Tahirim-pitaovana
Lesona 91: Asan’ny Apostoly 13–14


Lesona 91

Asan’ny Apostoly 13–14

Fampidirana

Nirotsaka ho amin’ny dia fitoriana ny filazantsara voalohany nataony i Paoly (izay nantsoina hoe Saoly teo aloha) niaraka tamin’i Barnabasy ho namana mpiara-mitory. Nitory ny filazantsara izy ireo ary nanangana sampan’ny Fiangonana maro tao anatin’ny fanenjehana tsy nitsahatra. Rehefa nandà ny handray ny tenin’ Andriamanitra ireo Jiosy dia nifantoka tamin’ny fitoriana teo anivon’ny Jentilisa i Paoly sy i Barnabasy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny apostoly 13:1–13

Nirotsaka ho amin’ny dia fitoriana ny filazantsara i Paoly sy i Barnabasy ary niteny mafy ny mpaminany sandoka iray

Mialoha ny fotoam-pianarana dia manomàna takelaka famantarana iray milaza hoe “Tsy misy fifanoherana” ary takelaka famantarana iray milaza hoe “Misy fifanoherana lalandava.” Apetaho amin’ny rindrina roa mifanatrika izany.

Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina ny elanelana misy eo amin’ireo takelaka famantarana ireo ho toy ny maridrefy iray maneho ny hamafin’ny fifanoherana tojo ny olona iray rehefa miezaka miaina ny filazantsara. Asao ny mpianatra hijoro eo anelanelan’ireo takelaka famantarana eo amin’ireo toerana izay heverin’izy ireo fa maneho ny hamafin’ny fifanoherana niainan’i Mosesy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hanazava ny antony nisafidianany izany toerana izany. Averimbereno io asa atao io amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hijoro eo amin’izay toerana heveriny fa tokony hisy an’i Joseph Smith ary avy eo i Nefia eo amin’io maridrefin’ny fifanoherana io. Asao ny mpianatra vitsivitsy hanazava ny antony nisafidianany ny toerana ho an’ny tsirairay avy. Asao hiverina eny amin’ny toerany ny mpianatra.

Ampahafantaro fa samy ho tojo fifanoherana amin’ny fotoana samy hafa avokoa ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra eo amin’ny fiainany. Asao ireo mpianatra hieritreritra ny toerana izay hametrahany ny tenany eo amin’ilay maridrefin’ny fifanoherana rehefa niezaka niaina ny filazantsara izy ireo. Amporisiho ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 13–14 mba hitady ireo fitsipika izay afaka mitarika azy ireo rehefa miatrika fifanoherana izy ireo ao anatin’ny ezaka ataony mba hiaina amim-pahamarinana.

Fintino ny Asan’ny Apostoly 13:1–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nivory tao Antiokia tao Syria ny mpaminany sy ny mpampianatra sasany dia nahazo toromarika avy tamin’ny Fanahy Masina izy ireo fa tokony ho antsoina hiara-mitory ny filazantsara i Saoly (izay lasa fantatra tamin’ny anarana hoe Paoly taty aoriana) sy i Barnabasy. Rehefa avy natokana ho amin’ny asa fitoriany i Saoly sy i Barnabasy dia nandeha avy tao Antiokia izy ireo ka nankany amin’ny nosy Kyprosy dia nitory tao amin’ny Synagoga tao an-tanànan’i Salamisy. Avy tao izy ireo dia nandeha tany amin’ny lafiny ilan’ilay nosy tamin’ny tanànan’i Pafo. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady ny toerana misy an’i Antiokia sy i Kyprosy ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly.”)

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 13:6–8 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nitranga rehefa tonga tao Pafo i Saoly sy i Barnabasy.

  • Araka ny ao amin’ny andininy 7, dia iza no naniry ny hihaino ny filazantsara avy amin’i Saoly sy i Barnabasy? (I Sergio Paolo, izay governora Romana iray tao amin’ny firenena.)

  • Inona no fifanoherana natrehan’ireo misiônera rehefa nampianatra ny filazantsara tamin’i Sergio Paolo?

Hazavao fa manomboka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:9, i Saoly dia antsoina hoe Paoly. Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 13:9–12 ny mpianatra iray. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny fomba nentin’i Paoly niady tamin’ny fanoherana avy amin’ilay mpaminany sandoka nantsoina hoe Elyma.

