Tahirim-pitaovana
Lesona 136: Hebreo 5–6


Lesona 136

Hebreo 5–6

Fampidirana

Nampianatra i Paoly fa ireo izay mandray ny fisoronana dia tsy maintsy nantsoin’ Andriamanitra ary i Jesoa Kristy dia ”nantsoin’ Andriamanitra [mba] ho mpisoronabe araka ny lamin’i Melkizedeka” (Hebreo 5:10). Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana i Paoly mba hanana fahazotoana, finoana, faharetana, ary fanantenana handray ny fampanantenan’ Andriamanitra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Hebreo 5

Nampianatra i Paoly fa ireo izay mandray ny fisoronana dia tsy maintsy nantsoin’ Andriamanitra.

Mialoha ny fotoam-pianarana dia soraty amin’ny taratasy samy hafa ireto anarana asa sahanina manaraka ireto: Mpitsabo ary Mpampanoa lalàna. Manasà mpianatra roa mba handroso eny anoloana ary samy omeo iray amin’ireo taratasy ireo izy ireo. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Na dia mihazona taratasy maneho ny anaran’ny asa sahaniny avy aza ireo mpianatra ireo dia inona no mety ho ahiahinao raha toa ka manandrana mandidy anao taorian’ny loza iray i [ampiasao ny anaran’ilay mpianatra mihazona ilay taratasy misy soratra hoe “Mpitsabo”]?

  • Inona no havalinao raha toa ka manandrana manome anao taratasy fanasaziana i [ ampiasao ny anaran’ilay mpianatra mihazona ilay taratasy misy soratra hoe “Mpampanoa lalana” ]?

  • Nahoana ianao no hisalasala hamela ireo mpianatra ireo hanao ny asa mifandray amin’ireo anarana asa sahanina noraisin’izy ireo? (Ireo mpianatra ireo dia tsy manana fahefana sy alalana hanao ireo asa ireo.)

Hazavao fa toy ny nametrahan’ny fiarahamonina ireo fepetra sy fomba ahazoana fahefana hitanana andraikitra voafaritra, dia nametraka fepetra ilaina (toy ny fahatokiana sy ny fahamendrehana) sy fomba ahazoana fahefana hanatontosana andraikitra sasantsasany ao amin’ny Fiangonany Andriamanitra. Asao ireo mpianatra rehefa mandalina ny Hebreo 5 mba hijery ny lamina napetrak’ Andriamanitra mba hahazoana izany fahefana izany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa araka ny voarakitra ao amin’ny Hebreo 4:14–16, dia namaritra ny Mpamonjy ho toy ny “Mpisoronabe lehibe” i Paoly (andininy 14). Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 5:1–3 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ny anjara asan’ny mpisorona avo teo anivon’ny Isiraelita.

  • Inona no ajara asan’ny mpisorona avo teo anivon’ny Isiraelita?

Hazavao fa ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia ny anjara fanompoan’ny mpitantana ao amin’ny fisoronana Aharôna teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy. I [Aharôna] rahalahin’i Mosesy no “mpisorona avo voalohany araka ny lamin’i [Aharôna].” Nifandovana izany anjara fanompoana izany. Taorian’ny vanimpotoan’i [Aharôna] dia nofidiana teo anivon’ireo voalohan-teraky ny taranak’i [Aharôna] sy ireo zanany lahy ny mpisorona avo. Ny mpisorona avo raha ny mahazatra dia nanompo nandritra ny andro sisa niainany, saingy azon’olon-dratsy izany anjara fanompoana izany taty aoriana. “Ireo mpisorona avo dia notendrena tsy araka ny tokony ho izy ary nesorina araka izay sitrapon’i Heroda sy ny an’ny Romana. Izany anjara fanompoana izany dia nosahanin’ny lehilahy 28 samy hafa teo anelanelan’ny 37 Talohan’i J.K. sy 68 Taorian’i J.K.” (Bible Dictionary, “High priest”).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 5:4 . Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny fomba nifidianana ny mpisorona avo.

  • Ahoana no fomba nifidianana ny mpisorona avo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba “niantsoan’ Andriamanitra” an’i [Aharôna] (andininy faha-4), dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Eksodosy 28:1. Mialoha ny hamakian’ireo mpianatra ity andininy ity dia hazavao fa ity fifandraisana nisy teo amin’ Andriamanitra sy i Mosesy ity dia nitranga tao an-tendrombohitra Sinay.

