony manerana ny tany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny Apostoly 1:1–8

Nanao asa fanompoana ho an’ireo mpianany nandritra ny 40 andro i Jesoa

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa nanatona azy ireo ny namana iray avy amin’ny finoana hafa izay nanana faniriana ny hahafantatra bebe kokoa momba ny Fiangonantsika ka nanontany hoe: “Iza no mitarika ny fiangonanareo?”

Angataho ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba hamaliany io fanontaniana io.

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 1:1-8 mba hitady fahamarinana iray izay afaka hanampy azy ireo hamaly ilay fanontaniana momba izay olona mitarika ny Fiangonana.

“ ” “ ”

  • Raha miainga avy amin’ny lohateniny dia inona no heverinareo fa azontsika ianarana ato amin’ity boky ity?

Hazavao fa ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia manamarika fiovana manan-danja ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny bokin’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona dia manolotra ireo tantara mikasika ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany, ka anisan’izany ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitantara ny asa fanompoana nataon’ireo Apôstôly taorian’ny Fiakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 1:1–2. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny olona nanoratana ity boky ity.

  • Ho an’iza no nanoratana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly?

Hazavao fa i Lioka no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny apostoly ary ilay “boky voalohany” resahina ao amin’ny andininy 1 dia ny bokin’i Lioka, izay nosoratana ihany koa ho an’i Teofilo. Ny tanjon’i Lioka tamin’ny fanoratana izany dia ny hanampy an’i Teofilo hahazo ny fijoroana ho vavolombelona azy manokana mikasika an’i Jesoa Kristy (Jereo ny Lioka 1:1–4).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 1:2–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny faharetan’ny fotoana nanompoan’i Jesoa Kristy mivantana ireo Apôstôliny taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. (Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy 3, ny teny hoe “nijaliany” dia entina ilazana ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy ary ny hoe “famantarana maro” dia entina ilazana ilay porofo tsy azo lavina nomen’i Jesoa fa nitsangana tamin’ny maty Izy.)

  • Firy andro no nijanonan’ i Jesoa Kristy niaraka tamin’ ireo Apôstôliny taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty?

  • Inona no nampianarin’i Jesoa azy ireo nandritra ireo 40 andro ireo? (Ireo zavatra mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra.)

Manomboha manao sarina trano tsotsotra vita amin’ny tsipika eo amin’ny solaitrabe. (Na azonao atao ny manamboatra trano kely amin’ny vongan-javatra na tanimanga.)

sary vita amin’ny tsipika, faritra aloha sy amin’ny sisin’ny trano

Rehefa misasaka ny famitanao ilay sary dia asao ny mpianatra iray ho eo amin’ny solaitrabe mba hamita ilay sary ho anao. Omeo torolalana mazava tsara mikasika ny fomba hamitana ilay trano ilay mpianatra. Azonao atao ny mangataka azy hanisy tafo sy varavarankely vitsivitsy ary sarin-java-boahary manodidina ilay trano. Aorian’ny fotoana fohy niarahana niasa dia mankanesa eny amin’ny sisiny ilany ao amin’ny efitrano fianarana ka manohiza manome torolalana ilay mpianatra. Rehefa vita ilay trano dia isaory ilay mpianatra ka asaivo mipetraka.

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa ilay sarin-trano dia maneho ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, dia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Mety ho amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny fomba fanaovantsika ny sarin’io trano io ny fomba nanorenan’i Jesoa ny Fiangonany nandritra ny asa fanompoany teto an-tany sy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty? (Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanomboka nanorina ny Fiangonany ny Mpamonjy. Niantso olona hafa Izy hanampy Azy hanorina izany, ary taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nitarika ny ezaka nataon’izy ireo Izy na dia tsy niaraka tamin’izy ireo nivantana intsony aza.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2, dia amin’ny fomba ahoana no hitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarany ny sitrapony amin’ireo Apôstôliny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy.)

