Tahirim-pitaovana
Lesona 150: Joda


Lesona 150

Joda

Fampidirana

Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana i Joda mba hiaro amim-pahazotoana ny finoana amin’ireo mpampianatra sandoka. Namariparitra ireo mpampianatra sandoka izy ary nanoro hevitra ireo Olomasina mba hanorina ny fiainan’izy ireo eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. I Joda dia fantatry ny ankamaroan’ny olona ho rahalahin’i Jesoa Kristy hafa ray Aminy (jereo ny Matio 13:55). I Joda dia hita fa mpikamban’ny Fiangonana mavitrika izay najaina fatratra tokoa tao Jerosalema.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Joda 1:1–19

Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana i Joda mba hiaro mafy ny finoana amin’ireo mpampianatra sandoka

Vakio mafy ireto tantara manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba hamaliany izany:

  1. Nanoratra fehezanteny manakiana ny hevitry ny Fiangonana mikasika ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy sy ny samy vavy tao amin’ny tambazotra ifaneraserana ny namana iray.

  2. Maheno ny mpifanolo-bodirindrina iray fa mpikamban’ny Fiangonana ianao. Nilaza taminao izy fa efa namaky ny Bokin’i Môrmôna ka nahatsapa fa haisoratra mampahery ilay izy fa tsy tenin’ Andriamanitra.

  3. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra tao an-tsekoly dia niady hevitra ny namana iray mpiara-mianatra fa ny fijerena pôrnôgrafia dia tsy mampaninona ka tsy tokony hosakanana.

  • Inona avy ireo fomba isan-karazany azon’ny olona iray hasetry manoloana ireo toe-javatra ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joda 1:3–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nampitandreman’i Joda an’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4, inona no nampitandreman’i Joda an’ireo mpikamban’ny Fiangonana?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ireo “olona ratsy fanahy” izay manana fikasan-dratsy dia niditra an-tsokosoko ho isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo dia namporisika ny fanaovana ireo fanao maloto sy tsy mendrika tamin’ny alalan’ny fampianarana fa ny fotopampianaran’ny fahasoavana dia namela tanteraka ny olona hanota satria hamela heloka amin’ny famindram-po lehibe Andriamanitra. Nolavin’izy ireo ihany koa ireo fahamarinana sasany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ilay andian-teny hoe “izay voasoratra fahiny ho amin’izany fahamelohana izany” (andininy 4) dia midika fa ny fanamelohana ny olona toy izany dia efa voasoratra hatry ny ela.

  • Rehefa nahafantatra mikasika ny fampianaran-diso sy ny fomba fanao maloto izay naparitak’ireo olona ireo i Joda dia inona no nandrisihany an’ireo mpikambana mahatoky tao amin’ny Fiangonana mba hataony? (“[Hiezaka] mafy hiaro ny finoana” [andininy 3].)

Hazavao fa “ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina” (andininy 3) dia entina ilazana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—ireo fahamarinana sy lalàna ary ôrdônansy nampianarin’ny Mpamonjy sy ireo Apôstôliny.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana mikasika ny andraikitr’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy amin’ny fiatrehana ireo fampianaran-diso sy ireo fomba fanao maloto? (Mety hampiasa ny teniny manokana ireo mpianatra mba hitadiavana ity fahamarinana manaraka ity: Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia tokony hiaro mafy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo fampianaran-diso sy ireo fomba fanao maloto.)

  • Inona araka ny hevitrareo ny dikan’ny hoe miaro mafy ny filazantsara? (Tokony hampianatra sy hijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana ny amin’ny filazantsara isika. Kanefa tsy tokony ho ratsy fanahy na hianjonanjona na hifanditra isika rehefa manao izany [jereo ny Almà 38:12; 3 Nefia 11:29].)

  • Ahoana no ahafantsika miaro ny filazantsara kanefa tsy mifanditra?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ireo toe-javatra natolotra teo aloha tao anatin’ny lesona.

  • Manoloana ireo toe-javatra ireo sy izay mitovy amin’izany, inona avy ireo fomba azontsika hiarovana ny filazantsara amin’ireo fampianaran-diso sy ireo fomba fanao maloto?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity tantara manaraka izay notantarain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny fomba niarovan’ilay zatovovavy ny filazantsara.

