Tahirim-pitaovana
Lesona 1: Fampahafantarana ny Testamenta Vaovao


Lesona 1

Fampahafantarana ny Testamenta Vaovao

Fampidirana

Ny Testamenta Vaovao, voalohany indrindra, dia fitantarana ny fiainana teto an-tany sy ny fampianarana ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fananganana ny Fiangonany ary ny asa fanompoan’ireo mpianany fahiny raha nanohy nitarika azy ireo Izy taorian’ny niakarany tany an-danitra. Ity lesona ity dia natao mba hanomanana sy hamporisihana ireo mpianatra mba handalina ny Testamenta Vaovao amin’ny fampahafantarana azy ireo ny lohahevitra roa lehibe izay hita ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny fahiny: ilay fanasana miverimberina nataon’ny Mpamonjy mba hanatona Azy sy ny andraikitr’ireo mpianany amin’ny fanampiana ny hafa hanao toy izany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny Testamenta Vaovao dia manampy antsika hanatona an’i Jesoa Kristy

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo enta-mavesatra sarotra sasany izay iainan’ny tanora amin’izao androntsika izao?

Mitondrà boaty na kitapo tsy misy na inona na inona ao an-dakilasy ary zavatra mavesatra maromaro hatao ao anatiny, toy ny vato na boky lehibe. Asao ho eny aloha ny mpianatra iray, ary angataho izy hitazona ilay boaty tsy misy na inona na inona na hibaby ilay kitapo. Asao ny iray kilasy mba hamaly ilay fanontaniana voasoratra eny amin’ny solaitrabe ary mangataha mpianatra iray hafa hanoratra ny valim-panontanian’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Isaky ny valim-panontaniana tsirairay dia mametraha zavatra mavesatra iray ao anatin’ilay boaty na kitapo mandrapahafeno izany.

  • Inona no mety ho tsapanao raha toa ka tsy maintsy mitondra io enta-mavesatra io ianao mandritra ny andro manontolo?

Asao ireo mpianatra mba hanazava olana na zava-tsarotra mety hateraky ny sasany amin’ireo enta-mavesatra voatanisa eny amin’ny solaitrabe amin’ny olona iray.

Hazavao fa ny Testamenta Vaovao dia mampianatra antsika mikasika ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy tamin’ny fiainany teto an-tany sy talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka tafiditra ao anatin’izany ny fampianarany, ireo fahagagana nataony, ny sorompanavotana nataony, ary ny famangiany ireo mpianatra tao amin’ny Fiangonana fahiny. Ao anatin’ny fampianarany sy ny fifaneraserany amin’ny olona dia misy fahamarinana miverimberina izay afaka manampy antsika amin’ireo enta-mavesatra izay entintsika.

Hazavao fa ny Matio 11 dia ahitana ohatra iray momba io lohahevitra lehibe io izay ho hitan’ireo mpianatra matetika ao amin’ny fandalinany ny Testamenta Vaovao. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 11:28. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny fanasana nataon’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mitondra enta-mavesatra.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe miasa fatratra sy mavesatra entana?

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa tokony ho ataontsika mba hahazoana ny fitsaharany? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Rehefa manatona an’i Jesoa Kisty miaraka amin’ny enta-mavesatsika isika dia hanome antsika fitsaharana Izy.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe manatona an’i Jesoa Kristy?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe manatona an’i Kristy dia asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Matio 11:29–30. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny torohevitra nomen’ny Mpamonjy ho an’ireo izay maniry ny hanatona Azy.

  • Araka ireo andininy ireo, dia inona no tsy maintsy hataontsika mba hanatonana an’i Kristy?

Manaova sarina ziogan’omby eny amin’ny solaitrabe na mampisehoa sarina zioga iray.

zioga hazo

Hazavao fa ny zioga dia vatan-kazo lehibe iray izay mampifandray na mampiaraka omby roa na biby hafa mba hahafahan’izy ireo miaraka mitarika entana iray.

