Lesona 156
Apokalypsy 12–13
Fampidirana
Nahita dragona nampatahotra vehivavy iray sy ny zanany tamin’ny fahitana i Jaona, izay maneho an’ohatra ny fiezahan’i Satana manimba ny Fiangonan’ny Tompo sy ireo mpikambana mahatoky ao amin’izany. Nanoratra mikasika ilay Ady tany an-danitra sy ireo fanjakan’izao tontolo izao izay hiady amin’ireo mpanaradia an’ Andriamanitra i Jaona.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Apokalypsy 12
Naseho an’i Jaona fa efa niady tamin’ny Tompo sy ny Fiangonany foana i Satana sy ireo anjeliny hatrizay
Adikao eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ity asa fampifandraisana manaraka ity. Aorian’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana dia manasà mpianatra vitsivitsy hanao sarina tsipika mampifandray eo anelanelan’ny loza manambana tsirairay voatanisa ao amin’ilay tsanganana havia sy ireo fomba hiadiana amin’izy ireo ao amin’ilay tsanganana havanana.
|
Loza manambana |
Fomba hiadiana amin’ireo loza manambana |
|---|---|
|
Hainandro |
Ireo fahamarinana ao amin’ny Apokalypsy 12 |
|
Ireo miaramila fahavalo |
Fanafody na fialan-tsasatra |
|
Aretina |
Menaka fiarovana amin’ny masoandro na lamba |
|
Fahotana sy fahamelohana |
Fibebahana sy fahatokiana an’i Jesoa Kristy |
|
Fitaoman’i Satana |
fitaovam-piadiana |
-
Iza amin’ireo loza manambana ireo no tsy maintsy niadianareo tato ho ato? Araka ny hevitrareo dia inona no tena mampidi-doza indrindra? Nahoana?
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Apokalypsy 12 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hiady amin’ireo fitaoman’i Satana. Hazavao fa ny Apokalypsy 12–14 dia mirakitra fotoana fiatoana amin’ny fahitan’i Jaona ireo zava-mitranga ao anatin’ny tombokase fahafito. Mety ho nanampy an’i Jaona hahatakatra ny dikan’ireo andian-teny hoe “ny fanjakana amin’izao tontolo izao” sy ny hoe “[ny fanjakan’ny] Tompontsika” ao amin’ny Apokalypsy 11:15ny Tompo.
Asehoy ny mpianatra ilay sary miaraka amin’ny lesona izay ahitana vehivavy sy dragona ao aorianany. Asao ny mpianatra hieritreritra izay mety hasehon’ireo sary an’ohatra ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 12:1–2, 5. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nitranga tamin’ilay vehivavy. Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia mametraka ny andininy 5 aorian’ny andininy 2avy hatrany:
-
Inona no nitranga tamin’ ilay vehivavy? (Niteraka zazalahy izy “izay efa hanapaka ny firenena rehetra” [andininy 5].)
-
Araka ny eritreritrareo dia inona no dikan’ny hoe “hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by” izy? (andininy 5). (Ilay zaza dia hampiasa ilay tehim-by, izay mety ho tandindon’ny filazantsara, ny fisoronana, ary ny teny sy ny herin’ Andriamanitra, mba hitondra amim-pahamarinana ireo firenen’izao tontolo izao [jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 (1965–73), 3:517].)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 12:3–4. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo tandindona fariparitana ao amin’ireo andininy ireo.
-
Maneho inona araka ny eritreritrareo ilay tandindona voafariparitra ao amin’ny andininy 1–5?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:7–8 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soaratra Masina). Asao izy ireo hitady izay asehon’ilay dragona sy ilay vehivavy ary ilay zaza.
-
Araka ny voalazan’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:7–8, dia maneho inona ilay dragona sy ilay vehivavy ary izay zaza ao amin’ny fahitan’i Jaona? (Ilay dragona dia maneho an’i Satana [jereo ny andininy 8]; ilay vehivavy dia maneho ny “Fiangonan’ Andriamanitra;” ary ilay zaza dia maneho ny “fanjakan’ Andriamanitra sy i Kristiny” [andininy 7], izay fanjakana ara-pôlitika haorin’ny Tompo mandritra ny Arivotaona, ka amin’ny alalan’izany no hanapahany ny firenena rehetra. [Jereo ny New Testament Student Manual (Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014), 550–52, mba hahazoana fanazavana fanampiny momba ireo sary an’ohatra ao amin’ireo andininy ireo.])
-
Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 12:4, dia nikasa hanao inona ilay dragona? Nahoana araka ny eritreritrareo no mikatsaka amim-pahazotoana tokoa ny hanimba ny fanjakan’ Andriamanitra sy i Kristy i Satana?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 12:6 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nataon’ilay vehivavy noho ilay dragona nampatahotra.
