Tahirim-pitaovana
Lesona 7: Matio 3


Lesona 7

Matio 3

Fampidirana

Nitory sy nanao batisa tao Jodia i Jaona Mpanao Batisa. Nandeha avy tany Galilia nankany amin’ny Renirano Jordana i Jesoa Kristy, ka nataon’i Jaona batisa. Nijoro ho vavolombelona Andriamanitra Ray fa i Jesoa no Zanany Malala izay Sitrany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 3:1–12

Nitory tao Jodia i Jaona Mpanao Batisa

Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra ny amin’ny mety ho fahatsapan’izy ireo raha toa ny iray amin’izy ireo mitsangana ka manomboka maka ny fananan’ny mpianatra hafa. Asaivo maka sary an-tsaina izy ireo avy eo fa taorian’ny nakan’ilay mpianatra nanao ny tsy mety ireo fananana dia niala tsiny izy nefa mbola nanohy naka ny fananan’ny mpianatra hafa ihany. Anontanio hoe:

  • Inona no eritreritrao momba ireo fialan-tsinin’izany mpianatra izany?

  • Ahoana no mety hitovian’ny fihetsik’io mpianatra io amin’ny fiezahana mibebaka tsy amim-kitsimpo?

Rehefa mandalina ny Matio 3 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay manampy antsika hahatakatra ny tsy maintsy ataontsika mba hibebahana marina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 3:1–4. Asao ireo mpianatra hitady ny zavatra nitranga izay hanampy ny olona hiomana amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy.

  • Iza i Jaona Mpanao Batisa? (Zanakalahin’i Zakaria sy i Elizabeta izy, izay havan’i Maria. Nihazona ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna izy [jereo ny F&F 13; 84:27–28].)

  • Inona no nataon’i Jaona?

  • Namporisihan’i Jaona hanao inona ireo mpihaino azy?

Hazavao fa ny iraka nampanaovina an’i Jaona dia efa nampahafantarin’i Isaia sy ny mpaminany hafa mialoha (jereo ny Isaia 40:3; Malakia 3:1; 1 Nefia 10:7–10). I Jaona dia nanomana ny lalana ho an’ny Mesia (Jesoa Kristy) tamin’ny fitoriana ny fibebahana sy amin’ny fanaovana batisa amin’ny rano.

  • Ahoana araka ny hevitrao no manampy amin’ny fanomanana ny lalan’ny Tompo ny fitoriana fibebahana sy fanaovana batisa amin’ny rano?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 3:5-6. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady ny fihetsika nasehon’ny vahoaka nanoloana ny hafatr’i Jaona.

  • Ahoana no fihetsik’ireo olona nanoloana ny hafatr’i Jaona? (Niaiky ny fahotany izy ireo ary natao batisa. Hazavao fa ny fahavononana hibaboka ny fahotana amin’ny Ray any An-danitra, ary raha ilaina dia amin’ireo mpitarika ny fisoronana izay voatendry dia manan-danja rehefa mibebaka [jereo ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara (2004), 134].)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 3:7. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny olona noresahin’i Jaona.

  • Araka ireo andininy ireo, iza no noresahin’i Jaona?

Hazavao fa ny Fariseo dia antokom-pivavahana teo anivon’ny Jiosy izay mitondra anarana milaza hoe misaraka na mitokana. Nandoka tena tamin’ny fanarahana amin’ny fomba hentitra ny lalàn’i Mosesy izy ireo ary nino fa manan-danja mitovy amin’ny lalàn’i Mosesy ireo fanampiana nataon’ny olombelona amin’izany, izay fantatra amin’ny hoe lalàna lovan-tsofina (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fariseo”). Ireo Sadoseo dia antoko bitika iray teo anivon’ny Jiosy, kanefa natanjaka ara-pôlitika izay nino ny fanarahana ny tenin’ny lalàn’i Mosesy. Izy ireo dia tsy nino ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Sadoseo”).