Loholona Neil L. Andersen

“Vao haingana aho no niresaka tamin’ny zatovovavy Ravintsara iray avy eto Etazonia. Izao no nolazainy tao amin’ny taratasy mailaka nalefany:

“‘Nanomboka nanoratra ny hevitr’izy ireo mikasika ny fanambadiana tao amin’ny Facebook ny sasany amin’ireo namako tamin’iny taona lasa iny. Betsaka ireo nanohana ny fanambadian’ny samy lahy na samy vavy, ary zatovo Olomasin’ny Andro Farany maro no nanindry ny hoe “tiako” teo amin’ireo soratra. Tsy naneho hevitra aho.

“‘Nanapa-kevitra aho ny hanambara tamim-pitandremana ny finoana ijoroako, dia ny fanambadian’ny lehilahy iray amin’ny vehivavy iray.

“‘Nampiako soratra hoe: ‘Mino ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray aho’ teo amin’ny sary famantarana ahy. Fotoana fohy monja taorian’izay dia nanomboka naharay hafatra aho. “Tia tena ianao.” “Be tsikera ianao.” Nampitaha ahy tamin’ny tompona andevo ny olona iray. Dia naharay ity hafatra ity avy amin’ny namako iray izay mpikamban’ny Fiangonana matanjaka tokoa aho: “Mila manaraka ny toetr’andro ianao. Efa niova ny zavatra maro ary tokony hiova araka izany ianao.”

“‘Tsy namaly aho,’ hoy izy ‘saingy tsy nofafako ireo teny nambarako.’

“Nofaranany tamin’ny hoe: ‘Indraindray, araka ny nolazain’ny Filoha Monson dia “Mila sahy mijoro irery ianao.” Enga anie isika tanoran’ny Fiangonana mba hiara-hivondrona amin’ny fijanonana ho mahatoky amin’ Andriamanitra sy amin’ireo fampianaran’ny mpaminaniny velona’” (“Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 19–20).

  • Ahoana no niarovan’io zatovovavy io ny filazantsara?

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no niaro ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Inona no nianaranao avy amin’izany zavatra niainana izany?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hiarovana mafy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hanaraka izay fitaomam-panahy voarain’izy ireo.

Fintino ny Joda 1:5–7 amin’ny fanazavana fa i Joda dia nampitaha ireo mpikamban’ny Fiangonana mpikomy ireo tamin’ireo olona tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha izay nikomy tamin’ Andriamanitra sy niaritra ny fitsarany. Ireo olona ireo dia nahitana ny maro tamin’ireo zanak’ Isiraely izay ringana tany an-tany foana sy ireo olona tao Sodoma sy Gomora izay noringanina tamin’ny afo. I Joda ihany koa dia nampitaha ireo mpikamban’ny Fiangonana mpikomy tamin’ireo izay nikomy tamin’ Andriamanitra tao amin’ny “toetrany voalohany,” na ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ka dia noroahina hiala teo anatrehany (Joda 1:6; jereo koa ny Abrahama 3:22–26).

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao lohateny manaraka izao: Toetoetran’ireo mpampianatra sandoka.

Hazavao fa ao amin’ny Joda 1:8–16, isika dia mamaky ny famaritan’i Joda ireo toetoetra maro izay hanampy ny mpikamban’ny Fiangonana hamantatra ireo izay nanaparitaka filôzôfia sy fomba fanao ratsy tao amin’ny Fiangonana. Mba hanehoana io hevitra io dia hazavao ireo andian-teny hoe “rahona tsy misy rano, entin’ny rivotra” sy “hazo fararano, nefa tsy misy voany” ao amin’ny Joda 1:12.

  • Inona no mety mampitovy ireo mpampianatra sandoka amin’ny rahona tsy misy orana sy hazo fihinam-boa tsy misy voany?

Zarazarao ho vondrona ahitana olona telo na efatra ny mpianatra. Omeo toromarika ny mpianatra hiara-hamaky amin’ireo olona ao amin’ny vondrona misy azy ny Joda 1:8, 10, 14–19 mba hitady ireo toetoetra fanampiny ananan’ireo mpampianatra sandoka. Asao ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany. Mety ilainao ny manazava fa “ny andro farany” (andininy 18) dia entina ilazana ny vanim-potoana niainan’i Joda sy ny andro farany izay iainantsika.