  • Inona no tanjona amin’ny ampiasana zioga sy ny tombontsoa azo avy amin’izany? (Na dia enta-mavesatra aza ny zioga dia manome fahafahana ireo biby roa hanambatra ny heriny sy ny tanjany izany ka hampitombo bebe kokoa ny vokatra omen’izy ireo.)

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mitondra ny ziogan’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy mba hihaino ny fomba hitondrantsika ny ziogan’ny Mpamonjy sy ireo fitahiana mety ho azontsika raha manao izany.

Loholona David A. Bednar

“Mampifanakaiky ny biby roa ny zioga iray ka afaka miara-mikisaka izy ireo mba hahavitana asa iray.

“Eritrereto ilay fanasana manokana tena miavaka nataon’ny Tompo hoe ‘ento ny ziogako.’ Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo. Ny zava-dehibe indrindra dia manasa antsika hiantehitra Aminy sy hiara-mitondra ny enta-mavesatra Aminy ny Mpamonjy, na dia tsy mitovy sy tsy azo ampitahaina amin’ny Azy aza ny ezaka lehibe indrindra vitantsika. Rehefa matoky Azy isika sy mitondra ny enta-mavesatsika miaraka Aminy mandritra ny fiainana ety an-tany, dia marina tokoa fa mora ny ziogany, ary maivana ny entany.

“Tsy irery isika ary tsy mila ny ho irery mihitsy. Afaka mibosesika mandroso isika amin’ny fiainantsika andavanandro noho ny fanampiana avy any an-danitra izay azontsika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka hahazo fahaiza-manao sy ‘hery mihoatra noho izay ananantsika amin’izao’ isika (‘Seigneur Je Te Suivrai,’ Cantiques, no. 141) ”(“Mitondra Mora Foana ny Enta-mavesany,” Ensign na Liahona, mey 2014, 88).

  • Inona no mampifandray antsika amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy?

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar dia inona avy ireo fitahiana azo rehefa mifandray amin’ny Mpamonjy?

Hazavao fa ilay fampanantenana “fitsaharana” nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 11:28–29 dia tsy voatery midika hoe hofafany foana ireo olana na zava-tsarotra ananantsika. Matetika ny Mpamonjy dia hanome antsika ny fiadanana sy ny hery izay ilaintsika mba handresena na hiaritra ireo fitsapana mianjady amintsika ka ho maivana kokoa ireo enta-mavesatsika. Raha mahatoky isika ao anatin’ireo zava-tsarotra eto an-tany dia ny fisandratana miaraka amin’Andriamanitra no fitsaharana ambony indrindra ho azontsika (jereo ny F&F 84:23–24).

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba nanomezan’ny Mpamonjy azy ireo fitsaharana rehefa nanatona Azy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany amin’ny mpianatra rehetra. Azonao atao ny mizara ny iray amin’ireo zavatra niainanao manokana.

Asao ireo mpianatra mba hametraka tanjona manokana mikasika ny fomba mety ahafahan’izy ireo manatona an’i Jesoa Kristy mandritra ity taona hianarana ny Testamenta Vaovao ity. Amporisiho izy ireo mba hampiditra ao anatin’ny tanjony ny fandalinana ny soratra masina isan’andro sy ny famakiana ny Testamenta Vaovao iray manontolo amin’ity taona ity.

Manana andraikitra hanampy ny hafa hanatona Azy ny mpianatr’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana teo amin’ny fiainany izay nampazoto sy nahadodona azy ireo hilaza amin’ny olona iray momba ny zavatra iray izay niainany na zavatra iray izay hitany na novakiny na henony. Asao ny mpianatra maromaro mba hilaza ny zavatra izay nampazoto sy nahadodona azy ireo ny hilaza azy amin’ny olona.

Hazavao fa ny Testamenta Vaovao dia ahitana ohatra maro mikasika ny olona izay nampaherezina na nampianarina na notahian’ny Tompo ka nahatsapa faniriana ny hilaza amin’ny hafa momba Azy avy eo. Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Jaona 1:37–42. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nataon’ny roa tamin’ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa rehefa avy naheno ny fijoroana ho vavolombelona nataony momba an’i Jesoa.