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Lolohona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Manomboka amin’ny andininy voalohany [amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly] … dia nambara fa mbola hitohy hotarihin’ Andriamanitra ny Fiangonana fa tsy hotarihin’olombelona. … Raha ny marina dia lohateny feno kokoa azo nomena ny bokin’ny Asan’ny Apostoly sady mety tsara aminy ny hoe: ‘Ny Asan’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty amin’ny alalan’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainana sy ny asa fanompoana nataon’ireo Apôstôliny voatendry.’ …

“Nitovy tamin’izany hatrany ny fomba fitarihana ny Fiangonana. Ny toerana misy ny Mpamonjy no niova fa ny fitarihana ny Fiangonana dia nitovy tanteraka” (“Therefore, What?” [Fivorian’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana mikasika ny Testamenta Vaovao, 8 aog. 2000], 6, si.lds.org).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa mbola mitarika ny Fiangonany hatrany amin’ny alalan’ny fanambarana i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo zavatra niainana izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Manasà mpianatra maromaro hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Azonao atao koa ny mizara traikefa toy izany, raha tianao.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 1:4–8. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra izay nandidian’ny Tompo ireo Apôstôly mba hataon’izy ireo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4, dia nodidian’i Jesoa hanao inona ireo Apôstôly?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 5, inona no nampanantenain’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôly fa horaisin’izy ireo raha nijanona tao Jerosalema izy ireo?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8, dia homen’ny Fanahy Masina hery hanao inona ireo Apôstôly?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Apôstôly avy amin’ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 8? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny Apôstôly dia vavolombelon’i Jesoa Kristy ary mijoro ho vavolombelona momba Azy manerana ny tany.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ity fahamarinana ity dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Amin’izao androntsika izao ny Tompo dia niantso vavolombelona manokana miisa 15 mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra Azy eo anatrehan’izao tontolo izao. Tsy manan-tsahala ny antson’izy ireo. Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo, izay nofinidiny sy nirahiny. Nodidiana izy ireo ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahavelomany amin’ny alalan’ny hery sy ny fahefana amin’ny andraikitra masina maha-Apôstôly hazonin’izy ireo” (“Special Witnesses of Christ,” Ensign, Apr. 2001, 4).

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga ity: Ireo Apôstôly amin’izao androntsika izao dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia …

Ilay Kristy Velona

Raha misy dia omeo tahadika iray amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (Ensign, apr. 2000, 2) ny mpianatra tsirairay ao amin’ny kilasinao. Azonao atao koa ny maka tahadika iray amin’izany dia manety izany ho lasa fizarana maromaro kelikely kokoa, ka mizara ireo fizarana amin’ny mpianatra. Angataho ny mpianatra hamaky mangina ireo fizarana ao amin’ilay tahirin-kevitra mba hitady ny fomba hamenoan’izy ireo ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe. Rehefa avy mamaky ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray ho eny amin’ny solaitrabe mba ho mpanoratra. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany dia angataho ilay mpianatra eny amin’ny solaitrabe mba hitanisa ny valintenin’izy ireo eo amin’ny solaitrabe.

  • Iza amin’ireo fanambarana ireo no manan-danja indrindra aminareo?

  • Inona no fiantraikan’ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly amin’izao andro izao amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba an’i Jesoa Kristy?

Hazavao fa na dia miresaka manokana ny anjara asan’ny Apôstôly amin’ny maha vavolombelona manokan’ny Mpamonjy aza ny Asan’ny Apostoly 1:8 dia mampianatra antsika mikasika ny zavatra afaka manampy antsika ho lasa vavolombelon’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao koa izany.

  • Raha miainga avy amin’ny fampanantenana nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8, inona no mahatonga antsika ho lasa vavolombelon’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hahitan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no ahafahantsika ho tonga vavolombelon’i Jesoa Kristy.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Fanahy Masina antsika ho lasa vavolombelon’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fotoana nahatsapany ny Fanahy Masina rehefa nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy ny olona hafa. Rehefa afaka minitra vitsy dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy tokony hizara traikefa izay saropady na mahakasika be loatra ny tenany manokana izy ireo.)

  • Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nanampy anao nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa?

Amporisiho ny mpianatra hitady fahafahana hizarana amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy hahatoky fa ny Fanahy Masina dia hanamafy ny fahamarinan’ny zavatra hijoroan’izy ireo ho vavolombelona.

Asan’ny Apostoly–Apokalypsy

Topimaso mikasika ny tapany faharoa ao amin’ny Testamenta Vaovao

Hazavao fa ny Asan’ny Apostoly 1:8 dia tsy mampianatra fahamarinana fotsiny ihany fa manome ihany koa topimaso mikasika ny tapany farany amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 1:8, dia aiza ny toerana nolazain’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny faminaniana fa hijoroan’ireo mpianany ho vavolombelona momba Azy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Asan’ny Apostoly 1–5 = Jerosalema; Asan’ny Apostoly 6–9 = Jodia sy Samaria; Asan’ny Apostoly 10–28 = any am-paran’ny tany (jereo ny Bible Dictionary, ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy an’ny OAF, “Acts of the Apostles”).