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra dia manasà mpianatra maromaro ho eny amin’ny solaitrabe ka hanoratra toetoetra iray ananan’ireo mpampianatra sandoka izay hitan’izy ireo. Ireo toetoetra mety hosoratan’ny mpianatra dia ahitana izao manaraka izao (mety ilainao ny mampiasa ny sasany amin’ireto teny nambara ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zavatra vakiny):

Toetoetran’ ireo mpampianatra sandoka

Mandoto ny vatany amin’ny fahalotoam-pitondrantena (andininy 8)

Mandà ny manampahefana sy miteny ratsy ny manana voninahitra (andininy 8)

Miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory (andininy 10)

Mandoto ny tenany amin’ny fiainana amin’ny alalan’ireo fahalalana tahaka ny an’ny biby izay ananan’izy ireo (andininy 10)

Manao ny asan’ny haratsiam-panahy (andininy 15)

Miteny mafy manohitra an’Andriamanitra (andininy 15)

Mimonomonona sy mimoimoy (andininy 16)

Mandeha araka ny filany (andininy 16)

Mirehareha (andininy 16)

Mandoka olona mba hahazoana tombontsoa manokana (andininy 16)

Maniratsira ny Fiangonan’ny Tompo sy ireo fenitra arahany (andininy 18)

Manasaraka ny tenany amin’ireo mpino (andininy 19)

Mieritreritra sy andeha araka ny nofo (andininy 19)

Tsy manana ny Fanahy (andininy 19)

  • Amin’ny fomba ahoana no hitarihan’ny tsy fananana ny Fanahy amin’ny fampitomboana ireo toetra voatanisa eo amin’ny solaitrabe?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mamanfantatra ny toetoetran’ireo mpampianatra sandoka?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy voatery hoe ny olona rehetra izay manana ny iray amin’ireo toetra ireo na ny mihoatra izany, na ny olona izay mampianatra zavatra tsy marina dia mpampianatra sandoka tahaka izay nofaritan’i Joda avokoa. Ny olona toy izany dia mety ho diso tsy fidiny tamin’ny fahatakarany ilay zavatra resahina. Ireo toetra ireo anefa dia afaka manampy antsika hahafantatra ireo mpampianatra sandoka izay manam-pikasana ny handemy ny finoana sy ny fankatoavan’ny hafa amin’ny famitahana azy ireo sy ny fanomezana vahana ny faharatsiana.

Asao ny mpianatra hamerina hijery mangina ny Joda 1:17–18.

  • Iza no efa nampitandrina mialoha ireo mpikamban’ny Fiangonana ny amin’ireo mpampianatra sandoka?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahan’ireo apôstôly sy mpaminany manampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hiady amin’ireo mpampianatra sandoka? (Mety hampiasa ny teniny manokana ny mpianatra kanefa tokony hahita fahamarinana tahaka izao manaraka izao izy ireo: Ireo apôstôly sy mpaminany dia mampitandrina antsika amin’ireo izay mikatsaka ny handemy ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ary manampy antsika hamantatra azy ireo. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny mpianatra hihaino ny fomba hilazan’ny teny nambarany an’io fahamarinana io:

Loholona M. Russell Ballard

“Amin’izao fotoana izao izahay dia mampitandrina anareo fa misy mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra sandoka; ary raha toa ka tsy mitandrina isika dia hanjary ho voafitak’izy ireo na ireo izay anisan’ireo mpikambana mahatokin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aza,” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 62).

  • Raha dinihina io fahamarinana io dia nahoana no zava-dehibe ny mandalina ny tenin’ireo apôstôly sy mpaminany?

  • Inona avy ireo fampianarana sandoka izay nampitandreman’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina antsika?

Joda 1:20–25

Nanoro hevitra ireo Olomasina i Joda ny hanorenan’izy ireo ny fiainany eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hitondra fanampiana amin’ny fanavotana ny hafa

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga manaraka ity: Afaka mijanona ho mahatoky ao amin’ny finoana isika amin’ny alalan’ny …

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Joda 1:20–21. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra mba hitady ny zavatra nasain’i Joda nataon’ireo Olomasina mba hijanona ho mahatoky ao amin’ny finoana. Mety ilainao ny manazava fa ny hoe “mivavaka ao amin’ny Fanahy Masina” dia midika hoe mivavaka miaraka amin’ny fanampian’ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 20–21, ahoana no hamenoanao io fehezanteny eo amin’ny solaitrabe io? (Toy izao manaraka izao no fomba iray mety hamenoan’ny mpianatra io fehezanteny io: Afaka mijanona ho mahatoky amin’ny finoana isika amin’ny alalan’ny fanorenana ny fiainantsika eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny torolalana fanampiny nomen’i Joda ao amin’ny andininy 20–21 manampy antsika hanorina ny fiainantsika eo amin’ny filazantsara?

