Tahirim-pitaovana
Lesona 95: Asan’ny Apostoly 18–19


Lesona 95

Asan’ny Apostoly 18–19

Fampidirana

Nolavin’ny Jiosy maro tao Korinto i Paoly saingy nahita fahombiazana teo anivon’ireo Jentilisa kosa izy tao. Nisy mpivady mendrika nantsoina hoe Akoila sy Prisila nanampy an’i Apolosy hahatakatra ny amin’ny lalan’ Andriamanitra. Nitory ny amin’ny Fanahy Masina sy nanatanteraka fahagagana ary nanao izay tsy hihaonana tamin’ny vahoaka tsy manaiky hofehezina i Paoly tao amin’ny toerana fanaovana fampisehoana tao Efesosy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny Apostoly 18:1–17

Nitory tany Korinto i Paoly

Vakio mafy ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina:

  • Inona avy ireo fomba efa nandraisanao anjara tamin’ny asan’ny Tompo?

  • Inona avy ireo fanamby efa niainanao rehefa niezaka nanao ny asan’ny Tompo ianao?

Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 18 mba hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo rehefa miezaka manao ny asan’ny Tompo izy ireo.

Fintino ny Asan’ny Apostoly 18:1-4 amin’ny fanazavana fa niala avy tao Atena i Paoly ka nandeha tany Korinto, izay toerana nampianarany momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny synagoga. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanokatra ny bokiny ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly.” ka hitady ny toerana misy an’i Atena sy i Korinto.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 18:5–6. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ireo olana izay natrehin’i Paoly rehefa nampianatra momba an’i Jesoa Kristy tamin’ireo jiosy tao Korinto izy.

  • Inona avy ireo olana natrehin’i Paoly?

  • Inona no zavatra nokasain’i Paoly hatao noho ny nandavan’ireo Jiosy tao anatin’ny synagoga ny hafany?

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 18:7–10 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga ka mety ho nampahery an’i Paoly.

  • Inona no zavatra nitranga ka mety ho nampahery an’i Paoly.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 10 dia inona no nampanantenain’ny Tompo an’i Paoly raha toa ka nitory ny filazantsara izy?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny zavatra ho ataon’ny Tompo ho an’ireo izay manao ny asany amim-pahamendrehana? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha miaina am-pahamendrehana isika dia hiaraka amintsika ny Tompo rehefa manao ny asany isika.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa hiaraka aminareo ny Tompo rehefa manao ny asany ianareo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Filoha Thomas S. Monson

“Mety misy sasany aminareo efa saron-kenatra mihitsy na mihevitra ny tenany ho tsy sahaza ny antso iray ka tsy afaka manaiky izany. Tadidio fa asan’ny Tompo izy ity, ary rehefa manompo ny Tompo isika, dia natao hahazo ny fanampian’ny Tompo. Tsarovy fa ny Tompo no hanefy ilay soroka mba hahazakany ny entana apetraka eo aminy” (“Mianara, manaova, meteza,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 62).

  • Oviana ny Tompo no efa niaraka taminareo rehefa nanao ny asany ianareo? Ahoana no nahafantaranareo fa niaraka taminareo Izy?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 18:11–17 amin’ny fanazavana fa nanohy nitory ny filazantsara tany Korinto i Paoly nandritra ny herintaona sy tapany (ary azo heverina fa nandritra ireo fotoana ireo izy no nanoratra ireo epistily ho an’ny Tesaloniana). Fony izy tao Korinto dia niezaka nitondra an’i Paoly tany amin’ny fitsarana ny Jiosy noho ny zavatra izay nampianariny, saingy nolavin’ny governora ilay raharaha.