  • Ahoana no fomba niantsoan’ Andriamanitra an’i [Aharôna] mba ho tendrena ho amin’ny fisoronana?

  • Nahoana no zava-dehibe ny nanomezan’ny Tompo izany toromarika izany an’i Mosesy fa tsy tamin’olon-kafa? (I Mosesy no mpaminany tamin’izany ary noho izany dia izy no nahazo lalana handray fanambarana toy izany sy hitantana ny fampiasana ny fisoronana eto an-tany.)

  • Inona no zavatra tsy maintsy mitranga mba hahatonga ny olona iray hotendrena ho amin’ny fisoronana? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Ireo voatendry ho amin’ny fisoronana dia tsy maintsy voantson’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo lalana. Mety ilainao ny manazava fa ao amin’ny Fiangonana ankehitriny dia ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana nahazo lalana no manao tafa sy dinika an’ireo natolotra ho tendrena ary mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fahavononana sy ny fahamendrehan’ireo hotendrena ho amin’ny fisoronana. Jereo koa ny Jaona 15:16.)

  • Inona no ifandraisan’ity fahamarinana ity amin’ny fomba fiantsoana olona hanompo amina anjara toerana ao amin’ny Fiangonana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanekem-pinoana fahadimy. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra ary hijery ny ifandraisan’ny fahamarinana hitan’izy ireo ao amin’ny Hebreo 5:4 amin’ny fanekem-pinoana fahadimy. Hazavao fa ny hoe faminaniana eto dia midika hoe fanambarana.

  • Araka io fanekem-pinoana io dia inona ihany koa no tsy maintsy mitranga mba hahazoan’ny olona iray fahefana “[h]itory ny Filazantsara sy [h]anatanteraka ireo ôrdonansy [fonosin’izany]”?

I Mosesy manome ny Fisoronana an’i [Aharôna]

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe I Mosesy manome ny fisoronana an’i Aharôna (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 15; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa ny Testamenta taloha sy ny Testamenta Vaovao dia samy milaza fa ireo mpaminany, mpihazona ny fisoronana, ary mpampianatra ny filazantsara dia nandray ny antson’izy ireo tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ny mpihazona ny fisoronana iray nahazo lalana (jereo ny Nomery 27:18–23; Asan’ny Apostoly 6:6; 13:2–3; 1 Timoty 4:14).

  • Maneho ilay lamina natsangana ao amin’ny soratra masina amin’ny fomba ahoana ny dingana arahina amin’ny fiantsoana olona hihazona anjara toerana ao amin’ny Fiangonana ankehitriny?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa amin’izany fomba izany irery ihany no ahafahana mandray ny fahefan’ny fisoronana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 5:5–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady izay nanome ny Mpamonjy ny fahefany. Hazavao fa ny andininy 5 dia mitanisa ny Salamo 2:7 ary ny andininy 6 dia mitanisa ny Salamo 110:4.

  • Iza no nanome ny Mpamonjy ny fahefany? (Ny Ray any An-danitra.)

  • Inona no fisoronana hazonin’i Jesoa Kristy? (Ny Fisoronana Melkizedeka. Hazavao fa ity fisoronana ity tany am-piandohana dia nantsoina tamin’ny anaran’ny Mpamonjy [jereo ny F&F 107:2–4].)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 5:7–10. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady hoe lasa inona i Jesoa Kristy. Hazavao fa ny Hebreo 5:7–8 dia miresaka momba an’i Melkizedeka izay mpaminany sy mpanjaka iray niaina nandritra ny vanimpotoan’i Abrahama. Kanefa noho i Melkizedeka izay ohatra iray maneho an’i Kristy dia miresaka momba ny Mpamonjy koa ireo andininy ireo (jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, Boky miisa 3. [1965–73], 3:157).

  • Araka ny voalazan’ny Hebreo 5:9, dia lasa inona ny Mpamonjy?

  • Nahoana no “loharanon’ny famonjena maharitra mandrakizay” i Jesoa Kristy ho an’ireo izay mankato Azy?

Fintino ny Hebreo 5:11–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa naneho ny faniriany hampianatra bebe kokoa mikasika io lohahevitra io i Paoly saingy nilaza fa tsy ampy fahatakarana ara-panahy sy fahamatorana hahatakarana fampianarana ambonimbony kokoa ny olona.