  • Inona no niantsoan’i Jaona ny Fariseo sy ny Sadoseo?

Menarana any Palestina

Menarana any Palestina

© taviphoto/Shutterstock.com

Raha azo atao dia asehoy ny sarin’ ny menarana any Palestina iray ary hazavao fa io no bibilava misy poizina matetika hita ao Isiraely. Ny menarana dia velombelona amin’ny alina ary mazàna mihaza amin’ny fiafenana sy fijaikojaikoana eo akaikin’ny hazany avy eo. Rehefa mahatsapa loza ny menarana dia mangorona ny vatany, misitrisitra ary mamely ny fahavalony.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nilaza i Jaona fa ireo Fariseo sy Sadoseo dia toy ny menarana? (Azonao atao ny manamarika fa ireo Fariseo sy Sadoseo dia nahatsapa fahatahorana an’i Jaona rehefa hitan’izy ireo fa olona betsaka no nesoriny tamin’ny fitaoman-dratsin’izy ireo sy ny fampianaran-dison’izy ireo.)

Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia ahitana teny fanampiny izay nolazain’i Jaona tamin’ireo Fariseo sy Sadoseo. Asaivo mamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith , Matio 3:34-36 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) ireo mpianatra. (Azonao atao ny manazava fa ireo andininy ireo dia dikantenin’ny Matio 3:8–9.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo.

  • Araka ny voalazan’i Jaona, raha mandà ny fampianarany ireo Fariseo sy Sadoseo dia handà an’iza ihany koa izy ireo?

  • Ahoana no hamintinanao ny hafatr’i Jaona ho azy ireo?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay andian-teny hoe Mamoa voa miendrika ny fibebahana.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io andian-teny io dia mariho fa ao amin’ny soratra masina ny olona matetika dia atao fanoharana amin’ny hazo izay mamoa voa tsara na voa ratsy. Asehoy na ataovy sary ny voankazo iray ary hazavao fa izany dia manambara ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika. Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny manao hoe “miendrika” dia midika hoe “mendrika” (jereo ny Matio 3:8, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b).

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay toe-javatra nasainao nalain’izy ireo sary an-tsaina teo am-panombohana ny lesona (ny mpianatra iray dia maka ny fananan’ny hafa ary manohy ny fanaovana izany na dia efa niala tsiny aza).

  • Nampiseho ny fitsipiky ny fibebahana araka ny tokony ho izy tamin’ny alalan’ny faniriany sy ny zavatra nataony ve ilay mpianatra? Nahoana? (Mbola nanohy naka ireo fananan’ny mpianatra hafa ilay mpianatra taorian’ny fialany tsiny.)

  • Ahoana no hamintinanao ny dikan’ny hoe “mamoa … voa miendrika ny fibebahana”? (Matio 3:8). (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Maneho fibebahana marina amin’ny Tompo isika rehefa manova ny faniriantsika sy ny asantsika mba hanaraka ireo fampianarany.)

  • Inona no faniriana sy zavatra ataontsika izay manambara fa efa nibebaka marina tamin’ny fahotantsika isika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra io fahamarinana io dia tanisao eny amin’ny solaitrabe ireto ohatra manaraka ireto: ny fanaovana hosoka any am-pianarana, ny hoe ratsy fanahy amin’ny mpiray tam-po, ny faharatsian-toetra na ny fampijaliana ny mpianatra hafa, ny fampiasana fiteny ratsy, sy ny fijerena pôrnôgrafia. Angataho ireo mpianatra mba hanazava ny mety ho eritreritra sy fihetsika ataon’ny olona iray izay nibebaka tamin’ireo fahotana ireo.