Asan’ny Apostoly 18:18–28

Nanampy an’i Apolosy hahatakatra ny amin’ny lalan’ Andriamanitra i Akoila sy Prisila

Fintino ny Asan’ny Apostoly 18:18–23 amin’ny fanazavana fa nisy mpivady nantsoina hoe Akoila sy Prisila, nanaraka an’i Paoly tany Efesosy. Rehefa namela ireo mpivady ireo tao Efesosy i Paoly dia nandeha tany amin’ny faritr’i Jerosalema ary avy eo dia tany avaratr’i Antiokia. Nofaranany tao Antiokia ny dia fitoriana faharoa ny filazantsara nataon’i Paoly izay naharitra telo taona teo ary nahavita dia teo ho eo amin’ny 4830 kilaometatra. Rehefa afaka fotoana vitsivitsy dia niala tao Antiokia izy ka nanomboka ny dia fitoriana fahatelo nataony ka nandeha tany amin’ireo sampana izay naoriny teo aloha sy nampatanjaka ireo mpikambana.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 18:24–25. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga tao Efesosy taorian’ny nialan’i Paoly tao.

  • Inona no nitranga tao Efesosy taorian’ny nialan’i Paoly tao?

  • Inona no zavatra efa takatr’i Apolosy momba ny “amin’i Jesosy”? (andininy 25).

  • Inona no tsy fantatr’i Apolosy? (Koa satria “ny batisan’ i Jaona ihany no fantany” [andininy 25], dia tsy tena ampy tanteraka ny fahatakaran’i Apolosy ny amin’ny fahafenoan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy.)

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 18:26 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nataon’i Akoila sy i Prisila rehefa nahare ny fampianaran’i Apolosy izy ireo.

  • Inona no zavatra nataon’i Akoila sy i Prisila rehefa nahare ny fampianaran’i Apolosy izy ireo?

  • Midika Inona ny hoe izy ireo dia “nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny lalan’ Andriamanitra”? (andininy 26). (Nampianatra an’i Apolosy bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany i Akoila sy i Prisila, ka nampitombo ny fahalalan’i Apolosy sy ny fahatakarany.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 18:27–28. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny porofo izay maneho fa nanampy an’i Apolosy hahatakatra marimarina kokoa ny amin’ny lalan’ Andriamanitra i Akoila sy i Prisila.

  • Andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no maneho fa nanampy an’i Apolosy hahatakatra marimarina kokoa ny amin’ny lalan’ Andriamanitra i Akoila sy i Prisila?

Asan’ny Apostoly 19:1–20

Nanome ny fanomezana ny Fanahy Masina sy nanatanteraka fahagagana maro i Paoly

Hazavao fa rehefa avy nandeha tany amin’ny toerana maro samihafa i Paoly dia niverina tany Efesosy izy. Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 19:2–6 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny fomba nanampian’i Paoly ny olona tao Efesosy mba hahatakatra marimarina kokoa ny amin’ny lalan’ Andriamanitra.

  • Inona no fotopampianarana nataon’i Paoly takatr’ireo mpianatra tao Efesosy bebe kokoa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana navoaka teo ambany fitarihan’ny Mpaminany Joseph Smith ity, ary asao ny mpianatra hihaino ny antony nilan’ireo olona ireo hatao batisa indray:

“Toa hoe … nisy Jiosy tsy dia nalala-tsaina nanao batisa tahaka ny nataon’i Jaona [Mpanao Batisa], saingy nanadino nampahafantatra azy ireo fa hisy olona hafa iray ho avy taorian’izay, izay fantatra tamin’ny anarana hoe Jesoa Kristy, mba hanao batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina:—izay maneho amin’ireo olona niova fo ireo fa tsy ara-dalàna ny batisa nataony voalohany, ka rehefa naheno izany izy ireo dia natao batisa soa aman-tsara, ary rehefa nametrahan-tanana izy ireo dia nandray ny fanomezana, araka ny fampanantenana” (“Baptism,” matoan-dahatsoratra navoaka tao amin’ny Times and Seasons, 1 sept. 1842, 904; natao maoderina kokoa ny fanoratana ny teny; i Joseph Smith no mpiantoka ilay gazety nivoaka isam-bolana).

  • Nahoana ny olona sasany tao Efesosy no nila natao batisa indray?

  • Inona no fahamarinana momba ny batisa azontsika ianarana avy amin’ny Asan’ny Apostoly 19:2–6? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia ampio izy ireo hitady ity fahamarinana manaraka ity: Ny batisa dia tsy maintsy tanterahin’ny mpanompon’ Andriamanitra nahazo lalana. Mba hahafeno ny batisa dia tsy maintsy arahan’ny fandraisana ny Fanahy Masina izany.)