Hebreo 6

Namporisihina ireo olomasina mba hanana fahavitrihana, finoana, faharetana, ary fanantenana hahazo ireo zavatra nampanantenain’ Andriamanitra

  • Inona avy ny ohatra amin’ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra ny zanany? (Valinteny azo heverina ny fiadanana, fifaliana, famelana, valim-bavaka, ireo fitahiana hita ao amin’ny tsodranon’ny patriarika, fitsanganana amin’ny maty, ary fiainana mandrakizay. Hazavao fa ny fitahiana sasantsasany dia miankina amin’ny safidintsika.)

  • Inona ohatra ireo zava-mitranga izay mahatonga antsika hanontany tena raha toa ka hahazo fitahiana manokana iray izay nampanantenaina na tsia?

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina na amin’ny taratasy kely ny fitahiana nampanantenaina iray izay andrandrain’izy ireo mba ho azo. Asao izy ireo hitady fahamarinana ao amin’ny Hebreo 6 izay afaka manampy azy ireo hahazo ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 6:1–3. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly fa tokony hataon’ireo Olomasina. Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 6:1 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) dia milaza hoe, “Koa sady tsy avelantsika ireo fitsipiky ny fotopampianaran’i Kristy” (nampiana soramandry) ary ny Dikantenin’i Joseph Smith, Hebreo 6:3 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) dia milaza hoe, “Ary hanohy hatrany amin’ny tanteraka isika raha avelan’Andiamanitra.”

  • Araka ny andininy 1, inona no nampianarin’i Paoly fa tokony hataon’ireo olomasina? (Hazavao fa ny fahatanterahana dia ilazana ilay toetra hoe “tonga lafatra, feno, na mivelatra tanteraka. … Ireo mpanara-dia marina an’i Kristy dia afaka ny ho tonga tanteraka amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ny sorompanavotany” [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ”Tanteraka,” scriptures.lds.org].)

  • Inona avy ireo fotopampianarana voalaza ao anatin’ireo andininy ireo izay manorina ny fototra tokony hiorenantsika eo am-panatratrarantsika ny fahatanterahana?

Fintino ny Hebreo 6:4–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia namaritra ireo zanaky ny fahaverezana, ireo izay nanana fahalalana tomombana mikasika an’ Andriamanitra ary avy eo nandà izany fahamarinana izany, sy nikomy tamin’ny Mpamonjy ary tsy nanaiky ny hibebaka (jereo koa ny F&F 29:44–45; 76:31–38). Navahan’i Paoly tamin’ireo olomasina mahatoky izay nanoratany ity epistiliny ity ireo olona ireo.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Hebreo 6:9–10, ka hiraroka ny zavatra nandidian’i Paoly ireo olomasina Hebreo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Hebreo 6:11–15. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra, sady mitady ny zavatra nirian’i Paoly mba hataon’ireo olomasina.

  • Inona no nirian’i Paoly mba hataon’ireo Olomasina?

Hazavao fa ilay fehezan-teny hoe, “hanohy izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana” (andininy 11) dia midika hoe fahazotoana mandra-pandraisantsika ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra.

  • Ohatry ny fahazotoana, finoana, ary faharetana tamin’ny fikatsahana ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra tamin’ny fomba ahoana i Abrahama?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handovana ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra? (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Amin’ny alalan’ny fahazotoana hatramin’ny farany sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary faharetana dia afaka handova ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Tsipiho ny teny hoe fahazotoana, finoana, sy faharetana eo amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hanome famaritana ireo teny ireo ao amin’ny kahie fandraisana an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hilaza ny zavatra nosoratany.

  • Inona no mety ho fanamby atrehana rehefa maneho ireo toetra ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ireo toetra ireo mba “ho tonga amin’ny fahatanterahana”? (Hebreo 6:1).

  • Oviana ianao no nandray fitahiana iray nampanantenaina avy amin’ny fahazotoana, finoana an’i Jesoa Kristy ary faharetana?

Asao ny mpianatra iray hamaky ny Hebreo 6:16–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ny fanantenana sy ireo fampanantenana nataon’ Andriamanitra .