-
Inona no nitranga tamin’ ilay vehivavy? Mety ho tandindon’ny inona izany? (Ilay vehivavy nandositra tany an’efitra dia maneho ny Fiangonana miditra ao anatin’ny Apôstazia Lehibe sy ny fisoronana nesorina teto ambonin’ny tany taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôly [jereo koa ny F&F 86:3].)
Hazavao fa taorian’ny nahitan’i Jaona ilay dragona nampatahotra ilay vehivavy sy ny zanany dia nahita ilay Ady tany an-danitra teo amin’i Satana sy ireo Olomasin’ Andriamanitra izy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:6-11 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Asao ny antsasaky ny mpianatra hitady ny zavatra nitranga tamin’i Satana tamin’ilay Ady tany an-danitra ary ilay antsasany hafa hitady ny fomba nandresen’ireo Olomasin’ Andriamanitra an’i Satana sy ireo mpanaradia azy.
-
Inona no nitranga tamin’i Satana sy ireo mpanaradia azy? (Azonao atao ny manazava fa ny Apokalypsy 12:4 dia “manala ny ampahatelon’ny kintana amin’ny lanitra.” Io dia tandindon’ireo fanahy maro be zanaky ny Ray any An-danitra izay nisafidy ny hanaraka an’i Satana. Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny hoe “i Mikaela sy ny anjeliny” [Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:6] dia i Adama sy ireo fanahy marina izay zanak’ Andriamanitra.)
-
Araka ny voalazan’ny andininy 11, dia ahoana no nandresen’ireo olona tany an-danitra an’i Satana? (“Noho ny amin’ny ran’ny Zanakondry,” na tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ary tamin’ny fijanonana ho mahatoky tamin’ny fijoroanana ho vavolombelona nananany momba ny filazantsara. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo valinteny ireo.)
-
Araka ny andininy 8, dia nalefa taiza i Satana sy ireo mpanaradia azy taorian’ny fikomiany?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12, 17 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady hoe niady tamin’iza i Satana rehefa avy noroahina tany an-danitra.
-
Niady tamin’iza i Satana rehefa avy noroahina tany an-danitra?
-
Raha miainga amin’ny zavatra ianarantsika avy ao amin’ny andininy 11, inona no azontsika atao mba handresena ny fitaomana sy ny fanafihan’i Satana amin’izao androntsika izao? (Ampio ny mpianatra hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao: Afaka mandresy ny fitaoman’i Satana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy amin’ny alalan’ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona James J. Hamula ao amin’ny Fitopololahy: Asao ny mpianatra hihaino ny fomba hanafihan’i Satana ny taranaka misy azy ireo:
“Ny sasany amin’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ny Raintsika izay mahery fo sy mendrika indrindra dia natokana mba ho avy amin’izao andro farany izao ary hiasa ho an’ny Ray sy ny Zanany. Ny herimpony sy ny fahamendrehany dia hita tamin’ny ady tamin’i Satana talohan’ny nahaterahany. …
“Noho ny fanjakan’ Andriamanitra tafaverina tamin’ny laoniny ary noho ny fahatongavanareo eto amin’izao tontolo izao, dia fantatr’i Satana ‘fa kely sisa ny androny’ [Apokalypsy 12:12]. Noho izany dia manangona ireo loharano rehetra misy eo am-pelatanany i Satana mba hitarihana anao amin’ny fahotana. Fantany fa raha mahatarika anao amin’ny fahotana izy, dia afaka manakana anao tsy handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, tsy hanambady any amin’ny tempoly, ary tsy hiaro ireo zanakao ho avy ao anatin’ny finoana, ary ireo zavatra rehetra ireo dia tsy mamparefo anao fotsiny fa ny Fiangonana koa. Fantany ihany koa fa tsy misy afaka handrava ny fanjakan’ Andriamanitra ‘afa-tsy ny fandikan-dalàn’ny olony ihany’ [Môsià 27:13]. Tadidio tsara izany—ankehitriny ny ifantohan’ny ady ataony dia ianao” (“Mandresy ny ady amin’ny ratsy,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 50, 51).
-
Amin’ny fomba ahoana no hikatsahan’i Satana sy ireo mpanaradia azy hampalemy antsika?
Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba hiadian’i Satana amin’izy ireo manokana.
-
Inona avy ireo zavatra sasany azontsika atao mba hampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy hanamafisantsika orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy? (Ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)
Vakio mafy ireto fehezanteny roa manaraka ireto, dia asao ny mpianatra hamaly ny iray amin’izy ireo ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:
-
Manorata mikasika ny zavatra niainana iray rehefa nanampy anao hiady amin’ireo fitaomana ataon’i Satana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny finoanao izany.
-
Raketo an-tsoratra ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary hazavao ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotana manampy antsika amin’ny ady ataontsika amin’i Satana sy ireo mpanaradia azy.
Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.
Amporisiho ny mpianatra hisafidy ny iray amin’ireo hevitra voatanisa eny amin’ny solaitrabe na ny mihoatra izany ary hampihatra azy ireo ao anatin’ny ady ataon’izy ireo amin’i Satana sy ireo mpanara-dia azy.
Apokalypsy 13
Manoratra mikasika ireo fanjakana eto an-tany izay hahazo hery avy amin’i Satana i Jaona
Fintino ny Apokalypsy 13 amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray hamaky mafy ny sasintenin’ny toko. (Raha tianao dia azonao atao ny manazava fa nahita biby mampatahotra tamin’ny fahitana i Jaona, izay maneho ireo fanjakana ratsy fanahy eto an-tany izay fehezin’i Satana. I Jaona ihany koa dia nahita fa amin’ny alalan’ireo fanjakana ireo no hanaovan’i Satana asa mahatalanjona sy fahagagana sandoka mba hamitahana ireo mponina eto ambonin’ny tany.
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina
Mandritra ny herinandro faran’ny seminera, dia ampanaovy fitsapam-pahaizana farany mikasika ny soratra masina fehezina ny mpianatra. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hianatra any an-trano na alohan’ny fitsapam-pahaizana avy hatrany. Ireto manaraka ireto dia karazana fitsapam-pahaizana vitsivitsy azonao ampiasaina (Azonao atao ny mampifanaraka ireo hevitra ireo amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra):
Fitsapam-pahaizana: Omeo fanazavana avy amin’ilay soratra masina fehezina ny mpianatra. Ireo fanazavana ireo dia mety ho teny, na fotopampianarana na fitsipika, na famintinana ilay andinin-tsoratra masina. Asao ny mpianatra hanoratra ny toko sy andinin’ilay andinin-tsoratra masina amin’ny taratasy iray rehefa avy manome ny fanazavana tsirairay ianao.
Fitsapam-pahaizana momba ny fotopampianarana: Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo Fotopampianarana Fototra. Asao ireo mpianatra mba hanao lisitra mifanaraka amin’ny mombamomba ny soratra masina fehezina eo ambanin’ny fotopampianarana tsirairay. Afaka manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina fehezina avy ao an-tsaina na amin’ny alalan’ny fampiasana lisitra iray misy ireo andinin-tsoratra masina fehezina.
Fitsapana ny fahaizana manao tsianjery: Asao ny mpianatra ampiasa teny efa hay tsianjery sy fitsipika avy amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina mba hanazavana ny sasany amin’ireo fotopampianarana fototra. Asao izy ireo mba hanoratra ireo fanazavany sy hamaky izany mafy amin’ny iray kilasy.
Aza adinoina ny midera ireo mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fifehezana ireo andinin-tsoratra masina manan-danja ireo ary ireo Fotopampianarana Fototra ireo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny hery ara-panahy sy ny fijoroana ho vavolombelona izay afaka ny ho azontsika rehefa mahafehy andinin-tsoratra masina sy fotopampianarana isika.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Apokalypsy 13. Biby mampatahotra
Ankoatra ny fahalalana fa ireo biby ireo dia maneho ireo fanjakana eto amin’izao tontolo izao dia tsy manana fanazavana avy amin’ny Tompo mikasika ireo biby ireo isika. Raha niresaka mikasika ireo zava-miafina momba ny bokin’ny Apokalypsy ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza izao manaraka izao:
“Rehefa manome fahitana izay ahitana sary, na biby, na izay mety ho endri-javatra Andriamanitra dia mitana ny tenany ho tompon’andraikitra mandrakariva Izy mba hanome fanambarana na fanazavana ny dikan’izany, fa raha tsy izany dia tsy tompon’andraikitra amin’ny finoantsika izany isika. …
“… Aza mitsabaka na oviana na oviana amin’ny fahitana ny biby sy ny resaka izay tsy takatrareo” (ao amin’ny History of the Church, 5:343, 344).
Apokalypsy 13:8. “Ny Zanakondry, Izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao”
Ilay andian-teny hoe “Ny Zanakondry, Izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” (Apokalypsy 13:8) dia manondro an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Ny hoe “hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” dia entina ilazana ny fiainana talohan’ny nahaterahana, talohan’ny nahariana izao tontolo izao. Noho izany dia afaka mahatakatra isika avy amin’io andininy io fa ny fiantraikan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia efa nisy eny fa na talohan’ny nahaterahan’i Jesoa aza. Ohatra, ireo olona niaina talohan’ny andron’i Kristy dia afaka nampihatra finoana an’i Kristy, nibebaka, ary nahazo famelana ny fahotany tamin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotany, na dia tsy mbola teraka aza ny Mpamonjy (jereo ny F&F 20:25–26).