Vakio mafy ny Matio 3:10. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny voka-dratsin’ny tsy fibebahana marina. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany. Hazavao fa ny hoe “hokapaina ka hatsipy any anaty afo” dia manambara fa ireo olona izay tsy mibebaka dia tsy hanana ny fitaoman’ny Fanahin’ Andriamanitra ary hanary ireo fitahian’ny fanjakana selestialy.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina mikasika izay mety ho faniriany na zavatra ataony izay tokony hovainy mba hahafahany mibebaka marina tokoa. Amporisiho izy ireo hampiseho fibebahana marina amin’ny fanovana izay mety ho faniriana sy zavatra ataony ka tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ Andriamanitra.

Asao hamaky amim-pahanginana ny Matio 3:11 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nolazain’i Jaona fa ho ataon’ny Mpamonjy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 11, inona no ho ataon’i Jesoa fa tsy azon’i Jaona atao? (I Jesoa dia hanao batisa “amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.” Hazavao fa i Jaona dia niresaka momba ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay ampahany faharoan’ny fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny batisa. Ny Fanahy Masina dia manamasina sy manefy ny fanahintsika tahaka ny amin’ny alalan’ny afo [jereo ny 2 Nefia 31:13–14, 17].)

Fintino ny andininy 12 amin’ny fanazavana fa izany dia mamariparitra amin’ny alalan’ny tandidona izay hitranga amin’ny olo-marina izay manaiky an’i Jesoa Kristy (ny vary) sy ireo olon-dratsy izay mandà Azy (ny akofa).

Matio 3:13–17

Natao batisa i Jesoa Kristy, ary manambara Azy ho ny Zanany Malala ny Ray

Asao ny mpianatra izay efa vita batisa mba handinika momba ny batisany manokana. Manasà mpianatra maromaro hizara izay zavatra tsaroany.

Hazavao fa ny Matio 3:13–17 dia mitantara ny nanaovana batisa ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra mba hitady ireo zavatra mampitovy ny batisany amin’ny an’ny Mpamonjy rehefa mandalina ireo andininy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

Nataon’iza?

Tamin’ny fomba ahoana?

Nahoana?

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpinamana mba hifandimby hamaky mafy ny Matio 13:13–17 mba hahafantarana ny valin’ireo fanontaniana telo ireo. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Iza no nanao batisa an’ i Jesoa? (Soraty hoe Jaona Mpanao Batisa eo amin’ny solaitrabe eo akaiky ny hoe Nataon’iza?)

  • Nahoana i Jesoa no nandeha avy tany Galilia nankany amin’ny Reniranon’i Jordana mba ho ataon’i Jaona batisa? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Jaona dia nihazona ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna ary izy no hany lehilahy tokana nanana fahefana hanatanteraka ny ôrdônansin’ny batisa tamin’izany fotoana izany. (Soraty hoe Fahefana marina eo amin’ny solaitrabe eo akaiky ny hoe Jaona Mpanao Batisa.)

  • Inona no andian-teny ao amin’ny andininy16 izay manambara ny fomba nanaovana batisa an’i Jesoa? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa i Jesoa izay niakatra “avy teo amin’ny rano” avy hatrany dia manambara fa natao batisa asitrika Izy—izay midika fa voasaron’ny rano tanteraka Izy. Soraty hoe Asitrika eo amin’ny solaitrabe eo akaiky ny hoe Tamin’ny fomba ahoana?)

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo dia nanatrika teo amin’ny Reniranon’i Jordana tamin’ny fotoana nanaovana batisa ny Mpamonjy.

  • Nahoana i Jaona no nisalasala hanao batisa ny Mpamonjy tamin’ny voalohany? (Fantany fa nanana toerana sy fahefana lehibe kokoa noho ny azy i Jesoa.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 15, nahoana i Jesoa no nilaza fa nila natao batisa? (“Mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.” Soraty eo amin’ny solaitrabe eo akaiky ny hoe Nahoana? izany andian-teny izany)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’io andian-teny io?