  • Nahoana no mendrika hanaovana ezaka ny fijanonana ho mahatoky amin’ny finoana?

  • Nanampy anao na ny olona hafa fantatrao tamin’ny fomba ahoana ny fanarahana ny torohevitr’i Joda mba hijanona ho mahatoky amin’ny finoana?

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy ny fomba iray azon’izy ireo hivoarana amin’ny fanarahana ny torohevitr’i Joda. Amporisiho izy ireo hampihatra ny zavatra nosoratany.

Fintino ny Joda 1:22–25 amin’ny fanazavana fa i Joda dia nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky mba hanampy ny hafa izay nanana fahasahiranana ara-panahy, izay mety ho vokatry ny fitaomana avy amin’ireo mpampianatra sandoka, ary nidera an’ Andriamanitra izy.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra tato amin’ity lesona ity.

scripture mastery icon
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Omeo andinin-tsoratra masina fehezina samy hafa ny mpianatra tsirairay. Omeo torolalana ny mpianatra hanoratra amin’ny taratasy ny toe-javatra tena nisy teo amin’ny fiainany izay azo nampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika voarakitra ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina nomena azy ireo. Rehefa avy manoratra ny mpianatra dia angony ny toe-javatra nosoratan’izy ireo. Mamakia toe-javatra vitsivitsy dia asao ny mpianatra hizara ny fomba azo nampiasana sy nampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina amin’ny tantara tsirairay. Azonao atao ny manolotra ny sasany amin’ireo tantara amin’ny fiandohana na ny fiafaran’ireo lesona mandritra ny herinandro ho avy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Joda 1:3. “[Hiezaka] mafy hiaro ny finoana”

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny fiarovana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo fampianaran-diso sy ireo fomba fanao maloto:

“Rehefa te hamely sy hanembantsembana ny maha zava-dehibe ny asan’ Andriamanitra ny ratsy dia manafika ny fianakaviana izy. Manafika ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fiezahana hanao ho tsinontsinona ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny ratsy, amin’ny alalan’ny fanakorontanana ny saina ny amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, amin’ny famporisihana hanaiky ny herisetra, amin’ny fanaovana ny fiteny mahery sy maniratsira ho fenitra arahana, ary amin’ny fanaovana ny fitondran-tena ratsy sy tsy araka ny tokony ho izy ho toy ny fitsipika arahana fa tsy fitondran-tena maningana.

“Mila mahatsiaro ny teny nolazain’i Edmund Burke isika: ‘Ny hany zavatra ilaina mba hahombiazan’ny ratsy dia ny tsy fanaovan’ny olona tsara na inona na inona.’ [lazaina ao amin’ny John Bartlett, natambatra, Familiar Quotations, ed. faha 15 (1980), ix]. Mila manandratra ny feontsika isika miaraka amin’ireo olom-pirenena manana ahiahy manerana an’izao tontolo izao mba hanoherana ny fironana misy amin’izao fotoana izao” (“Let Our Voices Be Heard,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 18).

Ireo Apôstôly maoderina dia nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana mikasika ny fomba hiarovana ny fialazantsara kanefa tsy mifanditra. Ohatra, jereo ny Loholona Robert D. Hales, “Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 72–75; Loholona Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 6–9; ary ny Loholona Dallin H. Oaks, “Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 25–28.

Joda 1:9, 14–15. Ireo boky apôkrifa

Mety nijery ireo boky apôkrifa i Joda rehefa niresaka ny Fiakaran’i Mosesy tany an-danitra (jereo ny andininy 9) sy ny bokin’i Enoka (jereo ny andininy 14–15). Ny Tompo dia nanambara fa zavatra maro voarakitra ao amin’ireo boky apôkrifa no marina, ary ireo izay hazavain’ny Fanahy dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny famakiana azy ireo. Ny sasany amin’ireo boky anefa dia mirakitra zavatra nampiana izay manimba ny lahatsoratra tany am-piandohana (jereo ny F&F 91). Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny Apôkrifa dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Apôkrifa.”