  • Inona no nolazain’i Paoly momba an’i Elyma ao amin’ny andininy 10? (Hazavao fa nampiasa teny maharary i Paoly satria nikasa ny hanao izay tsy hahazoan’ny olona iray hafa famonjena i Elyma.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 11, inona no nataon’i Petera tamin’ilay mpaminany sandoka tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 12, dia nisy fiantraikany tamin’io governora io tamin’ny fomba ahoana ny fahitana maso ny herin’ Andriamanitra?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity mahakasika ny herin’ Andriamanitra raha ampitahaina amin’ny herin’ny devoly? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra, dia ataovy izay ahitan’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Lehibe lavitra noho ny herin’ny devoly ny herin’ Andriamanitra. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 13:9–12.)

Asao ny mpianatra hisaintsaina hoe manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa lehibe lavitra noho ny herin’ny devoly ny herin’ Andriamanitra rehefa miatrika fifanoherana eo amin’ny fiainanantsika isika. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

Asan’ny Apostoly 13:14–43

Nitantara ny tantaran’ny Isiraelita i Paoly ary nijoro ho vavolombelona fa efa tonga i Jesoa Kristy ho fanatanterahana ny fampanantenan’ Andriamanitra

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fahadisoana iray izay nataony ka niriny ny hahafahany miverina mba hamafa izany. Hazavao fa indraindray ny fifanoherana atrehintsika dia mitranga noho ny safidy feno fahotana ataontsika ihany. Amporisiho ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 13:14–43 mba hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo hendresy io fifanoherana io.

Fintino ny Asan’ny Apostoly 13:14–37 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niala tao Kyprosy i Paoly sy i Barnabasy dia niondrana an-tsambo ho any Pamfylia (i Turquie amin’izao fotoana izao), ary taorian’izay dia nanapa-kevitra ny handao azy ireo i Jaona Marka, izay iray tamin’ireo mpiara-mitory taminy, dia nody. Nanohy ny diany nankany Antiokia tao Pisidia i Paoly sy i Barnabasy (tsy tokony hafangaro amin’i Antiokia tao Syria, izay toerana nanombohan’izy ireo ny asa fitoriany). Tamin’ny Sabata tao amin’io toerana io dia nijoro teo anoloan’ireo lehilahy tao amin’ny Synagoga i Paoly ka nitantara ireo zava-nitranga tao amin’ny tantaran’ny Isiraelita. Dia nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy nampanantenaina an’i Isiraely Azy i Paoly tamin’izay.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Asan’ny Apostoly 13:26–34 ka hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no tian’i Paoly ho takatr’ireo olona tao amin’ny Synagoga mikasika an’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 13:38–39. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny fitahiana izay nampianarin’i Paoly fa afaka ho azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no fitahiana afaka ho azontsika noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra: Afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika sy hamarinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika.)

Hazavao fa ny teny hoe anamarinana araka izay ampiasaina ao amin’ny andininy 39 dia midika hoe “[anafahana na amelana] amin’ny famaizana noho ny ota ka ambara ho tsy manan-tsiny” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Manamarina,” scriptures.lds.org). Rehefa amarinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olona iray dia miverina indray ny fifandraisany amin’ Andriamanitra.

  • Amin’ny fomba ahoana no hamelan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika hohamarinina hiala amin’ny fahotantsika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay fotopampianarana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona D. Todd Christofferson

“Nijaly sy nanolotra ny ainy i Jesoa hanonerana ny fahotantsika. Afaka mamafa ny vokatry ny fahotana izay ao amintsika ny herin’ny Sorompanavotany. Rehefa mibebaka isika dia manamarina sy manadio antsika ilay sorona feno famindrampo nataony (jereo ny 3 Nefia 27:16–20). Toy ny hoe tsy resin’ny fakam-panahy isika ary toy ny hoe tsy nanaiky ho voasarik’izany” (“That They May Be One in Us,” Ensign na Liahona, nôv. 2002, 71).

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho voavela amin’ny fahotantsika sy hohamarinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Iza avy ireo olona sasany ao amin’ny soratra masina izay voavela tamin’ny fahotany ary nohamarinina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Ohatra sasany mety ho tafiditra ao anatin’izany i Paoly sy i Almà Zanany ary i Enôsa.)

