Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Epistily Voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana


Fampahafantarana ny Epistily Voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ireo mpikambana tao amin’ny Fiangonana tany aloha izay niaina tao Korinto dia sahirana tamin’ny olana maro izay misy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny,toy ny fizarazarana, ny fampianaran-diso, ary ny fahalotoam-pitondrantena. Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana fa nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina ireo ny fomba handrisihana ny firaisankina ao amin’ny Fiangonana, ny fomba hianarana ireo zavatr’ Andriamanitra, ny anjara asan’ny vatana amin’ny maha-tempolin’ny Fanahy Masina azy, ny toetran’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, ny maha-zava-dehibe ny mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana, ary ny tena fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty. Mandritra ny fandalinan’ny mpianatra ireo fampianaran’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana dia afaka mianatra fotopampianarana sy fitsipika izy ireo izay hanampy azy ireo hiaina amim-pahamarinana na dia eo aza ny faharatsiana manodidina azy ireo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny andininy voalohany ao amin’ny Epistily Voalohany ho an’ny Korintiana dia milaza fa nalefan’ny Apôstôly Paoly sy ny mpianatra iray nantsoina hoe Sostena izany, izay mety ho mpitantsoratr’i Paoly (jereo ny 1 Korintiana 1:1). Raha toa ka tsy fantatra ny antsipirian’ny anjara asan’i Sostena dia mazava kosa fa i Paoly no nanoratra ny votoatin’ilay epistily (jereo ny 1 Korintiana 16:21–24).

Oviana ary taiza no nanoratana azy?

I Paoly no nanoratra ilay epistily fantatra amin’ny hoe 1 Korintiana rehefa nanakaiky ny fiafaran’ny telo taona nitsidihany an’i Efesosy (nandritra ny asa fitoriany fahatelo), izay nifarana teo ho eo anelanelan’ny taona 55 sy 56 taorian’i J.K. angamba (Jereo ny Asan’ny Apostoly 19:10; 20:31; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly”).

Ho an’iza no nanoratana azy ary nahoana?

Nosoratana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny tanànan’i Korinto ity epistily ity. Nitory ny filazantsara tao Korinto efa ho roa taona i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–18) dia nanangana sampan’ny Fiangonana tao (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly”). Taty aoriana, raha nitory tao Efesosy i Paoly nandritra ny dia fitoriana fahatelo nataony dia naharay vaovao avy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto izy. Nanoratra taratasy ho an’ilay sampana hamaliana izany izy (jereo ny 1 Korintiana 5:9), saingy indrisy anefa fa very io taratasy io ka noho izany dia tsy hita ao amin’ny soratra masintsika. Taty aoriana i Paoly dia naharay tatitra hafa avy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto momba ireo olana tao amin’ny Fiangonana tany (jereo ny 1 Korintiana 1:11), izay novaliany tamin’ny alalan’ny fanoratana epistily iray hafa, izay nanjary fantatra tamin’ny hoe 1 Korintiana. Noho izany, raha ny marina dia ny 1 Korintiana no taratasy faharoa nosoratan’i Paoly ho an’ireo mpikambana tao Korinto.

Tamin’ny andron’i Paoly dia i Korinto no renivohitr’i Akaia faritany Romana izay nandrakotra ny ankamaroan’i Gresy fahiny izay tao atsimon’i Makedonia. Amin’ny maha-ivon-toerana fivarotana manan-karena azy dia nanintona olona avy amin’ny Fanjakana Romana manontolo i Korinto, ka nahatonga azy ho iray amin’ireo tanàna ahitana karazan-javatra sy olona samihafa betsaka indrindra tao amin’ilay faritra. Nibahan-toerana tamin’ny kolontsaina ara-pivavahana Korintiana ny fitsaohana sampy, ka nahitana tempoly sy toerana fitsaohana maro nanerana ilay tanàna. Tamin’ny fotoan’ny asa fanompoan’i Paoly dia nalaza tamin’ny fahalotoam-pitondrantena mihoam-pampana ny Korintiana. Ohatra, toa hoe fomba fanao tao amin’ny tempolin’i Afrôdita ny fivarotantena.

Ny Epistily Voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana dia manazava fa tsy nisy firaisankina teo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana ary nanomboka nisy fiantraikany teo amin’ny fitandreman’izy ireo ny fitsipiky ny filazantsara sy ireo ôrdônansy ireo finoana sy fomba fanao tsy kristianina (jereo ny 1 Korintiana 1:11; 6:1–8; 10:20–22; 11:18–22). Nanoratra tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto i Paoly mba hanampiana azy ireo amin’ny fanontaniana sy ny olana nananany mba hanamafisana orina ireo vao niova fo izay sahirana tamin’ny famelana ireo zavatra ninoany sy fanaony teo aloha.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ny Testamenta Vaovao dia ahitana torohevitra sy fampianarana bebe kokoa avy amin’ny Paoly ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto mihoatra noho ny sampana hafa. Raha ny marina dia mandrafitra ny iray ampahefatry ny asasoratr’i Paoly rehetra izay misy ireo epistily roa nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana.

Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana fa i Paoly dia nanazava fa nahatontosa ny lalàn’i Mosesy i Jesoa Kristy. Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny “mitandrina ny didin’ Andriamanitra” (1 Korintiana 7:19) “ambanin’ny lalàn’i Kristy” (1 Korintiana 9:21) i Paoly mba handraisana ny fanomezana ny fanavotana amin’ny alalan’ny filazantsara.

Topimaso ankapobeny

1 Korintiana 1–11 Mampitandrina amin’ny fizarazarana eo anivon’ny Fiangonana i Paoly ary manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny firaisankina eo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Mampitandrina ireo mpikambana amin’ny fahalotoam-pitondrantena ara-nofo izy, mampianatra fa tempolin’ny Fanahy Masina ny vatana, ary mamporisika ny fifehezantena. Mamaly fanontaniana manokana mikasika ny fanambadiana sy ny asa fitoriana izy, ary koa ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo sy ny hoe azo atao sa tsy azo atao ny mihinana ireo hena natao sorona izay natao fanatitra ho an’ireo andriamani-kafa.

1 Korintiana 12–14 Mampianatra i Paoly fa tokony hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy isika. Mampahatsiahy an’ireo Olomasina Korintiana ny maha-zava-dehibe ireo apôstôly sy mpaminany ary mpampianatra izy sy ny fifankatiavana tokony hisy eo amin’ireo mpikambana. Manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fiantrana mihoatra ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy rehetra izy.

1 Korintiana 15–16 Mijoro ho vavolombelona i Paoly fa iray amin’ireo olona maro hafa nahita ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty izy. Mampianatra izy fa hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra ary ny batisan’ny maty dia manamafy ny fahamarinan’ny Fitsanganana amin’ny maty amin’ny ho avy. Manazava i Paoly fa ireo vatana nitsangana tamin’ny maty dia hanana ambaratongam-boninahitra samy hafa ary ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fasana dia manala ny fanindronan’ny fahafatesana. Nikarakara hetsika fanangonam-bola ho an’ny Olomasina mahantra tao Jerosalema i Paoly.