Asao hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith manaraka ity ny mpianatra iray:

Mpaminany Joseph Smith

“Azonao atao ihany koa ny manao batisa kitapom-pasika ho toy ny olona raha tsy natao ho amin’ny famelana ny fahotana sy handraisana ny Fanahy Masina izany. Ny batisan’ny rano dia antsasaky ny batisa ihany, ary tsy misy dikany raha tsy misy an’ilay antsasany hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 95).

Fintino ny Asan’ny Apostoly 19:7–10 amin’ny fanazavana fa mbola nanohy nitory ny filazantsara tany Efesosy i Paoly nandritra ny roa taona mahery.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 19:11–12. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fahagagana niseho tao Efesosy raha mbola tao i Paoly.

  • Inona no fahagagana notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Paoly?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io tantara mikasika ny zavatra ataon’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo lalana io? (Na dia mety hampiasa ny teniny manokana aza ny mpianatra dia tokony hahita fahamarinana tahaka ity manaraka ity izy ireo: Amin’ny alalan’ny mpanompony nahazo lalana no fomba iray anehoan’ Andriamanitra ny heriny.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 19:13–16. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny zava-nitranga rehefa niezaka nandroaka fanahy ratsy tahaka ny nataon’i Paoly ny Jiosy sasany.

  • Inona no nitranga rehefa niezaka namoaka fanahy ratsy iray ireo zanaka fitolahin’ilay lohan’ny mpisorona?

  • Iza no fantatr’ilay fanahy ratsy? Iza no tsy fantatr’ilay fanahy ratsy?

  • Nahoana ilay fanahy ratsy no tsy nahafantatra ireo zanakalahin’i Skeva? (Satria tsy nomena lalana hanao asa fanompoana tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy ireo.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 19:17–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nataon’ny olona maro rehefa nahalala io zavatra nitranga io.

  • Inona no nataon’ny olona maro taorian’io zavatra nitranga io mba hanehoana fa nanana finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo? (Nibaboka izy ireo ary nahafoy ny fomba fanao ratsin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fandorana ireo bokiny izay nampiasaina tamin’ireo fomba fanao ireo.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hanehoantsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mibaboka sy mahafoy ny fomba fanao ratsy isika dia maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.)

  • Inona ireo fahafoizan-tena mety ho ilaintsika atao mba hamoizana ny fahotana iray izay efa nibabohantsika?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fanehoantsika ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, tsy amin’ny alalan’ny fibabohana ny fahotantsika fotsiny ihany fa amin’ny alalan’ny fahafoizana ihany koa izay zavatra mety hitarika antsika hiverina amin’ireo fahotana ireo.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina raha toa ka misy zavatra tian’ny Tompo hafoiny eo amin’ny fiainany. Amporisiho izy ireo hanao zavatra araka ny bitsika izay mety ho tsapany mandritra ity lesona ity.

Asan’ny Apostoly 19:21–41

Nanohitra an’i Paoly ireo mpivavaka tamin’ny andriamani-bavy diso atao hoe Diana ka niteraka tabataba tao amin’ilay tanàna

Fintino ny Asan’ny Apostoly 19:21–41 amin’ny fanazavana fa ny ampahany tamin’ny fihariankarena tao Efesosy dia notohanan’ny fivavahana tamin’ilay andriamani-bavy diso atao hoe Diana. Ny fitoriana nataon’i Paoly izay nanohitra ny fivavahana tamin’ny andriamanitra diso dia nahatonga ireo mpanefy izay nanamboatra tempoly sy sampin’i Diana handrisika ny olona hanohitra an’i Paoly. Nivory teo amin’ilay toerana fanaovana fampisehoana (izay nahazaka olona hatrany amin’ny 24.000) tao an-tanàna tao anatin’ny savorovoron-tsaina sy ny tabataba ny vahoaka. Naniry ny hiteny tamin’ireo vahoaka i Paoly saingy noresen’ireo mpianatra sasany sy ny mpitarika tao amin’ny governemanta lahatra izy mba tsy hiditra ilay trano fanaovana fampisehoana. Nampangina ny olona ihany ilay mpitahiry didin’ilay tanàna tamin’ny farany ka dia niparitaka izy ireo. Hazavao fa ny fiarovana an’i Paoly dia ohatra iray amin’ny fomba hitohizan’ny asan’ Andriamanitra hatrany na dia miatrika ny fanoheran’ny ratsy fanahy aza. (Nandritra io fotoana io tao Efesosy [tokotokony ho 57 taorian’i J.K. no nanoratan’i Paoly ny 1 Korintiana.)

Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nampianarina tato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 18:11–12. Afaka ny ho sitrana amin’ny alalan’ny mosara fotsiny ihany ve ny olona iray?

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Ny fahasitranana dia tonga amin’ny alalan’ny herin’ny finoana. Tsy ahitana toetra na hery manasitrana ao amin’izay mety ho lamba na zavatra hafa izay nananan’i Paoly na i Jesoa na iza na iza. Saingy mety ho ampiasaina ny fombafomba na ireo zavatra mba hampitomboana ny finoana” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:169).

Asan’ny Apostoly 18:18. “Ny volon-dohany nohetezany …, satria efa nivoady izy ”

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava izao manaraka izao mikasika io andininy io:

“‘Toy ny fanentanana mba hanana fahamarinan-toetra bebe kokoa, dia tena mahasoa sy tsara ho an’ny olomasina ny manao voady matetika amin’ny Tompo. Izy ireo dia fampanantenana atao amim-pahamatorana mba hanatanteraka adidy vitsivitsy, na hitsahatra amin’ny fanaovana fahotana sasantsasany, na hitandrina didy manokana, na handroso amin’ny fanompoana lehibe kokoa ao amin’ny fanjakana. Toy izany no nanaovan’i Jakoba voady mba hanaiky an’i Jehovah ho Andriamaniny sy handoa fahafolonkarena marina (Gen. 28:20–22), ary nanaovan’i Hana voady ny hanolotra an’i Samoela ho an’ny Tompo mba hanompo Azy. 1 Sam. 1:9-18.)

“‘Ny olomasina dia tokony hanao ny voadin’izy ireo amin’ny andron’ny Tompo no sady hanao izany isan’andro (F&F 59:8–12); ary rehefa atao izany dia tokony hotazonina. (F&F 108:3; Nom. 30:2; Mpit. 5:4-5.) …’ (Mormon Doctrine, ed. faha-2, p. 825.)

“Tsy nazava hoe inona marina ny voady nataon’i Paoly. Raha miainga avy amin’ny hoe nanasola ny lohany izy dia mety ho azo ekena ny hoe mety nanaraka ny fomba amam-panao Jiosy izay nahakasika ny Nazarita. Nom. 6.) Raha izay no izy dia nanatanteraka fombafomba tsy nilaina sy tsy nety izy, izay mazava ho azy fa mba hanomezana fahafaham-po fotsiny, na ilay vondron’ny Jiosy ao amin’ny Fiangonana na ireo miomana hanaraka ny finoana Jiosy, na izy roa. Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 21:17–26” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:165).

Asan’ny Apostoly 19:13. “Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio namoaka fanahy ratsy”

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao manaraka izao momba ireo mpitondra fivavahana sandoka:

“Ho fakan-tahaka ny fisoronana izay handroahana ny devoly hiala ao amin’ny olona, ny mpitondra fivavahana sandoka (izay tsy manana herin’ny fisoronana marina) dia manandrana mamoaka devoly amin’ny alalan’ny famoahana fanahy ratsy. Ity fomba fanao tsy araka an’ Andriamanitra ity dia azo antoka fa be mpampiasa kokoa fahiny noho ny amin’izao fotoana izao, satria vitsy ny olona amin’izao fotoana izao no mino na ny fahagagana na ny famoahana devoly ara-bakiteny. Saingy hatramin’izay fotoana izay dia zavatra fahita mahazatra ny fiezahan’ny olona antsoina hoe mpitondra fivavahana toy izany mamoaka fanahy ratsy avy ao amin’ny olona na mandroaka azy ireo hiala ny toerana iray manokana amin’ny alalan’ny fanononana teny manokana mba hiantsoana hery iray, na ny fiantsoana anarana masina, na ny fanaovana voady amin’ny fomba ôfisialy” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 259).