Asao ny mpianatra hihira ny andininy roa voalohany amin’ny “Endrey Mahagaga Ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44). Amporisiho izy ireo rehefa mihira mba hitady ny fomba nanehoan’ny mpanoratra ilay hira ny fankasitrahany noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy noho ny famelany heloka.

Asao ny mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina, na amin’ny taratasy iray.

  • Inona no zavatra tsapanao ho an’i Jesoa Kristy rehefa mieritreritra ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotany mamela ny fahotanao ianao?

Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany. Amporisiho ny mpianatra hanaraka izay fahatsapana mety azony avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana azy ireo handray ny famelana ny fahotana sy ny fanamarinana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Fintino ny Asan’ny Apostoly 13:40–43 amin’ny fanazavana fa taorian’ny toritenin’i Paoly dia maro ireo Jentilisa nangataka azy mba hampianatra indray ny Sabata manaraka.

Asan’ny Apostoly 13:44–52

Nitory tamim-pahasahiana i Paoly sy i Barnabasy na dia teo aza ny fanenjehana tsy nitsaha-nitombo

Hazavao fa tamin’ny andro Sabata manaraka dia efa ho ny iray tanàna no tonga hihaino an’i Paoly sy i Barnabasy nampianatra ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:44).

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra, ka asao izy ireo hiara-hamaky ny Asan’ny Apostoly 13:44–52. Omeo torolalana ny mpianatra iray isaky ny vondrona mba hitady ny fihetsika sy ny zavatra nataon’ireo Jiosy ary ilay mpianatra iray hafa mba hitady ny fihetsika sy ny zavatra nataon’ireo Jentilisa rehefa nivory mba hihaino an’i Paoly sy i Barnabasy ny vahoaka. Asao ihany koa ny mpianatra iray mba hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Asan’ny Apostoly 13:48, izay manova ilay fehezanteny farany hoe “izay nino rehetra dia voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay”.

  • Inona avy ireo fitahiana azon’ireo izay vonona ny hihaino an’i Paoly sy ireo mpiara-mitory taminy?

Asan’ny Apostoly 14

Nanatanteraka fahagagana maro i Paoly sy i Barnabasy rehefa nitory ny filazantsara tao anatin’ny fanenjehana tsisy fitsaharany

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ny Tompo araka ny eritreritrao no mamela ny olona tsara hiaina fitsapana sarotra?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 14 mba hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo hahatakatra fomba iray hamaliana io fanontaniana io.

Hazavao fa ny Asan’ny Apostoly 14:1–21 dia manoritsoritra ny sasany amin’ireo fahoriana izay niaretan’i Paoly sy i Barnabasy rehefa nanohy nitory ny filazantsara izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hamaky mafy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo fahoriana natrehan’ireo misiônera.

  1. Asan’ny Apostoly 14:1–2 (Namporisika ny Jentilisa hanohitra an’i Paoly sy i Barnabasy ireo Jiosy tsy nino.)

  2. Asan’ny Apostoly 14:8–18 (Rehefa avy nanasitrana lehilahy iray malemy tongotra i Paoly dia nihevitra ireo vahoaka tao Lystra fa andriamanitra Grika i Paoly sy i Barnabasy ka dia nikasa ny hanao fanatitra ho azy ireo ny olona.)

  3. Asan’ny Apostoly 14:19–20 (Notoraham-bato i Paoly saingy tsy maty izy.)

  • Inona avy ireo fahoriana tsy maintsy niaretan’i Paoly sy i Barnabasy?

  • Inona no eritreritra mety ho nanananareo raha toa ka niaraka tamin’i Paoly sy i Barnabasy ianareo nandritra ireo fitsapana ireo?

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 14:22 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny rehetra ka hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fahoriana.

  • Inona no fitsipika ampianarin’i Paoly ao amin’io andininy io? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Rehefa miatrika amim-pinoana ny fahoriana isika dia ho vonona ny hiditra ny fanjakana selestialy.)

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no afaka manomana antsika ho ao amin’ny fanjakana selestialy ny fiaretana am-pinoana ny fitsapana?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fitahiana izay efa tonga tamin’izy ireo na tamin’ny olona fantany rehefa nandalo fahoriana tamim-pinoana izy ireo na ireo olona fantany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy tokony hizara traikefa izay saropady na mahakasika be loatra ny tenany manokana izy ireo.) Zarao ny zavatra niainanao manokana izay afaka maneho bebe kokoa io fitsipika io sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany.