  • Inona no nianaran’i Andrea mikasika an’i Jesoa rehefa niresaka taminy?

  • Inona no nataon’i Andrea rehefa fantany fa i Jesoa no ilay Mesia?

  • Nahoana izy araka ny eritreritrao no nanahy ny hizara izany vaovao izany tamin’i Simona Petera rahalahiny?

Fintino ny Jaona 1:43–44 amin’ny filazana amin’ny mpianatra fa nanasa lehilahy iray izay antsoina hoe Filipo ny Mpamonjy mba ho mpianany. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Jaona 1:47–50. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nataon’i Filipo taorian’ny nahafantarany fa i Jesoa no ilay Mesia.

  • Inona no nolazain’i Filipo tamin’i Natanaela mikasika an’i Jesoa avy any Nazareta?

  • Ahoana no navalin’i Natanaela ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Filipo fa i Jesoa no ilay Mesia?

  • Inona no fanasana nataon’i Filipo tamin’i Natanaela?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Rehefa manatona an’i Kristy isika dia 

  • Raha miainga avy amin’ireo ohatra ao amin’ny Testamenta Vaovao ireo, dia inona no faniriana hananatsika rehefa manatona an’i Kristy isika? (Eo am-pamalian’ny mpianatra dia fenoy ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe mba hahitana taratra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hanana faniriana bebe kokoa ny hanasa ny hafa hanatona Azy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io dia ataovy eny amin’ny solaitrabe ny fanehoana an-tsary izay miaraka amin’ity lesona ity:

sarina zanatsipìka manondro
  • Nahoana isika araka ny eritreritrao no hanana faniriana bebe kokoa hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy rehefa manatona Azy?

Hazavao fa ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra momba fitahiana lehibe izay ho azontsika rehefa manasa ny hafa hanatona an’i Kristy isika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara manaraka ity:

Filoha Henry B. Eyring

“Rehefa manokatra ny fonao hanasa ny hafa hanatona an’i Kristyianao dia hiova ny fonao. … Rehefa manampy ny hafa hanatona Azy ianao dia ho hitanao fa nanatona Azy ny tenanao” (“Come unto Christ,” Ensign, mar. 2008, 49).

  • Inona no mety hitranga amin’ny fiainantsika rehefa manasa ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy isika?

Ampio zanatsipìka manondro iray ny sary eny amin’ny solaitrabe mba hitovian’izany amin’ny fanehoana an-tsary miaraka amin’ny lesona:

sarina zanatsipìka manondro anankiroa
  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety hanampy antsika hanatona Azy ihany koa ny fanasana ny hafa hanatona an’i Kristy?

  • Iza no nanasa anao hanatona ny Mpamonjy sy ny filazantsrany? Inona ny fitahiana naterak’izany teo amin’ny fiainanao?

Amporisiho ireo mpianatra mba handinika am-bavaka ny olona izay mety ho azony asaina hanatona an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no azontsika atao mba hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy?

Hazavao fa ny fanasana ny namana na ny mpiara-mianatra mba hanatrika ny seminera dia fomba iray ahafahan’ny mpianatra manasa ny hafa “hanatona ka hahita” hoe iza i Jesoa Kristy ary hahita ny fomba hitahian’ny filazantsarany ny fiainan’izy ireo.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Jaona 1:47–50. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny zavatra niainan’i Natanaela rehefa nihaona tamin’i Jesoa izy (hazavao fa ny andian-teny hoe “tsy misy fitaka” dia midika hoe tsy misy famitahana).

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy ka nahatonga an’i Natanaela hanambara fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 50, dia inona no nampanantenain’ny Mpamonjy an’i Natanaela satria nino izy?