Hazavao fa ny hoe “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” dia midika hoe manao ny zavatra rehetra izay takin’ny Ray any An-danitra amintsika rehetra mba hahafahantsika miaina miaraka Aminy indray. Tafiditra amin’izany ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena, izay takin’ Andriamanitra amin’ny zanany rehetra, ka anisan’izany i Jesoa. Tamin’ny alalan’ny nanaovana batisa Azy i Jesoa dia nametraka ny Tenany ho maodely tonga lafatra tokony ho arahantsika, naneho fanetrentena, nankatò ny didin’ny Rainy ary nandray ny ôrdônansy iray izay ilaina amin’ny fandraisana ny fiainana mandrakizay 2 Nefia 31:4–11).

Asaivo ampiasan’ny mpianatra ireo valintenin’ny fanontaniana telo eny amin’ny solaitrabe mba hamantarana fotopampianarana iray izay azontsika ianarana avy amin’ny Matio 3:13–17. Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Ny batisa asitrika ataon’ny olona mihazona fahefana dia ilaina amin’ny famonjena.

  • Ahoana no ampitahana ny batisanao amin’ny ohatra napetraky ny Mpamonjy ho antsika?

Hazavao fa ny Matio 3:16–17 dia manampy antsika ihany koa hianatra fotopampianarana momba Ny Andriamanitra. Asao ny mpianatra hamerina hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hitady ireo fampianarana mikasika ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

  • Taiza ireo mpikamban’ Ny Andriamanitra tsirairay tamin’ny fotoana nanaovana batisa ny Mpamonjy? (I Jesoa Kristy dia tao anatin’ny Renirano Jordana, ny Fanahy Masina dia nilatsaka Taminy tahaka ny voromailala ary ny Ray any An-danitra dia niresaka avy tany an-danitra. Azonao atao ny manazava fa ny Fanahy Masina dia tsy tena niova ho voromailala. Famantarana na tandindona kosa ilay voromailala fa nidina teo amin’i Jesoa ny Fanahy Masina.)

  • Inona no fotopampianarana ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba Ny Andriamanitra? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina dia olona telo miavaka tsara.)

Mariho amin’izy ireo fa maro ireo olona izay tsy manana fahalalana marina na feno momba Ny Andriamanitra. Rehefa mahatakatra ny tena toetran’ Ny Andriamanitra isika dia vao mainka afaka hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ho Azy ireo ary ho vonona bebe kokoa ny hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba Azy Ireo amin’ny hafa.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra misimisy kokoa momba ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Andriamanitra dia zarazarao ho vondrona mandeha tsitelotelo izy ireo ary asao izy ireo hijery ny hoe “Andriamanitra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ho an’ny vondrona tsirairay, omeo andraikitra momba ny mpikambana iray ao amin’ny Andriamanitra ny tsirairay amin’ny mpianatra telo. Asao ny mpianatra hamaky mafy ireo zavatra nampandraiketina azy ireo ka hikaroka fampahalalana momba ilay mpikambana izay nasaina nohalalininy. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asaivo mampianatra izay nianarany amin’ny vondrona misy azy ny mpianatra ary hanazava ny antony maha-zava-dehibe ny fahafantarantsika ireo fahamarinana ireo.

Ho famaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 3:11. “Izy dia hanao batisa amin’ny Fanahy Masina sy ny afo”

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe atao batisa amin’ny afo:

“Nodidiana sy nampianarina isika mba hanana fiainana hahafahan’ny toetrantsika lavo hiova amin’ny alalan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina. Ny Filoha Marion G. Romney dia nampianatra fa ny batisan’ny afo na amin’ny Fanahy Masina dia ‘manova ny [fontsika] avy amin’ny ara-nofo ho amin’ny ara-panahy. Manadio sy manasitrana ary maha-tsy misy pentina ny fanahy izany. … Ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ary ny batisan’ny rano dia zavatra atao mialoha sy takina mialoha avokoa, fa [ny batisan’ny afo] no fahatontosana. Ny fahazoana [izany batisan’ny afo izany] dia midika fa nodiovina tamin’ny ra manavotr’i Jesoa Kristy ny fitafin’ny olona iray’ (Learning for the Eternities, natambatr’i George J. Romney [1977], 133; jereo koa ny 3 Nefia 27:19–20).