Hazavao fa nanomboka nijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy araka izay nandidiana azy ireo mpianatra. Tamin’ny voalohany dia nitory tao Jerosalema ireo Apôstôly, avy eo dia tao Jodia sy Samaria, ary farany dia tany amin’ny faran’ny tany.

Asao ny mpianatra hijery ny ao amin’ny fanoroam-pejin’ny Baiboly. Asao ny mpianatra hijery ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao manarakaraka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Hazavao fa ireo bokin’ny Romana ka hatramin’ny Hebreo dia epistily (taratasy) nosoratan’ny Apôstôly Paoly. Ny mpianatra dia hianatra mikasika ny fiovam-pon’i Paoly sy ny asa fanompoana nataony rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 9, 13–28.

Asao ny mpianatra hitady ny 1 Tesaloniana. Hazavao fa ny Tesaloniana dia olona nipetraka tao amin’ny tanànan’i Tesalonika. Asao ny mpianatra hanokatra ny bokiny ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly,” (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) ka hitady ny misy an’i Tesalonika ao amin’ilay sarintany. Hazavao fa maro tamin’ireo epistily nosoratana ao amin’ny Testamenta Vaovao no nosoratana ho an’ireo vondron’ny mpikamban’ny Fiangonana tany amin’ny tanàna samihafa mba hanomezana ny zavatra nilain’izy ireo manokana. Azonao atao ihany koa ny manazava fa ireo epistily ireo dia tsy milahatra araka ny vanim-potoana nanoratana azy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny bokin’ny 1 Tesaloniana no inoan’ny olona fa epistily voalohany nosoratan’i Paoly.

Angataho ireo mpianatra hijery ny fanoroam-pejy ka hitady ireo boky hafa sasantsasany izay nosoratana mba ho epistily ho an’ireo vondron’ny Olomasina.

Hazavao fa ankoatra ny fanoratana ho an’ireo vondron’ny Olomasina dia nanoratra ho an’ny olon-tokana toa an’i Timoty sy i Titosy ary i Filemona i Paoly.

Angataho ny mpianatra mba hitady ireo boky aorian’ny Hebreo ao amin’ny fanoroam-pejy.

Hazavao fa ankoatra an’i Paoly dia nisy Apôstôly sy mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana nanoratra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Mbola ananantsika ny sasany amin’ireo epistily ireo, dia ny bokin’i Jakoba ka hatramin’ny Joda. Ny bokin’ny Apokalypsy dia mirakitra fahitana iray izay hitan’ny Apôstôly Jaona.

Asao ny mpianatra hanohy hamaky ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao. Amporisiho izy ireo hivavaka rehefa mandalina izany mba hanazavan’ny Fanahy Masina azy ireo sy hanampiany azy hahazo fahatakarana lehibe kokoa rehefa mandalina ny fampianaran’ireo Apôstôly ao amin’ny Testamenta Vaovao izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly. Topimaso momba izany

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao manaraka izao mikasika ny bokin’ny Asan’ny Apostoly:

“Ny Asan’ny Apostoly dia mampianatra antsika ny fiasan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana marina.

“Amin’ireo boky rehetra ao amin’ny Baiboly dia izy no mitana ny laharana voalohany amin’ny fitantarana ny fomba fiasan’ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany rehefa tsy mipetraka mivantana eto an-tany i Jesoa ilay Mpanjaka. …

“Ny Asan’ny Apostoly dia mitantara ny fomba hitomboan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mandra-pahazoan’ireo apôstôly sy ireo vondron’ny olona mahatoky izany. …

“… Ny Asan’ny Apostoly dia mitantara ireo zavatra mahakasika ny fandaminana ny Fiangonana sy ireo dia nataon’ireo mpitory ary ny fanaparitahana ny filazantsara any amin’ny tontolon’ireo tsy mpino. Izany dia mitantara ny fanenjehana, ny fitoraham-bato, ny fitsarana, ary ny vesatra nihatra tamin’ireo izay nino sy nanaraka an’i Kristy ka niezaka ny handresy izao tontolo izao. …

“Ny Asan’ny Apostoly anefa dia mihoatra noho ny boky ahitana hevitra ara-panahy tena tsara. Izy ity ihany koa dia fitantarana mikasika ireo lehilahy marina miaraka amin’ny fahalemeny sy ny fifandirany, ny fialonany sy ny fahadisoana nataony, ny tsy fahombiazany sy ny fahombiazany.