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ireo fahamarinana hitan’izy ireo tao amin’ny Asan’ny Apostoly 13 sy 14 ary misafidiana fahamarinana iray izay hanampy azy ireo indrindra mandritra ireo fitsapana. Omeo karatra kely fandraisana an-tsoratra na taratasy iray ny mpianatra tsirairay dia asao izy rehetra hanoratra ilay fitsipika nosafidiany eo amin’ilay karatra. Amporisiho ny mpianatra hametraka izany amin’ny toerana izay hahitany izany matetika (fitaratra na toerana fasiana akanjo any an-tsekoly sy ny sisa) mba hanome hery sy fankaherezana rehefa miatrika fitsapana izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 13:9. Lasa fantatra tamin’ny anarana hoe Paoly i Saoly

“[Ny Apôstôly Paoly] dia fantatra tamin’ny anarana hoe Saoly tamin’ny fiainany teo aloha. Ilay anarany amin’ny teny Latina hoe Paoly dia voatonona voalohany tamin’ny fiantombohan’ny asa fanompoana nataony teo anivon’ny Jentilisa (Asan’ny Apostoly 13:9)” (Bible Dictionary, ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy an’ny OAF “Paul”).

Asan’ny Apostoly 13:51. “Nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony [izy ireo]”

Ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ity fanazavana ity mikasika ny fanintsanana ny vovoka hiala amin’ny tongotry ny tena:

“Ny fanarahana ny fomba fanintsanana ny vovoka hiala ny tongotry ny tena mba ho vavolombelona hanohitra ny olona iray dia takatr’ireo Jiosy fa marika entina maneho ny fitsaharana amin’ny finamanana sy ny fialana mba tsy ho tompon’andraikitra amin’ireo vokatra izay mety haterak’izany. Lasa ôrdônansy fiampangana sy fijoroana ho vavolombelona izany tamin’ny alalan’ilay toromarika nomen’ny Tompo ny Apôstôliny araka izay voalaza ao amin’ny [Matio 10:14]. Amin’izao fotoampitantanana izao dia nandidy tamin’ny fomba mitovy amin’izany ireo mpanompony nomeny fahefana ny Tompo mba hijoro ho vavolombelona hanohitra ireo izay manohitra an-tsitrapo sy an-kitsirano ny fahamarinana rehefa atolotra ara-dalàna izany”(Jesus the Christ, ed. faha 3 [1916], 345; jereo koa ny F&F 24:15; 75:18–22; 84:92–96). Noho ny maha-saropady izany anefa dia tsy azo atao mihitsy ny fanintsanana vovoka hiala amin’ny tongotry ny tena raha tsy eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Asan’ny Apostoly 14:22. “Ho amin’ny fahoriana be”

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fahoriana:

“Misy dikany sy tanjony ireo zava-tsarotra iainantsika eto an-tany. … Tsy maintsy mandalo traikefa manokana ny tsirairay avy amintsika mba ho lasa hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy antsika. Ao anatin’ireo zavatra ianarantsika eto an-tany dia ny fanaintainana sy ny fahoriana matetika no mpampianatra antsika, saingy ireo lesona dia natao mba hanadio sy hitahiana antsika ary hampatanjahana antsika, fa tsy hanimba antsika” (“Faith through Tribulation Brings Peace and Joy,” Ensign na Liahona, mey 2003, 17).

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ireo tanjon’ny fahoriana amin’ny fiainana an-tany:

“Maro ireo karazana olana. Ny sasany manome antsika traikefa ilaina. Ny voka-javatra ratsy eto amin’ ity fiainana an-tany ity dia tsy porofo maneho ny tsy fahampian’ny finoana na ny tsy fahatomombanan’ ilay drafitry ny Raintsika any an-danitra amin’ny ankapobeny. Tena misy ilay afon’ny mpandrendrika, ary ireo toetra tsara sy ny fahamarinan-toetra voizina ao anatin’ny toe-javatra sarotra dia mahatonga antsika ho tanteraka sy manadio antsika ary manomana antsika hihaona amin’ Andriamanitra” (“Ireo hira izay tsy mba azon’izy ireo nohiraina,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 106).