“Noho izany rehefa nateraka indray isika sy miezaka mandrakariva ny hanana ny Fanahiny miaraka amintsika, dia manamasina sy manadio ny fanahintsika ny Fanahy Masina tahaka amin’ny alalan’ny afo (jereo ny 2 Nefia 31:13–14, 17). Amin’ny farany, dia hijoro tsy misy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra isika” (“Clean Hands and a Pure Heart,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 81).

Matio 3:12. “Eny an-tànany ny fikororohany”

“Ny ‘fikororohana’ resahina ao amin’ny Matio 3:12 dia fitaovana fampiasa mba hanofana vary. Izany dia mahatonga ny vary hisaraka amin’ny akofa. Ny ampahan’ny vary ilaina dia hilatsaka amin’ny tany raha hitsoka ny akofa maivana kosa ny rivotra. Avy eo ny vary dia hangonina ao an-tsompitra, na ny trano fitehirizana ary ny akofa kosa dia hodorana. I Jaona Mpanao Batisa dia nampianatra fa ny Mpamonjy, izay ho avy aoriany dia hanasaraka ny mpino amin’ireo tsy mpino tahaka ny fomba fanasarahana ny vary amin’ny akofa (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Testamenta Vaovao [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 17).

Matio 3:16. Ny famantaran’ny voromailala

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa ny Fanahy Masina dia tsy niseho tamin’ny maha-voromailala taorian’ny batisan’i Jesoa Kristy. Ny voromailala izay nidina kosa dia nidika fa ny Fanahy Masina dia nanatrika io zava-nitranga io. Nampianatra i Joseph Smith hoe:

“Ny famantaran’ny voromailala dia napetraka talohan’ny faharian’izao tontolo izao, ho vavolombelona momba ny Fanahy Masina, ary ny devoly dia tsy afaka tonga amin’ny alalan’ny famantaran’ny voromailala. Ny Fanahy Masina dia manana vatana Fanahy, ary miendrika vatana Fanahy Izy. Tsy mitoetra amin’ny endriky ny voromailala Izy, fa ao amin’ny famantaran’ ny voromailala. Ny Fanahy Masina dia tsy afaka miova ho voromailala; fa ny famantaran’ny voromailala kosa dia nomena an’i Jaona mba hanehoana ny fahamarinan’ny zavatra nataony, amin’ny maha-tandidon’ny fahamarinana sy ny tsy fananan-tsiny ny voromailala” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 81).

Matio 3:13–17. Ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina dia olona telo miavaka tsara

Nanazava ny fomba maha-iray Ny Andriamanitra na dia anankitelo miavaka tsara aza ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Mino isika fa ireo olona masina telo ireo izay mandrafitra ny hoe Ny Andriamanitra tokana dia iray amin’ny tanjony sy ny fomba fiasany, sy ny fijoroany ho vavolombelona ary eo amin’ny iraka tanterahiny. … Mihevitra aho fa mety tsara ny ilazana fa mino isika fa iray Izy Ireo eo amin’ny lafiny manan-danja sy mandrakizay rehetra azo heverina afa-tsy ny finoana Azy Ireo ho olona telo mitambatra ho olona iray, hevitra iray araka ny Trinité izay tsy mbola voalaza mihitsy ao amin’ny soratra masina satria tsy marina”(“The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 40).

Nanome fanazavana fanampiny ny Loholona Holland fa ny antony iray mampifanjevo momba ny toetran’ Ny Andriamanitra dia satria nandritra ny Apôstazia Lehibe ny “olom-piangonana, ny mpanao filôzôfia, ary ny manam-pahefana ara-pivavahana” dia niady hevitra momba ny toetran’ Ny Andriamanitra ary nanapa-kevitra izy ireo tamin’ny farany fa Andriamanitra dia tsy azo fantarina sy tsy azo takarina (jereo ny “The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” 40–41).