“Tsy tonga lafatra ny olomasina niaina taoriana kelin’ny andro niainan’i Jesoa teto an-tany. I Paoly dia niady tamin’i Silasy, nanitsy an’i Petera, ary tsy nanaiky an’i Marka ho namana mpiara-mitory taminy. …

“Noho izany ny Asan’ny Apostoly dia boky natao ho an’ny olombelona manana fahalemena. Izy ity dia mampiseho ireo zavatra manan-danja ara-panahy izay azon’izy ireo atao – na tsy lavorary, mialona, ary mafy loha tahaka ny inona aza izy ireo. …

“Ny Asan’ny Apostoly dia tena mirakitra ny fomba fiasan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana marina. Tena izy ity tokoa no boky milaza ny fomba hitarihan’ Andriamanitra ny fanjakany eto an-tany” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:19–20).

Asan’ny Apostoly 1:2. Mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nijoro ho vavolombelona fa mitarika ny Fiangonany ny Tompo—dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany:

“Aoka ho takatry ny rehetra fa i Jesoa Kristy no lohan’ity Fiangonana ity, izay mitondra ny anarany masina. Miahy izany Izy. Mitarika izany Izy. Mijoro eo ankavanan’ny Rainy Izy ary mitarika ity asa ity” (“God Is at the Helm,” Ensign, mey 1994, 59).

Asan’ny Apostoly 1:4–8. Miandry ny fampanantenan’ny Fanahy Masina

Ny fampanantenan’ny Fanahy Masina izay nataon’ny Tompo tamin’ireo Apôstôly araka izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:4–8 dia mety hampikorontan-tsaina ihany raha mieritreritra ny Jaona 20:22 isika, izay milaza fa i Jesoa dia “nanisy fofonaina [ireo Apôstôly], ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina.” Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa i Jesoa dia ‘nanisy fofonaina [azy ireo]’ izay azo heverina tsara fa nidika hoe nametraka ny tanany teo amin’izy ireo Izy sady nanao ilay fanambarana hoe: ‘Raiso … ny Fanahy Masina’” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:857).

Ny Loholona McConkie dia nampiasa ny zavatra niainan’ireo Apôstôly mba hanehoana fa misy fahasamihafana eo amin’ny fanomezana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny hoe tena migoka ny tombontsoa avy amin’izany fanomezana izany:

“Izy ireo noho izany dia nandray, fa tsy mbola tena nigoka marina ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’izay fotoana izay. … Ny Fanomezana ny Fanahy Masina dia ny zo, arakaraka ny fahatokiana, handray ny fananana tsy tapaka io mpikambana ao amin’ny Andriamanitra io ho namana; ary io fanomezana io dia omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana aorian’ny batisa. Io fanomezana io dia manolotra fitahiana maro raha toa ka misy ny fankatoavana ny lalàna tafiditra ao anatin’izany. Ny olona rehetra izay omena io fanomezana io dia tsy migoka na manana io fanomezana natolotra io avokoa. Ho an’ireo Apôstôly, ny fotoana tena nananan’izy ireo ilay fanomezana dia nampiandrasana mandra-pahatongan’ny Pentekosta. (Asan’ny Apostoly 2.)” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:857).

Nohazavain’ny Loholona Dallin H. Oaks tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny antony nitenenana ireo Apôstôly mba hiandry ny hanana ny Fanahy Masina ho naman’izy ireo mandrakariva mialoha ny hanatanterahan’izy ireo ny iraka mba hijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy manerana ny tany:

“Tsy ampy ny fahitan’ny maso fotsiny ihany. Na ny tenivavolombelona sy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo Apôstôly tany am-piandohana aza dia tsy maintsy azo avy tamin’ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona. Nilaza tamintsika ny [Filoha Joseph Fielding Smith] fa ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Fanahy Masina dia misy fiantraikany eo amin’ny fanahintsika izay manan-danja kokoa noho ny ‘fisehoan’ny anjely iray.’ (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, Salt Lake City: Bookcraft, 1954, 1:44.) Ary ny Baiboly dia maneho fa rehefa mijoro ho vavolombelona isika rehefa avy nahazo io tenivavolombelona io dia mijoro ho vavolombelona amin’ireo izay mandre ny tenintsika ny Fanahy Masina” (“Witnesses of Christ,” Ensign, nôv. 1990, 30).