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Paoly mikasika ny fanantenana? (Afaka mampiasa teny hafa ireo mpianatra kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa fantatr’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny fanantenantsika an’ireo fampanantenana nataon’ Andriamanitra dia vatofantsika ara-panahy ho an’ny fanahintsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Hazavao fa ao amin’ny soratra masina ny fanantenana dia midika hoe “fiandrandrana amim-pahatokiana sy faniriana ireo fitahiana nampanantenain’ny fahamarinana” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanantenana,” scriptures.lds.org).

  • Araka ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny andininy 17–18, nahoana no afaka manana fahatokiana an’ireo fampanantenana nomen’ Andriamanitra isika?

  • Nahoana no afaka manampy antsika hazoto sy hanana faharetana ary hanana finoana ny fanantenantsika ireo fampanantenan’ Andriamanitra, indrindra rehefa miatrika fanamby isika?

sary, vatofantsika

Asao ny mpianatra iray hanao sarina vatofantsika eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona no asan’ny vatofantsika iray amin’ny sambo?

  • Efa vatofantsika ara-panahy ho anao tamin’ny fomba ahoana ny fanantenanao ireo fampanantenan’ Andriamanitra?

Asao ireo mpianatra mba hanoratra tanjona iray hampitomboana kokoa ny fahazotoana, finoana, faharetana ary fanantenana. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanomboka amin’ny fanoratana drafitra mba hampivelarana ny iray amin’ireo toetra ireo ary avy eo hifantoka amin’ny fampivelarana ny anankiray hafa. Amporisiho ny mpianatra hampihatra ny zavatra nosoratany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Hebreo 5:4. Fandraisana ny fisoronana

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Mino isika fa tsy misy olona afaka manao asa famonjena amin’ny alalan’ny filazantsara ho an’ny fanahin’ny olona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy raha tsy efa nahazo lalana avy amin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanambarana izy na notendrena tamin’ny alalan’ny olona iray nirahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanambarana. … Ny Hebreo 5:4 [dia milaza hoe], ‘Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’i Arona.’—koa hanontany aho, ahoana no niantsoana an’i Arona, raha tsy tamin’ny fanambarana?” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 110; jereo koa ny F&F 42:11).

Hebreo 5:7–8. I Jesoa Kristy sy i Melkizedeka

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ny [Hebreo, toko 5,] andininy 7 sy 8 dia sady miresaka momba an’i Melkizedeka no miresaka momba an’i Jesoa Kristy, satria i Melkizedeka dia maodely iray maneho an’i Kristy ary ny asan’io mpaminany io dia nanahaka sy nandindona ny an’ny Tompo toy ny asa fanompoana izay nataon’i Mosesy. (Deot. 18:15–19; Asan’ny Apostoly 3:22–23; [3 Nefia 20:23; Joseph Smith—Tantara 1:40].) Noho izany, na dia miantefa amin’i Melkizedeka aza ireo andininy ireo, indrindra ny andininy 7, any am-piandohana, dia miantefa amin’ny tanjaka mitovy na mety ho lehibe kokoa aza eo amin’ny fiainana sy ny fanompoan’ilay nahatanteraka ny fampanantenana rehetra natao tamin’i Melkizedeka izany.” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:157).

Hebreo 6:4–8. “Manombo ny zanak’ Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana [izy ireo]”

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ny fanaovana fahotana tsy azo avela heloka dia toy ny fanomboan’ny tena ny zanak’ Andriamanitra indray amin’ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. (Heb. 6:4–8; F. & F. 76:34–35.) Mba hahavitana izany fahotana tsy azo avela izany dia tsy maintsy mandray ny filazantsara ny olona iray, mandray fahalalana tomombana ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Kristy avy amin’ny fanambaran’ny Fanahy Masina, ary avy eo mandà ‘ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay izay nanamasinana azy, hiantso izany ho tsy masina, hanao zavatra mifanohitra amin’ny Fanahin’ny fahasoavana.’ [Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 3:232.] Mamono olona izy noho izany amin’ny alalan’ny fanekena ny fahafatesan’ny Tompo. Izany hoe, manana fahalalana tomombana momba ny fahamarinana izy, kanefa sahy mikomy ampahibemaso sy mametraka ny tenany eo amin’ny toerana iray izay hanomboany an’i Kristy, na dia fantany tsara aza fa Zanakalahin’ Andriamanitra izy. Dia toy izany no anomboana indray sy amelana an’i Kristy halam-baraka ampahibemaso. (F. & F. 132:27.)” (Mormon Doctrine, Edisiôna faha-2. [1966], 816–17).