Hazavao fa i Natanaela dia lasa iray tamin’ireo Apôstôlin’i Jesoa niaraka tamin’i Andrea, Petera, Filipo ary ny hafa. Koa satria nihaino ny fanasana hanatona an’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly ireo dia nahita “zavatra lehibe noho izany” izy ireo (andininy 50), anisan’izany ireo fahagagana sy fampianaran’i Jesoa Kristy ary ny Fitsanganany tamin’ny maty sy ny Fiakarany tany an-danitra.

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao ireo mpianatra amin’ity taona ity dia hahatsapa ny fangatahana tsy tapaka ataon’ny Mpamonjy mba hanatona Azy. Rehefa mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay ianarany mandritra ny taona izy ireo dia hahazo ny fanampiany amin’ny enta-mavesany, tahaka ireo Apôstôly fahiny, sy ho heniky ny faniriana hanampy ny hafa mba hanatona Azy ihany koa.

Fanazavana sy Fampahalalana ny Zava-miseho

Matio 11:29–30. “Ento ny ziogako”

Ny Filoha Howard W. Hunter dia nampianatra mikasika ireo fitahiana izay ho azontsika rehefa mitondra ny ziogan’i Kristy isika:

“Tamin’ny andron’ny baiboly ny zioga dia fitaovana iray tena nanampy ho an’reo izay niasa tany an-tsaha. Namela ny herin’ny biby iray faharoa mba hifandray sy hiaraka amin’ny ezaky ny biby iray izany, ka mampizara sy mampihena ny havesatry ny angadin’omby na ny sarety. Ny entana izay tena navesatra na mety tsy ho zakan’ny iray hoentina mihitsy aza dia afaka nentin’ny roa izay nampiarahan’ny zioga iray ara-drariny sy am-pilaminana tsara. Mitaky ezaka lehibe sy mafy ny ziogany, saingy ho an’ireo izay tena niova fo tokoa, dia ho mora ilay zioga ary ho lasa maivana ilay enta-mavesatra.

“Manontany i Kristy hoe nahoana no miatrika irery ny enta-mavesatry ny fiainana, na hoe nahoana no miatrika izany amin’ny fanampiana ara-nofo izay mora milavo lefona? Ho an’ny mavesatra entana dia ziogan’i Kristy izany, izany no hery sy fiadanana azo amin’ny fiarahana amin’Andriamanitra izay manome fanohanana sy fandanjalanjana ary hery hiatrehana ireo fanamby sy haharitra ireo andraikitsika ety amin’ny … fiainana an-tany” (“Come unto Me,” Ensign, nôv. 1990, 18; jereo koa ny “Take My Yoke upon You” [Ensign, sept. 2013, 22–23] mba hahitana sarina zioga ka hanazavana bebe kokoa ny fampiasana sy ny fiasan’izany).

Jaona 1:39, 46. “Avia Fa Ho Hitanareo”

Nanazava ny fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Nampianatra antsika hizara ny filazantsara ny Mpamonjy. Tiako ny tantaran’i Andrea, izay nanontany hoe: “Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?” [Jaona 1:38]. Afaka namaly ny amin’ny toerana nipetrahany i Jesoa . Kanefa hoy Izy tamin’i Andrea: “Avia, fa ho hitanareo” [Jaona 1:39]. Tiako ny mieritreritra hoe niteny izao ny Mpamonjy, ‘Avia ary ho hitanareo, tsy ny fitoerako fotsiny ihany fa ny fomba fiainako ihany koa. Avia ary ho hitanareo hoe iza aho. Avia ary hotsapanareo ny Fanahy.’ …

“Ho an’ireo izay liana amin’ny resatsika, afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny fanasana azy ireo hanatona ka hahita. Misy ireo hanaiky ny fanasantsika, ary tsy hanaiky ny sasany. Samy mahalala olona iray nasaina imbetsaka talohan’ny nanekeny ny fanasantsika hanatona ary hahita isika rehetra. Ndeha ihany koa hieritreritra ireo niaraka tamintsika taloha kanefa tsy dia hitantsika intsony ankehitriny, hanasa azy ireny hiverina ka hahita indray” (“Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 79).